Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy ny Vehivavy Kristianina Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra

Sarobidy ny Vehivavy Kristianina Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra

Sarobidy ny Vehivavy Kristianina Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra

“Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.”​—OHABOLANA 31:30.

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny hatsaran-tarehy raha ampitahaina amin’ny an’ity tontolo ity?

MIFANTOKA be amin’ny bika aman’endrika ity tontolo ity, indrindra fa ny an’ny vehivavy. Ny tena mahaliana an’i Jehovah anefa dia ny toetran’ny olona, izay afaka mihatsara hatrany arakaraka ny fandroson’ny taona. (Ohabolana 16:31) Koa mampirisika ny vehivavy ny Baiboly hoe: “Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany toy ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po, izay manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.”​—1 Petera 3:3, 4.

2, 3. Nahoana no lazaina fa anisan’ny nampiely ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany ny vehivavy, ary ahoana no nanambarana izany mialoha?

2 Nanana toetra mendri-piderana toy izany ny vehivavy maro voaresaka ao amin’ny Baiboly. Nisy tamin’izy ireo nanana tombontsoa nikarakara an’i Jesosy sy ny apostoliny, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 8:1-3) Nanjary nisy vehivavy kristianina nazoto nitory ny vaovao tsara tatỳ aoriana. Ny hafa indray nanampy be dia be an’ireo mpiandraikitra kristianina, anisan’izany ny apostoly Paoly. Ny sasany koa tena tia nandray vahiny, ka nanaiky mihitsy ny hivorian’ny fiangonana tao an-tranony.

3 Efa nilaza mialoha ny Soratra Masina fa homen’i Jehovah anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasany, ny vehivavy. Voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Joela 3:1, 2, ohatra, fa hahazo ny fanahy masina na lahy na vavy, na antitra na tanora, ka samy hampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nanomboka tanteraka izany tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 16-18) Nisy vehivavy voahosotry ny fanahy nomena fahaizana mahagaga, toy ny fahaizana maminany. (Asan’ny Apostoly 21:8, 9) Toy ny tafika lehibe ireo anabavy nahatoky sy nazoto tamin’ny fanompoana ireo, ka anisan’ny nampiely haingana ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza mihitsy ny apostoly Paoly tamin’ny taona 60 tany ho any, fa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara.​—Kolosianina 1:23.

Noderaina noho ny herim-pony sy zotom-pony ary fitiavany mandray vahiny

4. Nahoana no rariny raha nidera ny vehivavy maromaro teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany i Paoly?

4 Nankasitraka ny fanompoana nataon’ny vehivavy sasany, ohatra, ny apostoly Paoly. Mankasitraka ny fanompoana ataon’ny vehivavy mazoto koa ireo mpiandraikitra kristianina ankehitriny. Anisan’ireo vehivavy notononin’i Paoly tamin’ny anarany i ‘Tryfena sy Tryfosa, vehivavy niasa mafy tao amin’ny Tompo’, ary i ‘Persy malalantsika, izay nanao asa mafy maro tao amin’ny Tompo.’ (Romanina 16:12) Nanoratra koa i Paoly fa ‘niara-niasa mafy taminy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara’ i Eodia sy Syntyke. (Filipianina 4:2, 3) Niara-nanompo tamin’i Paoly koa i Prisila sy Akoila vadiny. “Nanao vivery ny ainy hamonjena” an’i Paoly izy mivady, hany ka nanoratra i Paoly hoe: “Tsy izaho ihany no misaotra azy fa ny fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.”​—Romanina 16:3, 4; Asan’ny Apostoly 18:2.

5, 6. Amin’ny lafiny inona avy i Prisila no ohatra tsara ho an’ny anabavy ankehitriny?

5 Nahoana i Prisila no nazoto sy be herim-po toy izany? Manampy antsika hahita ny valin’izany ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:24-26. Voalaza ao fa niara-niasa tamin’ny vadiny izy, rehefa nanampy an’i Apolosy, mpandahateny nahay, mba hahalala ireo fanazavana azo farany momba ny fahamarinana. Miharihary araka izany fa nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaran’ny apostoly i Prisila. Noho izany, dia nanana toetra tena tsara izy, ka nanjary sarobidy tamin’Andriamanitra sy ny vadiny ary ny fiangonana voalohany. Sarobidy toy izany koa ireo anabavy kristianina maro be, izay miasa mafy sy mazoto mianatra ny Baiboly ary mandray ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky.”​—Lioka 12:42.

6 Tena tia nandray vahiny i Akoila sy Prisila. Nipetraka tao amin’izy mivady i Paoly, rehefa niara-nanamboatra tranolay tamin’izy ireo tany Korinto. (Asan’ny Apostoly 18:1-3) Mbola tia nandray vahiny ihany izy mivady rehefa nifindra tany Efesosy, ary tany Roma tatỳ aoriana. Nanaiky ny hivorian’ny fiangonana tao an-tranony mihitsy aza izy. (Asan’ny Apostoly 18:18, 19; 1 Korintianina 16:8, 19) Namela ny tranony hanaovana fivoriana koa i Nymfa sy Maria, renin’i Jaona Marka.​—Asan’ny Apostoly 12:12; Kolosianina 4:15.

Sarobidy koa izy ireo ankehitriny

7, 8. Nahoana no mendri-piderana ny fanompoana masina ataon’ny vehivavy kristianina ankehitriny, ary inona no azon’izy ireo antoka?

7 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany ny vehivavy kristianina mahatoky ankehitriny. Mandray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra koa izy ireo, indrindra fa ny fitoriana ny vaovao tsara. Tena tsara tokoa ny zava-bitan’ireny anabavy ireny! Diniho, ohatra, i Gwen, izay nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy nandritra ny 50 taona mahery, mandra-pahafatiny tamin’ny 2002. Hoy ny vadiny: “Fantatr’olona rehetra teo an-tanàna fa nazoto nitory ny vaovao tsara i Gwen. Nihevitra izy fa afaka ny ho tian’i Jehovah sy handray ny fampanantenany ny olombelona rehetra. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra sy ny fandaminany ary ny fianakavianay izy, sady nampahery anay rehefa kivikivy izahay. Tena nanampy ahy sy ny zanakay izany, nandritra ireo fotoana nahafa-po sy nahafinaritra niarahanay. Tena malahelo azy izahay.” Nivady nandritra ny 61 taona ry zareo.

8 An’alina ny vehivavy kristianina, na mpitovo na manambady, no mpisava lalana sy misionera. Mianina amin’izay tena ilainy izy ireo, mba hanelezana ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny tanàn-dehibe ka hatrany amin’ny faritra mitokana. (Asan’ny Apostoly 1:8) Maro no nifidy tsy hanana trano na tsy hiteraka, mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa. Ao ny manohana hatrany ny vadiny, izay mpiandraikitra mpitety faritany. Ao koa ireo anabavy an’arivo manompo any amin’ny Betela eran-tany. Azo antoka fa anisan’ny zavatra faniry avy amin’ny firenena rehetra ireny vehivavy feno fahafoizan-tena ireny, ary mameno voninahitra ny tranon’i Jehovah.​—Hagay 2:7.

9, 10. Inona no tenim-pankasitrahana nolazain’ny mpianakavy sasantsasany, noho ny ohatra tsara dia tsara nomen’ny vady sy reny kristianina?

9 Mazava ho azy fa vehivavy kristianina maro no miantsoroka andraikitra ara-pianakaviana, nefa ataon’izy ireo loha laharana foana ilay Fanjakana. (Matio 6:33) Nanoratra toy izao ny anabavy iray mpitovo sady mpisava lalana: “Nandray anjara lehibe tamin’ny fahatongavako ho mpisava lalana maharitra ny reniko, noho izy nanana finoana natanjaka sy tena fakan-tahaka. Raha ny marina, dia izy no anisan’ny mpisava lalana nahafinaritra ahy indrindra, tamin’ireo mpisava lalana niara-nanompo tamiko.” Niresaka momba ny vadiny, izay niteraka zazavavy dimy efa lehibe ny lehilahy iray. Hoy izy: “Nadio sy nilamina foana ny tranonay. Nataon’i Bonnie foana izay hahatsotra sy hampilamina azy io, mba hahafahanay mianakavy hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy. Afaka niasa tapa-potoana nandritra ny 32 taona aho, satria hainy tsara ny nitantana ny volanay. Nahafahako nanokana fotoana bebe kokoa ho an’ny fianakavianay sy ny zavatra ara-panahy izany. Nampianatra ny ankizy ny hasarobidin’ny asa mafy koa ny vadiko. Tena mendri-piderana mihitsy izy.” Manompo any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah izao izy mivady.

10 Nanoratra momba ny vadiny ny lehilahy iray manan-janaka efa lehibe. Hoy izy: “Ny toetran’i Susan tena mampiaiky ahy dia ny fitiavany lalina an’Andriamanitra sy ny olona, ny fahaizany mahatakatra ny hevitry ny hafa sy miara-miory aminy, ary ny fanaovany ny marina. Nihevitra foana izy fa mendrika ny omena ny tsara indrindra i Jehovah. Nampihatra izany izy, rehefa nanompo azy sy nanao ny asan’ny reny.” Afaka niantsoroka andraikitra maromaro teo anivon’ny fiangonana io lehilahy io, noho ny fanohanan’ny vadiny. Anti-panahy izy, mpisava lalana, mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana, ary anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Tena sarobidy amin’ny vadiny sy ny Kristianina hafa, ary indrindra indrindra fa amin’i Jehovah, ireny vehivavy ireny!​—Ohabolana 31:28, 30.

Sarobidy ireo vehivavy tsy manambady

11. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa miahy ny vehivavy mahatoky izy, indrindra fa ny mpitondratena? b) Afaka matoky ny amin’inona ireo mpitondratena kristianina sy ireo anabavy mahatoky tsy manambady?

11 Matetika i Jehovah no nilaza fa miahy izay hahasoa ny mpitondratena. (Deoteronomia 27:19; Salamo 68:5; Isaia 10:1, 2) Tsy niova izy, fa mbola miahy fatratra ny mpitondratena ihany. Ahiny koa ny reny mitaiza irery ny zanany, sy ireo vehivavy nifidy ny tsy hanambady, na mbola tsy nahita vady kristianina mifanentana aminy. (Malakia 3:6; Jakoba 1:27) Afaka matoky ianao fa sarobidy amin’Andriamanitra, raha tsy mivadika aminy, na dia tsy manana vady kristianina manampy anao aza.

12. a) Ahoana no ampisehoan’ny anabavy kristianina sasany fa tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo? b) Inona no tsapan’ny anabavintsika sasany?

12 Eritrereto, ohatra, ireo anabavintsika kristianina tsy manambady, satria mankatò hatrany ny torohevitr’i Jehovah hoe: Manambadia “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39; Ohabolana 3:1) Manome toky azy ireo ny Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Ny olona [tsy mivadika, TV] no isehoan’i Jehovah fa [tsy mivadika, TV].’ (2 Samoela 22:26) Maro amin’izy ireo anefa no mahatsapa fa tsy mora ny mijanona ho mpitovo. Hoy ny anabavy iray: “Tapa-kevitra ny tsy hanambady afa-tsy ao amin’ny Tompo ihany aho. Nitomany anefa aho isaky ny nahita ny namako nanambady lehilahy kristianina mahafinaritra, nefa izaho ity mbola tokan-tena foana.” Hoy koa ny anabavy iray hafa: “Efa 25 taona izao no nanompoako an’i Jehovah. Tapa-kevitra ny tsy hivadika aminy mihitsy aho, nefa malahelo aho matetika satria mahatsiaro ho manirery.” Hoy koa izy: “Mangetaheta fampaherezana ny rahavavy tahaka ahy.” Ahoana no hanampiantsika izay tsy mivadika toy izany?

13. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo nitsidika ny zanakavavin’i Jefta? b) Amin’ny fomba ahoana koa no ampisehoantsika fa miahy ireo anabavy mpitovo eo anivon’ny fiangonana isika?

13 Intỳ misy ohatra fahiny ahitantsika ny fomba iray azo anampiana azy ireo. Fantatry ny olona fa tena mafy tamin’ny zanakavavin’i Jefta ny nanaiky tsy hanambady. Inona àry no natao mba hampaherezana azy? ‘Nandeha nankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita hefarana isan-taona ny zazavavin’ny Israely.’ (Mpitsara 11:30-40) Isika koa dia tokony hankalaza na hidera amim-pahatsorana ireo anabavy mpitovo mankatò hatrany ny lalàn’Andriamanitra. * Ahoana koa no ampisehoantsika fa miahy azy ireo isika? Tokony hitalaho amin’i Jehovah isika, mba hampiany hanohy hatrany ny fanompoany ireny anabavy mahatoky malalantsika ireny. Mendrika ny homena toky izy ireny fa tena tia sy mankasitraka fatratra azy ireo i Jehovah sy ny fiangonana kristianina manontolo.​—Salamo 37:28.

Ny fomba ahombiazan’ny reny tokan-tena

14, 15. a) Nahoana no tokony hangataka ny fanampian’i Jehovah ny reny kristianina tokan-tena? b) Inona no tokony hataon’ireo reny ireo, mifanaraka amin’ny vavaka ataony?

14 Miatrika zava-tsarotra maro koa ny reny kristianina tokan-tena. Afaka mangataka amin’i Jehovah anefa izy ireo mba hanampiany azy hitaiza ny zanany, mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Marina aloha fa tsy afaka ny ho sady ray no ho reny amin’ny lafiny rehetra ianao, raha reny tokan-tena. Hanampy anao hiantsoroka ireo andraikitrao maro be anefa i Jehovah, raha mangataka ny fanampiany amim-pinoana ianao. Indro misy ohatra: Alao sary an-tsaina hoe mitondra gony feno vary avy any an-tsaha ianao, nefa mbola lavitra ny tranonao. Handa ve ianao raha misy namanao manontany raha afaka manampy anao hitondra ny entanao? Mazava ho azy fa tsia! Koa satria afaka mangataka ny fanampian’i Jehovah ianao, dia aza miezaka hizaka irery izay manavesatra ny fonao. Manasa anao izy hiantso azy. Hoy ny Salamo 68:19: “Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro.” Manasa anao koa ny 1 Petera 5:7 mba hametraka amin’i Jehovah izay rehetra mampanahy anao, ‘satria mikarakara anao izy.’ “Aza mitsahatra” mamboraka ny ao am-ponao amin’ilay Rainao any an-danitra àry, rehefa misy olana na fanahiana manavesatra anao.​—1 Tesalonianina 5:17; Salamo 18:6; 55:22.

15 Raha reny ianao, ohatra, dia azo antoka fa manahy sao hitarika ny zanakao hanao zavatra tsy mety ny ankizy hafa, na ho voasedra amin’ny fomba hafa ny tsy fivadihany. (1 Korintianina 15:33) Ara-dalàna ny fanahiana toy izany, nefa tokony hatao antom-bavaka koa. Nahoana tokoa moa raha mivavaka momba izany miaraka amin’ny zanakao, alohan’ny handehanany hianatra, angamba aorian’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro? Mety hisy heriny eo amin’ny ankizy ny vavaka avy amin’ny fo sy voafaritra tsara. Hotahin’i Jehovah mihitsy aza ianao, raha manam-paharetana sy miezaka hatrany handentika ny Teniny ao am-pon’ny zanakao. (Deoteronomia 6:6, 7; Ohabolana 22:6) Tadidio fa “ny mason’i Jehovah dia eo amin’ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.”​—1 Petera 3:12; Filipianina 4:6, 7.

16, 17. a) Inona no nolazain’ny zanakalahy iray momba ny fitiavana nasehon’ny reniny? b) Inona no vokatry ny fitiavan’ilay reny zavatra ara-panahy, teo amin’ny zanany?

16 Raiso ny ohatr’i Olivia, izay manan-janaka enina. Tsy mitovy finoana aminy ny vadiny, ary nandao azy raha vao teraka ny zanany farany. Niantsoroka avy hatrany ny andraikiny hampianatra ny zanany ny lalan’Andriamanitra anefa i Olivia. Anti-panahy sady mpisava lalana izao i Darren zanany lahy, 31 taona, izay 5 taona teo ho eo tamin’izay fotoana izay. Ankoatra ireo olana hafa nanahiran-tsaina an’i Olivia, dia narary mafy i Darren, ary mbola tsy sitrana ilay aretina hatramin’izao. Izao no nosoratan’i Darren momba ny fahazazany: “Tsaroako aho tsindrian-daona niandry an’i Neny teo am-pandriana tany amin’ny hopitaly. Nipetraka teo akaikiko izy, ary namaky tamiko ny Baiboly isan’andro. Avy eo izy, dia nihira ny hiran’ilay Fanjakana hoe ‘Misaotra, Jehovah ô!’ * Io no hiran’ilay Fanjakana tiako indrindra mandraka androany.”

17 Ny fitokisan’i Olivia tamin’i Jehovah sy ny fitiavany azy no nanampy azy hahomby tamin’ny fitaizana irery ny zanany. (Ohabolana 3:5, 6) Hita taratra tamin’ny tanjona nasainy notratrarin’ny zanany, fa nanana toe-tsaina tsara izy. Hoy i Darren: “Nampirisihin’i Neny foana izahay hanao ny fanompoana manontolo andro ho tanjona. Noho izany, dia lasa mpanompo manontolo andro izaho sy ny efatra tamin’ireo anabaviko dimy. Tsy mba nirehareha momba izany mihitsy anefa i Neny. Miezaka mafy aho hanahaka ny toetra tsara ananany.” Marina fa tsy lasa mpanompon’Andriamanitra toy ny zanak’i Olivia daholo akory ny ankizy rehetra, rehefa lehibe. Afaka matoky anefa ny reny fa hitari-dalana sy hanampy azy amim-pitiavana i Jehovah, raha manao araka izay fara heriny izy mba hanarahana ny toro lalan’ny Baiboly.​—Salamo 32:8.

18. Ahoana no ampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny fiangonana kristianina?

18 Manampy be dia be antsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina. Eo anivon’izy io no misy sakafo ara-panahy tsy tapaka, sy ny fianakavian’ny mpirahalahy, ary ireo “lehilahy [matotra] ho fanomezana.” (Efesianina 4:8) Miasa mafy ny anti-panahy mahatoky mba hampahery ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. Karakarain’izy ireo manokana izay ilain’ny “kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany.” (Jakoba 1:27) Koa mitoera hatrany akaikin’ny vahoakan’Andriamanitra àry, fa aza mitokantokana mihitsy.​—Ohabolana 18:1; Romanina 14:7.

Toetra mahatehotia ny fanekena

19. Nahoana no tsy manambany ny vehivavy ny fanekeny ny vadiny, ary inona no ohatra ao amin’ny Baiboly manamarina izany?

19 Noforonina ho famenon’ny lehilahy ny vehivavy. (Genesisy 2:18) Tsy manambany ny vehivavy àry ny fanekeny ny vadiny. Manome voninahitra azy kosa izany, sady mamela azy hampiasa ny fahaizana sy talenta maro be ananany, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Miresaka ireo asa maro be sahanin’ny vady tsara tany Israely fahiny, ny Ohabolana toko faha-31. Nanampy ny sahirana sy namboly voaloboka ary nividy tany izy. ‘Natoky azy ny fon’ny lahy, ary tsy nitsahatra ny fanambinana azy.’​—Andininy faha-11, 16, 20.

20. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny vehivavy kristianina ny fahaizana nomen’Andriamanitra azy? b) Inona avy no toetra tsara nananan’i Estera, ka ahoana no nampiasan’i Jehovah azy?

20 Tsy mitady laza na mifaninana amin’ny vadiny ny vehivavy manetry tena sy matahotra an’Andriamanitra. (Ohabolana 16:18) Tsy ny hahomby eo amin’ny sehatry ny asa no imasoany, fa ny hampiasa ireo fahaizana nomen’Andriamanitra azy hanampiana ny fianakaviany, ny Kristianina hafa, ny mpiara-belona, ary indrindra indrindra mba hanompoana an’i Jehovah. (Galatianina 6:10; Titosy 2:3-5) Diniho ny ohatry ny Mpanjakavavy Estera ao amin’ny Baiboly. Tsara tarehy izy nefa nanetry tena sy nankatò. (Estera 2:13, 15) Rehefa nanambady izy, dia nanaja fatratra an’i Ahasoerosy Mpanjaka vadiny, fa tsy nanao toa an’i Vasty, vadin’izy io taloha. (Estera 1:10-12; 2:16, 17) Ary na dia efa mpanjakavavy aza i Estera, dia nanaiky ny hevitr’i Mordekay zokiny, zana-drahalahin’ny rainy, rehefa nety ny nanaovana izany. Tsy hoe tsy nanana hazondamosina anefa izy! Sahiny ny nanala sarona an’i Hamana, lehilahy nanam-pahefana sy lozabe, izay nitetika ny handripaka ny Jiosy. Nampiasa an’i Estera tamin’ny fomba niavaka i Jehovah mba hitsimbinana ny vahoakany.​—Estera 3:8–4:17; 7:1-10; 9:13.

21. Ahoana no hahatongavan’ny vehivavy kristianina ho sarobidy kokoa hatrany amin’i Jehovah?

21 Mazava àry fa misy vehivavy tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo sy tsy mivavaka afa-tsy aminy irery ihany, na taloha na ankehitriny. Noho izany, dia sarobidy eo imason’i Jehovah ny vehivavy matahotra azy. Ry anabavy kristianina, avelao i Jehovah hampiasa ny fanahiny mba hamolavolana tsikelikely anareo ho “fitaovana” tsara kokoa hatrany, izay “vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 2:21; Romanina 12:2) Nilaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra momba ireny mpanompony sarobidy ireny: “Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tànany; ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.” (Ohabolana 31:31) Enga anie mba ho tanteraka aminareo tsirairay avy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2002, pejy 26-28, mba hahitana ny fomba azo iderana azy ireo.

Tadidinao Ve?

• Nahoana ny vehivavy kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany no sarobidy tamin’i Jehovah?

• Inona no mahatonga ny anabavy maro ho sarobidy amin’Andriamanitra ankehitriny?

• Amin’ny fomba ahoana no anohanan’i Jehovah ireo reny tokan-tena sy ireo anabavy tsy manambady?

• Ahoana no ampisehoan’ny vehivavy fa tena manaja ny fahefan’izay lohany izy?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 17]

OHATRA AZO SAINTSAININA

Te hahafantatra vehivavy nahatoky hafa voaresaka ao amin’ny Baiboly ve ianao? Raha izany no izy, dia vakio ireo andinin-teny voatonona eo ambany ireo. Iezaho takarina izay toro lalana hitanao fa azonao ampiharina bebe kokoa, rehefa misaintsaina ny ohatr’ireo olona voatanisa eo ireo ianao.​—Romanina 15:4.

Saraha: Genesisy 12:1, 5; 13:18a; 21:9-12; 1 Petera 3:5, 6.

Ireo vehivavy israelita nalala-tanana: Eksodosy 35:5, 22, 25, 26; 36:3-7; Lioka 21:1-4.

Debora: Mpitsara 4:1–5:31.

Rota: Rota 1:4, 5, 16, 17; 2:2, 3, 11-13; 4:15.

Vehivavy tany Sonema: 2 Mpanjaka 4:8-37.

Vehivavy fenisianina: Matio 15:22-28.

Marta sy Maria: Marka 14:3-9; Lioka 10:38-42; Jaona 11:17-29; 12:1-8.

Tabita: Asan’ny Apostoly 9:36-41.

Ny zanak’i Filipo efa-bavy: Asan’ny Apostoly 21:9.

Foiby: Romanina 16:1, 2.

[Sary, pejy 15]

Moa ve ianao midera ireo anabavy tsy manambady, izay mankatò hatrany ny lalàn’Andriamanitra?

[Sary, pejy 16]

Inona no zavatra voafaritra tsara azo atao antom-bavaka, alohan’ny handehanan’ny ankizy hianatra?