Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Mahavariana Izany!”

“Tena Mahavariana Izany!”

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

“Tena Mahavariana Izany!”

NENTIN’I Dorota tany amin’ny toeram-pitsaboan’ny sekoly ny zanany lahy 14 taona, mba hanao ny fizaham-pahasalamana mahazatra. Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro any Polonina i Dorota. Nandritra ilay fizahana, dia nanontany azy momba ny raharaha fanaon-janany any an-trano i Janina, ilay dokotera. *

“Ny zanako no mikarakara ny sakafonay eni-mianaka, rehefa tsy afaka manao aho”, hoy i Dorota. “Izy koa no manadio ny trano sy manamboatra izay simba. Tia mamaky teny sy mazoto mianatra izy.”

“Tsy mampino izany”, hoy i Janina. “Efa 12 taona izay no niasako teto, fa mbola tsy nahare zavatra toy izany aho.”

Hoy i Dorota, rehefa hitany fa afaka nitory izy: “Maro ny ray aman-dreny tsy mampiofana ny zanany ankehitriny. Izany mazàna no mahatonga ny zanany hihevi-tena ho tsy dia misy vidiny firy.”

“Ahoana no ahafantaranao izany rehetra izany?”, hoy i Janina. “Tsy mahafantatra an’izany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny.”

“Ny Baiboly no manazava izany, ary boky sarobidy izy io”, hoy i Dorota. “Lazain’ny Deoteronomia 6:6-9, ohatra, fa tokony hianatra aloha isika vao hampianatra ny zanatsika. Tsy isika ve aloha no tokony handray ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ireo toetra tsara tiantsika hianaran’ny zanatsika?”

“Tsy mampino izany”, hoy indray i Janina. “Tena tsy mampino mihitsy!” Nanontany an’i Dorota izy avy eo hoe ahoana no nanampian’ny Baiboly azy teo amin’ny fitaizana sy ny fampianarana ny zanany.

“Mianatra Baiboly miaraka amin’ny zanakay izahay isan-kerinandro”, hoy i Dorota nanazava. “Misy boky iray ampiasainay, mitondra ny lohateny hoe Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra.” * Avy eo dia nilaza ny mombamomba ilay boky sy ny foto-kevitra sasany resahina ao izy.

Nihiaka i Janina hoe: “Tena mahavariana izany! Afaka mijery an’izany boky izany ve aho?”

Niverina nitondra ilay boky i Dorota, rehefa afaka adiny iray.

“Inona no fivavahanareo?”, hoy i Janina, rehefa nandinika ilay boky.

“Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy i Dorota.

“Ahoana no itondran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona tsy mitovy finoana aminy?”

“Amim-panajana, toy izao fomba itondrako anao izao ihany”, hoy i Dorota. Hoy koa izy: “Mazava ho azy fa irinay ny hahalalan’ny olona ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly.”

Niaiky i Janina hoe: “Tena mahafinaritra ahy izany.”

Nampirisihin’i Dorota hamaky Baiboly i Janina, rehefa vita ilay fizaham-pahasalamana. “Hampisy heviny ny fiainanao sy hanampy anao amin’ny asanao izany”, hoy izy.

“Tena mandrisika ahy hanao izany mihitsy ianao”, hoy i Janina.

Nahay nandanjalanja sy tapa-kevitra tsara i Dorota, ka lasa fitoriana nahafinaritra ilay fizaham-pahasalamana nahazatra tany amin’ny dokotera.​—1 Petera 3:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy tena anarany.

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.