Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nahita Namana Be Fitiavana sy Fiahiana Aho”

“Nahita Namana Be Fitiavana sy Fiahiana Aho”

“Nahita Namana Be Fitiavana sy Fiahiana Aho”

“IZANY no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy, dia nanjary toetra nampiavaka ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina tany am-boalohany ny fitiavana. Zato taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Kristy, dia nilaza i Tertullien fa nanamarika toy izao ny olona nandinika azy ireo: ‘Jereo fa mifankatia tokoa izy ireo, ary vonona ho faty ho an’izy samy izy mihitsy aza.’

Mbola misy ve izany karazam-pitiavana izany ankehitriny? Izany tokoa. Diniho, ohatra, ny taratasy iray voarain’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila, avy tamin’ny vehivavy iray antsoina hoe Marília. Izao no nosoratany:

“Voan’ny aretin’ny vanin-taolana i Neny fony izahay nipetraka tany Villa Mercedes, any Arzantina, ka lasa nalemy ny hatreo amin’ny valahany no ho midina. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary Vavolombelona tany Villa Mercedes no nikarakara azy tamim-pitiavana sy niahy azy nandritra ireo valo volana voalohany naharariany. Izy ireo no nikarakara ny zava-drehetra, anisan’izany ny fanadiovana ny tranon’i Neny sy ny fandrahoana ny sakafony. Nisy olona niaraka taminy foana, na andro na alina, na dia tany amin’ny hopitaly aza.”

“Efa tafaverina eto Brezila izahay mianaka izao, ary efa mihatsara i Neny. Manao izay rehetra azony atao ireo Vavolombelona atỳ amin’ny faritra misy anay, mba hanampiana azy ho sitrana.”

Mamarana ny taratasiny toy izao i Marília: “Tsoriko aloha fa tsy Vavolombelona aho, kanefa nahita namana be fitiavana sy fiahiana aho teo anivon’izy ireo.”

Mbola misy tokoa ny olona manana ny tena fitiavana kristianina. Asehony amin’izany fa misy heriny eo amin’ny fiainany ny fampianaran’i Jesosy.