Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampianarin’i Jehovah Hatry ny Fahakeliko Aho

Nampianarin’i Jehovah Hatry ny Fahakeliko Aho

Tantaram-piainana

Nampianarin’i Jehovah Hatry ny Fahakeliko Aho

NOTANTARAIN’I RICHARD ABRAHAMSON

“Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.” Aoka hohazavaiko hoe nahoana no misy heviny manokana ho ahy ireo teny ao amin’ny Salamo 71:17 ireo.

TAFARESAKA tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, i Fannie Abrahamson reniko, tamin’ny 1924. Vao herintaona aho tamin’izay. Nianatra ny fahamarinana ara-baiboly i Neny ary dodona erỳ izy niresaka tamin’ireo mpifanila trano taminay momba izay nianarany. Nampianatra ahy sy ny zokiko mianadahy koa izy. Mbola tsy nahay namaky teny akory aho dia efa nampiany hitadidy andinin-teny momba ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1920, dia vehivavy sy ankizy vitsivitsy monja no tao amin’ilay antokona Mpianatra ny Baiboly nisy anay tany La Grande, any Etazonia, toerana nahaterahako sy nahabe ahy. Nitokana izahay nefa nisy mpiandraikitra mpitety faritany, na mpitety fiangonana, nitsidika anay indray mandeha na indroa isan-taona. Nanao lahateny nampahery anay izy ireny, niara-nanompo taminay isan-trano, ary tena niahy manokana ny ankizy. Anisan’ireny i Shield Toutjian, sy Gene Orrell, ary John Booth.

Tsy nisy afaka namonjy ilay fivoriambe tany Colombus, any Ohio, izahay, tamin’ny 1931, rehefa noraisin’ny Mpianatra ny Baiboly ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nivory ireo kompania, na fiangonana, sy antoko-mpitory tsy nandefa solontena tamin’ilay fivoriambe mba hanapa-kevitra ny amin’ny handraisana ilay anarana. Nanao izany koa ny antoko-mpitory kelinay tao La Grande. Nitadidy fomba fampisehoana andinin-teny iray aho rehefa nizara ny bokikely Ilay Fotoan-tsarotra izahay, tamin’ny 1933. Tamin’izay aho no voalohany nitory isan-trano irery.

Nihanahazo vahana ny fanoherana nandritra ireo taona 1930. Nozaraina ho andiany ny kompania mba hiatrehana izany, ary ireny no nandamina fivoriambe kely sy fitorian’ny andiany, indray mandeha na indroa isan-taona. Nampiofanina hitory izahay tamin’ireny fivoriambe ireny, ary nampianarina hamaly tamim-panajana rehefa misy polisy manakantsakana. Nilainay naverimberina ny toromariky ny taratasy Fizotran’ny Fakana Am-bavany, satria matetika ny Vavolombelona no nalaina am-bavany sy nampanantsoin’ny fitsarana. Fitaovana nahafahanay niatrika fanoherana izy io.

Nobeazina tamin’ny fahamarinana ara-baiboly

Mbola kely aho dia efa nampianarina ny fahamarinana ara-baiboly, sy ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany, eo ambany fitarihan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy dia nantitranterina tamin’izay ny hanaovana batisa an’ireo tsy nanantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 5:10; 14:1, 3) Nilazana anefa aho fa tokony hatao batisa ihany, raha tapa-kevitra marina ny hanao ny sitrapon’i Jehovah. Natao batisa àry aho tamin’ny Aogositra 1933.

Nihevitra ilay mpampianatra ahy, tamin’izaho 12 taona, fa nandroso tsara ny fahaizako nandaha-teny. Nampirisihiny àry i Neny hanome ahy fampiofanana fanampiny. Nieritreritra i Neny fa hanampy ahy hanatsara ny fanompoana an’i Jehovah izany. Koa nanasa ny lamban’ilay ramatoa nampiofana ahy àry izy nandritra ny herintaona, ho saran’ny fampiofanana. Tena nanampy ahy tamin’ny fanompoana izany. Voan’ny rhumatisme aho tamin’izaho 14 taona, ka tsy afa-nianatra nandritra ny herintaona mahery.

Nifindra teny aminay i Warren Henschel, izay mpanompo manontolo andro, tamin’ny 1939. * Toy ny zokiko lahy ara-panahy mihitsy izy, naharitra nampiofana ahy tamin’ny fitoriana teny amin’ny saha. Nampirisihiny koa aho hanao ny asan’ny mpisava lalana rehefa vakansy. Lasa kompania ny antoko-mpitory nisy anay, teo antenatenan’ny 1939. Voatendry ho mpikarakara fitambaran’olona i Warren, ary izaho kosa mpitarika Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Lasa mpikarakara fitambaran’olona aho, rehefa nantsoina hanompo teto amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brooklyn, i Warren.

Nanomboka ny fanompoana manontolo andro

Nampitombo kokoa ny faniriako hanompo manontolo andro, ilay andraikitro tao amin’ny kompania nisy anay. Nanomboka àry aho tamin’izaho 17 taona, raha vao nahavita ny fianarako teny amin’ny lise. Tsy nitovy finoana taminay i Dada, nefa nikarakara tsara anay izy, ary tsara fitondran-tena. Niriny ny hanohizako ny fianarako. Nilaza anefa izy fa afaka nanao izay tiako aho raha nahavelon-tena. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana àry aho tamin’ny 1 Septambra 1940.

Tamin’izaho nandao ny tranonay dia nasain’i Neny novakiko ny Ohabolana 3:5, 6 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Tena nanampy ahy tokoa ny fiankinako foana tamin’i Jehovah.

Tsy ela aho dia niara-nanompo tamin’i Joe sy Margaret Hart, tany avaratra-afovoan’ny Fanjakan’i Washington. Isan-karazany ny faritany tany: toeram-piompiana omby sy ondry, toerana voatokana ho an’ny Indianina, ary tanàna kely maro. Voatendry ho mpikarakara fitambaran’olona, tany amin’ny fiangonan’i Wenatchee any Washington aho, tamin’ny lohataonan’ny 1941.

Voatendry hikarakara ny mpanatrika aho, tamin’ny fivoriambe iray natao tao amin’ny efitrano malalaka tany Walla Walla, any Washington. Nahatsikaritra rahalahy tanora iray niezaka hampandeha ny fanamafisam-peo aho tamin’izay. Tsy vitany ilay izy ka nilazako izy mba hifanakalo asa izahay. Rehefa niverina ny Rahalahy Albert Hoffman, mpanampy ny fileovana, dia hitany fa nandao ny asa nanendrena ahy aho. Nitsiky sy tsara fanahy izy nanazava tamiko fa tena zava-dehibe ny ifikirana amin’ny asa nanendrena. Tsy hadinoko mihitsy io torohevitra io.

Nandamina fivoriambe lehibe tany Saint Louis, any Missouri, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Aogositra 1941. Nasian’i Joe sy Margaret Hart labasy sy dabilio ny fitoerana teo aoriana tamin’ny kamiaonetin’izy ireo, ary mpisava lalana sivy izahay no niaraka nanao ilay dia 2 400 kilaometatra, nankany Saint Louis. Naharitra herinandro ilay dia nandroso. Nilaza ny polisy fa nisy 115 000 ny nanatrika io fivoriambe io. Vitsy noho izany angamba no tarehimarika marina. Azo antoka anefa fa nihoatra ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Etazonia izany, izay 65 000 teo ho eo tamin’izay fotoana izay. Tena nankahery ny saina sy ny fo io fivoriambe io.

Nanompo teto amin’ny Betelan’i Brooklyn

Nahazo fanendrena hanompo teto amin’ny Betelan’i Brooklyn aho rehefa niverina tany Wenatchee. Tonga aho tamin’ny 27 Oktobra 1941, ary nentina tao amin’ny biraon’i Nathan Knorr, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty. Nohazavainy tamin-katsaram-panahy tamiko ny fiaimpiainana tao amin’ny Betela, ary nohamafisiny fa mba hahombiazana amin’ny fanompoana ao, dia tena ilaina ny mifikitra amin’i Jehovah. Nasaina niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana aloha aho, namatotra ireo baoritra feno boky halefa.

Maty i Joseph Rutherford, izay nitarika ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, tamin’ny 8 Janoary 1942. Nofidin’ireo mpitantana ny Fikambanana hisolo azy ny Rahalahy Knorr, dimy andro taorian’izay. Nanambara izany tamin’ny mpianakavin’ny Betela i Van Amburgh, mpitan-tsoratra sady mpitam-bolan’ny Fikambanana hatramin’ny ela. Hoy izy: ‘Tsaroako rehefa maty i C. Russell [1916] ka nodimbiasan’i J. Rutherford. Nitarika sy nampandroso ny asany foana ny Tompo. Mbola inoako koa ankehitriny fa handroso foana ny asa, rehefa i Nathan Knorr no prezidà, satria asan’ny Tompo io, fa tsy an’olona.’

Nolazaina tamin’ny Febroary 1942 fa hatomboka ny “Fianarana Ambony Momba ny Fanompoana Kristianina.” Natao hampiofanana ireo tao amin’ny Betela izy io, mba hanatsaran’izy ireo ny fahaizany manao fikarohana ara-baiboly, ary koa hahaizany handamina sy hampiseho ireo lahatsoratra havoakan’izy ireo. Nandroso haingana tamin’ilay fiofanana aho, noho izaho nianatra nandaha-teny tamin’ny mbola kely.

Tsy ela aho dia voatendry tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, izay manara-maso ny fitorian’ireo Vavolombelona eto Etazonia. Naverina indray ny fandaharana hisian’ny mpanompo hitsidika ny kompanian’ny Vavolombelona, tamin’ny faramparan’ny 1942. Mpanompon’ny rahalahy no niantsoana an’ireny mpiandraikitra ny faritra ireny taloha. Nisy rahalahy nofanina mba hanao io asa io teto amin’ny Betela, teo antenatenan’ny 1942, ary anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany aho. Tadidiko tsara ny Rahalahy Knorr, anisan’ny mpampianatra, nanasongadina hoe: “Aza mitady hampifaly olona. Tsy hahavita hampifaly tanteraka na iza na iza ianao. Ampifalio i Jehovah dia ho faly koa izay rehetra tia azy.”

Natomboka ny asa fitetezam-paritany tamin’ny Oktobra 1942. Nanao izany ny sasany taminay teto amin’ny Betela, ka nitsidika fiangonana hatrany amin’ny 400 kilaometatra manodidina an’i New York, rehefa faran’ny herinandro. Nanao tatitra momba ny fitoriana sy fivorian’ny fiangonana izahay, nivory niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fiangonana, nanao lahateny iray na roa, ary nitory niaraka tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana.

Nalefa hanao asa fitetezam-paritra nandritra ny enim-bolana izahay mpiasa sasany tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, tamin’ny 1944. Anisan’ny toerana nanompoako ny tany Delaware, Maryland, Pennsylvanie, ary Virginie. Nitsidika ny fiangonana tany Connecticut, Massachusetts, ary Rhode Island koa aho tatỳ aoriana, nandritra ny volana vitsivitsy. Lasa fantatro tsara ny momba ny asantsika maneran-tany, rehefa tafaverina teto amin’ny Betela aho ka niara-niasa tapa-potoana tamin’ny Rahalahy Knorr sy Milton Henschel mpitan-tsorany. Niasa tapa-potoana tao amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola koa aho, izay niandraiketan’i Van Amburgh sy Grant Suiter mpanampy azy. Niandraikitra birao maro teto amin’ny Betela koa aho tamin’ny 1946.

Fiovana lehibe teo amin’ny fiainako

Nifankahalala tamin’i Julia Charnauskas aho tamin’ny 1945, rehefa nitsidika fiangonana tao amin’ny tanànan’i Providence, any Rhode Island. Nifanaiky hivady izahay teo antenatenan’ny 1947. Tena tiako ny nanompo tato amin’ny Betela, nefa mbola tsy azo natao tamin’izany ny nitondra vady mba hanompo tato. Nandao ny Betela àry aho tamin’ny Janoary 1948, ka nivady izahay sy Julia (Julie). Nahita asa tapa-potoana tao amin’ny fivarotana lehibe iray tany Providence aho, ary niara-nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay mivady.

Nasaina nanao ny asan’ny faritra tany avaratrandrefan’i Wisconsin aho tamin’ny Septambra 1949. Fiovana lehibe ho ahy sy Julie ny nitory tany ambanivohitra feno tanàna kelin’ny mpiompy. Lava sy nangatsiaka ary be orampanala ny ririnina, ary tafidina hatrany amin’ny 20 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana nandritra ny herinandro sasany. Tsy nanana aotomobilina izahay, nefa nisy nanatitra foana isaky ny niova fiangonana hotsidihina.

Nandamina fivoriamben’ny faritra izahay, tsy ela taorian’ny nanombohako ny asan’ny faritra. Tsaroako fa nanara-maso akaiky ny fizotran’ny zava-drehetra aho, ka nanjary sosotra ny sasany. Niresaka tamin-katsaram-panahy tamiko anefa i Nicholas Kovalak, mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Nohazavainy fa efa zatra mikarakara zavatra ireo rahalahy eo an-toerana, ka tsy tokony hanahy be aho. Tena nanampy ahy tamin’ny asa maro nanendrena ahy io torohevitra io.

Voatendry hanao asa tsy maharitra aho, tamin’ny 1950, rehefa nasaina niandraikitra ny filasian’ireo solontena nanatrika ny fivoriambenay tao amin’ny Yankee Stadium, eto New York. Io no voalohany tamin’ireo fivoriambe lehibe maro nalaminay. Nampientam-po hatramin’ny farany ilay fivoriambe, ary firenena 67 no nandefa solontena anisan’ireo mpanatrika 123 707! Nanohy ny asa fitetezam-paritra indray izahay sy Julie, taorian’ilay fivoriambe, ary tena nahasambatra anay izany. Tsapanay anefa fa tokony ho vonona hanohy ny fanompoana manontolo andro izahay. Koa nandefa fangatahana foana àry izahay isan-taona, mba hiasa atỳ amin’ny Betela na hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Faly izahay tamin’ny 1952, rehefa nasaina hanatrika ny kilasy faha-20, tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, ary niofana ho misionera.

Nanompo tany an-tany hafa

Nahazo diplaoma izahay tamin’ny 1953, ary voatendry hanompo tany amin’ny vondrom-paritra any atsimon’i Angletera. Tsy ampy herintaona akory no nanaovanay sy Julie an’io asa tena nankafizinay io dia nahazo fanendrena tsy nampoizina ho any Danemark izahay. Nila mpiandraikitra vaovao mantsy ny biraon’ny sampana tany. Izaho no nalefa satria akaiky i Angletera, ary efa niofana tamin’io asa io aho teto Brooklyn. Nandeha baka izahay nankany Holandy, ary lamasinina hatrany Copenhague, any Danemark. Tonga tany izahay tamin’ny 9 Aogositra 1954.

Niatrika olana izahay tany, anisan’izany ny amin’ny rahalahy sasantsasany nanana andraikitra, izay tsy nety nanaraka ny tari-dalan’ny foibe avy teto Brooklyn. Nandao ny Betela koa ny telo tamin’ireo mpandika teny efatra tamin’ny fiteny danoà, ary niala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony aza tatỳ aoriana. Namaly ny vavakay anefa i Jehovah. Nanao izay hahafahany hiasa manontolo andro i Jørgen sy Anna Larsen, izay mpisava lalana sady niasa tapa-potoana tao amin’ny fandikan-teny. Nitohy foana àry ny fandikan-teny, ary tsy nisy nomerao banga mihitsy ny gazetinay tamin’ny fiteny danoà. Mbola ao amin’ny Betelan’i Danemark foana izao ry Larsen mivady, ary mpandrindra ny Komitin’ny Sampana i Jørgen.

Ny fitsidihana tsy tapaka nataon’ny Rahalahy Knorr no tena nampahery anay, tamin’ireo taona voalohandohany ireo. Nanokana fotoana nitsidihana ny tsirairay izy, ary nitantara ny zavatra niainany, izay nanampy mba hiatrehana olana. Tapaka nandritra ny fitsidihana tamin’ny 1955, fa hanorina sampana vaovao misy fanontam-pirinty izahay, ka io no hanonta gazety ho an’i Danemark. Tany avaratr’i Copenhague ilay toerana azonay. Nifindra tany amin’ilay trano vao naorina àry izahay, teo antenatenan’ny 1957. Tonga tany Danemark i Harry Johnson sy Karin vadiny, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-26 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Nanampy tamin’ny fametrahana sy fampandehanana ny milina fanontam-pirinty i Harry.

Nohatsarainay ny fomba fandaminan-javatra mba hanaovana fivoriambe lehibe tany Danemark. Tena nanampy koa ny traikefa azoko tany amin’ireo fivoriambe teto Etazonia. Natao tao Copenhague ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1961. Nisy 30 mahery ireo tany nandefa solontena, ary nahatratra 33 513 ny tampon’isan’ny mpanatrika. Nandray ny fivoriambe lehibe indrindra natao tany amin’iny faritr’i Skandinavia iny koa izahay tamin’ny 1969, ary 42 073 ny tampon’isan’ny mpanatrika tamin’izay!

Nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-38 tamin’ny Sekolin’i Gileada aho tamin’ny 1963. Naharitra folo volana izy io, ary natao hanofanana ny mpiasan’ny sampana ihany. Nahafinaritra ny niaraka indray tamin’ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn, sy nandray soa tamin’ny traikefan’ireo niandraikitra hatramin’ny ela ny asa teto amin’ny foibe.

Niverina tamin’ny andraikitro tany Danemark aho rehefa vita ilay fampiofanana. Nahazo tombontsoa nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety sampana koa aho, ka nampahery sy nanampy ny mpiasan’ny sampana tany Eoropa andrefana sy avaratra, mba hanatanterahan’izy ireo tsara ny andraikiny. Nanao io asa io koa aho vao haingana kokoa, tany Afrika Andrefana sy Antilles.

Nitady toerana hanorenana trano lehibe kokoa ny rahalahy tany Danemark, tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, mba hampiroboroboana ny fandikan-teny sy ny fanontam-pirinty. Nisy toerana nety tamin’izany, tany amin’ny 60 kilaometatra andrefan’i Copenhague. Nandray anjara tamin’ny fanaovana ny planin’io trano tsara tarehy vaovao io aho, ary nanantena ny hipetraka niaraka tamin’ny fianakavian’ny Betela tao izahay sy Julie. Tsy izany anefa no nitranga.

Niverina teto Brooklyn

Nahazo fanasana hanompo eto amin’ny Betelan’i Brooklyn izahay mivady tamin’ny Novambra 1980, ka tamin’ny fiandohan’ny Janoary 1981 izahay no tonga. Efa nananika ny faha-60 taonanay izahay, ary efa ho 30 taona no niarahanay tamin’ireo rahalahy sy anabavy malalanay tany Danemark. Tsy mora taminay àry ny niverina teto Etazonia. Tsy afa-nijanona teo amin’ny toerana tianay hipetrahana anefa izahay, fa niezaka hifantoka tamin’ny asa nanendrena anay sy ny zava-tsarotra tsy maintsy natrehina.

Tonga teto Brooklyn izahay ary nijanona teto. Voatendry hiasa tany amin’ny biraon’ny kaonty i Julie, toy ny nataony tany Danemark. Izaho kosa voatendry tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, ka nanampy nandamina ny famoahana boky sy gazety. Nisy fiovana lehibe tamin’ny fiandohan’ireo taona 1980, satria nosoloana ordinatera sy fanontam-pirinty maoderina ny milina fanoratana sy fitaovana tranainy nandaharana pejy. Tsy nahay ordinatera mihitsy aho nefa haiko ny fomba fiasan’ny fandaminana, sy ny niara-niasa tamin’ny olona.

Tsy ela taorian’izay dia nila fanampiana ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, satria nanomboka nampiasaina ny fanontam-pirinty mamoaka sary miloko. Afaka nanampy tamin’ny fandaminana ny asa ihany aho na dia tsy nahay sary aza. Nanana tombontsoa niandraikitra io sampan-draharaha io aho nandritra ny sivy taona.

Voatendry hanampy ny Komitin’ny Fampanontana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana aho tamin’ny 1992, ary avy eo nafindra niasa tao amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola. Mbola ao aho hatramin’izao, ary miasa mifandray amin’ny fitantanam-bolan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanompo hatramin’ny fahazazako

Naharitra nampianatra ahy foana i Jehovah hatramin’ny fahazazako sy nandritra ireo 70 taona nanompoako azy. Ny Teniny sy ireo rahalahy eo anivon’ny fandaminany tsy manam-paharoa no nampiasainy tamin’izany. Faly aho nanompo manontolo andro nandritra ny 63 taona, ka ny 55 tamin’ireo no niarahako tamin’i Julie vadiko mahatoky. Tena tsapako ny fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah.

Tsaroako fa naneso ahy i Dada tamin’ny 1940, rehefa nandao ny tranonay aho mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Hoy izy: “Aza mieritreritra ny hiverina hitady fanampiana atỳ amiko mihitsy ialahy, raha miala eto amin’ity trano ity mba hanao izany asa izany.” Tsy nisy mihitsy anefa fotoana nitadiavako fanampiana tany aminy. Nalala-tanana tamiko foana i Jehovah, ka matetika izy no nanome izay nilaiko, tamin’ny alalan’ireo Kristianina namako. Nanaja ny asantsika i Dada tatỳ aoriana, ary nianatra Baiboly mihitsy aza izy talohan’ny hahafatesany tamin’ny 1972. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana foana i Neny, izay nanantena ny hiaina any an-danitra. Maty izy tamin’ny 1985, teo amin’ny faha-102 taonany.

Tsy nieritreritra ny handao ny fanendrena anay mihitsy izahay sy Julie, na dia teo aza ireo olana teo amin’ny fanompoana manontolo andro. Tsy niova io fahatapahan-kevitray io satria nanampy anay foana i Jehovah. Eny fa na dia nila fanampiana aza ireo ray aman-dreniko satria efa antitra, dia mbola teo i Victoria Marlin anabaviko, nanampy sy nikarakara azy ireo tamin-katsaram-panahy. Tena mankasitraka azy izahay satria afaka nanohy ny fanompoana manontolo andro, noho ny fanampiany.

Nanohana ahy foana i Julie tamin’izay rehetra nanendrena anay, ary nihevitra izy fa tafiditra amin’ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah izany. Efa 80 taona aho izao ary manana olana ara-pahasalamana, nefa mbola mitahy ahy be dia be foana i Jehovah. Tena mampahery ahy ny fitalahoan’ny mpanao salamo, rehefa avy nilaza izy fa nampianatra azy hatramin’ny fahatanorany i Jehovah. Hoy izy: ‘Koa mandra-pahantitro dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.’​—Salamo 71:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 I Warren dia zokin’i Milton Henschel, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro.

[Sary, pejy 20]

Miaraka amin’i Neny, rehefa nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho, 1940

[Sary, pejy 21]

Miaraka amin’i Joe sy Margaret Hart, niara-nanao mpisava lalana tamiko

[Sary, pejy 23]

Mariazinay tamin’ny Janoary 1948

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’ny mpiray kilasy tamiko tany Gileada, 1953. Avy eo ankavia miankavanana: Don sy Virginia Ward, Geertruida Stegenga, Julie, ary izaho

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’i Frederick Franz sy Nathan Knorr tany Copenhague, Danemark, 1961

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Julie