Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandehana Mendrika An’i Jehovah, ry Tanora

Mandehana Mendrika An’i Jehovah, ry Tanora

Mandehana Mendrika An’i Jehovah, ry Tanora

VOATERY misaraka vetivety amin’ny fianakaviany sy ny fiangonany, ny tanora kristianina sasany. Nanao izany ny sasany aminy, mba hanitarana ny fanompoany. Voatery nandao ny fianakaviany kosa ny hafa, noho izy tsy nety nanao raharaha miaramila. (Isaia 2:4; Jaona 17:16) Gadrain’i “Kaisara” na ampanaoviny asa fanasoavam-bahoaka ny tanora tsy mivadika, any amin’ny tany sasany. *​—Marka 12:17; Titosy 3:1, 2.

Mety hiara-migadra elaela amin’ny ankizy maditra ireny tanora ireny, rehefa mamita ny saziny any am-ponja, noho izy tsy nety nanao raharaha miaramila. Misy antony hafa koa mety hahavoatery ny tanora handao ny fianakaviany, ka hiara-miasa amin’olona ratsy fitondran-tena. Afaka ny hahomby ireny tanora kristianina ireny, na ny hafa izay voatery miaraka amin’olona ratsy fitondran-tena, rehefa manohitra fitaoman-dratsy sy miatrika zava-tsarotra. Ahoana no hahavitany izany, ka ‘handehanany hatrany mendrika an’Andriamanitra’? (1 Tesalonianina 2:12) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hiomana ho amin’ny tarehin-javatra tsy mahafinaritra mety hitranga?​—Ohabolana 22:3.

Zava-tsarotra manokana

Voatery nisaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny telo taona mahery i Tákis, tovolahy 21 taona. * Hoy izy: “Sarotra sady nampahatahotra ahy ny nipetraka lavitra ny ray aman-dreniko mpiaro ahy sy ny anti-panahy be fitiavana, izay mahafantatra ahy tsara.” Hoy koa izy: “Nisy fotoana nahatsapako ho faran’izay tsy afa-manoatra.” Voatery nisaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny roa taona mahery koa i Pétros, tovolahy 20 taona. Niaiky izy hoe: “Izay aho vao mba nandray fanapahan-kevitra samirery momba ny fialam-boly sy ny namana, nefa tsy tena tsara foana ny safidiko.” Nilaza ny heviny izy avy eo hoe: “Tsy nahazo aina aho indraindray, satria nitombo ny andraikitro noho izaho nalalaka kokoa.” Anti-panahy i Tássos, ary mifandray amin’ny tanora kristianina ao anatin’ny zava-tsarotra toy izany. Hoy izy: “Mety hamindra amin’ireo tanora tsy mitandrina sy mora tafihina ny teny ratsy sy fikomiana ary fihetsika mahery setran’ireo tanora tsy mpino.”

Mila mitandrina ny tanora kristianina miara-miaina sy miara-miasa amin’ny olona tsy manaja ny toro lalan’ny Baiboly, mba tsy halaim-panahy hanahaka ny fanaony maloto sy tsy araka ny Soratra Masina. (Salamo 1:1; 26:4; 119:9) Mety ho sarotra ny mianatra samirery sy manatrika fivoriana ary manompo tsy tapaka. (Filipianina 3:16) Mety ho sarotra koa ny manana tanjona eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ny miezaka hanatratra izany.

Azo antoka fa tian’ny tanora kristianina hahafaly an’Andriamanitra ny fitondran-tenany sy ny fiteniny. Iezahan’izy ireo arahina tsara ilay fanasana mahafinaritra avy amin’ny Rainy any an-danitra, manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11) Eken’izy ireo fa misy vokany eo amin’ny fomba fijerin’ny olona an’i Jehovah sy ny vahoakany, ny fitafiana sy taovolon’izy ireo ary ny fitondran-tenany.​—1 Petera 2:12.

Mendri-piderana ny ankamaroan’ny tanora tsy miara-mipetraka amin’ny fianakaviany, satria manao araka izay fara heriny mba hitoviana amin’ireo rahalahiny tamin’ny taonjato voalohany, izay notononin’i Paoly tao amin’ny vavaka. Hoy izy: “Mandehana mendrika an’i Jehovah mba hankasitrahany tanteraka anareo, raha mbola mahavokatra hatrany koa ianareo eo amin’ny asa tsara rehetra . . . mba hiaritra tanteraka ianareo sady haneho fahari-po amim-pifaliana.” (Kolosianina 1:9-11) Misy ohatra maro ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tanora natahotra an’Andriamanitra sy nandeha mendrika an’i Jehovah, na dia niaina teo anivon’ny olona tsy fantany sy masiaka ary mpanompo sampy aza.​—Filipianina 2:15.

“Jehovah nomba an’i Josefa”

Mbola kely i Josefa, ilay zaza tena tian’i Jakoba sy Rahely, dia efa tsy niara-nipetraka tamin-drainy, izay natahotra an’Andriamanitra. Namidy ho andevo tany Ejipta izy. Namela ohatra faran’izay tsara izy satria tovolahy nazoto niasa, mendri-pitokisana, ary tsara fitondran-tena. Niasa tsara izy sady nazoto, na dia olona tsy nivavaka tamin’i Jehovah aza i Potifara tompony, hany ka nankinin’io tompony io taminy tatỳ aoriana, ny fananany rehetra. (Genesisy 39:2-6) Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, ary na nigadra noho izany aza izy, dia tsy nieritreritra hoe tsy nisy dikany ny tsy fivadihany. Nampiseho toetra tsara hatrany izy, na dia tany am-ponja aza, ka tsy ela dia niandraikitra zavatra maro tao. (Genesisy 39:17-22) Notahin’Andriamanitra izy, ary “Jehovah nomba an’i Josefa”, hoy ny Genesisy 39:23.

Tafasaraka tamin’ny fianakaviany natahotra an’Andriamanitra i Josefa. Ho mora ho azy àry ny nanaraka ny fitondran-tenan’ireo mpanompo sampy nanodidina azy, sy hanahaka ny fomba fiainan’ireo Ejipsianina naloto fitondran-tena, raha te hanao izany izy! Tsy nanao izany anefa izy, fa nanaraka hatrany ny toro lalan’Andriamanitra, ary nadio fitondran-tena foana na dia teo aza ireo fakam-panahy mafy indrindra. Hentitra ny valin-teniny, rehefa nitaona azy hanao firaisana foana ny vadin’i Potifara. Hoy izy: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”​—Genesisy 39:7-9.

Tokony harahin’ny tanora Vavolombelona ankehitriny koa ny fampitandreman’ny Baiboly momba ny naman-dratsy, fialam-boly miharo fahalotoam-pitondran-tena, boky sy sary vetaveta, ary mozika tsy mety amin’ny Kristianina. Takany fa “ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.”​—Ohabolana 15:3.

Nandosiran’i Mosesy ny ‘fifaliana amin’ny fahotana’

Nihalehibe teo anivon’ny olona mpanompo sampy sy tia fahafinaretana i Mosesy, tany an-dapan’i Farao. Hoy ny Baiboly momba azy: “Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao . . . Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana.”​—Hebreo 11:24, 25.

Mety hahazoana tombontsoa ihany ny fisakaizana amin’izao tontolo izao, nefa tsy haharitra ela izany. Ho toy ilay fotoana sisa tavela ho an’ity tontolo ity izany, raha ela indrindra. (1 Jaona 2:15-17) Tsy aleo àry ve manahaka ny ohatr’i Mosesy? Milaza ny Baiboly, fa “tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo 11:27) Nifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy nolovany tamin’ny razambeny natahotra an’Andriamanitra izy. Nataony zava-kendrena teo amin’ny fiainana ny fikasan’i Jehovah, ary nataony tanjona hotratrarina ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.​—Eksodosy 2:11; Asan’ny Apostoly 7:23, 25.

Afaka manatanjaka ny fifandraisany amin’i Jehovah ny tanora matahotra an’Andriamanitra, izay miaina eo anivon’ny olona tsy tia an’Andriamanitra sy masiaka, ka hanao fianarana samirery mba hahafantarany tsara kokoa “an’Ilay tsy hita.” Hifantoka hatrany amin’ny zavatra ara-panahy ireny tanora ireny, raha manao asa kristianina be dia be, toy ny fanatrehana fivoriana sy fanaovana fanompoana tsy tapaka. (Salamo 63:6; 77:12) Tokony hiezaka mafy izy ireo hanana finoana sy fanantenana mafy orina, toy ny an’i Mosesy. Ho hendry izy ireo raha mampifantoka ny sainy sy ny ataony amin’i Jehovah, ary ho faly satria sakaizany.

Nampiasa ny lelany mba hiderana an’Andriamanitra ilay zazavavy

Tanora fakan-tahaka koa ilay zazavavy Israelita, lavitra ny fianakaviany. Nentin’ny Syrianina ho babo, tamin’ny andron’i Elisa mpaminany izy, ary lasa mpanompon’ny vadin’i Namàna boka, ilay lehiben’ny tafika syrianina. Hoy ilay zazavavy tamin’ny tompovaviny: “Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy.” Nankany amin’i Elisa tany Israely i Namàna noho ny teny nolazain’ilay zazavavy, ary voadio tamin’ny habokany. Tonga mpivavaka tamin’i Jehovah koa i Namàna.​—2 Mpanjaka 5:1-3, 13-19.

Asongadin’ny ohatra nomen’io zazavavy io, fa tokony hampiasa foana ny lelany mba hiderana an’Andriamanitra ny tanora, na dia lavitra ny ray aman-dreniny aza. Ho sahy nampiasa tsara ny lelany ve izy rehefa afaka nanao izany, raha zatra nanao “resaka adaladala” na “vazivazy vetaveta”? (Efesianina 5:4; Ohabolana 15:2) Nampidirina am-ponja i Níkos, tovolahy 20 taona eo ho eo, noho izy tsy nety nanao raharaha miaramila. Hoy izy: “Tany amin’ny fonja fambolena niaraka tamin’ny rahalahy tanora hafa aho. Tsy teo ny ray aman-dreninay sy ny anti-panahy, ka voamariko fa niharatsy ny resakay. Tena tsy nanome voninahitra an’i Jehovah izany.” Soa ihany fa nampiana i Níkos sy ny hafa, mba hanaraka ilay torohevitr’i Paoly momba izany, manao hoe: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany.”​—Efesianina 5:3.

Tena nisy tamin’izy ireo i Jehovah

Asehon’ny tantaran’ireo Hebreo telo naman’i Daniela tany Babylona fahiny, fa marina ilay toro lalana nolazain’i Jesosy hoe izay mahatoky amin’ny zavatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zavatra lehibe. (Lioka 16:10) Nasaina nihinana sakafo noraran’ny Lalàn’i Mosesy izy ireo. Tsy nanao izany anefa izy ireo, na dia azon’izy ireo natao aza ny nanamarin-tena hoe babo tany an-tany hafa izy. Ary tena nahasoa azy ireo ny fiheverana ho zava-dehibe ny zavatra heverina ho madinika! Hita ho salama sy hendry kokoa izy ireo, noho ireo babo hafa izay nihinana foana ny hanim-py natolotry ny mpanjaka. Tena nanatanjaka azy ireo ny fahatokiana tamin-javatra madinika toy ireo, hany ka tsy nivadika mihitsy izy ireo rehefa tojo fisedrana lehibe kokoa, dia ilay fanerena hiankohoka tamin’ilay sariolona.​—Daniela 1:3-21; 3:1-30.

Tena nisy tamin’ireo tanora telo lahy ireo i Jehovah. Tapa-kevitra ny hitoetra ho tsy misy pentina avy amin’izao tontolo izao izy ireo, na dia lavitra ny fianakaviany sy ny foibem-pivavahana tamin’Andriamanitra aza. (2 Petera 3:14) Sarobidy taminy ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ka vonona ny hanao sorona ny ainy mihitsy izy ireo.

Jehovah tsy mba hanary anao

Tsy mahagaga raha mahatsiaro ho tsy milamin-tsaina sy tsy matoky tena ary matahotra, ny tanora lavitra ny havany sy ny olona itokisany. Hahavita hiaritra fitsapana sy fisedrana anefa izy ireo, ary hatoky tanteraka fa i “Jehovah tsy mba hanary” azy. (Salamo 94:14) Hanampy ny tanora toy izany mba handeha hatrany amin’ny “alehan’ny fahamarinana” i Jehovah, raha “mijaly noho ny fahamarinana” izy ireo.​—1 Petera 3:14; Ohabolana 8:20.

Nohatanjahin’i Jehovah sy nomeny valisoa hatrany i Josefa, Mosesy, sy ilay ankizivavy Israelita, ary ireo Hebreo telo lahy nahatoky. Ampiasainy ankehitriny ny fanahiny masina sy ny Teniny ary ny fandaminany, mba hanohanana ireo ‘miady ny ady tsaran’ny finoana.’ Apetrany eo anoloan’izy ireo ho valisoany koa ny “fiainana mandrakizay.” (1 Timoty 6:11, 12) Azo atao tokoa àry ny mandeha mendrika an’i Jehovah, ary izany no zavatra tsara indrindra tokony hatao.​—Ohabolana 23:15, 19.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 1 Mey 1996, pejy 18-20.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

[Efajoro, pejy 25]

AMPIOMANO NY ZANAKAREO, RY RAY AMAN-DRENY!

“Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.” (Salamo 127:4) Tsy kisendrasendra akory no ahatratraran’ny zana-tsipìka ny tarigetrany. Tsy maintsy kendrena tsara ilay tarigetra. Mety tsy ho voaomana hiatrika ny fiainana lavitra ny fianakaviany koa ny ankizy, raha tsy nahazo tari-dalana tsara avy tamin’ny ray aman-dreniny.—Ohabolana 22:6.

Mora manao zavatra tampotampoka ny tanora, na mora resin’ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2 Timoty 2:22) Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15) Tsy ho voaomana hiatrika ny fitaoman-dratsy sy faneren’ny fiainana ny ankizy, raha tsy asiana fetra eo amin’ny fitondran-tenany.

Tokony hahay handray andraikitra ny ray aman-dreny, ka horesahiny tsara amin’ny zanany ireo zava-tsarotra sy fanerena ary zava-misy eto amin’ity tontolo ity. Tsy tokony hanasongadina lafy ratsin-javatra izy ireo na hanakivy, rehefa milazalaza momba ny toe-javatra tsy mahafinaritra mety ho hitan’ny tanora mandao ny tranony. Izany fampiofanana izany, sy ny fahendrena omen’Andriamanitra, no “hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo.​—”Ohabolana 1:4.

Hahay hiatrika ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana ny ankizy, raha alentiky ny ray aman-dreny ao am-pony ny fitsipika sy toro lalan’Andriamanitra. Ho vitan’ny ray aman-dreny izany, raha mitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka izy ireo, mifampiresaka tsara amin’ny zanany, ary tena miahy izay hahasoa azy ireo. Tokony hanome fampiofanana antonona sy voalanjalanja tsara ho an’ny zanany ny ray aman-dreny, ka hanomana azy ireo hahaleo tena. Ho vitan’ny ray aman-dreny ny hampianatra ny zanany, amin’ny alalan’ny ohatra omeny, fa azo atao ny miaina eto amin’izao tontolo izao nefa tsy ho anisan’izy io.​—Jaona 17:15, 16.

[Sary, pejy 23]

Voatery nandao ny fianakaviany ny tanora kristianina sasany

[Sary, pejy 24]

Manahaka an’i Josefa ny tanora, rehefa manohitra fakam-panahy ary mihazona fitondran-tena madio

[Sary, pejy 26]

Tahafo ilay zazavavy Israelita izay nampiasa ny lelany mba hiderana an’i Jehovah