Ampio Fifehezan-tena ny Fahalalanareo
Ampio Fifehezan-tena ny Fahalalanareo
‘Ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo.’—2 PETERA 1:5-8.
1. Inona no tsy hain’ny olona lavina, ka miteraka olana maro?
NAMPIRISIHINA handa ny zava-mahadomelina ny tanora tany Etazonia, nandritra ny ezaka lehibe natao hiadiana amin’ny fampiasana azy io. Tena ho tsara kokoa ny fiainana raha mandà tsy hidoroka zava-mahadomelina ny rehetra no sady mandà tsy hanao ireto zavatra ireto: miboboka toaka, maloto fitondran-tena na manana fomba fiaina tsy maneho fahendrena, manao ny tsy marina amin’ny raharaham-barotra, ary manatanteraka “ny fanirian’ny nofo”! (Romanina 13:14) Iza anefa no sahy hilaza fa mora foana ny mandà?
2. a) Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho fa sarotra tamin’ny olona fahiny koa ny nanda tsy hanao ratsy? b) Tokony hampirisika antsika hanao inona ireo ohatra ireo?
2 Sarotra amin’ny olombelona rehetra tsy lavorary ny mifehy tena, ka tokony hirintsika ho fantatra ny fomba handresena ny fahazaran-dratsy ananantsika. Ny Baiboly dia miresaka momba ny olona fahiny sasany, izay niezaka nanompo an’Andriamanitra, nefa nahatsapa fa sarotra indraindray ny nanda tsy hanao ratsy. Tadidio i Davida, izay nijangajanga tamin’i Batseba. Noho izany, dia maty ilay zanak’izy ireo sy ny vadin’i Batseba, izay samy tsy nanan-tsiny. (2 Samoela 11:1-27; 12:15-18) Eritrereto koa ny apostoly Paoly, izay nitsotra hoe: “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko fanao.” (Romanina 7:19) Mahatsapa izany koa ve ianao indraindray ka kivy? Hoy koa i Paoly: “Tena fahafinaretana ho ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy ato anatiko, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako. Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana izay azon’ny fahafatesana ity?” (Romanina 7:22-24) Ny ohatra ao amin’ny Baiboly dia tokony ho vao mainka hahatonga antsika ho tapa-kevitra ny hiady mafy foana, mba hahay hifehy tena kokoa.
Mila hianarana ny fifehezan-tena
3. Nahoana no tsy azo antenaina ho mora ny mifehy tena?
3 Mahay mandà tsy hanao ratsy ny olona mahafehy tena. Voatonona ao amin’ny 2 Petera 1:5-7 io toetra io, miaraka amin’ny finoana, hatsaran-toetra, fahalalana, fiaretana, fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana ny olona rehetra. Tsy tonga dia manana ireo toetra ireo isika raha vao teraka, fa tsy maintsy mianatra maneho azy ireo. Mila tapa-kevitra sy miezaka koa isika, raha te haneho ireo toetra ireo bebe kokoa. Azo antenaina ho mora noho izany àry ve ny mifehy tena?
4. Nahoana ny olona maro no mihevitra fa tsy sarotra aminy ny mifehy tena, nefa anisan’ny famantarana ny inona izany?
4 Marina fa maro no mety hihevitra hoe tsy sarotra aminy ny mifehy tena. Mitondra ny fiainany araka izay itiavany azy izy, ary manaraka ny baikon’ny nofony tsy lavorary, na fanahy iniana izany na tsia. Tsy raharahainy loatra izay vokany eo aminy na eo amin’ny hafa. (Joda 10) Vao mainka miharihary noho ny hatramin’izay fa tsy mahavita mandà tsy hanao ratsy ny olona ankehitriny, sady tsy vonona hanao izany. Anisan’ny famantarana izany fa tena miaina amin’ny “andro farany” isika. Nilazalaza mialoha ny momba izany i Paoly, rehefa niteny hoe: “Hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, . . . tsy hahafehy tena.”—2 Timoty 3:1-3.
5. Nahoana no mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah ny resaka fifehezan-tena, ary inona no torohevitra mbola mahasoa hatramin’izao?
Filipianina 4:8 isika tamin’izay. Marina fa efa ho 2 000 taona lasa izay no nanoratana an’io andinin-teny io. Mbola mahasoa foana anefa ny torohevitra nomen’Andriamanitra ao amin’izy io, na dia mety ho sarotra arahina kokoa noho ny tamin’izany fotoana izany, na tamin’ny 1916, aza. Na izany aza, dia miezaka mafy ny Kristianina hanohitra ny fanirian-dratsy, satria fantany fa mankatò ny Mpamorona azy izy, rehefa manao izany.
5 Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah tsara fa sarotra ny mifehy tena. Miaiky toa an’i Paoly izy ireo fa misy ady ao anatintsika ao, satria maniry hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra mba hampifaliana azy isika, nefa mitaona antsika hanao zavatra mifanohitra amin’izany ny nofo tsy lavorary. Noho izany, dia efa hatramin’ny ela ny Vavolombelona no liana amin’ny fomba handresena amin’io ady io. Tamin’ny 1916, ity gazety ity dia efa niresaka momba izay “tokony hataontsika mba hifehezana ny tenantsika, ny eritreritsika, ny tenintsika, ary ny fitondran-tenantsika.” Nampirisihina hitadidy ny6. Nahoana isika no tsy tokony hanary toky eo am-piezahana hifehy tena?
6 Iray amin’ny “vokatry ny fanahy [masina]” voatonona ao amin’ny Galatianina 5:22, 23 ny fifehezan-tena. Handray soa be dia be isika, raha maneho io toetra io miaraka amin’ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, [ary] fahalemem-panahy.” Nohazavain’i Petera fa hisakana antsika ‘tsy hipetra-potsiny na tsy hahavokatra’ eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. (2 Petera 1:8) Tsy tokony hanary toky na hanamelo-tena anefa isika, raha tsy mahavita maneho ireo toetra ireo haingana na amin’ny fomba feno, araka ny irintsika. Tsikaritrao angamba fa mora mahay zavatra kokoa noho ny hafa ny mpianatra sasany. Misy koa mpiasa mianatra asa vaovao haingana kokoa noho ny mpiara-miasa aminy. Toy izany koa ny Kristianina. Misy amin’izy ireo mianatra sy maneho toetra kristianina haingana kokoa noho ny hafa. Ny zava-dehibe dia ny miezaka hatrany araka izay fara herintsika, mba haneho toetra tsara. Hahavita izany isika, raha mandray tsara ny fanampiana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fiangonana. Tsy ny fahatongavana haingana amin’ny tanjona irina no tena zava-dehibe, fa ny fiezahana mafy mba hihatsara hatrany.
7. Nahoana no tena ilaina ny fifehezan-tena?
7 Marina fa voatonona farany ao amin’ilay lisitry ny toetra vokarin’ny fanahy ny fifehezan-tena. Kanefa, tsy latsa-danja noho ny toetra hafa izy io, fa tena ilaina mihitsy. Tokony hotsaroantsika hatrany fa raha nahay nifehy tena tanteraka isika, dia ho nahavita nanalavitra “ny asan’ny nofo” rehetra. Tsy lavorary anefa ny olombelona, ka mirona hanao “ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra, fanompoan-tsampy, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta.” (Galatianina 5:19, 20) Tsy maintsy miady mafy hatrany àry isika, ary ho tapa-kevitra ny hanongotra ny fironan-dratsy ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika.
Mila miady mafy kokoa ny sasany
8. Nahoana no tena sarotra amin’ny sasany ny mifehy tena?
8 Sarotra kokoa amin’ny Kristianina sasany ny mifehy tena. Nahoana? Noho ny fomba nitaizan’ny ray aman-dreniny azy na ny zavatra niainany angamba. Mahafaly tokoa raha tsy sarotra amintsika ny mifehy tena. Mety ho sarotra kokoa amin’ny hafa anefa izany, ka tena tokony hangoraka sy hiezaka hahazo izay manjo azy isika, na dia miteraka olana ho antsika aza ny tsy fahaizany mifehy tena. Nahoana moa isika no tokony hihevi-tena ho marina noho ny hafa, nefa samy tsy lavorary?—Romanina 3:23; Efesianina 4:2.
9. Inona no fahalemen’ny olona sasany, ary rahoviana izany vao ho resy tanteraka?
9 Indro misy ohatra: Fantatsika angamba fa mety ho mbola haniry mafy hifoka sigara na hampiasa zava-mahadomelina ny Kristianina sasany indraindray, na dia efa afaka tamin’izany Jakoba 3:2. “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.” Ny Kristianina hafa indray alaim-panahy hiloka, na mety ho sarotra aminy ny mifehy ny fahatezerany. Mety ho elaela vao ho resy ireo fahalemena ireo, na ny fahalemena hafa. Afaka manao fiovana be isika izao, nefa tsy ho afaka tanteraka ny fanirian-dratsy, raha tsy rehefa ho lasa lavorary isika. Raha miezaka mifehy tena isika mandra-pahatongan’izany, dia tsy hiverina indray amin’ny fahazaran-dratsy. Mbola mitohy ny ady, ka aoka isika hifanampy, mba tsy hilavo lefona.—Asan’ny Apostoly 14:21, 22.
aza. Tsy mora amin’ny sasany koa ny mifehy tena eo amin’ny sakafo na ny zava-pisotro misy alkaola. Manahirana ny hafa ny mifehy ny vavany, ka matetika izy no manao teny tsy voahevitra. Ilaina ny miezaka mafy hifehy tena, mba handresena ireo fahalemena ireo. Nahoana? Satria ‘manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra’, araka ny10. a) Nahoana no tena sarotra amin’ny sasany ny mifehy ny filan’ny nofo? b) Inona no fanitsiana lehibe nataon’ny rahalahy iray? (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 16.)
10 Sarotra ho an’ny sasany koa ny mifehy ny filan’ny nofo. I Jehovah Andriamanitra no nametraka ny faniriana hanao firaisana ao amintsika olombelona. Tena tsy mora amin’ny olona sasany anefa ny mifehy tena amin’io lafiny io, sy manaraka ny fitsipika napetrak’Andriamanitra momba izany. Mety ho vao mainka sarotra aminy izany, raha mafy tsy toy ny mahazatra ny faniriany. Adalana firaisana ny tontolo iainantsika, ary mazàna izy io no mandranitra ny filan’ny nofo amin’ny fomba maro. Mety hiteraka olana izany ho an’ny Kristianina izay tsy te hanambady, fara faharatsiny, mandritra ny fotoana kelikely. Tsy te ho voahelingelin’ny zavatra mampanahy ny olona manambady mantsy izy, eo am-panompoany an’Andriamanitra. (1 Korintianina 7:32, 33, 37, 38) Mety hanapa-kevitra ny hanambady anefa izy ireo, ary tsy misy maha ratsy izany mihitsy, araka ny torohevitry ny Soratra Masina hoe: “Aleo manambady toy izay harehitry ny filan’ny nofo.” Tapa-kevitra koa ireo mpitovo ireo fa hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”, araka ny torohevitry ny Soratra Masina. (1 Korintianina 7:9, 39) Afaka matoky isika fa faly i Jehovah, rehefa maniry hanaraka hatrany ny toro lalany momba ny fitondran-tena izy ireo. Faly koa ny Kristianina hafa mifanerasera amin’ny tena mpivavaka manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony toy izany.
11. Ahoana no azo anampiana ny rahalahy na anabavy iray te hanambady nefa mbola tsy nahita vady?
Salamo 39:1) Tena mendrika ny hoderaintsika ireo Kristianina mpitovo, izay miezaka ny hadio fitondran-tena hatrany. Tsy tokony hanao teny mety hanakivy azy isika, fa hiezaka hampahery azy kosa. Azontsika atao, ohatra, ny manasa mpitovo, rehefa miara-misakafo na miara-mikorana amin’ny Kristianina matotra vitsivitsy isika.
11 Ahoana raha tsy mahita vady mety tsara aminy ilay rahalahy na anabavy? Mety hahakivy tokoa izany hoe te hanambady izany, nefa mbola tsy mahita! Mahita ny namany manambady sy sambatsambatra angamba izy, nefa izy mbola eo am-pitadiavana izay vady mety tsara aminy. Mety ho lasa za-dratsy mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany ny sasany, mba hahazoana fahafinaretana. Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy misy Kristianina te hanakivy ny namany, izay miezaka mafy hadio fitondran-tena hatrany. Mety hanakivy azy ireo isika, raha manao teny tsy voahevitra, toy ny hoe: “Rahoviana ihany ianao io no hanambady?” Tsy te handratra azy angamba isika rehefa milaza izany, nefa aleo mihitsy mifehy tena, mba tsy hilaza zavatra tsy mety! (Fifehezan-tena ao anatin’ny fanambadiana
12. Nahoana no ilaina foana ny mifehy tena, na dia rehefa manambady aza?
12 Mbola ilaina foana ny mifehy ny filan’ny nofo, na dia rehefa manambady aza. Mety ho samy hafa be, ohatra, ny zavatra ilain’ny mpivady eo amin’io lafiny io. Mety ho sarotra ny hanao firaisana indraindray, na mety tsy ho afaka hanao izany ny mpivady, noho ny toe-batan’ny iray na ny toe-pahasalamany. Noho ny zava-nitranga teo aloha angamba, dia mety ho sarotra amin’ny iray amin’izy mivady ny hankatò ilay baiko hoe: “Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany.” Mety hila hifehy tena kokoa ny anankiray, raha izany no izy. Samy afaka mitadidy izao torohevitra nomen’i Paoly tamim-pitiavana izao anefa izy roa: “Aoka tsy hisy aminareo tsy hanaiky hanao ny adidy amim-bady, 1 Korintianina 7:3, 5.
raha tsy efa ifanarahanareo angaha hoe mandritra ny fotoana iray, mba hanokananareo fotoana ho amin’ny vavaka ka hiaraka indray ianareo avy eo, sao haka fanahy anareo foana i Satana noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena.”—13. Ahoana no azontsika anampiana ny olona miady mafy mba hifehy tena?
13 Tena tokony ho faly ny mpivady, raha samy nianatra nifehy ny filan’ny nofo izy ireo. Raha misy anefa mpiray finoana aminy, izay mbola miezaka mafy hifehy tena amin’io lafiny io, dia tsy tokony hanakiana na hanameloka azy izy ireo. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy ny mivavaka amin’i Jehovah, mba homeny fahendrena sy herim-po ireo rahalahintsika kristianina, ka ho tapa-kevitra ny hiady mafy hatrany mba hifehy tena sy handresy ny fanirian-dratsy.—Filipianina 4:6, 7.
Aoka isika hifanampy hatrany
14. Nahoana isika no tokony hangoraka ny Kristianina hafa sy hiezaka hahatakatra izay manjo azy?
14 Misy Kristianina sasany tsy maintsy miady mafy vao mahafehy tena tsy hanao zavatra sasany. Mety tsy ho mora amintsika ny handefitra aminy, raha mahafehy tena isika amin’io lafiny io. Samy manana ny maha izy azy anefa ny olona. Mora mihetsi-po ny sasany, fa tsy toy izany kosa ny hafa. Toa tsy sarotra amin’ny sasany ny mifehy tena, nefa sarotra kokoa amin’ny hafa. Tadidio anefa fa tsy olon-dratsy akory ny olona miady mafy hifehy tena. Ilain’ny Kristianina hafa ny hanehoantsika fangoraham-po aminy, sy ny hahatakarantsika izay manjo azy. Ho sambatra isika, raha manohy mamindra fo amin’ny olona mbola miezaka mafy hahay hifehy tena kokoa. Izany no asehon’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:7.
15. Nahoana ny Salamo 130:3 no mampahery ny olona miezaka hifehy tena?
15 Tsy tokony hanameloka ny Kristianina hafa koa isika, raha tsy mahavita maneho toetra kristianina izy indraindray. Tena mampahery ny mahafantatra fa na dia hitan’i Jehovah aza hoe tsy mahavita mifehy tena isika indraindray, dia hitany koa fa imbetsaka isika no mahavita izany, na dia tsy voamariky ny Kristianina hafa aza izany. Tena mampahery koa ny mitadidy ny Salamo 130:3, manao hoe: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?”
16, 17. a) Ahoana no azontsika ampiharana ny Galatianina 6:2, 5, mba hahaizana mifehy tena? b) Inona no hodinihintsika momba ny fifehezan-tena amin’ny manaraka?
16 Tsy maintsy mifehy tena isika, raha te hampifaly an’i Jehovah. Afaka matoky anefa isika fa hanampy antsika ny rahalahintsika kristianina. Marina fa samy tsy maintsy mandray ny andraikitsika isika, nefa ampirisihina koa isika hifanampy mba handresy ny fahalementsika. (Galatianina 6:2, 5) Mamintsika tokoa ny ray aman-drenintsika, na ny vadintsika, na ny namantsika, izay misakana antsika tsy handeha any amin’ny toerana tsy tokony haleha, na tsy hijery zavatra tsy tokony hojerena, na tsy hanao zavatra tsy tokony hatao. Manampy antsika hifehy tena, na ho tapa-kevitra tsy hanao ratsy, izy ireo!
17 Kristianina maro no manaiky ny zavatra nodinihintsika teo momba ny fifehezan-tena, nefa mety hihevitra fa tena mbola mila miezaka izy. Maniry hahay hifehy tena kokoa, araka izay vitan’ny olombelona tsy lavorary, izy ireo. Izany koa ve no fanirianao? Inona àry no azonao atao mba hanehoana io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io? Ary ahoana no hanampian’izany anao hanatratra ireo tanjonao eo amin’ny fanompoanao azy? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
Ny Fifehezan-tena
• Nahoana izy io no ilain’ny Kristianina?
• Nahoana no tena sarotra amin’ny sasany ny maneho azy io?
• Nahoana izy io no ilaina ao anatin’ny fanambadiana?
• Ahoana no azontsika anampiana ny hafa mba haneho azy io?
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 16]
Nianatra Nanda ny Ratsy Izy
Teknisianina tao amin’ny orinasa iray ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Alemaina. Manara-maso fandaharana 30 eo ho eo amin’ny televiziona sy radio no asany. Rehefa tsy mazava tsara ny sary mivoaka, dia tsy maintsy mijery ny fandaharana izy mba hahitana ny olana. Hoy izy: “Saika rehefa misy herisetra na sary maloto foana ny sary no lasa tsy mazava. Tsy afaka tao an-tsaiko ireo sary maloto ireo nandritra ny andro maro, raha tsy herinandro maro mihitsy aza, ka toy ny hoe napetaka tamin’ny vy mahamay tao an-tsaiko.” Niaiky izy fa nanimba ny fahasalamany ara-panahy izany. “Efa mora misafoaka izay ihany aho”, hoy izy, “ka vao mainka sarotra tamiko ny nifehy tena rehefa nahita ireo sary nisy herisetra aho. Nanimba ny fifandraisako tamin’ny vadiko koa ireo sary maloto. Niady mafy aho isan’andro mba hanala ireny sary ireny tao an-tsaiko. Tsy te ho resy aho, ka nanapa-kevitra hitady asa hafa, na dia ho kely karama aza. Tanteraka ny faniriako, satria nahita asa hafa aho vao haingana.”
[Sary, pejy 15]
Manampy antsika hifehy tena ny fahalalana azo avy amin’ny fianarana Baiboly