Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azontsika Antenaina fa Hataon’Andriamanitra?

Inona no Azontsika Antenaina fa Hataon’Andriamanitra?

Inona no Azontsika Antenaina fa Hataon’Andriamanitra?

TAMIN’NY taonjato fahavalo Talohan’i Kristy, dia fantatr’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, fa voan’ny aretina mahafaty izy. Sivy amby telopolo taona izy tamin’izay, ary kivy tanteraka, ka nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanasitrana azy. Namaly tamin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra hoe: “Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.”​—Isaia 38:1-5.

Nahoana Andriamanitra no nanao zavatra tamin’io fotoana io? Taonjato maromaro talohan’izay, dia nampanantena an’i Davida mpanjaka marina izy hoe: “Ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” Nambaran’Andriamanitra koa fa avy amin’ny taranak’i Davida no iavian’ny Mesia. (2 Samoela 7:16; Salamo 89:20, 26-29; Isaia 11:1) Mbola tsy nanana zanakalahy anefa i Hezekia tamin’izy narary, ka nahina sao ho lany tamingana ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Namonjy an’i Hezekia àry Andriamanitra tamin’izay, mba hanatanterahana fikasana voafaritra tsara, dia ny hiaro ireo razambe iavian’ny Mesia.

Talohan’ny nisian’ny Kristianisma, dia imbetsaka i Jehovah no namonjy ny vahoakany mba hanatanterahana ny fampanantenany. Hoy i Mosesy momba ny fanafahana ny Israelita avy tamin’ny fanandevozana tany Ejipta: “Ny nitiavan’i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’i Jehovah anareo tamin’ny tànana mahery.”​—Deoteronomia 7:8.

Nanao zavatra koa Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany, mba hanatanterahana ny fikasany. Nahazo fahitana nahagaga, ohatra, ny Jiosy iray atao hoe Saoly, teny an-dalana ho any Damaskosy. Ny hisakana azy tsy hanenjika ny mpianatr’i Kristy no anton’izany. Nandray anjara lehibe tamin’ny fanelezana ny vaovao tsara tany amin’ireo firenena io lehilahy io, rehefa lasa Kristianina, ary nantsoina hoe apostoly Paoly.​—Asan’ny Apostoly 9:1-16; Romanina 11:13.

Namonjy ny vahoakany foana ve Andriamanitra?

Nisakana ny loza foana ve Andriamanitra, sa tsindraindray ihany izy vao nanao izany? Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa tsy nanao izany foana akory izy. Namonjy ireo tovolahy hebreo telo tsy ho faty tao anaty lafaoro nisy afo nidedadeda Andriamanitra, ary nanavotra an’i Daniela mpaminany avy tao an-davaky ny liona. Nisy mpaminany hafa anefa tsy novonjeny. (2 Tantara 24:20, 21; Daniela 3:21-27; 6:17-23; Hebreo 11:37) I Petera koa dia nafahana tamin’ny fomba nahagaga avy tao amin’ilay tranomaizina nanagadran’i Heroda Agripa I azy. Io mpanjaka io ihany anefa no nampamono ny apostoly Jakoba, ary tsy nisakana izany Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 12:1-11) Nomeny hery hanasitrana ireo apostoly, ary hery hanangana ny maty mihitsy aza. Kanefa, tsy nesoriny tamin’ny apostoly Paoly ilay ‘tsilo tao amin’ny nofo’, izay angamba aretina nampijaly.​—2 Korintianina 12:7-9; Asan’ny Apostoly 9:32-41; 1 Korintianina 12:28.

Tsy nisakana ny fanenjehana nahery vaika nampiharin’i Néron mpanjaka romanina tamin’ny mpianatr’i Kristy koa Andriamanitra. Nampijalijalina sy nodorana velona ny Kristianina, ary natsipy hohanin’ny bibidia. Tsy nahagaga ny Kristianina voalohany anefa izany, sady tsy nahatonga azy ireo hisalasala raha tena misy Andriamanitra. Efa nampitandrina ny mpianany mantsy i Jesosy fa hoentina eny amin’ny fitsarana izy ireo, ary tokony ho vonona hijaly, na ho faty mihitsy aza, noho ny finoany.​—Matio 10:17-22.

Toy ny taloha, dia azo antoka fa afaka manavotra ny mpanompony amin’ny loza Andriamanitra ankehitriny. Ary tsy tokony hokianina ny olona mihevitra hoe niaro azy Andriamanitra. Tsy afaka manizingizina anefa isika hoe tena nanao izany izy na tsia. Rehefa nipoaka ny orinasa iray tany Toulouse, dia nisy mpanompon’i Jehovah mahatoky maromaro naratra. Nisy koa Kristianina nahatoky an’arivo maty tany amin’ny toby fitanana nazia sy kominista, na noho ny loza hafa, ary tsy nisakana izany Andriamanitra. Nahoana àry izy no tsy mamonjy izay olona rehetra ankasitrahany?​—Daniela 3:17, 18.

“Ny fotoana sy ny sampona”

Rehefa mamely ny loza, dia mety ho voa daholo ny olon-drehetra. Tsy voatery ho voaro ny olona iray, satria hoe tsy mivadika amin’Andriamanitra. Nandritra ilay loza tany Toulouse, ohatra, dia 30 no maty, ary an-jato no naratra, na dia tsy nisy fahadisoana nataony aza. I Alain sy Liliane kosa nieren-doza. Etsy an-danin’izany, dia misy olona an’alina mahita fahavoazana noho ny heloka bevava, ny tsy fitandreman’ny mpitondra fiara, na ny ady. Tsy tompon’andraikitra amin’izany Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly fa “ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo” ny olon-drehetra.​—Mpitoriteny 9:11.

Ankoatra izany, dia mety harary sy hihantitra ary ho faty ny olombelona. Nisy nihevitra fa namonjy ny ainy tamin’ny fomba nahagaga Andriamanitra, na nanasitrana azy tamin’ny fomba tsy nampoizina. Maty ihany anefa izy ireny tatỳ aoriana. Mbola amin’ny hoavy vao hofoanana ny aretina sy ny fahafatesana, ary ‘hofafana ny ranomaso rehetra’ amin’ny mason’ny olombelona.​—Apokalypsy 21:1-4.

Mba hahatanteraka izany, dia tsy ampy fotsiny ny fanaovan-javatra tsindraindray, fa misy fiovana lehibe ilaina. Miresaka momba ny “andro lehiben’i Jehovah” ny Baiboly. (Zefania 1:14) Hanafoana ny faharatsiana rehetra Andriamanitra, mandritra io ady haneran-tany io. Ho afaka hiaina mandrakizay ao anaty toe-piainana lavorary ny olombelona amin’izay. “Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17) Na ny maty aza dia hatsangana, ka ho foana ny loza lehibe indrindra mianjady amin’ny olombelona. (Jaona 5:28, 29) Ho voavahan’Andriamanitra tanteraka ny olana mahazo ny olombelona, noho ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-petra.

Inona no ataon’Andriamanitra ankehitriny?

Tsy midika anefa izany hoe mijery fotsiny ny zavaboariny mijaly Andriamanitra, mandra-pahatongan’izany fotoana izany. Manasa ny olona rehetra izy ankehitriny mba hiezaka hahalala azy sy hihavana aminy, na inona na inona fiavian’izy ireo sy fari-piainany. (1 Timoty 2:3, 4) Hoy i Jesosy momba izany: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Mitaona ny olona tso-po ho aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’ny hafatra momba ilay Fanjakana, izay torin’ny mpanompony eran-tany.

Manan-kery mivantana eo amin’ny fiainan’izay vonona hanaiky ny tari-dalany koa Andriamanitra. ‘Manokatra ny fon’izy ireo’ izy, amin’ny alalan’ny fanahiny masina, mba hahafantaran’izy ireo ny sitrapony sy hanaovan’izy ireo izay takiny. (Asan’ny Apostoly 16:14) Mamela antsika hahafantatra azy sy ny Teniny ary ny fikasany Andriamanitra, mba hanaporofoana fa miahy sy tia antsika tsirairay izy.​—Jaona 17:3.

Farany, dia manampy ny mpanompony Andriamanitra ankehitriny, nefa tsy mamonjy azy ireo amin’ny fomba mahagaga akory izy. Omeny ny fanahiny masina sy “hery fanampiny” izy ireo, mba hahaizany miatrika ny zava-manjo azy. (2 Korintianina 4:7) Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy”, dia i Jehovah Andriamanitra.​—Filipianina 4:13.

Tena tokony hisaotra an’Andriamanitra àry isika isan’andro fa mbola velona aina. Tokony hisaotra azy koa isika, noho izy mampanantena antsika fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo iray tsy hisy fijaliana. Hoy ny mpanao salamo: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’i Jehovah.” (Salamo 116:12, 13) Tsara raha mamaky tsy tapaka ity gazety ity ianao. Amin’izay dia ho azonao hoe inona no efa nataon’Andriamanitra, sy ataony, ary mbola hataony, mba hahasambatra anao ankehitriny, sy hanananao fanantenana azo antoka momba ny hoavy.​—1 Timoty 4:8.

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.”​—Isaia 65:17

[Sary, pejy 5]

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia tsy nosakanan’i Jehovah ny fitoraham-bato an’i Zakaria . . .

na ny famonoan’i Heroda olona tsy nanan-tsiny

[Sary, pejy 7]

Tsy ho ela dia tsy hisy intsony ny fijaliana; na ny maty aza ho velona indray