Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mianara ho Tia Manome

Mianara ho Tia Manome

Mianara ho Tia Manome

TSY voajanahary amin’ny olona ny fitiavana manome. Izay hahafa-po ny faniriany sy ny zavatra ilainy no tadiavin’ny zazakely, fa tsy raharahainy, na dia ireo mikarakara azy aza. Fantany ihany anefa, rehefa mandeha ny fotoana, fa tsy izy irery no manan-javatra ilaina. Tsy maintsy mihevitra izay ilain’ny hafa izy, ary tsy maintsy mianatra ny manome, fa tsy handray fotsiny. Tsy maintsy mianatra ho tia manome izy.

Tsy izay rehetra malala-tanana akory no tia manome. Mety hisy hanao asa soa, satria hahazoany tombony izany. Misy koa manome mba hideran’ny olona azy. Tsy toy izany anefa ny fanomezana ataon’ny tena Kristianina. Manao ahoana àry ny karazana fanomezana ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra hataontsika? Manampy antsika hamaly izany ny fandinihana fohy ny fanomezana nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.

Fanomezana nataon’ny Kristianina

Nanao fanomezana ny Kristianina fahiny, araka ny voalazan’ny Baiboly, ka ‘nizara zavatra’ tamin’ireo tena nila fanampiana. (Hebreo 13:16; Romanina 15:26) Tsy noterena hanome anefa izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Tsy ho fisehosehoana koa no antony nanomezan’izy ireo. Izany no nataon’i Ananiasy sy Safira, ka nangidy ny vokany.​—Asan’ny Apostoly 5:1-10.

Tena nilaina ny fanomezana tamin’ny Pentekosta taona 33. Tafavory tany Jerosalema mba hankalaza azy io mantsy ny Jiosy sy ny olon-kafa niova ho amin’ny fivavahana jiosy avy any amin’ny faritra maro. ‘Feno fanahy masina, ka niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa’, ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’izay. Nandre ilay lahateny nampahery nataon’i Petera momba an’i Jesosy Kristy, ilay vahoaka be nitangorona nanodidina azy ireo. Hitan’ny olona koa, tatỳ aoriana, ny nanasitranan’i Petera sy Jaona ilay lehilahy nalemy tongotra teo am-baravaran’ny tempoly, ary ren’izy ireo indray i Petera niresaka momba an’i Jesosy sy ny antony tokony hibebahana. Nisy an’arivo àry ny olona nibebaka sy natao batisa, ka tonga mpianatr’i Kristy.​—Asan’ny Apostoly toko faha-2 sy faha-3.

Mbola te hijanona tany Jerosalema ireo vao niova finoana, mba hahazo fampianarana fanampiny avy tamin’ny apostolin’i Jesosy. Ahoana anefa no hikarakaran’ny apostoly ny zavatra ilain’ireny mpitsidika ireny? Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Izay rehetra nanana tany na trano dia nivarotra izany ka nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka izany teo an-tongotry ny apostoly. Ary nozaraina kosa tamin’ny tsirairay araka izay nilainy avy izany.” (Asan’ny Apostoly 4:33-35) Tia nanome tokoa ilay fiangonana vao niforona tany Jerosalema!

Tia nanome koa ny fiangonana hafa tatỳ aoriana. Ohatra: Na dia nahantra aza ny Kristianina tany Makedonia, dia nanome mihoatra noho izay zakany izy ireo, rehefa nila fanampiana ny rahalahiny tany Jodia. (Romanina 15:26; 2 Korintianina 8:1-7) Nampiavaka ny fiangonana tany Filipy ny fanohanany ny fanompoan’i Paoly. (Filipianina 4:15, 16) Nizara sakafo isan’andro ho an’izay mpitondratena nila izany ilay fiangonana tany Jerosalema. Nanendry lehilahy mahay fito àry ny apostoly, mba hahazoana antoka fa tsy hisy hadino ireo mpitondratena ireo.​—Asan’ny Apostoly 6:1-6.

Nanampy avy hatrany ny fiangonana kristianina fahiny, raha vao tsinjony fotsiny ny fotoan-tsarotra hitranga. Ohatra: Nilaza mialoha i Agabo mpaminany fa hisy mosary lehibe. ‘Nanapa-kevitra’ àry ny mpianatra teo amin’ny fiangonan’i Antiokia tany Syria, fa “handefa fanampiana, araka izay vitany avy ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia.” (Asan’ny Apostoly 11:28, 29) Novinavinain’izy ireo izay nilain’ny namany, ka nomeny azy. Izany ka toe-tsaina tsara!

Nahoana ny Kristianina voalohany no nalala-tanana sy be fitiavana toy izany? Ahoana tokoa no hahatonga ny olona iray ho tia manome? Afaka mianatra zavatra betsaka isika, raha mandinika ny ohatr’i Davida Mpanjaka.

Nazoto nanome ho an’ny fivavahana marina i Davida

Efa ho 500 taona no tsy nanana trano itoerany ny fiaran’ny fanekena, dia ilay vata masina milaza ny fanatrehan’i Jehovah. Tranolay azo nafindrafindra no nasiana azy io, nandritra ny fotoana nivezivezen’ny Israely tany an’efitra sy nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Te hanorina trano mendrika an’i Jehovah i Davida Mpanjaka, ary hamindra ilay fiara masina napetraka tao amin’ny tranolay, ho ao amin’io trano haoriny io. Noresahiny tamin’i Natana mpaminany izany, ka hoy izy: “Akory izato izaho mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny fiaran’ny faneken’i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!”​—1 Tantara 17:1.

Lehilahy mpiady anefa i Davida, ka i Solomona zanany no notendren’i Jehovah hanorina ilay tempoly hitoeran’ny fiaran’ny fanekena, nandritra ilay fotoana nilamina nanjakany. (1 Tantara 22:7-10) Tsy nahatonga an’i Davida tsy hanome anefa izany. Nanendry antokon’olona voalamina tsara izy, mba hamatsy ireo fitaovana nilaina tamin’ny fanorenana ny tempoly. Hoy izy tamin’i Solomona, tatỳ aoriana: ‘Nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon’i Jehovah aho; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho.’ (1 Tantara 22:14) Tsy nianina tamin’izany izy, fa mbola nanome volamena sy volafotsy mitentina 1 200 000 000 dolara mahery koa. Nanome an-tsitrapo zavatra betsaka koa ireo andriana. (1 Tantara 29:3-9) Tena nalala-tanana sy tia nanome tokoa i Davida!

Inona no nanosika azy hanome be toy izany? Takany fa notahin’i Jehovah izy matoa nanan-karena sy nahavita zavatra. Niaiky toy izao tamin’ny vavaka izy: “Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tànanao, ary Anao rahateo izy rehetra. Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.” (1 Tantara 29:16, 17) Sarobidy tamin’i Davida ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Takany fa tokony hanompo an’Andriamanitra “amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto” izy, ary faly izy nanao izany. (1 Tantara 28:9) Izany toetra tsara izany koa no nahatonga ny Kristianina voalohany ho tia manome.

I Jehovah no Mpanome Lehibe Indrindra

I Jehovah no mpanome fakan-tahaka indrindra. Miahy sy be fitiavana izy, ka “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45) Omeny “ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra” ny olon-drehetra. (Asan’ny Apostoly 17:25) Marina tokoa ny tenin’i Jakoba mpianatra hoe: “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria izany midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra.”​—Jakoba 1:17.

Izao no fanomezana lehibe indrindra nataon’i Jehovah: Nirahiny ny “Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy misy olona afaka milaza ho mendrika ny fanomezana toy izany, satria “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23, 24; 1 Jaona 4:9, 10) Ny vidim-panavotan’i Kristy no fototra sy anton’ny ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’ ataon’Andriamanitra, dia ny ‘hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehony.’ (2 Korintianina 9:14, 15) Nankasitraka ny fanomezan’Andriamanitra i Paoly, ka nataony ho anton’asa teo amin’ny fiainany ny “hanome fanazavana feno momba ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 20:24) Niaiky izy fa sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”​—1 Timoty 2:4.

Atao amin’ny alalan’ny fitoriana sy fampianarana any amin’ny tany 234 izany ankehitriny. Hoy i Jesosy, rehefa nilaza mialoha momba io fitomboana io: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Eny, “tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10) Mpitory ny vaovao tsara enina tapitrisa mahery tamin’ny taon-dasa, no nandany 1 202 381 302 ora nanaovana io asa io, ary nitarika fampianarana Baiboly 5 300 000 mahery. Tena zava-dehibe io fampianarana io, satria ain’olona no tandindomin-doza.​—Romanina 10:13-15; 1 Korintianina 1:21.

An-tapitrisa ny Baiboly sy boky ary bokikely atonta isan-taona, mba hanampiana ireo mangetaheta ny fahamarinana ara-baiboly. Maherin’ny arivo tapitrisa koa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! vokarina. Mandray ny vaovao tsara ny olona, ka mihabetsaka hatrany ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah aorina, mba hatao foiben’ny fampianarana ara-baiboly. Misy fivoriamben’ny faritra sy fivoriambe manokana, ary fivoriamben’ny vondrom-paritra alamina isan-taona. Mitohy koa ny fampiofanana misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, anti-panahy, ary mpanampy amin’ny fanompoana. Misaotra an’i Jehovah isika noho ny nanaovany ireo fandaharana rehetra ireo, tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47) Tiantsika tokoa ny hankasitraka azy!

Fankasitrahana an’i Jehovah

Avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo daholo ny vola ilaina amin’ireo fandaharana rehetra ireo, toy ny tamin’ny nanorenana ny tempoly sy namatsiana izay nilain’ireo fiangonana kristianina voalohany. Mariho anefa fa tsy misy olona afaka mampanan-karena an’i Jehovah, satria izy no Tompon’ny zavatra rehetra. (1 Tantara 29:14; Hagay 2:8) Asehontsika àry rehefa manome isika fa tiantsika i Jehovah, sady irintsika ny hanohana ny fivavahana marina. “Mahatonga fisaorana an’Andriamanitra” ireny fahalalahan-tanana ireny, hoy i Paoly. (2 Korintianina 9:8-13) Mampirisika antsika halala-tanana i Jehovah, satria mampiseho izany fa tia manome isika, sady tia azy. Hotahin’i Jehovah ka hiroborobo ara-panahy izay malala-tanana sy miankina aminy. (Deoteronomia 11:13-15; Ohabolana 3:9, 10; 11:25) Nanome toky antsika i Jesosy fa ho sambatra isika, satria hoy izy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

Tsy miandry ny fotoan-tsarotra ny Kristianina vao ho tia manome. Mitady fahafahana ‘hanaovana soa amin’ny rehetra izy, indrindra fa amin’ny mpiray finoana aminy.’ (Galatianina 6:10) Nampirisihin’i Paoly halala-tanana isika. Hoy izy: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16) Tena faly i Jehovah, raha mampiasa izay rehetra ananantsika isika, mba hanampiana ny olona sy hanohanana ny fivavahana madio. Tafiditra amin’izany ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny volantsika. Tena tian’i Jehovah ny olona tia manome.

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Anaovana Fanomezana

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana, na mitsinjara vola, mba harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana, misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.​—Matio 24:14.”

Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ireo vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy ambony, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ny misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny fanompoana momba ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny momba ireo fandaharana ireo, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37

B.P. 116

105 Ivato

[Sary, pejy 26]

Inona no nahatonga ny Kristianina voalohany halala-tanana?