Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’i Jehovah ny Fiaretana Fisedrana

Midera An’i Jehovah ny Fiaretana Fisedrana

Midera An’i Jehovah ny Fiaretana Fisedrana

“Raha manao ny tsara kosa ianareo ka mijaly noho izany, nefa miaritra, dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra.”​—1 PETERA 2:20.

1. Inona no fanontaniana tsy maintsy dinihin’ireo Kristianina marina, noho izy te hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany?

NANOLO-TENA ho an’i Jehovah ny Kristianina, ary maniry hanao ny sitrapony. Maniry hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany izy ireo, ka manao araka izay fara heriny mba hanarahana ny dian’i Jesosy Kristy ilay Modeliny, sy hanambarana ny marina. (Matio 16:24; Jaona 18:37; 1 Petera 2:21) Namoy ny ainy noho ny finoany anefa, i Jesosy sy ny olon-kafa nahatoky, ka maty maritiora. Koa midika ve izany fa tokony hamoy ny ainy noho ny finoany koa ny Kristianina rehetra?

2. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny fisedrana sy ny fijaliana?

2 Ampirisihina hahatoky hatramin’ny fahafatesana isika Kristianina, nefa tsy voatery hamoy ny aintsika noho ny finoantsika akory. (2 Timoty 4:7; Apokalypsy 2:10) Midika izany fa vonona hijaly noho ny finoantsika isika, ary vonona ho faty mihitsy aza, nefa tsy maniry izany. Tsy mahafinaritra antsika mihitsy izany hoe mijaly sy ory na afa-baraka izany. Ampoizina anefa ny hisian’ny fisedrana sy fanenjehana, ka mila fantatsika tsara izay tokony hatao amin’izay fotoana izay.

Mahatoky na dia iharam-pitsapana aza

3. Milazà fomba niatrehan’ny olona sasany fanenjehana, araka ny voalazan’ny Baiboly. (Jereo ilay efajoro hoe “Ny Fomba Niatrehan’izy Ireo ny Fanenjehana”, eo amin’ny pejy manaraka.)

3 Misy tantara maro ao amin’ny Baiboly mampiseho ny nataon’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, rehefa notandindomin-doza ny ainy. Rehefa mandinika ny fomba samy hafa niatrehan’izy ireo izany ny Kristianina ankehitriny, dia mahafantatra izay tokony hataony, raha sanatria tojo zava-tsarotra toy izany izy ireo. Diniho ireo fitantarana ao amin’ilay efajoro hoe “Ny Fomba Niatrehan’izy Ireo ny Fanenjehana”, ary makà lesona avy amin’izany.

4. Inona no nataon’i Jesosy sy ireo mpanompo nahatoky hafa, rehefa tojo fisedrana izy ireo?

4 Tsy nitovy ny nataon’i Jesosy sy ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky hafa, rehefa nenjehina izy ireo. Niovaova araka ny zava-nisy izany, nefa mazava fa tsy nanao vivery ny ainy tsy tamin’antony izy ireo. Be herim-po izy ireo nefa malina, rehefa tao anatin’ny toe-javatra nampidi-doza. (Matio 10:16, 23) Ny hampitombo ny asa fitoriana sy ny tsy hivadika amin’i Jehovah no tanjony. Afaka manahaka ny nataon’izy ireo ny Kristianina tojo fisedrana sy fanenjehana ankehitriny.

5. Inona no fanenjehana nisy tany Malawi tany amin’ireo taona 1960, ary inona no nataon’ireo Vavolombelona tany?

5 Faran’izay mijaly sy fadiranovana matetika ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, noho ny ady sy fandrarana ary fanenjehana mivantana. Nenjehina mafy, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi tany amin’ireo taona 1960. Nisy nandrava ny Efitrano Fanjakanany, ny tranony, ny tahirin-tsakafony, ary ny fivarotany, saika ny fananany rehetra mihitsy. Nokapohina sy nampijalijalina be izy ireo. Inona no nataon’ireo rahalahy? An’arivo no voatery nandositra ny tanànany. Maro no niery tany anaty akata, ny hafa kosa nifindra monina vetivety tany Mozambika, teo akaiky teo. Na dia olona nahatoky maro aza no namoy ny ainy, dia nifidy ny handositra ilay faritra nampidi-doza ny hafa. Ary toa nety ny nanaovana izany tamin’izay fotoana izay. Nanahaka ny nataon’i Jesosy sy Paoly ireo rahalahy nandeha nandositra ireo.

6. Inona no mbola nataon’ireo Vavolombelona tany Malawi, na dia nenjehina tamin-kalozana aza izy ireo?

6 Voatery nifindra monina na niafina ireo rahalahy tany Malawi. Nitady ny tari-dalan’Andriamanitra sy nankatò izany foana anefa izy ireo, sady nanohy nanao fanompoana miafina, araka izay azony natao. Inona no vokany? Nahatratra tampon’isa 18 519 ny mpitory ilay Fanjakana, taloha kelin’ny fandrarana tamin’ny 1967. Nahatratra tampon’isa vaovao 23 398 indray ny mpitory tamin’ny 1972, na dia mbola voarara aza ny asa ary maro no nandositra tany Mozambika. Maherin’ny 16 ora isam-bolana ny fanompoana vitan’izy ireo, tamin’ny antsalany. Azo antoka fa nahazo dera i Jehovah noho ny asan’ireo rahalahy nahatoky ireo, ary nanohana azy ireo izy nandritra ireny fotoana faran’izay sarotra ireny. *

7, 8. Nahoana no misy mifidy ny tsy handositra, na dia mahita olana noho ny fanoherana aza izy ireo?

7 Any amin’ny tany ahitana olana noho ny fanoherana, dia mety hanapa-kevitra ny tsy handositra ireo rahalahy, na dia afaka manao izany aza. Mety hilamina ny zava-manahirana sasany, rehefa mifindra monina izy, nefa mety hisy olana hafa koa hipoitra. Ohatra, afaka ny hifandray hatrany amin’ny rahalahiny kristianina ve izy, ka tsy hanjary hihaosa ara-panahy? Aoka hatao hoe manan-karena kokoa ilay tany nandosirany, na mora kokoa ny mahazo vola any. Afaka hanao hatrany ireo zavatra ara-panahy efa nahazatra azy ve izy, rehefa miezaka mafy hanorim-ponenana ao amin’io tany io?​—1 Timoty 6:9.

8 Aleon’ny hafa indray tsy mifindra monina, satria miahy izay hahasoa ny rahalahiny eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. Nifidy ny hijanona ao amin’ny taniny sy hiatrika ilay zava-tsarotra izy ireo, mba hanohizana mitory ao amin’ny taniny sy hampaherezana ny mpiara-manompo aminy. (Filipianina 1:14) Afaka nanampy ireo Vavolombelona tao amin’ny taniny hahazo fandresena tany amin’ny fitsarana mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo. *

9. Inona no tsy maintsy dinihina, alohan’ny hanapahana hevitra hoe hijanona na hifindra monina, noho ny fanenjehana?

9 Anjaran’ny tsirairay ny mifidy hoe hijanona izy na hifindra monina. Mazava ho azy, fa tokony hivavaka sy hitady ny tari-dalan’i Jehovah aloha isika, vao manapa-kevitra. Na inona na inona anefa fidintsika hatao, dia tsy maintsy tadidintsika ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.” (Romanina 14:12) Araka ny efa nomarihintsika tetsy aloha, dia takin’i Jehovah ny tsy hivadihan’ny mpanompony tsirairay, na inona na inona mitranga. Misy amin’izy ireo efa voasedra sy enjehina amin’izao fotoana izao. Mety ho mbola ho avy kosa ny fisedrana ny hafa. Tsy maintsy hiharam-pitsapana ny rehetra, ary tsy tokony hisy hanantena ny ho afa-miala amin’izany. (Jaona 15:19, 20) Tsy afa-miala amin’ilay adihevitra momba ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy fanamarinana ny zony hitondra, isika mpanompony vita fanoloran-tena. Voakasik’izy io avokoa ny olombelona rehetra.​—Ezekiela 38:23; Matio 6:9, 10.

“Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza”

10. Inona no ohatra lehibe navelan’i Jesosy sy ny apostoly, mba hiatrehana zava-tsarotra sy fanoherana?

10 Misy toro lalana lehibe hafa ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy sy ny apostoly, rehefa niharan-java-tsarotra izy ireo: Tsy mamaly faty ny mpanenjika antsika mihitsy isika. Tsy misy resaka mihitsy ao amin’ny Baiboly hoe nanangana antoko mpanohitra na nampiasa herisetra i Jesosy na ny mpanara-dia azy, mba hiadiana tamin’ireo mpanenjika azy. Nampirisika ny Kristianina kosa ny apostoly Paoly hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza . . . Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’” Ankoatra izany, dia “aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”​—Romanina 12:17-21; Salamo 37:1-4; Ohabolana 20:22.

11. Inona no nolazain’ny mpahay tantara iray momba ny fihetsiky ny Kristianina voalohany nanoloana ny fitondram-panjakana?

11 Nandray am-po izany torohevitra izany ny Kristianina voalohany. Nilazalaza ny fihetsiky ny Kristianina nanoloana ny fitondram-panjakana nandritra ireo taona 30-70 i Cecil Cadoux mpahay tantara, ao amin’ny bokiny hoe Ny Fiangonana Voalohany sy Izao Tontolo Izao (anglisy). Hoy izy: “Tsy manana porofo mivantana isika mampiseho fa nanandrana nampiasa herisetra ny Kristianina tamin’io fotoana io, mba hanoherana ny mpanenjika. Ny fihetsika nahery indrindra nasehony dia ny fanakianana mafy an’ireo mpitondra, na ny fandosirana, ka tsy hitan’ireo mpitondra izay natao. Mazàna anefa ireo Kristianina no tsy nanao afa-tsy ny nanda mafy tsy hankatò ireo didy navoakan’ny fitondram-panjakana, izay hitany fa nifanohitra tamin’ny fankatoavany an’i Kristy.”

12. Nahoana no aleo miaritra fahoriana toy izay mamaly ratsy?

12 Tena fahendrena ve ny miaritra fotsiny toy izany, fa tsy manohitra? Raha izany no ataon’ny Kristianina, tsy ho mora amin’ireo tapa-kevitra ny handripaka azy ireo ve ny hanararaotra azy? Tsy fahendrena ve ny miaro tena? Mety ho izany no izy, raha araka ny fijerin’olombelona. Mpanompon’i Jehovah anefa isika, ka matoky fa ny manaraka ny tari-dalany foana no tsara indrindra. Tsaroantsika hatrany ny tenin’i Petera hoe: “Raha manao ny tsara kosa ianareo ka mijaly noho izany, nefa miaritra, dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (1 Petera 2:20) Matoky isika fa mahafantatra tsara ny zava-mitranga i Jehovah, ary tsy hamela izany hitohy foana. Ahoana no ahazoantsika antoka fa izany no izy? Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany babo tany Babylona: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ (Zakaria 2:12) Hisy olona hamela ny anakandriamasony hokasihina ela be ve? Azo antoka àry fa hitondra fanamaivanana amin’ny fotoana mety i Jehovah. Tsy isalasalana ny amin’izany.​—2 Tesalonianina 1:5-8.

13. Nahoana no navelan’i Jesosy hisambotra azy ny fahavalo?

13 Afaka manahaka an’i Jesosy isika amin’io lafiny io. Tsy hoe tsy afaka niaro tena akory izy, matoa namela ny fahavalony hisambotra azy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nilaza tamin’ny mpianany mihitsy aza izy hoe: “Heverinao [ve] fa tsy azoko atao ny miangavy ny Raiko, ka izao ankehitriny izao ihany aho dia handefasany tafik’anjely misy andiany maherin’ny roa ambin’ny folo? Raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho toy izao no hahatanterahan’izany?” (Matio 26:53, 54) Ny nanatanteraka ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy, na dia voatery nijaly aza izy noho izany. Natoky tanteraka ny faminanian’i Davida ao amin’ny Salamo izy, manao hoe: “Tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka Hianao.” (Salamo 16:10) Taona maro tatỳ aoriana, dia hoy ny apostoly Paoly momba an’i Jesosy: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.”​—Hebreo 12:2.

Fifaliana manamasina ny anaran’i Jehovah

14. Inona ilay fifaliana nanampy an’i Jesosy hiaritra ny fisedrana rehetra nahazo azy?

14 Inona ilay fifaliana nanampy an’i Jesosy hiaritra ilay fitsapana mafy indrindra? Azo antoka fa amin’ireo mpanompon’i Jehovah rehetra, dia io Zanaka malalan’Andriamanitra io no tena lasibatr’i Satana. Koa ny tsy fivadihany na dia niharam-pitsapana àry no fomba tsara indrindra hamaliana ilay fitenenan-dratsy nataon’i Satana tamin’i Jehovah. (Ohabolana 27:11) Azonao an-tsaina ve ny fifaliana sy fahafaham-po tsapan’i Jesosy, rehefa nitsangana tamin’ny maty izy? Azo antoka fa nahatsiaro ho sambatra izy, rehefa takany fa vitany ny asa nanirahana azy tamin’ny naha olona lavorary azy, dia ny nanamarina ny zon’i Jehovah hitondra, sy nanamasina ny anarany! Tsy azo lavina koa fa voninahitra lehibe sy faran’izay mahafaly an’i Jesosy, ny mipetraka “eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.”​—Salamo 110:1, 2; 1 Timoty 6:15, 16.

15, 16. Inona no fanenjehana nahatsiravina niaretan’ireo Vavolombelona tany Sachsenhausen, ary inona no nanome azy ireo ny hery iaretana izany?

15 Faly koa ny Kristianina manamasina ny anaran’i Jehovah, rehefa miaritra fisedrana sy fanenjehana, toa an’i Jesosy. Anisan’izany, ohatra, ireo Vavolombelona nijaly tany Sachsenhausen, ilay toby fitanana nalaza ratsy. Tafavoaka velona tamin’ilay diaben’ny fahafatesana tamin’ny faran’ny Ady Lehibe II izy ireo. An’arivo ny gadra matin’ny hatsiaka, aretina, na hanoanana nandritra io diabe io. Nisy koa novonoin’ireo SS mpiambina tsy nisy indrafo, teny an-dalana. Tafavoaka velona avokoa anefa ireo Vavolombelona 230, satria niray hina sy nifanampy, na dia nety ho nanaraka hatramin’ny ainy aza.

16 Inona no nanome an’ireny Vavolombelona ireny ny hery iaretana fanenjehana nahatsiravina toy izany? Vao afa-doza izy ireo, dia nilaza ny hafaliany sy fankasitrahany an’i Jehovah tao amin’ny taratasy mitondra ny lohateny hoe: “Fanapahan-kevitra nolanin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 230, avy amin’ny firenena enina, nivory tao anaty ala, akaikin’i Schwerin, atỳ Mecklenbourg.” Izao no voalaza tao: “Vita hatreo iny fotoam-pitsapana mafy sy naharitra ela iny, ary tsy misy fofon’afo akory amin’ireo tsy maty. Toy ny hoe nosarihina avy tao anaty lafaoro nisy afo midedadeda izy ireo. (Jereo ny Daniela 3:27.) Feno tanjaka sy hery avy amin’i Jehovah kosa izy ireo, ary miandry fatratra izay didy vaovao avy amin’ilay Mpanjaka, mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.” *

17. Inona avy no fisedrana atrehin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

17 Mety hiharam-pitsapana koa ny finoantsika toy ny an’ireo olona 230 nahatoky ireo, na dia mbola “tsy tonga hatramin’ny fahalatsahan-dra” aza izany. (Hebreo 12:4) Mety hiseho amin’ny endriny maro samy hafa ny fitsapana. Mety ho fanesoan’ny mpiara-mianatra izany, na fitaoman’ny namana haloto fitondran-tena sy hanao zava-dratsy hafa. Mety hiatrika olana sy fisedrana mafy koa ny Kristianina, noho izy tapa-kevitra ny tsy hampidirana ra, hanambady ao amin’ny Tompo ihany, na hampianatra ny fahamarinana ny zanany, na dia tsy mitovy finoana aminy aza ny vadiny.​—Asan’ny Apostoly 15:29; 1 Korintianina 7:39; Efesianina 6:4; 1 Petera 3:1, 2.

18. Inona no mahatonga antsika hatoky fa afaka miaritra na dia ny fisedrana faran’izay mafy aza isika?

18 Na inona na inona anefa fisedrana mety hahazo antsika, dia fantatsika ny anton’izany. Mijaly isika satria mametraka an’i Jehovah sy ny Fanjakany eo amin’ny toerana voalohany, ary tena voninahitra sy fifaliana ho antsika ny manao izany. Mampahery antsika ny fanomezan-toky avy amin’i Petera hoe: “Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy, satria mitoetra aminareo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.” (1 Petera 4:14) Manome hery antsika ny fanahin’i Jehovah, mba hiaretantsika na dia ny fisedrana mafy indrindra aza, ho voninahitra sy ho fiderana ho azy.​—2 Korintianina 4:7; Efesianina 3:16; Filipianina 4:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Vao nanomboka ny fanenjehana nivaivay sy famonoana an’ireo Vavolombelona tany Malawi tamin’ireo taona 1960. Efa ho 30 taona teo ho eo ny fotoana tsy maintsy niaretan’izy ireo izany. Raha te hahita ny tantara manontolo momba izany ianao, dia jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, pejy 171-213.

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tohanan’ny Fitsarana Tampony ny Fivavahana Marina eto Amin’ny ‘Tany Ararata’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2003, pejy 11-14.

^ feh. 16 Mitantara ny zavatra niainany tamin’io diabe io ny olona iray nieren-doza, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1998, pejy 25-29.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no iheveran’ny Kristianina ny fijaliana sy ny fanenjehana?

• Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jesosy sy ny olona nahatoky hafa niharam-pisedrana?

• Nahoana no fahendrena ny tsy mamaly faty rehefa enjehina isika?

• Inona no fifaliana nanampy an’i Jesosy hiaritra fisedrana, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Ny Fomba Niatrehan’izy Ireo ny Fanenjehana

• Nasain’ny anjely iray hitondra an’i Jesosy handositra any Ejipta i Josefa sy Maria, talohan’ny nahatongavan’ny miaramilan’i Heroda hamono ny zazalahy kely rehetra roa taona no ho midina, tany Betlehema.​—Matio 2:13-16.

• Imbetsaka ny fahavalon’i Jesosy no nitady hamono azy, noho izy nitory tamim-pahasahiana. Nidify azy ireo hatrany anefa i Jesosy.​—Matio 21:45, 46; Lioka 4:28-30; Jaona 8:57-59.

• Rehefa nisy miaramila sy mpiambina tonga hisambotra an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia nampahafantatra mazava ny tenany izy. Indroa izy no niteny hoe: “Izaho no izy.” Tsy navelany hanohitra mihitsy aza ny mpanara-dia azy, fa nanaraka ilay vahoaka romotra izy.​—Jaona 18:3-12.

• Nosamborina i Petera sy ny olon-kafa tany Jerosalema, nokapohina, ary norarana tsy hiresaka momba an’i Jesosy. Vao nafahana anefa izy ireo, dia ‘niala, ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.’​—Asan’ny Apostoly 5:40-42.

• Fantatr’i Saoly, izay lasa apostoly Paoly, fa nitetika ny hamono azy ny Jiosy tany Damaskosy. Nataon’ireo rahalahy tao anaty sobika àry izy, ka nampidininy avy teo amin’ny loaka tamin’ny manda tamin’ny alina, ary lasa nandositra izy.​—Asan’ny Apostoly 9:22-25.

• Naleon’i Paoly nampiakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara, taona maro tatỳ aoriana, na dia nihevitra aza i Festosy Governora sy Agripa Mpanjaka, fa ‘tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hamatorana azy’ izy.​—Asan’ny Apostoly 25:10-12, 24-27; 26:30-32.

[Sary, pejy 16, 17]

Nanompo tamim-pifaliana hatrany ireo Vavolombelona nahatoky tany Malawi na dia voatery nandositra aza, satria nenjehina mafy

[Sary, pejy 17]

Nanampy an’ireto olona nahatoky ireto hiaritra ny toby fitanana nazia sy ny diaben’ny fahafatesana nampanaovina azy, ny fifaliana hanamasina ny anaran’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana]

Diaben’ny fahafatesana: KZ-Gedenkstätte Dachau, courtesy of the USHMM Photo Archives

[Sary, pejy 18]

Mety hiseho amin’ny endriny maro samy hafa ny fitsapana