Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza no noresahin’i Jehovah tamin’ny hoe “anankiray amintsika”, ao amin’ny Genesisy 3:22?

Toa niresaka momba azy sy ny Zanany lahitokana i Jehovah Andriamanitra, rehefa niteny hoe: “Ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:22) Andeha hodinihintsika ny porofo.

Nilaza ireo teny ireo i Jehovah, rehefa avy nanasazy an’i Adama sy Eva. Misy mihevitra fa fampisehoana fahamboniana ilay mpisolo tena milaza maro ampiasaina ao amin’ny teny hoe “anankiray amintsika”, toy ny mety hitenenan’ny mpanjaka iray hoe: “Tsy mahafaly anay izany”, nefa izy ihany no resahiny. Izao anefa no nolazain’i Donald Gowan, manam-pahaizana momba ny Baiboly, raha ny amin’ny Genesisy 1:26 sy 3:22: ‘Tsy manohana ny ankamaroan’ireo fanazavana naroso, ny T[estamenta] T[aloha]. Izao ireny fanazavana ireny: Ny hoe “isika”, dia milaza fahamboniana, fahamendrehana, na koa milaza tsy mivantana olona maromaro ao amin’Andriamanitra iray. Tsy misy amin’ireo fanazavana ireo anefa mifanaraka amin’ilay teny hoe “anankiray amintsika”, ao amin’ny 3:22.’

Nanjary nanapa-kevitra samirery momba “ny tsara sy ny ratsy” i Satana Devoly, ary nitaona ny olombelona voalohany hanao toy izany koa. Mety ho i Satana àry ve no noresahin’i Jehovah tamin’ny hoe “anankiray amintsika”? Tsy mitombina izany. Ny teny hoe “anankiray amintsika” no nampiasain’i Jehovah teo amin’io andininy io. Tsy anisan’ireo anjelin’i Jehovah mahatoky intsony anefa i Satana, ka tsy hety ho eo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah izy.

Ireo anjely mahatoky àry ve no noresahin’Andriamanitra teo? Tsy azontsika antoka ny amin’izany. Manampy antsika hahatakatra ny valin’ilay fanontanian’ny mpamaky anefa ny fitovian’ny teny ampiasaina ao amin’ny Genesisy 1:26 sy ny 3:22. Hoy i Jehovah, ao amin’ny Genesisy 1:26: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” Iza no nitenenan’i Jehovah ireo teny ireo? Hoy ny apostoly Paoly rehefa niresaka momba ilay anjely izay lasa i Jesosy olombelona lavorary: “Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy koa no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra, satria izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Kolosianina 1:15, 16) Toa mitombina àry raha ny Zanany lahitokana no niresahan’i Jehovah ao amin’ny Genesisy 1:26. Io Zanany io no ilay “mpità-marika” teo anilany, fony izy namorona ny lanitra sy ny tany. (Ohabolana 8:22-31) Mitovy anefa ny teny ampiasaina ao amin’ny Genesisy 1:26 sy ny 3:22, ka toa manondro izany, fa niresaka indray tamin’ilay olona akaiky azy indrindra, dia ny Zanany lahitokana, i Jehovah.

Toa nahalala ny “tsara sy ny ratsy” ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra. Azo antoka fa hainy tsara ny fomba fisainana, sy toro lalana, ary fitsipik’i Jehovah Rainy, noho izy efa niaraka akaiky sy ela taminy. Niaiky koa i Jehovah fa hain’ny Zanany tsara ireo, ary hanaraka izany foana izy. Noho izany, dia mety ho navelan’i Jehovah hikarakara raharaha sasany izy, fa tsy voatery hanontany azy foana. Afaka namaritra izay tsara sy ratsy ihany àry io Zanany io, sady navela hanao izany. Tsy nametra fitsipika nifanohitra tamin’ny an’i Jehovah anefa izy, toy ny nataon’i Satana sy Adama ary Eva.