Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Elisa no nangataka “anjaran-droa” tamin’ny fanahin’i Elia?

Taloha kelin’ny nahavitan’i Elia mpaminany ny asa nanendrena azy teo amin’ny Israely, dia nangataka taminy i Elisa mpaminany tanora, hoe: “Masìna hianao, aoka ny anjaran-droa amin’ny fanahinao mba ho ahy.” (2 Mpanjaka 2:9) Anjaran-droa nitovy tamin’izay tokony homena ny lahimatoa angamba no nangatahin’i Elisa. (Deoteronomia 21:17) Andeha hodinihintsika vetivety ilay fitantarana, mba hampahazava izany tsara sy handraisantsika lesona avy amin’izay nitranga.

Nanendry an’i Elisa ho mpandimby azy i Elia mpaminany, araka ny toromarik’i Jehovah. (1 Mpanjaka 19:19-21) Nanompo an’i Elia foana i Elisa nandritra ny enin-taona teo ho eo, ary vonona ny hanao izany hatramin’ny farany izy. Mbola niaraka tamin’i Elia mpampianatra azy foana i Elisa, na dia tamin’ny andro farany nanaovan’i Elia ny asan’ny mpaminany teo amin’ny Israely aza. Tsy navelan’i Elia hanaraka azy intsony izy tamin’izay, nefa nilaza intelo izy hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho.” (2 Mpanjaka 2:2, 4, 6; 3:11) Toy ny rainy ara-panahy mihitsy no nandraisan’i Elisa an’ilay mpaminany efa antitra.​—2 Mpanjaka 2:12.

Tsy i Elisa irery anefa no zanaka ara-panahin’i Elia. Niara-niasa tamin’ny lehilahy maromaro nantsoina hoe “zanaky ny mpaminany” i Elia sy Elisa. (2 Mpanjaka 2:3) Asehon’ny fitantarana ao amin’ny Mpanjaka Faharoa fa nifandray akaiky tamin’i Elia, rainy ara-panahy, koa ireo ‘zanaka’ ireo. (2 Mpanjaka 2:3, 5, 7, 15-17) I Elisa anefa no zanaka ara-panahin’i Elia lehibe indrindra, satria izy no voatendry handimby azy. Toy ny lahimatoa izy. Nahazo anjaran-droa tamin’ny lova navelan-drainy ny lahimatoa, teo amin’ny Israely fahiny, fa anjaran’olon-tokana kosa no azon’ny zanakalahy hafa. Nangataka anjaran-droa tamin’ny lova na ny fanahy nomen’i Jehovah an’i Elia àry i Elisa.

Nahoana i Elisa no nanao izany fangatahana izany tamin’io fotoana io? Satria hanao asa goavana izy tsy ho ela. Handimby an’i Elia izy, ka ho lasa mpaminany eo amin’ny Israely. Fantany fa nila hery mihoatra noho izay nananany izy, mba hanatanterahana ny andraikitra tafiditra tamin’io asa nampahatahotra io. I Jehovah ihany anefa no afaka nanome azy izany hery izany. Tena nila ny ho sahy toa an’i Elia izy. (2 Mpanjaka 1:3, 4, 15, 16) Ilay anjaran-droa tamin’ny fanahin’i Elia nangatahin’i Elisa àry, dia ny herim-pony sy ny ‘hafanam-pony noho ny fitiavany an’i Jehovah’, izay toetra tsara vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 19:10, 14) Ahoana no navalin’i Elia azy?

Fantatr’i Elia fa tsy afaka nanome izay nangatahin’i Elisa izy. Andriamanitra ihany no afaka manome izany. Nanetry tena àry i Elia, ka namaly hoe: “Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao hianao, dia ho anao ihany izany.” (2 Mpanjaka 2:10) Navelan’i Jehovah hahita an’i Elia niakatra tamin’ny tafio-drivotra tokoa àry i Elisa. (2 Mpanjaka 2:11, 12) Nahazo izay nangatahiny izy. Nomen’i Jehovah azy ny hery nilainy, mba hahafahany hanomboka ilay asa vaovao sy hiatrika ny fisedrana ho avy.

Tena mampahery ny Kristianina voahosotra (antsoina indraindray hoe ireo mifanitsy amin’i Elisa) sy ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny ankapobeny io fitantarana ao amin’ny Baiboly io ankehitriny. Mihevitra angamba isika indraindray fa sarotra loatra ny asa anendrena antsika, ka mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana isika. Mety tsy hazoto hitory ilay Fanjakana intsony koa isika indraindray, satria mihamaro ny olona tsy miraharaha na manohitra antsika eny amin’ny faritany. Hanome antsika ny fanahy masina anefa i Jehovah, raha mitalaho ny fanampiany isika. Hanampy antsika hiatrika ireo zava-tsarotra sy fiovana mitranga eo amin’ny fiainantsika izy io. (Lioka 11:13; 2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:13) Tsy misy hafa amin’ny nanomezan’i Jehovah hery an’i Elisa mba hanatanterahany ny andraikitra mavesatra nankinina taminy, dia hanampy antsika rehetra izy mba hamitantsika ny fanompoantsika, na tanora isika na antitra.​—2 Timoty 4:5.