Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aza Manaiky Hiray Zioga Amin’ny Tsy Mpino”

“Aza Manaiky Hiray Zioga Amin’ny Tsy Mpino”

“Aza Manaiky Hiray Zioga Amin’ny Tsy Mpino”

MIARA-MIASA tany ilay rameva sy omby hitanao eto. Mijaly izy ireo, satria ampiraisina amin’ny zioga natao ho an’ny biby roa mitovy habe sy tanjaka. Miahy ny biby mpitondra entana toy ireo Andriamanitra, ka niteny toy izao tamin’ny Israelita: “Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.” (Deoteronomia 22:10) Nihatra tamin’ny omby sy rameva koa io toro lalana io.

Tsy nampijaly ny bibiny toy izany ny tantsaha mazàna. Mety ho nampiray zioga izay biby nananany anefa izy, rehefa tsy nanana omby roa. Izany no nataon’ilay tantsaha niaina tamin’ny taonjato faha-19, hita eo amin’ny sary. Tsy mitovy habe sy lanja ireo biby ireo, ka tsy maintsy miady mafy ilay malemy kokoa, mba hanarahana ny dian’ilay matanjaka kokoa. Ilay matanjaka kosa dia tsy maintsy mitondra entana mavesatra kokoa noho ilay malemy.

Nampiasa fanoharana momba ny zioga tsy antonona, ny apostoly Paoly, mba hampianarana antsika lesona lehibe iray. Hoy izy: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?” (2 Korintianina 6:14) Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina hiray zioga tsy antonona amin’olon-kafa?

Izany no izy, raha olona tsy manaiky ny zavatra inoany no fidiny ho vady. Hanahirana ny fanambadiana toy izany, satria tsy hitovy hevitra amin’ireo raharaha lehibe izy mivady.

Rehefa namorona ny fanambadiana i Jehovah, dia nataony “vady sahaza”, na fameno ho an’ny lehilahy ny vehivavy. (Genesisy 2:18) Nilaza koa Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany, fa ‘namana’ ny vady. (Malakia 2:14) Tian’ny Mpamorona antsika hiara-miasa ny mpivady mba hanatratra zava-kendrena mitovy eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, sy hifampizara ireo andraikitra, ary samy handray soa amin’izany.

Asehon’ny Kristianina fa manaja ny torohevitry ny Raintsika any an-danitra izy, raha manambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Hampiray saina ny mpivady izany, sady hitondra dera sy voninahitra ho an’Andriamanitra. Ho “tena mpiray zioga” izy ireo, eo am-panompoany azy.​—Filipianina 4:3.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Rameva sy omby: Nalaina avy ao amin’ilay boky hoe La Tierra Santa, Boky 1, 1830