Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Nampifaly ny Fon’i Jehovah

Vehivavy Nampifaly ny Fon’i Jehovah

Vehivavy Nampifaly ny Fon’i Jehovah

“Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’i Jehovah . . . valim-pitia lehibe anie hianao.”​—ROTA 2:12.

1, 2. Inona no soa raisintsika rehefa saintsainintsika ny ohatr’ireo vehivavy nampifaly ny fon’i Jehovah, voaresaka ao amin’ny Baiboly?

SAHY nanohitra an’i Farao ny vehivavy roa, noho ny tahotra an’Andriamanitra. Nanao vivery ny ainy mba hiarovana Israelita roa mpisafo tany ny mpivaro-tena iray, noho ny finoany. Nahavonjy ain’olona maro sy nisakana ny voahosotr’i Jehovah tsy hivesatra trosan-dra ny vehivavy iray, noho ny fahendreny sy ny fanetren-tenany nandritra ny fotoan-tsarotra. Nanome ny sakafo farany tao aminy ho an’ny mpaminany iray ny renim-pianakaviana mpitondratena iray, noho ny finoany an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitiavany nandray vahiny. Vao santionany amin’ireo vehivavy maro be nampifaly ny fon’i Jehovah, voaresaka ao amin’ny Soratra Masina, ireo.

2 Hita amin’ny fomba nitondran’i Jehovah ireny vehivavy ireny sy ny fitahiana nomeny azy, fa ny toetra tsara no tena mampifaly azy, ary tsy miankina amin’ny maha lahy na vavy an’ilay olona izany. Sarotra ny manome ny toerana voalohany ho an’ny finoana an’Andriamanitra, eto amin’ity tontolo mifantoka be loatra amin’ny bika aman’endrika sy ny harena ity. Azo atao ihany anefa izany, rehefa jerena ny vitan’ireo vehivavy an-tapitrisa matahotra an’Andriamanitra sy mahaforona ny ankamaroan’ny vahoakany ankehitriny. Ireo vehivavy kristianina ireo dia manahaka ny finoana, ny fahendrena, ny fitiavana mandray vahiny, ary ny toetra tsara hafa nasehon’ireo vehivavy matahotra an’Andriamanitra voaresaka ao amin’ny Baiboly. Mazava ho azy fa tokony hanahaka ny toetran’ireo vehivavy fakan-tahaka tamin’ny andro fahiny koa ny lehilahy kristianina. Mba hahitana ny fomba hanehoana ireo toetra ireo bebe kokoa, dia hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany izay lazain’ny Baiboly momba ireo vehivavy voatonona teo am-piandohana ireo.​—Romanina 15:4; Jakoba 4:8.

Vehivavy sahy nanohitra an’i Farao

3, 4. a) Nahoana no tsy nety nankatò an’i Farao i Sifra sy Poa, rehefa nodidiany hamono ny zazalahy israelita rehetra vao teraka? b) Inona no valisoa nomen’i Jehovah an’ireo mpampivelona be herim-po sy natahotra azy ireo?

3 Nandritra ny fitsarana tany Nuremberg, any Alemaina, taorian’ny Ady Lehibe II, dia niezaka nanala tsiny ny tenany ny maro tamin’ireo voaheloka ho nandripaka olona maro be. Nolazainy fa nankatò ny baiko nomena azy fotsiny izy tamin’izany. Ampitahao amin’i Sifra sy Poa, vehivavy israelita, ireo olona ireo. Nipetraka tany Ejipta fahiny ireo mpampivelona ireo, tamin’ny fotoana nanjakan’ny Farao iray, tsy fantatra anarana nefa lozabe. Natahotra i Farao sao hihamaro be ny Hebreo, ka nandidy an’ireo mpampivelona ireo izy mba hamono ny zazalahy hebreo rehetra vao teraka. Ahoana no nataon’izy mirahavavy, rehefa nomena izany baiko nahatsiravina izany? “Tsy nanao araka izay nolazain’ny mpanjakan’i Egypta taminy [izy], fa novelominy ihany ny zazalahy.” Nahoana izy ireo no tsy resin’ny tahotra olona? Satria “natahotra an’Andriamanitra” izy.​—Eksodosy 1:15, 17; Genesisy 9:6.

4 Nitady fialofana tamin’i Jehovah tokoa ireo mpampivelona ireo, ka nanjary ‘ampingan’izy ireo’ izy, sy niaro azy tamin’ny fahatezeran’i Farao. (2 Samoela 22:31; Eksodosy 1:18-20) Tsy izay ihany anefa no fitahiana nomen’i Jehovah azy ireo. Novaliany soa i Sifra sy Poa, ka nanjary nanan-janaka. Nomeny voninahitra mihitsy izy mirahavavy, satria noraketiny ao amin’ny Teniny ny anaran’izy ireo sy ny zava-bitany, mba hovakin’ny taranaka fara mandimby. Hadino tanteraka anefa ny anaran’ilay Farao.​—Eksodosy 1:21; 1 Samoela 2:30b; Ohabolana 10:7.

5. Ahoana no ampisehoan’ny vehivavy kristianina maro ankehitriny fa manana ny toe-tsain’i Sifra sy Poa izy ireo, ary inona no valisoa homen’i Jehovah azy?

5 Misy vehivavy toa an’i Sifra sy Poa ve ankehitriny? Misy tokoa! Isan-taona, dia maro be ny vehivavy sahy mitory ny hafatra mamonjy aina raketin’ny Baiboly, any amin’ny tany izay andraran’ny “didin’ny mpanjaka” izany. Mety hampigadra azy na hamoizany ny ainy mihitsy anefa izany. (Hebreo 11:23; Asan’ny Apostoly 5:28, 29) Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ireo vehivavy be herim-po ireo, ka tsy mamela na iza na iza hisakana azy tsy hiresaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, dia vehivavy kristianina maro no iharan’ny fanoherana sy ny fanenjehana. (Marka 12:30, 31; 13:9-13) Toy ny tamin’i Sifra sy Poa, dia fantatr’i Jehovah tsara ny asan’ireo vehivavy tsara dia tsara sy be herim-po ireo. Hampiseho ny fitiavany azy ireo izy, rehefa hitahiry ny anarany ao amin’ny “bokin’ny fiainana”, raha tsy mivadika sy miaritra hatramin’ny farany izy ireo.​—Filipianina 4:3; Matio 24:13.

Nampifaly ny fon’i Jehovah ilay mpivaro-tena taloha

6, 7. a) Inona no fantatr’i Rahaba momba an’i Jehovah sy ny vahoakany, ary inona no vokatr’izany teo aminy? b) Ahoana no anomezan’ny Tenin’Andriamanitra voninahitra an’i Rahaba?

6 Nipetraka tany Jeriko, tanàna kananita, ny mpivaro-tena iray nantsoina hoe Rahaba, tamin’ny taona 1473 Talohan’i Kristy. Vehivavy nahafanta-javatra tokoa izy. Rehefa tonga niafina tao aminy ny Israelita roa mpisafo tany, dia notantarainy azy ireo tamin’ny an-tsipiriany ny nialan’ny Israelita tamin’ny fomba mahagaga avy tany Ejipta, na dia efa 40 taona lasa aza no nitrangan’izany! Fantany tsara koa fa vao haingana ny Israely no nandresy an’i Sihona sy Oga, Mpanjaka Amorita. Mariho ny vokatr’izany fahalalana izany teo aminy. Hoy izy tamin’ireo mpisafo tany: “Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany, . . . fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.” (Josoa 2:1, 9-11) Nanohina ny fon’i Rahaba ny zavatra reny momba an’i Jehovah sy izay nataony ho an’ny Israely, ka nanjary nino azy izy.​—Romanina 10:10.

7 Nanosika an’i Rahaba hanao zavatra ny finoany. Noraisiny “tamim-pihavanana” ireo Israelita mpisafo tany, ary narahiny ny toromarika namonjy aina nomeny, rehefa nanafika an’i Jeriko ny Israely. (Hebreo 11:31; Josoa 2:18-21) Tsy isalasalana fa nampifaly ny fon’i Jehovah ny asam-pinoan’i Rahaba. Nasainy notanisain’i Jakoba mpianatra, niaraka tamin’ny anaran’i Abrahama sakaizany mantsy ny anaran-dRahaba, mba hotahafin’ny Kristianina. Hoy i Jakoba: “Toy izany koa i Rahaba mpivaro-tena: Tsy nambara ho marina ve izy noho izay nataony rehefa avy noraisiny tsara ireo iraka, ka nalefany tany amin’ny lalan-kafa?”​—Jakoba 2:25.

8. Ahoana no nitahian’i Jehovah an’i Rahaba noho ny finoany sy ny fankatoavany?

8 Maromaro ny valisoa nomen’i Jehovah an’i Rahaba. Notsimbininy tamin’ny fomba mahagaga ny ain’i Rahaba sy ny ain’izay rehetra niafina tao an-tranony, izany hoe “ny ankohonan’ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’izay nety ho azy.” Navelany nonina ‘teo amin’ny Israely’ koa izy ireo, ary noraisina toy ny tompon-tany. (Josoa 2:13; 6:22-25; Levitikosy 19:33, 34) Tsy izay ihany anefa ny valisoa nomen’i Jehovah an’i Rahaba. Nomeny voninahitra lehibe koa izy, satria lasa razamben’i Jesosy Kristy. Tena niavaka mihitsy ny hatsaram-panahy miharo fitiavana naseho tamin’io vehivavy kananita mpanompo sampy taloha io! *​—Salamo 130:3, 4.

9. Nahoana no mampahery ny vehivavy sasany ankehitriny ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Rahaba sy ny vehivavy kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany?

9 Toa an-dRahaba, dia nisy vehivavy kristianina niala tamin’ny fitondran-tena ratsy mba hampifaliana an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’izao. (1 Korintianina 6:9-11) Azo antoka fa nisy tamin’izy ireo nihalehibe teo anivon’ny fiaraha-monina toy ny tany Kanana fahiny, izay nanjakan’ny fahalotoam-pitondran-tena sy niheverana izany ho ara-dalàna mihitsy aza. Niova anefa izy ireo, noho ny finoany niorina tamin’ny fahalalany marina tsara ny Soratra Masina. (Romanina 10:17) Noho izany, dia azo lazaina fa “tsy menatra ny [amin’ireny vehivavy ireny] Andriamanitra, eny, tsy menatra hantsoina hoe Andriamaniny.” (Hebreo 11:16) Voninahitra lehibe tokoa izany!

Notahina noho ny fahendreny

10, 11. Inona no zava-nitranga teo amin’i Nabala sy Davida, ka nahatonga an’i Abigaila hanao zavatra?

10 Maro ny vehivavy nahatoky tamin’ny andro fahiny no nampiseho fahendrena niavaka, hany ka lasa sarobidy ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Iray amin’izany i Abigaila, vadin’i Nabala, tompon-tany israelita nanan-karena. Noho ny fahendren’i Abigaila, dia nisy ain’olona voavonjy ary tsy nivesatra trosan-dra i Davida, izay ho mpanjakan’ny Israely. Hitantsika ao amin’ny 1 Samoela toko faha-25 ny tantaran’i Abigaila.

11 Nitoby teo akaikin’ny andian’ondrin’i Nabala, i Davida sy ny mpanompony, teo am-piandohan’ilay tantara. Mba hanehoana hatsaram-panahy tamin’i Nabala, izay Israelita tahaka azy, dia narovan’izy ireo maimaim-poana ny bibiny, na andro na alina. Naniraka zatovo folo lahy hangataka sakafo tany amin’i Nabala àry i Davida, rehefa nihena ny tahirin-tsakafony. Afaka nampiseho ny fankasitrahany an’i Davida i Nabala tamin’izay, sy nanome voninahitra azy noho izy voahosotr’i Jehovah. Tsy nanao izany anefa izy. Nisafoaka kosa izy, ka niteny ratsy an’i Davida ary nampody maina ireo zatovolahy nirahiny. Rehefa ren’i Davida izay nitranga, dia nanangona lehilahy 400 nirongo fiadiana izy, ary niainga hamaly faty. Nony fantatr’i Abigaila ny valin-teny masiaka nataon’ny vadiny, dia nanao zavatra haingana sy tamim-pahendrena izy mba hampitonena an’i Davida. Nandefa sakafo be dia be izy, ary nitsena azy mihitsy avy eo.​—Andininy faha-2-20.

12, 13. a) Ahoana no nanaporofoan’i Abigaila fa hendry izy sady tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny voahosony? b) Inona no nataon’i Abigaila rehefa tafody izy, ary nanao ahoana ny niafarany?

12 Hita fa lalina ny fanajan’i Abigaila ny voahosotr’i Jehovah, satria nanetry tena sy nitalaho famindram-po izy rehefa nihaona tamin’i Davida. Hoy izy taminy: “Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’i Jehovah.” Nilaza koa izy fa hanendry azy ho mpanapaka ny Israely i Jehovah. (Andininy faha-28-30) Nampiseho herim-po niavaka i Abigaila, rehefa nilaza tamin’i Davida fa hivesatra trosan-dra izy raha tsy mahafehy ny faniriany hamaly faty. (Andininy faha-26 sy 31) Nahatonga saina an’i Davida ny fanetren-tenan’i Abigaila, sy ny fanajany lalina ary ny fahamalinany. Namaly àry izy hoe: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko andro-any. Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie hianao, izay niaro ahy andro-any tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra.”​—Andininy faha-32 sy 33.

13 Nisikina herim-po i Abigaila raha vao tafody, ka nitady fomba hilazana tamin’ny vadiny ny fanomezana nataony ho an’i Davida. “Mamo loatra” anefa i Nabala rehefa hitany, koa niandry ny toakany hisava izy vao niresaka taminy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Nabala? Ankona tanteraka izy, ka lasa nalemy mihitsy angamba. Nasian’i Jehovah izy, folo andro tatỳ aoriana, ka maty. Rehefa ren’i Davida fa maty i Nabala, dia nangatahiny ho vady i Abigaila, izay tena nampiaiky volana azy sy nohajainy lalina. Nanaiky i Abigaila.​—Andininy faha-34-42.

Afaka ny hitovy amin’i Abigaila ve ianao?

14. Inona no toetran’i Abigaila mety ho tiantsika hananana bebe kokoa?

14 Misy toetran’i Abigaila tianao hananana bebe kokoa ve, na lahy ianao na vavy? Te haneho fahendrena bebe kokoa angamba ianao rehefa misy olana mipoitra. Na, te ho tony sy hanao teny voahevitra tsara angamba ianao, rehefa entim-po ny olona manodidina anao. Nahoana àry raha mivavaka momba izany? Mampanantena i Jehovah fa homeny fahendrena sy fahaiza-manavaka ary fahaiza-misaina izay rehetra ‘mangataka amim-pinoana hatrany.’​—Jakoba 1:5, 6; Ohabolana 2:1-6, 10, 11.

15. Rahoviana indrindra ny vehivavy kristianina no tena mila manahaka an’i Abigaila?

15 Tena ilaina ny toetra tsara toy izany, indrindra ho an’ny vehivavy manambady olona tsy mitovy finoana aminy, izay tsy miraharaha firy na tsy miraharaha mihitsy ny toro lalan’ny Baiboly. Mpisotro toaka be angamba ralehilahy. Antenaina anefa fa hiova ireny lehilahy ireny. Maro no efa nanao izany, matetika noho ny toetra malemy paikan’ny vadiny sy ny fanajany lalina ary ny fitondran-tenany madio.​—1 Petera 3:1, 2, 4.

16. Ahoana no ampisehoan’ny anabavy kristianina fa sarobidy aminy noho ny zavatra hafa rehetra ny fifandraisany amin’i Jehovah, na inona na inona mitranga ao an-tranony?

16 Tsarovy fa momba anao foana i Jehovah, na inona na inona zava-tsarotra iaretanao ao an-trano. (1 Petera 3:12) Miezaha àry hanatanjaka ny finoanao. Mivavaha mba hananana fahendrena sy fo tony. Manatòna an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly, ny vavaka, ny fisaintsainana, ary ny fifaneraserana amin’ny Kristianina hafa. Tsy nanova ny fitiavan’i Abigaila an’Andriamanitra sy ny fiheverany ny mpanompony voahosotra, ny tsy fanajan’ny vadiny ny zava-masina. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny toro lalana marina izy. Takatry ny vehivavy kristianina fa mila miezaka mafy foana izy mba hanana finoana matanjaka hatrany, na dia mpanompon’Andriamanitra fakan-tahaka aza ny vadiny. Marina fa ny vadiny no nanankinan’ny Soratra Masina ny andraikitra hikarakara azy eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo, nefa tsy maintsy miezaka mafy ‘amin-tahotra sy hovitra izy, mba hahazoany ny famonjena.’​—Filipianina 2:12; 1 Timoty 5:8.

Nahazo ny “valisoan’ny mpaminany” izy

17, 18. a) Inona no fitsapam-pinoana tsy nampoizina nihatra tamin’ilay mpitondratena tany Zarefata? b) Inona no nataon’ilay mpitondratena ho setrin’ny fangatahan’i Elia, ary inona no valisoa nomen’i Jehovah azy?

17 Tena mankasitraka ireo mahafoy ny tenany sy ny fananany mba hanohanana ny fivavahana marina i Jehovah. Hita taratra izany tamin’ny nikarakarany ny mpitondratena nahantra iray tamin’ny andron’i Elia mpaminany. Nisy main-tany naharitra ela be tamin’izany andro izany, hany ka maro no mosarena, anisan’izany ilay mpitondratena sy ny zanany lahy tany Zarefata. Tsy nanana afa-tsy sakafo indray mihinana sisa izy mianaka, nefa tamin’izay indrindra no tonga nitsidika azy ireo i Elia mpaminany. Tena tsy nampoizina ny zavatra nangatahiny. Fantany tsara ny fahorian’ilay vehivavy, nefa nangataka taminy izy mba hahandro “mofo kely” ho azy, tamin’ilay menaka sy koba farany tao aminy. Nilaza koa anefa izy hoe: “Fa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ny tavoara mandra-pihavin’ny andro handatsahan’i Jehovah ranonorana amin’ny tany.”​—1 Mpanjaka 17:8-14.

18 Inona no ho nataonao raha ianao no nangatahana zavatra tsy nampoizina toy izany? Toa fantatr’ilay mpitondratena tany Zarefata fa mpaminanin’i Jehovah i Elia, ka ‘nanao araka ny teniny’ izy. Inona no nataon’i Jehovah ho setrin’ny fitiavany nandray vahiny? Nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga ilay vehivavy sy ny zanany lahy ary i Elia, nandritra ilay main-tany. (1 Mpanjaka 17:15, 16) Nomen’i Jehovah “ny valisoan’ny mpaminany” ilay mpitondratena, na dia tsy Israelita aza. (Matio 10:41) Nomen’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra koa io mpitondratena io, satria nataony ohatra ho an’ireo mponina tsy nanam-pinoana tao Nazareta, tanàna niaviany.​—Lioka 4:24-26.

19. Amin’ny fomba ahoana avy no anehoan’ny vehivavy kristianina ankehitriny ny toe-tsain’ilay mpitondratena tany Zarefata, ary ahoana no fiheveran’i Jehovah azy ireny?

19 Vehivavy kristianina maro ankehitriny no manana ny toe-tsain’ilay mpitondratena tany Zarefata. Anabavy kristianina malala-tanana maro, ohatra, no mampiantrano ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, isan-kerinandro. Maro amin’ireo anabavy ireo anefa no mahantra sy manana fianakaviana hokarakaraina. Ny hafa kosa mizara ny sakafony amin’ireo mpanompo manontolo andro, manampy ny sahirana, na mahafoy ny tenany sy ny fananany amin’ny fomba hafa, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. (Lioka 21:4) Hitan’i Jehovah ve ireny sorona ireny? Azo antoka fa hitany! “Andriamanitra mantsy tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.”​—Hebreo 6:10.

20. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Nanana tombontsoa hikarakara an’i Jesosy sy ny apostoliny ny vehivavy sasany natahotra an’Andriamanitra, tamin’ny taonjato voalohany. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba nampifalian’ireny vehivavy ireny ny fon’i Jehovah. Hodinihintsika koa ny ohatr’ireo vehivavy manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ankehitriny, na dia ao anatin’ny sarotra aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Vehivavy efatra no voatonona ao amin’ny tetirazan’i Jesosy, hita ao amin’ny bokin’i Matio: Tamara, Rahaba, Rota ary Maria. Samy nohajaina fatratra izy ireo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.​—Matio 1:3, 5, 16.

Ho Famerenana

• Ahoana no nampifalian’ireto vehivavy ireto ny fon’i Jehovah?

• Sifra sy Poa

• Rahaba

• Abigaila

• Ilay mpitondratena tany Zarefata

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fisaintsainana ny ohatr’ireo vehivavy ireo? Manomeza ohatra.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Maro ny vehivavy tsy mivadika amin’Andriamanitra no manompo azy na dia eo aza “ny didin’ny mpanjaka”

[Sary, pejy 10]

Nahoana no ohatra tsara dia tsara i Rahaba raha ny amin’ny finoana?

[Sary, pejy 10]

Inona avy no toetran’i Abigaila tianao hotahafina?

[Sary, pejy 12]

Vehivavy kristianina maro ankehitriny no manana ny toe-tsain’ilay mpitondratena tany Zarefata