‘Mitsipaka ny Hazo Fanindronana’ ve Ianao?
‘Mitsipaka ny Hazo Fanindronana’ ve Ianao?
NAMPIASAINA mba handroahana sy hitarihana ny biby mpitondra entana ny fanindronan’omby, tamin’ny andron’ny Baiboly. Hazo lava izy io, ary mazàna misy vy maranitra eo amin’ny lohany. Inona no mitranga raha mafy loha ilay biby, ka tsy mety manaiky hotarihina amin’ny alalan’ilay fanindronana, fa manosika azy io? Handratra tena fotsiny izy, fa tsy hahazo fanamaivanana.
Niresaka ny amin’ny hazo fanindronana i Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty, rehefa niseho tamin’i Saoly, izay teny an-dalana hisambotra ny mpianany. Teo amin’ny hazavana mahajambena i Saoly no nandre an’i Jesosy nilaza hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana ianao e!” Toy ny hoe niady tamin’Andriamanitra i Saoly, rehefa nampijaly ny Kristianina, ka izy ihany no ho voan’ny ataony.—Asan’ny Apostoly 26:14.
Mety ‘hitsipaka ny hazo fanindronana’ koa ve isika, nefa tsy fanahy iniantsika? Ampitahain’ny Baiboly amin’ny “tenin’ny hendry”, izay manosika antsika hizotra amin’ny lalana tokony haleha, ny fanindronan’omby. (Mpitoriteny 12:11) Afaka manosika sy mitarika antsika amin’ny tsara ny torohevitra omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, raha raisintsika. (2 Timoty 3:16) Isika ihany no ho voa, raha tsy mety manaiky ny fampirisihany isika.
Nandray am-po ny tenin’i Jesosy i Saoly, ka nanova ny fiainany, ary lasa apostoly Paoly, ilay Kristianina malala. Hitondra fitahiana mandrakizay ho antsika koa ny fanarahana ny torohevitra avy amin’Andriamanitra.—Ohabolana 3:1-6.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
L. Chapons/Illustrirte Familien-Bibel nach der deutschen Uebersetzung Dr. Martin Luthers