Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitarika ny Olon-tsotra ho Amin’ny Fahamarinana i Jehovah

Mitarika ny Olon-tsotra ho Amin’ny Fahamarinana i Jehovah

Tantaram-piainana

Mitarika ny Olon-tsotra ho Amin’ny Fahamarinana i Jehovah

NOTANTARAIN’I ASANO KOSHINO

Tamin’ny 1949, taona vitsivitsy monja taorian’ny Ady Lehibe II, dia nisy teratany vahiny iray nitsidika ilay fianakaviana niasako tany Kobe. Lehilahy lava ranjanana izy io, sady tena sariaka. Izy no misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah tonga voalohany teto Japon. Nahatonga ahy hahita ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny fitsidihany. Aoka aloha hotantaraiko ny mombamomba ahy.

TERAKA tamin’ny 1926 aho, tany amin’ny tanàna kely tany amin’ny faritra avaratr’i Okayama. Izaho no fahadimy tamin’ny ankizy valo. Shintoista nafana fo i Dada, ka nazoto nivavaka tao amin’ilay toerana masina akaiky anay. Faly erỳ àry izahay ankizy, rehefa niaraka ny fianakaviana mba hankalaza ireo fety ara-pivavahana nandritra ny taona.

Nanana fanontaniana maro momba ny fiainana aho rehefa nihalehibe, kanefa ny momba ny fahafatesana no tena nampiady saina ahy. Araka ny fomban-drazana, dia tokony ho ao an-tranony ihany ny olona no hiala aina, ary tokony hanatrika eo ny ankizy. Nalahelo mafy aho rehefa maty ny bebenay sy ny anadahiko, izay tsy ampy herintaona akory. Kivy mihitsy koa aho isaky ny nieritreritra hoe ho faty ny ray aman-dreniko. ‘Dia tsy misy afa-tsy fahafatesana ve no miandry ny olona? Sa mba misy heviny hafa ny fiainana?’ Tena nanitikitika ny saiko ny valin’izany.

Tao amin’ny kilasy fahenina tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra aho, rehefa nanomboka niady i Chine sy Japon tamin’ny 1937. Nantsoina hanao raharaha miaramila ny lehilahy, ary nalefa hiady tany Chine. Rehefa nanao veloma ny rainy sy ny zokiny lahy ny ankizy mpianatra, dia niantso hoe: “Banzai!”, izany hoe: Ho ela velona anie ny emperora. Nihevitra an’i Japon ho firenena masina ny olona, ary natao ho toy ny andriamanitra ny emperorany. Natoky àry ny rehetra fa handresy i Japon.

Tsy ela dia nanomboka naharay ny anaran’ireo maty an’ady ny fianakaviana. Tsy laitra nampiononina ireo fianakaviana nidonam-pahoriana. Nitombo tao am-pon’izy ireo ny fankahalana, ka faly izy ireo rehefa betsaka ny fahavalo maty na naratra. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Tsy maintsy mijaly ohatra anay koa izao ireo fahavalonay rehefa misy maty ny havany.’ Vao mainka nihamafy ny ady tany Chine, tamin’ny fotoana nahavitako ny fianarako teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra.

Tafahaona tamin’ny teratany vahiny

Nahantra izahay, satria tantsaha ny fianakavianay. Navelan’i Dada nanohy ny fianarako foana anefa aho raha mbola tsy nandoavam-bola izany. Tamin’ny 1941 àry, dia niditra tao amin’ny sekolin-jazavavy tany Okayama aho, tany amin’ny 100 kilaometatra teo ho eo niala teo aminay. Nampiofana ny ankizivavy ho renim-pianakaviana mahay ilay sekoly. Notendrena hiara-mipetraka tamin’ny fianakaviana nanan-karena teo an-tanàna ny mpianatra, mba hiofana amin’ny fikarakarana tokantrano. Miasa any amin’ireny trano ireny ny mpianatra amin’ny maraina, ary mankany an-tsekoly izy amin’ny tolakandro.

Rehefa vita ny fombafomba tamin’ny fihaonana voalohany, dia nanatitra ahy tany amin’ny trano lehibe iray ny mpampianatra anay, izay nanao akanjo mampiavaka ny Japoney. Tsy fantatra anefa izay nahazo an’ilay vehivavy tompon-trano fa tsy nety nandray ahy izy. “Hankany amin’ny tranon-dRtoa Koda àry ve izany isika?”, hoy ilay mpampianatra. Nentiny tany amin’ny trano tandrefana iray aho, ary nampanenoiny ny lakolosim-baravarana. Madama lava be sady fotsy volo izay no nivoaka avy tao. Taitra be aho, fa hay izy tsy Japoney! Sady izay aho vao nahita Tandrefana hatrizay niainako. Nampifankahalalain’ilay mpampianatra tamin-dRtoa Maud Koda aho, ary lasa haingana izy nandeha. Notarihiko niditra ny trano ny entako, sady natahotahotra ihany aho. Fantatro tatỳ aoriana fa Amerikanina Rtoa Koda, ary nanambady lehilahy japoney nianatra tany Etazonia. Mpampianatra anglisy tany amin’ny sekoly momba ny varotra izy.

Betsaka ny asa natao ny ampitso maraina. Narary voan’ny androbe ny vadin-dRtoa Koda, ka tsy maintsy nikarakara azy aho. Somary natahotra ihany aho, satria tsy nahay teny anglisy mihitsy. Maivamaivana erỳ aho rehefa niresaka tamiko tamin’ny fiteny japoney Rtoa Koda. Nanjary zatra nihaino teny anglisy ny sofiko, rehefa nandre azy ireo niresaka isan’andro. Nahafinaritra ahy ny fiainana tao an-trano.

Gaga aho nahita ny fikarakaran’i Maud an’ilay vadiny narary. Tena tia namaky Baiboly io vadiny io. Fantatro tatỳ aoriana fa nahazo an’ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra tamin’ny teny japoney izy mivady, tany amin’ny fivarotana boky efa nampiasaina. Nahazo tsy tapaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy koa izy ireo nandritra ny taona maro.

Indray andro, dia nahazo Baiboly iray aho. Faly aho satria izay aho vao mba nanana Baiboly ahy manokana hatramin’izay niainako. Namaky an’ilay izy aho rehefa handeha hianatra sy nirava avy nianatra, kanefa tsy tena azoko ilay izy. Tsy dia nahalala momba an’i Jesosy Kristy aho, satria notezaina tamin’ny fivavahana shinto. Tsy nampoiziko fa tamin’izay no nanomboka ireo fisehoan-javatra nahatonga ahy hahita ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly, ka nahalalako ny valin’ireo fanontaniako momba ny fiainana sy ny fahafatesana.

Loza telo

Vetivety dia tapitra ireo roa taona nianarana asa, ary tsy maintsy nandao an’ilay fianakaviana niasako aho. Rehefa vita ny fianarako, dia niaraka tamin’ny ankizivavy mpiasa an-tsitrapo, nanamboatra fanamiana ho an’ny tafika an-dranomasina, aho. Nanomboka ny zera baomba nataon’ny fiaramanidina amerikanina B-29 teto Japon, ary nandatsaka baomba ataomika tany Hiroshima izy ireo tamin’ny 6 Aogositra 1945. Naharay telegrama aho, andro vitsivitsy taorian’izay, nilaza fa narary mafy i Neny. Izay lamasinina niainga voalohany ho any aminay no nandehanako. Nisy havanay nitsena ahy anefa, raha vao nivoaka ny lamasinina aho, ary nilaza izy fa nodimandry i Neny. Maty tamin’ny 11 Aogositra izy. Tanteraka izao ilay zavatra efa natahorako hatramin’ny ela! Tsy ho eo intsony i Neny mba hiresaka na hitsiky amiko.

Resy i Japon tamin’ny 15 Aogositra. Loza telo be izao àry no tsy maintsy natrehiko tao anatin’ny folo andro: ny fipoahan’ilay baomba ataomika, ny fahafatesan’i Neny, ary ny faharesen’i Japon, izay lasa fisehoan-javatra lehibe teo amin’ny tantara. Nampionona kely ihany anefa ny nahalala hoe nitsahatra ny ady, ka tsy hisy olona ho faty an’ady intsony. Nalahelo mafy aho tamin’izany, ka niala tamin’ny asako, ary niverina tany ambanivohitray.

Nahita ny fahamarinana

Tsy nampoiziko indray andro, fa naharay taratasy avy tany Okayama aho, nalefan’i Maud Koda. Nanontany izy raha afaka nankany aminy aho mba hanampy azy tamin’ny raharaha tao an-trano, satria hanokatra sekoly fianarana teny anglisy izy. Tsy hitako izay hatao, kanefa nanaiky ihany aho. Nifindra nankany Kobe niaraka tamin-dry Koda aho, rehefa afaka taona vitsivitsy.

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1949, dia nisy lehilahy nihaja be tonga tao amin-dry Koda. Donald Haslett no anarany, ary lava be izy io, sady tena sariaka. Avy tany Tokyo izy, ka tonga teto Kobe mba hitady trano ho an’ny misionera. Izy no misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah tonga voalohany teto Japon. Nahita trano izy, ary nisy misionera maro tonga teto Kobe tamin’ny Novambra 1949. Nitsidika an-dry Koda ny dimy tamin’izy ireo indray andro. Anisan’izy ireo i Lloyd Barry sy Percy Iszlaub, ary niresaka tamin’ny teny anglisy nandritra ny folo minitra avy izy ireo, tamin’izay olona tao an-trano. Nentin’ireo misionera toy ny anabavy kristianina i Maud, ary nampahery azy ny niaraka tamin’izy ireo. Tamin’izay aho vao nazoto hianatra teny anglisy.

Nampian’ireo misionera be zotom-po aho, ka nahafantatra tsikelikely ny fahamarinana fototra tao amin’ny Baiboly. Hitako ny valin’ireo fanontaniana nanitikitika ahy tamin’izaho mbola kely. Mampanantena tokoa ny Baiboly fa hisy fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, ary hatsangana amin’ny maty “izay rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:1, 4) Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, noho ny nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany ho sorona, mba hananantsika izany fanantenana izany.

Fanompoana kristianina nahafaly

Tao amin’ny tranon’ny misionera teto Kobe no nanaovana ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tatỳ Japon, tamin’ny 30 Desambra 1949 ka hatramin’ny 1 Janoary 1950. Niara-nanatrika tamin’i Maud aho. Nazia no tompon’ilay tranobe taloha, ary tazana tsara avy eo ny Ranomasina Inland sy ny Nosy Awaji. Tsy azoko tsara izay zavatra nolazaina tany, satria mbola tsy tena nahay Baiboly aho. Tena nanaitra ahy anefa ny nahita ireo misionera nifandray be tamin’ny Japoney. Nisy 101 no nihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro tamin’io fivoriambe io.

Nanapa-kevitra ny handray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha aho, fotoana fohy taorian’izay. Saro-kenatra anefa aho, ka nanahirana ahy ny nandeha isan-trano. Tonga tany an-tranonay ny Anadahy Lloyd Barry indray maraina, mba haka ahy handeha hitory. Teo amin’ilay trano nanaraka ny tranon’ny Rahavavy Koda izy no nanomboka. Niafina tao andamosiny aho rehefa nitory izy. Niaraka tamin’ny rahavavy misionera roa aho rehefa nitory fanindroany. Nisy vehivavy japoney efa lehibe nampandroso anay. Nihaino izy, ary avy eo nanome anay ronono iray vera avy. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary natao batisa tatỳ aoriana. Nampahery tokoa ny nahita ny fandrosoany.

Tamin’ny Aprily 1951 no nitsidika voalohany an’i Japon ny Anadahy Nathan Knorr, avy any amin’ny foibe any Brooklyn. Olona 700 teo ho eo no nihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro nataony tao amin’ny Efitrano Malalak’i Kyoritsu, any Tokyo. Faly ny mpanatrika rehetra tamin’io fivoriana manokana io, rehefa navoaka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny japoney. Tonga teto Kobe ny Anadahy Knorr ny volana nanaraka, ary natao batisa tamin’ilay fivoriana manokana natao teo an-toerana aho.

Herintaona teo ho eo taorian’izay, dia nampirisihina hanao fanompoana manontolo andro aho, dia ny asan’ny mpisava lalana. Mbola vitsy ny mpisava lalana teto Japon tamin’izany fotoana izany. Nieritreritra aho hoe, ahoana no hamelomako ny tenako, sady izaho koa nikasa ny hanambady. Tsapako anefa fa ny fanompoana an’i Jehovah no tokony hataoko zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1952. Soa ihany fa afaka niasa tapa-potoana tao amin’ny Rahavavy Koda aho, rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana.

Nody teto Japon koa ny zokiko lahy, rehefa avy nipetraka tany Taïwan. Noheveriko ho efa maty tany an’ady anefa izy. Mbola tsy nisy liana tamin’ny fivavahana kristianina mihitsy ny fianakaviako tamin’izay. Nafana fo tamin’ny asan’ny mpisava lalana anefa aho, ka nanomboka nandefa gazety sy bokikely ho azy ireo. Nifindra teto Kobe ny zokiko lahy sy ny fianakaviany tatỳ aoriana, noho ny asany. Nanontaniako ilay zaobaviko hoe: “Novakinareo ve ireo gazety nalefako?” Gaga aho rehefa namaly izy hoe: “Tena mahaliana ny gazetinareo.” Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny iray tamin’ireo misionera izy, ary nianatra koa ilay zandriko vavy niara-nipetraka tamin’izy ireo. Samy natao batisa izy ireo tatỳ aoriana.

Nanohina ny foko ny fifankatiavan’ny mpirahalahy

Tena tsy nampoiziko, taoriana kelin’izay, fa nahazo fanasana aho, mba hanatrika ny kilasy faha-22 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Izaho sy ny Anadahy Tsutomu Fukase no Japoney voalohany nasaina hanatrika an’io sekoly io. Afaka nanatrika ny fivoriambe Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao anefa izahay talohan’ilay sekoly. Tany amin’ny Yankee Stadium, tany New York izy io no natao, tamin’ny 1953. Tena nanohina ny foko ny fitiavana mampiray ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany.

Tamin’ny andro fahadimy tamin’ilay fivoriambe, dia niomana hanao akanjo mampiavaka ny Japoney ireo solontenan’i Japon, izay misionera ny ankamaroany. Tsy tonga ara-potoana anefa ilay akanjo nalefako tamin’ny sambo, ka nindrana tamin’ny Rahavavy Knorr aho. Nanomboka nirotsaka ny orana nandritra ny fivoriana, ka natahotra aho sao ho lena ilay akanjo. Tamin’izay indrindra no nisy olona tsara fanahy nametraka akanjo aro orana tao andamosiko. Nanontany ahy ilay rahavavy teo akaikiko hoe: “Fantatrao ve hoe iza iny olona iny?” Fantatro tatỳ aoriana fa hay ny Anadahy Frederick Franz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ilay olona. Tena tsapako mihitsy tamin’izay ny fifankatiavana teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah!

Mpirahalahy maneran-tany tokoa no nanatrika ny kilasy faha-22 tamin’ny Sekolin’i Gileada, satria avy tany amin’ny tany 37 ireo mpianatra 120 tao amin’izy io. Sarotra ny fifandraisana satria tsy nitovy ny fiteny, kanefa tena nahafinaritra ny fifankatiavan’ireo mpirahalahy samihafa firenena. Nahazo diplaoma izahay tamin’ny Febroary 1954, ary nilatsaka ny oram-panala tamin’izay andro izay. Voatendry hiverina teto Japon ihany aho, ka i Inger Brandt, rahavavy soedoà, no voatendry hiaraka tamiko tany Nagoya. Rehefa tonga tany izahay, dia niaraka tamin’ireo misionera izay nesorina tany Korea noho ny ady. Tena sarobidy tamiko ireo taona vitsy nanaovako ny asa misionera.

Fanompoana taorian’ny fanambadiana

Voantso hanompo tao amin’ny Betelan’i Tokyo aho, tamin’ny Septambra 1957. Trano hazo nisy rihana iray no biraon’ny sampan’i Japon. Efatra monja no Betelita tao, ka ny Anadahy Barry no mpiandraikitra ny sampana, ary misionera ireo Betelita telo hafa. Izaho no voatendry hanao ny fandikan-teny sy ny fitsarana tsipelina, ary ny fanadiovana, fanasan-damba, fandrahoan-tsakafo, sy ny sisa.

Nandroso ny asa teto Japon, ka nihamaro ireo anadahy nasaina hiasa tao amin’ny Betela. Iray tamin’izy ireny i Junji Koshino, ary voatendry ho mpiandraikitra teo anivon’ilay fiangonana nisy ahy izy. Nivady izahay tamin’ny 1966. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Junji, taorian’izay. Faly izahay nahalala anadahy sy rahavavy maro be, tany amin’ireo fiangonana maro notsidihinay. Koa satria nasaina nandika teny koa aho, dia tany amin’ny trano nipetrahanay nandritra ny herinandro aho no nanao ny asako. Tsy maintsy nitondra ireo diksionera navesatra be izahay rehefa nandeha, ankoatra ny valizy sy ny entana hafa.

Nanao ny asan’ny faritra izahay nandritra ny efa-taona mahery, ary nahafinaritra anay izany. Hitanay koa ny fandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah. Nafindra tany Numazu aloha ny biraon’ny sampana, ary teto Ebina afaka folo taona teo ho eo, ary mbola eto no misy ny tranon’ny sampana amin’izao fotoana izao. Nanompo teto amin’ny Betela efa hatramin’ny ela izaho sy Junji, ary misy 600 eo ho eo izao ny mpiara-miasa aminay. Tamin’ny Mey 2002, dia niara-nankalaza ny faha-50 taona nanaovako fanompoana manontolo andro ireo namanay teto amin’ny Betela.

Faly mahita ny fitomboana

Vitsy kely ny mpitory teto Japon tamin’izaho vao nanomboka nanompo an’i Jehovah tamin’ny 1950. Efa maherin’ny 210 000 anefa izao ny mpitory ilay Fanjakana eto. Olona toy ny ondry an’arivo tokoa no notarihin’i Jehovah ho amin’ny fahamarinana, toa ahy.

Samy nahatoky hatramin’ny fahafatesana avokoa ireo anadahy misionera efatra sy ilay rahavavy iray nitsidika tany an-tranon’ny Rahavavy Koda tamin’ny taona 1949. Maty nahatoky koa ny Rahavavy Maud Koda, sy ny anadahiko, izay mpanampy amin’ny fanompoana, ary ny zaobaviko, izay nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 15 taona teo ho eo. Ary mba hanao ahoana ny ray aman-dreniko, izay natahorako ho faty tamin’izaho mbola kely? Tena mampionona ahy ny fampanantenan’ny Baiboly fitsanganana amin’ny maty.​—Asan’ny Apostoly 24:15.

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia tsapako fa tena nanova ny fiainako ny nahitako an’i Maud tamin’ny 1941. Raha tsy tafahaona taminy aho tamin’iny fotoana iny, dia tsy ho nanaiky ny hiara-miasa taminy rehefa tapitra ny ady. Mety ho nipetraka tany amin’ny toeram-pambolenay tany ambanivohitra be aho, ka tsy ho tafahaona mihitsy tamin’ireo misionera tamin’izany fotoana izany. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, noho izy nitarika ahy tamin’ny fahamarinana, tamin’ny alalan’i Maud sy ireo misionera voalohany!

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Maud Koda sy ny vadiny. Eo aloha ankavia aho

[Sary, pejy 27]

Miaraka amin’ireo misionera teto Japon, tany amin’ny Yankee Stadium tamin’ny 1953. Izaho no eo amin’ny farany ankavia

[Sary, pejy 28]

Miaraka amin’i Junji vadiko, ato amin’ny Betela