Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Inoana ve ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany?

Azo Inoana ve ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany?

Azo Inoana ve ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany?

VITSY ny olona no mino fa ho lasa paradisa ny tany, indray andro any. Maro no mieritreritra fa ho potika izy io. Milaza i Brian Molyneaux ao amin’ilay bokiny hoe Ny Tany Masina (anglisy), fa nisy ‘fipoahana lehibe teo amin’izao tontolo izao’, an-tapitrisa taona lasa izay, ary izany no nampisy ny tany. Milaza koa izy fa raha tsy ny olona ihany no hanapotika ny tany, dia maro no mino fa mety hivadika ho baolina mirehitra izy io sy izao rehetra izao.

Tsy mba nanjombona toy izany anefa ny fomba fihevitr’i John Milton, poety anglisy tamin’ny taonjato faha-17. Nilaza izy ao amin’ilay tononkalony lava be hoe Paradisa Very, fa namorona ny tany ho paradisa honenan’ny olombelona Andriamanitra. Very io Paradisa tany am-boalohany io, nefa nino i Milton fa mbola hisy indray izy io. Nino izy fa indray andro any, dia “hamaly soa izay tsy mivadika aminy” i Jesosy Kristy mpanavotra, ka ‘handray azy ireo any an-danitra na etỳ an-tany ao amin’ny fahasambarana tanteraka.’ Natoky i Milton fa “ho lasa Paradisa ny Tany manontolo amin’izany fotoana izany.”

Any an-danitra sa eto an-tany ny Paradisa?

Toa an’i Milton, dia maro ny mpivavaka no mino fa hovalian-tsoa izy ireo noho ny fijaliana mafy niaretany tetỳ an-tany. Aiza anefa izy ireo no hahazo izany valisoa izany? ‘Any an-danitra sa etỳ an-tany’? Tsy tonga ao an-tsain’ny sasany akory izany hoe tany izany. Milaza izy ireo fa tsy ‘ho sambatra tanteraka’ ny olona, raha tsy rehefa mandao ny tany sy monina any an-danitra.

Milaza i McDannell sy Lang, mpanoratra ilay boky hoe Ny Tantaran’ny Lanitra (anglisy), fa nino i Irénée, teolojianina tamin’ny taonjato faharoa, fa haverina amin’ny laoniny “eto an-tany” ny paradisa fa “tsy lavitra be any an-danitra any akory.” Resahin’io boky io fa nino ny mpitondra fivavahana toa an-dry Jean Calvin sy Martin Luther fa “hanavao ny tany Andriamanitra”, na dia nanantena ho any an-danitra aza izy ireo. Nisy mpivavaka avy amin’ny fiangonana hafa koa nino izany. Nilaza koa i McDannell sy Lang fa nino ny Jiosy sasany fa “hofoanana” ny fahoriana rehetra rehefa tonga ny fotoana voatondron’Andriamanitra, “ka hahafinaritra ny fiainana etỳ an-tany.” Araka Ny Rakipahalalana Momba ny Angano sy ny Fivavahana any Moyen-Orient (anglisy), dia nino koa ny Persanina fahiny fa “haverina toy ny tany am-boalohany ny tany, ary hiadana indray ny olona.”

Mbola misy olona manantena ny hisian’ny paradisa an-tany ihany ve ankehitriny? Natao ho fandalovana fotsiny ve ny tany? Marina ve ny tenin’i Philon, filozofa jiosy tamin’ny taonjato voalohany, hoe ampahany kely fotsiny amin’ilay diantsika mankany an-danitra ny fiainana eto an-tany, izay feno fahoriana matetika? Sa hafa mihitsy ny fikasan’Andriamanitra rehefa namorona ny tany sy nametraka ny olombelona tao amin’ny paradisa izy? Afaka ny tena hihavana amin’Andriamanitra sy ho sambatra tanteraka ve ny olombelona eto an-tany? Nahoana raha mandinika izay lazain’ny Baiboly momba izany? Toy ny olona an-tapitrisa, dia mety hanatsoaka hevitra ianao amin’izay fa azo antenaina tokoa ny hisian’ny paradisa indray eto an-tany.

[Sary, pejy 3]

Nino ilay poety atao hoe John Milton fa hisy indray ny Paradisa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Tany: U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./NASA

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Tany: U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./NASA; John Milton: Leslie’s