Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antoky ny Fiainana Sambatra ny Fitokisana

Antoky ny Fiainana Sambatra ny Fitokisana

Antoky ny Fiainana Sambatra ny Fitokisana

TENA mahasosotra izany hoe marary kibo noho ny sakafo nohanina izany. Tokony hitandrina kokoa izay sakafo haniny ny olona iray, raha voan’izany matetika. Tsy hanapa-kevitra ny tsy hisakafo intsony anefa izy, satria hoe mety hankarary ny sakafo. Vao mainka izany hiteraka zava-manahirana. Vetivety dia maty mantsy ny olona, raha tsy misakafo.

Toy izany ny mitranga rehefa mamadika antsika ny olona itokisantsika. Mampijaly izany, ary raha imbetsaka isika no niharan’izany, dia azo inoana fa hofidintsika tsara izay olona hifaneraserantsika. Tsy vahaolana anefa ny hoe tsy mifandray amin’iza na iza intsony, satria manahy sao ho diso fanantenana indray. Nahoana? Satria tsy ho sambatra isika, raha fatra-piahiahy ny olon-kafa. Ilaina ny fifampitokisana mba hananana fiainana sambatra.

“Anisan’ny zavatra tena ilaina mba hifandraisana tsara amin’ny olona hifaneraserantsika isan’andro ny fitokisana”, hoy ny boky Jugend 2002. Milaza ny gazety iray any Soisa, fa “maniry mafy ny hisian’ny fifampitokisana ny rehetra.” Voalaza ao koa fa “tena manatsara ny fiainana ny fifampitokisana”, ka azo lazaina hoe “iankinan’ny aina” izy io. Nambaran’io gazety io mihitsy aza fa “tsy mahavita miatrika ny fiainana ny olona”, raha tsy misy ny fifampitokisana.

Hitantsika avy amin’izany fa tena ilaintsika ny matoky olona. Iza àry no azontsika itokisana, ka tsy handiso fanantenana antsika?

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 3:5) Imbetsaka izy io no mampirisika antsika hatoky an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika.

Nahoana isika no afaka matoky azy? Voalohany, dia satria masina izy. Nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Masina, masina, masina Jehovah.” (Isaia 6:3) Tsy mahasarika anao ve ny fahamasinana? Tena tokony hahasarika anao io toetra io, satria ny fahamasinan’i Jehovah dia midika fa madio tanteraka izy, izany hoe tsy misy faharatsiana mihitsy ao aminy, ary azo ianteherana tanteraka izy. Tsy hanjary ho ratsy toetra na hampijaly mihitsy izy, na hamadika ny fitokisantsika.

Afaka matoky an’Andriamanitra koa isika, satria afaka manampy ny mpanompony izy, sady maniry hanampy azy ireo. Manana hery faran’izay lehibe izy ahafahany manao zavatra. Ny fitiavany ny rariny sy ny fahendreny tonga lafatra no mitarika azy amin’izay ataony. Ary ny fitiavany tsy manan-tsahala no mahatonga azy hanao zavatra. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 4:8) Ny fitiavany foana no mahatonga azy hanao zavatra. Ny fahamasinan’i Jehovah sy ny toetrany miavaka àry, dia mahatonga azy ho Ray tonga lafatra, izay azontsika itokisana tanteraka. Tsy misy zavatra na olona azo itokisana kokoa noho i Jehovah.

Matokia an’i Jehovah, dia ho sambatra ianao

Tokony hatoky an’i Jehovah koa isika, satria tsy misy mahafantatra tsara antsika noho izy. Fantany fa tena ilain’ny olombelona tsirairay ny mihavana amin’ny Mpamorona azy sy matoky azy hatrany. Milamin-tsaina kokoa ny olona mifandray aminy toy izany. “Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny”, hoy i Davida Mpanjaka. (Salamo 40:4) Maro no manaiky izany tenin’i Davida izany amin’ny fony manontolo ankehitriny.

Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto. Efa nipetraka tany amin’ny Repoblika Dominikanina, sy tany Alemaina, ary tany Gresy sy Etazonia i Doris. Hoy izy: “Tena sambatra aho fa matoky an’i Jehovah. Mahay mikarakara ahy izy, ka manome ahy ny sakafo ara-panahy, fampaherezana sy fanohanana, ary ny zavatra hafa ilaiko isan’andro. Tsy misy namana tsara noho izy.” Manazava toy izao indray i Wolfgang, mpahay lalàna: “Tena mahafinaritra izany hoe afaka miankina amin’olona miahy ny hahasoa anao izany, olona izay afaka manome anao ny tsara indrindra, sady tena hanome izany anao!” Ary izao no tenin’i Ham, izay teraka tany Azia, fa mipetraka any Eoropa izao: “Matoky aho fa mahafehy ny zava-drehetra i Jehovah, sady tsy manao fahadisoana, ka faly aho miantehitra aminy.”

Mazava ho azy anefa fa tsy ny Mpamorona antsika irery ihany no mila atokisantsika, fa ny olona koa. Noho izany, dia manoro antsika ny fomba hahafantarana ny karazan’olona tokony hitokisana i Jehovah, izay namana hendry sy manam-pahalalana. Hahita ny toroheviny momba izany isika, rehefa mamaky tsara ny Baiboly.

Ny karazan’olona azontsika itokisana

Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Hitantsika avy amin’izany torohevitra nomen’Andriamanitra izany, fa maro ny olombelona tsy mendri-pitokisana. Tsy voatery ho mendri-pitokisana na dia ny olona omem-boninahitra sy atao hoe “lehibe” eto amin’ity tontolo ity aza, anisan’izany ny manam-pahaizana sasany. Matetika no misy lesoka ny tari-dalan’izy ireo, ary tena mety ho diso fanantenana izay matoky azy.

Mazava ho azy fa tsy tokony hahatonga antsika hiahiahy ny olona rehetra izany. Mila mifidy izay olona itokisantsika anefa isika. Ahoana àry no hifidianantsika azy ireo? Hanampy antsika ny fandinihana ny zava-nitranga tany Israely fahiny. Nisy fotoana nilana nanendry lehilahy maromaro mba hiantsoroka andraikitra mavesatra teo amin’ny Israely. Notoroana hevitra i Mosesy tamin’izay mba ‘hizaha eo amin’ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly.’ (Eksodosy 18:21) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Efa naneho toetra tsara ireo lehilahy ireo, vao nametrahana fitokisana sy notendrena ho mpiandraikitra. Efa noporofoiny fa matahotra an’Andriamanitra izy. Nanaja fatratra ny Mpamorona sady natahotra ny tsy hampifaly azy koa izy ireo. Niharihary tamin’ny rehetra fa nanao araka izay fara heriny ireo lehilahy ireo mba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy tia kolikoly izy ireo, ary hita tamin’izany fa mahatohitra fakam-panahy, ka tsy hiharatsy toetra rehefa hahazo fahefana. Tsy hanararaotra ny fatokisan’ny olona izy ireo, mba hahazoana tombontsoa ho an’ny tenany, na ny havany, na ny namany.

Tsy fahendrena àry ve ny mifidy olona toy izany hitokisana? Moa ve isika mahalala olona, izay mampiseho amin’ny fomba fiainany fa matahotra an’Andriamanitra izy? Tapa-kevitra ny hanaraka hatrany ny fitsipiny momba ny fitondran-tena ve izy ireo? Mahafehy tena tsy hanao zavatra tsy mety ve izy ireo? Manao ny marina ve izy ireo, ka tsy mampiasa hafetsena mba hahazoany tombontsoa, na hahazoany izay tadiaviny? Azo antoka fa mendri-pitokisana ny lehilahy sy vehivavy manana ireo toetra ireo.

Aza kivy raha misy mandiso fanantenana anao indraindray

Tsy maintsy maharitra isika rehefa mifidy izay olona azontsika itokisana, satria elaela vao hita raha mendrika an’izany ny olona iray. Fahendrena ny mametraka tsikelikely ny fitokisantsika amin’ilay olona. Ahoana no hanaovana izany? Azontsika atao aloha ny mandinika azy elaela, hahitana ny fihetsiny amin’ny toe-javatra sasany. Azo atokisana ve izy amin’ny zavatra madinika? Ohatra, mamerina ny zavatra nindraminy ve izy? Manaja fotoana ve izy? Raha izany no izy, dia mety hieritreritra isika fa afaka matoky azy amin’ny raharaha lehibe kokoa. Mifanaraka amin’izao toro lalana izao izany: “Izay mahatoky amin-javatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe.” (Lioka 16:10) Hisoroka fahadisoam-panantenana lehibe isika, raha mahay mifidy sy maharitra.

Ahoana anefa raha misy mandiso fanantenana antsika? Hotadidin’ny mpianatra Baiboly fa tena nandiso fanantenana an’i Jesosy Kristy ny apostoliny, tamin’ny alina nisamborana azy. Namadika azy i Jodasy Iskariota. Ny hafa indray natahotra, ka nandositra. Nanda an’i Jesosy intelo mihitsy aza i Petera. Fantatr’i Jesosy anefa fa i Jodasy ihany no nanao fanahy iniana. Na dia diso fanantenana aza izy tao anatin’io fotoan-tsarotra io, dia nanantitrantitra indray ny fatokisany an’ireo apostoly 11, herinandro vitsivitsy monja taorian’izay. (Matio 26:45-47, 56, 69-75; 28:16-20) Raha mahatsapa koa isika fa namadika antsika ny olona nitokisantsika, dia tokony hieritreritra isika raha tena tsy mendri-pitokisana tokoa izy, na mba resin’ny nofo tsy lavorary fotsiny tamin’izay.

Mendri-pitokisana ve aho?

Izay manapa-kevitra ny hifidy ny olona itokisany, dia tokony handini-tena amin’ny saina tsy miangatra sy hanontany tena hoe: ‘Mendri-pitokisana ve aho? Inona no fitsipika tokony harahiko sy azoko antenaina hoe harahin’ny olon-kafa momba izany?’

Azo antoka fa milaza ny marina foana ny olona mendri-pitokisana. (Efesianina 4:25) Tsy manamboamboatra izay lazainy mba hahafinaritra ny olona mihaino azy sy hahazoany tombony izy. Manao araka izay fara heriny mba hitanana ny teny nataony koa izy, rehefa mampanantena zavatra. (Matio 5:37) Hazoniny ho azy samirery ny tsiambaratelo ambara aminy, fa tsy aparitany. Tsy manitsakitsa-bady koa ny olona mendri-pitokisana. Tsy mijery sary vetaveta izy, na mifantoka amin’ny eritreritra maloto, na manadala lehilahy na vehivavy hafa. (Matio 5:27, 28) Miasa mafy izy mba hamelomana ny tenany sy ny fianakaviany, fa tsy manararaotra ny hafa mba hahazoana vola mora foana. (1 Timoty 5:8) Hahay hamantatra izay olona mendri-pitokisana isika, raha mitadidy ireo fitsipika feno fahendrena omen’ny Soratra Masina ireo. Samy ho mendri-pitokisana koa isika tsirairay, raha mitovy ny fitsipika arahintsika mahakasika ny fitondran-tena.

Tena hahafinaritra mihitsy ny hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy misy afa-tsy olona mendri-pitokisana, sy tsy mandiso fanantenana intsony! Nofinofy fotsiny ve izany? Tsy nofinofy izany ho an’ny olona mino ny fampanantenan’ny Baiboly. Mampanantena mantsy izy io fa hisy “tany vaovao” tsara tarehy, izay tsy hisian’ny fitaka, lainga, fanararaotana, alahelo, aretina, ary na dia ny fahafatesana aza! (2 Petera 3:13; Salamo 37:11, 29; Apokalypsy 21:3-5) Tsy mendrika ny hohalalinina ve izany fanantenana izany? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanazava bebe kokoa aminao ny momba izany sy ny foto-kevitra lehibe hafa.

[Sary, pejy 4]

Tsy sambatra isika raha fatra-piahiahy ny olon-kafa

[Sary, pejy 5]

Tena mendrika ny fitokisantsika i Jehovah

[Sary, pejy 7]

Tena ilaintsika rehetra ny fifampitokisana