Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifeheza Tena mba Hahazoana ny Loka!

Mifeheza Tena mba Hahazoana ny Loka!

Mifeheza Tena mba Hahazoana ny Loka!

‘Mifehy tena amin’ny zava-drehetra izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana.’​—1 KORINTIANINA 9:25.

1. Araka ny Efesianina 4:22-24, ahoana no nampisehoan’ny olona maro fa nanaiky hanao ny sitrapon’i Jehovah izy?

RAHA Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ianao, dia nampahafantatra tamin’ny besinimaro fa vonona hanao ilay fifaninanana hahazoana ny fiainana mandrakizay ho loka. Nanaiky hanao ny sitrapon’i Jehovah ianao. Maro tamintsika no tsy maintsy nanao fiovana lehibe, mba hisy heviny ny fanoloran-tenantsika, ka hankasitrahan’Andriamanitra. Narahintsika ilay torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina, manao hoe: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny sady mihasimba araka ny faniriany mamitaka. Ka mitafia ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.’ (Efesianina 4:22-24) Midika izany fa tsy maintsy niala tamin’ilay fomba fiaina tsy nety narahintsika isika, talohan’ny nanolorantsika tena ho an’Andriamanitra.

2, 3. Ahoana no ampisehoan’ny 1 Korintianina 6:9-12 fa misy karazana fiovana roa tsy maintsy atao, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra?

2 Melohin’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara ny lafiny sasany amin’ny toetra taloha, izay tsy maintsy hialan’ny olona te ho Vavolombelon’i Jehovah. Nanonona ny sasany amin’izany i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina. Hoy izy: “Na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Nasehony avy eo fa nanao ny fiovana nilaina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo.” Mariho fa toy izany izy ireo taloha, saingy efa niova.​1 Korintianina 6:9-11.

3 Nanipy hevitra i Paoly fa misy fiovana hafa mety hilaina hatao koa, satria nanambara izy hoe: “Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa.” (1 Korintianina 6:12) Noho izany, dia takatry ny olona maro te ho Vavolombelon’i Jehovah, fa ilaina ny mandà tsy hanao zavatra tsy mahasoa, na tsy misy vidiny firy, na dia azo atao aza ilay izy. Mety haka fotoana be ireo zavatra ireo, ka tsy hamela azy hanao izay zava-dehibe kokoa.

4. Inona no hevitra iombonan’i Paoly sy ny Kristianina vita fanoloran-tena?

4 Atao an-tsitrapo ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, fa tsy atao tsy fidiny akory, ka toy ny hoe misy zava-tsarobidy be tsy maintsy afoy. Miombon-kevitra amin’i Paoly ny Kristianina vita fanoloran-tena. Rehefa lasa mpanara-dia an’i Kristy izy, dia nilaza hoe: “Noho ny [amin’i Jesosy] no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.” (Filipianina 3:8) Faly i Paoly nanda ny zavatra tsy misy vidiny firy, mba hanaovana hatrany ny sitrapon’Andriamanitra.

5. Inona ilay hazakazaka vitan’i Paoly hatramin’ny farany, ary ahoana no hahavitantsika izany koa?

5 Nifehy tena i Paoly, rehefa nanao ny hazakazany ara-panahy, ary afaka nilaza izy tamin’ny farany hoe: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho. Manomboka izao, dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana. Ny Tompo, ilay mpitsara marina, no hanome ahy izany ho valisoa amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” (2 Timoty 4:7, 8) Ho afaka hilaza izany koa ve isika indray andro any? Izany tokoa, raha manam-pinoana sy mifehy tena isika, sady manohy hatramin’ny farany ilay hazakazaka ataontsika Kristianina.

Ilaina ny mifehy tena mba hanaovana ny tsara

6. Inona no atao hoe fifehezan-tena, ary inona avy ireo lafiny roa tsy maintsy anehoantsika azy io?

6 Ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “fifehezan-tena” ao amin’ny Baiboly, dia midika ara-bakiteny hoe olona manana hery na fahefana amin’ny tenany. Matetika izy ireo no midika hoe mifehy tena tsy hanao ratsy. Iaraha-manaiky anefa fa ilaina koa ny mifehy tena mba hanaovana ny tsara. Efa ao amin’ny olombelona tsy lavorary ny fironana hanao ratsy, ka misy karazana ady roa tsy maintsy ataontsika. (Mpitoriteny 7:29; 8:11) Sady mila mifehy tena tsy hanao ratsy isika, no tsy maintsy manery ny tenantsika hanao ny tsara. Raha ny marina aza, dia ny fifehezana ny tenantsika hanao ny tsara, no fomba tsara indrindra hanalavirana ny fanaovan-dratsy.

7. a) Inona no tokony hangatahintsika amim-bavaka, toy ny nataon’i Davida? b) Inona no tokony hosaintsainintsika, mba hahaizantsika mifehy tena kokoa?

7 Mazava àry fa tena mila mifehy tena isika, mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra. Mila mivavaka toa an’i Davida isika hoe: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:10) Azontsika atao ny misaintsaina ny soa azon’izay manalavitra ny fitondran-tena ratsy sy ny fanao manimba ny fahasalamana. Eritrereto ny fahavoazana mety hitranga, raha tsy manalavitra izany isika: aretina mandoza, tsy fifankahazoana amin’ny olon-kafa, ary fahafatesana aloha loatra mihitsy aza. Ataovy an-tsaina kosa ireo soa be dia be azon’izay manaraka hatrany ny lalam-piainana atoron’i Jehovah. Tsy maintsy tadidintsika anefa fa tena mamitaka ny fontsika. (Jeremia 17:9) Mety hahatonga antsika hihevitra izy io fa tsy zava-dehibe loatra ny fanarahana ny fitsipik’i Jehovah. Tsy maintsy tapa-kevitra ny hanohitra azy io àry isika.

8. Inona no fantatsika tsara? Manomeza ohatra.

8 Fantatry ny ankamaroantsika tsara fa na dia tena mazoto aza ny saina, dia matetika ny nofo no malaina ka mampihena izany zotom-po izany. Izany, ohatra, no miseho eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Faly tokoa i Jehovah, rehefa mazoto manao io asa mamonjy aina io ny olona. (Salamo 110:3; Matio 24:14) Tsy mora tamin’ny ankamaroantsika ny nianatra nitory ampahibemaso. Tsy maintsy nifehy tena isika hanaovana azy io, ary mbola toy izany ihany angamba hatramin’izao. Toy ny hoe ‘asiantsika mafy’ ary ‘andevozintsika’ mihitsy ny tenantsika, fa tsy havelantsika hanao izay metimety amintsika, ka tsy hitory.​—1 Korintianina 9:16, 27; 1 Tesalonianina 2:2.

Inona no dikan’ny hoe mifehy tena “amin’ny zava-drehetra”?

9, 10. Inona no tafiditra amin’ny hoe “mifehy tena amin’ny zava-drehetra”?

9 Manoro hevitra antsika ny Baiboly mba ‘hifehy tena amin’ny zava-drehetra.’ Midika izany fa tsy ampy ny mifehy ny fahatezerana, na mifehy tena tsy haloto fitondran-tena. Mety hahatsapa isika hoe efa mahafehy tena amin’ireo lafiny ireo, ary mahafaly mihitsy izany. Ahoana kosa anefa ny amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainana, izay tsy ahitana miharihary hoe ilaina ny mifehy tena? Aoka hatao hoe miaina any amin’ny tany manankarena ianao. Moa ve tsy fahendrena ny mianatra tsy mandanilany vola? Ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra ny zanany tsy hividy izay rehetra hitany, satria fotsiny hoe misy ilay izy, na manintona, na takatry ny volany. Mazava ho azy fa tsy maintsy manome ohatra izy ireo, hotahafin’ny zanany.—Lioka 10:38-42.

10 Ho tapa-kevitra kokoa ny hifehy tena isika, raha mianatra mianina amin’izay ananantsika. Hankasitraka kokoa izay ananantsika isika amin’izay, sady hahay hangoraka ny olona, izay voatery mianina amin’izay ananany, satria tsy afaka mividy zavatra sasany. Marina fa ampirisihina matetika isika hoe: “Ataovy izay mampifalifaly anao”, na hoe: “Mendrika ny tsara indrindra ianao.” Mifanohitra amin’izany anefa ny fomba fiaina tsotra. Mampirisika ny olona hahazo izay iriny avy hatrany ny dokam-barotra, nefa ny hampandeha ny varony no tena kendreny amin’izany. Mety ho sarotra amintsika ny mifehy tena, noho izany. Vao haingana, dia nanamarika toy izao ny gazety iray any amin’ny tany iray manankarena any Eoropa: “Raha ny olona mahantra fadiranovana aza tsy maintsy miady mafy hifehy ny faniriany haitraitra, tsy mainka ve fa ny olona any amin’ny tany manankarena!”

11. Inona no soa azo rehefa mianina amin’izay ananantsika isika, nefa nahoana izany no sarotra?

11 Raha tsy haintsika tsara ny manavaka hoe tena ilaina ve ny zavatra iray, sa haitraitra fotsiny, dia misy dingana sasany ilaintsika harahina, mba hanehoana fahendrena. Raha te hifehy tena tsy handanilany vola isika, ohatra, dia mety ho tsara ny manapa-kevitra ny tsy hitrosa, na mametra ny vola entina miantsena. Tadidio fa nilaza i Paoly hoe “fomba hahazoan-tombony be ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.” Nampieritreritra koa ny teniny hoe: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka ho afa-po amin’izany.” (1 Timoty 6:6-8) Manao izany ve isika? Marina fa tsy maintsy tapa-kevitra tsara sy mifehy tena isika, raha te hanana fiainana tsotra, tsy voahelingelin’ny fanaranam-po na amin’inona na amin’inona. Kanefa, tena mahasoa ny mianatra manao izany.

12, 13. a) Nahoana no ilana fifehezan-tena ny fivoriana kristianina? b) Inona avy no lafiny hafa ilantsika fifehezan-tena?

12 Tena mitaky fifehezan-tena koa ny fanatrehana fivoriana sy fivoriambe kristianina. Hiriorio, ohatra, ny saintsika mandritra ny fandaharana, raha tsy mahafehy tena isika. (Ohabolana 1:5) Mety hila hifehy tena isika mba hihaino tsara an’ilay mpandahateny, fa tsy hibitsibitsika amin’ny olona eo akaikintsika, ka hanelingelina ny hafa. Tsy maintsy mifehy tena koa angamba isika mba hanamboatra ny fandaharam-potoanantsika, ka ho tonga ara-potoana. Ankoatra izany, dia mety hilaina ny mifehy tena, mba hanokanana fotoana hanomanana ny fivoriana sy handraisana anjara amin’izy ireny.

13 Rehefa mifehy tena amin-javatra madinika isika, dia manjary mahay mifehy tena amin’ny zavatra lehibe kokoa. (Lioka 16:10) Tena tsara àry ny mifehy tena mba hamakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky ara-baiboly, ary hianarana sy hisaintsainana izany! Tena fahendrena koa ny mifehy tena tsy hanao asa tsy mety amin’ny Kristianina, tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy, hiala amin’ny toe-tsaina na fahazarana ratsy, ary tsy handany ny fotoana sarobidy azontsika anompoana an’Andriamanitra amin-javatra hafa! Azo antoka fa raha be atao foana isika amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia ho voaro tsy hanao zavatra izay mety hitarika antsika hiala amin’ilay paradisa ara-panahin’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany.

Manampy antsika ho matotra ny fifehezan-tena

14. a) Ahoana no tokony hianaran’ny ankizy mifehy tena? b) Inona no soa azon’ny ankizy, raha mbola kely izy dia efa mianatra mifehy tena?

14 Tsy avy hatrany dia mahay mifehy tena ny zaza vao teraka. Manome izao fanazavana izao ny bokikely iray navoakan’ny manam-pahaizana momba ny fihetsiky ny ankizy: “Tsy tonga ho azy na tonga tampoka ny fifehezan-tena. Mila ny tari-dalana sy ny fanohanan’ny ray aman-dreniny ny zaza sy ny ankizikely, mba hianarany mifehy tena. . . . Rehefa ampian’ny ray aman-dreniny izy, dia mitombo ny fahaizany mifehy tena mandritra ireo taona hankanesany any am-pianarana.” Hita tamin’ny fandinihana ankizy efa-taona, fa izay nianatra nifehy tena dia “mazàna nahay nifandray kokoa tamin’olona, tian’olona kokoa, sahisahy kokoa, natoky tena kokoa, ary azo itokisana kokoa, rehefa lasa zatovo.” Izay tsy nianatra nifehy tena kosa lasa “mora mahatsiaro ho manirery sy mora kivy ary mafy loha kokoa. Tsy matanja-tsaina izy ireo sady tsy sahy miatrika zava-tsarotra.” Mazava àry fa tsy maintsy mianatra mifehy tena ny ankizy, mba ho olon-dehibe mahay mifandray amin’ny hafa.

15. Midika ho inona ny tsy fahaizana mifehy tena, nefa inona no tanjona asain’ny Baiboly hotratrarintsika?

15 Tsy maintsy mianatra mifehy tena koa isika, raha te ho Kristianina matotra. Ny tsy fahaizantsika mifehy tena dia midika fa mbola zaza eo amin’ny lafiny ara-panahy isika. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba “ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina.” (1Korintianina 14:20) Ny tanjontsika dia ny ‘hananantsika rehetra zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, sy ho tonga olon-dehibe, ary hahatratra ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’ Nahoana? “Amin’izay dia tsy ho zaza intsony isika ka hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny olona, sy amin’ny alalan’ny hafetsen-dratsy amin’ny famoronana hevi-diso.” (Efesianina 4:13, 14) Mazava àry fa tena mila mifehy tena isika, mba ho salama tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Fomba hahaizana mifehy tena

16. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika?

16 Mba hahaizantsika mifehy tena, dia mila ny fanampian’Andriamanitra isika, ary afaka mahazo izany tokoa. Ny Tenin’Andriamanitra, izay toy ny fitaratra tonga lafatra, dia manoro antsika ny fiovana ilaintsika hatao sy ny fomba hanaovana izany. (Jakoba 1:22-25) Vonona hanampy antsika koa ny fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana, sy ireo anti-panahy kristianina be fangoraham-po. I Jehovah mihitsy aza dia manome malalaka ny fanahiny masina, raha mangataka azy io amim-bavaka isika. (Lioka 11:13; Romanina 8:26) Aoka àry isika handray amim-pifaliana ireo fanampiana ireo. Afaka manampy antsika koa ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 21.

17. Mampirisika antsika hanao inona ny Ohabolana 24:16?

17 Tena mampahery ny mahafantatra fa ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hampifaliana azy! Tokony handrisika antsika izany hiezaka hatrany hahay hifehy tena kokoa. Tsy tokony hilavo lefona mihitsy isika, na dia imbetsaka aza no tsy mahavita izany. “Potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany.” (Ohabolana 24:16) Tokony ho faly amin’ny tenantsika isika, isaky ny mahavita mampifaly an’i Jehovah. Afaka matoky koa isika fa faly amintsika i Jehovah. Nilaza ny Vavolombelona iray fa talohan’ny nanolorany tena ho an’i Jehovah, dia nividy zavatra mahasoa tamin’ny vola voangony izy ho valisoany. Nanao izany izy isaky ny nahafehy tena tsy hifoka sigara nandritra ny herinandro.

18. a) Inona no ilaintsika hatao, rehefa miady mba hifehy tena isika? b) Inona no fanomezan-toky omen’i Jehovah antsika?

18 Ny zava-dehibe indrindra dia ny fitadidiana fa mila mifehy ny saintsika sy ny fihetseham-pontsika isika. Izany no asehon’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:28; Jakoba 1:14, 15) Ho mora kokoa amin’ny olona ny mifehy ny tenany iray manontolo, raha mianatra mifehy ny sainy sy ny fihetseham-pony izy. Aoka àry isika hanamafy ny fanapahan-kevitsika tsy hanao ratsy, sady tsy hieritreritra izany akory. Raha misy eritreri-dratsy tonga ao an-tsaina, dia esory avy hatrany izany. Afaka mandositra ny fakam-panahy isika, raha mivavaka sy mifantoka amin’ny ohatr’i Jesosy. (1 Timoty 6:11; 2 Timoty 2:22; Hebreo 4:15, 16) Aoka àry isika hanao araka izay fara herintsika mba hifehy tena, sady hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Salamo 55:22, manao hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”

Tadidinao Ve?

• Inona avy ireo lafiny roa tsy maintsy anehoantsika fifehezan-tena?

• Inona no dikan’ny hoe “mifehy tena amin’ny zava-drehetra”?

• Inona no fanoloran-kevitra hitanao fa tena afaka manampy antsika hifehy tena, tamin’iny fianarana iny?

• Inona no tena ilaina mba hahaizana mifehy tena?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 21]

Fomba Hahaizana Mifehy Tena Kokoa

• Miezaha mifehy tena na dia amin’ny zavatra madinika aza

• Eritrereto ny soa azo avy amin’izany ankehitriny sy amin’ny hoavy

• Soloy zavatra ampirisihan’Andriamanitra ny zavatra andrarany

• Esory ao an-tsaina avy hatrany ny eritreri-dratsy

• Fenoy zavatra ara-panahy sy mampahery ny sainao

• Raiso ny fanampiana omen’ny Kristianina matotra

• Halaviro ny fakam-panahy

• Mivavaha mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra rehefa alaim-panahy

[Sary, pejy 18, 19]

Manosika antsika hanao ny tsara ny fifehezan-tena