Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Olona Azo Itokisana Ihany Ve?

Misy Olona Azo Itokisana Ihany Ve?

Misy Olona Azo Itokisana Ihany Ve?

NIVOAKA ny tsiambaratelo maromaro voatahiry tsara, taorian’ny nianjeran’ny Rindrin’i Berlin tamin’ny 1989. Nanjary fantatr’i Lydia, * ohatra, fa nirakitra an-tsoratra ny tsipiriany momba ny fiainany ny Stasi, na Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny fitondrana sosialista tany Alemaina Atsinanana. Gaga i Lydia nandre izany. Vao mainka tsiravina anefa izy rehefa nahalala fa ny vadiny ihany no nahafantaran’ny Stasi izany. Olona tokony ho azony nitokisana tanteraka no namadika azy.

Rangahy efa bebe taona i Robert. Nilaza ny gazety Ny Fotoana (anglisy) any Londres, fa “tena nohajainy sy nitokisany” ny dokoterany. “Tsara fanahy sy be fangoraham-po”, hono, io dokotera io. Maty tampoka i Robert avy eo. Aretim-po ve no nahatonga izany, sa tapaka lalan-dra izy? Tsy izany no izy, satria nanambara ny manam-pahefana fa nankany an-tranon’i Robert ilay dokotera, ary notsindroniny fanafody mahafaty izy. Tsy nisy nahalala izany moa na izy na ny fianakaviany. Olona nitokisany tanteraka no toa namono an’i Robert.

Mampanahy tokoa izany, satria olona nitokisany no namadika an’i Lydia sy Robert, ka tena ratsy ny vokany. Tsy ratsy be toy izany ny vokany indraindray. Kanefa matetika no misy olona itokisana, nefa mamadika avy eo. Nanadihady momba izany ny fikambanana lehibe iray any Alemaina. Nilaza ny 86 isan-jaton’ireo nadinadinina, fa efa nandiso fanantenana azy ny olona nitokisany. Efa nanjo anao koa angamba izany. Tsy tokony ho gaga mihitsy àry isika, raha nanambara ny gazety iray any Soisa tamin’ny 2002, fa “efa an-taona maro izao no nihena ny fifampitokisana”, any amin’ny tany mandroso maro.

Maka fotoana, nefa mora rava

Inona no atao hoe fitokisana? Ny hoe matoky olona dia midika hoe mino fa manao ny marina sy tso-po izy, ary tsy hanao fanahy iniana handratra anao. Mila mifandray ela amin’ny olona isika vao afaka matoky azy. Mety ho rava mora foana anefa izany fitokisana izany. Maro no mahatsapa fa nohararaotina ny fitokisany, koa mahagaga ve raha misalasala hatoky ny hafa ny olona? Nasehon’ny valin’ny fanadihadiana iray nivoaka tany Alemaina tamin’ny 2002, fa “latsaka ny 1 ao anatin’ny 3 ny tanora matoky ny olon-kafa.”

Tsara àry raha manontany tena isika hoe: ‘Misy olona tena azontsika itokisana ihany ve? Tsara ve ny mametraka ny fitokisana amin’olona, na dia mety handiso fanantenana antsika aza izy?’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Nilaza ny 86 isan-jaton’ireo nadinadinina, fa efa nandiso fanantenana azy ny olona nitokisany