Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fampiasana vatosoa mifandray amin’ny volana nahaterahana?

Misy karazana vatosoa ampifandraisina amin’ny volana nahaterahan’ny olona tsirairay, any amin’ny tany sasany. Ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izay vatosoa apetrany eo amin’ny peratra anaovany. (Galatianina 6:5) Misy lafin-javatra lehibe tokony hodinihiny anefa amin’izany.

Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa io karazana vatosoa io dia ilay “vatosoa mifandray amin’ny volana nahaterahan’ilay olona, ary heverina fa mahatsara vintana sy mahasalama azy ny fitondrany azy.” Hoy koa ilay boky: “Efa ela ny mpanandro no nilaza fa misy hery hafakely ao amin’ny vatosoa sasantsasany.”

Maro ny olona nino, indrindra tamin’ny andro fahiny, fa mahatsara vintana an’ilay olona mitondra azy ny vatosoa toy ireny. Mino izany koa ve ny Kristianina marina? Tsia. Takany mantsy fa melohin’i Jehovah izay mahafoy azy, ka mitoky amin’i “Gada”, na ny andriamanitry ny vintana.​—Isaia 65:11.

Nifidy vatosoa ho an’ny volana tsirairay amin’ny taona ireo mpisikidy fahiny. Nampirisihin’izy ireo ny olona mba hitondra ilay vatosoa nifanaraka tamin’ny volana nahaterahany, amin’izay, hono, hiaro azy amin’ny ratsy. Hanao zavatra mifanohitra amin’ny Soratra Masina anefa ny Kristianina raha manaraka izay lazain’ny mpanandro, satria melohin’ny Baiboly ny fanandroana.​—Deoteronomia 18:9-12.

Tsy hety koa ny hiheveran’ny Kristianina ny peratra nasiana vatosoa toy ireny, ho misy heviny manokana. Tsy mankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana ny Vavolombelon’i Jehovah, satria asiana fiheverana tafahoatra ny olona iray, mandritra ilay fankalazana. Ary ny hany fankalazana azy io hita ao amin’ny Baiboly, dia ny an’ireo mpitondra tsy nanompo an’Andriamanitra.​—Genesisy 40:20; Matio 14:6-10.

Mihevitra ny olona sasany fa misy vokany tsara amin’ny toetran’ilay mitondra azy, ny peratra nasiana vatosoa mifandray amin’ny volana nahaterahany. Tsy mino an’izany anefa ny Kristianina marina, satria takany fa amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny fampiharana ny toro lalan’ny Soratra Masina no hitafiana ny “toetra vaovao.”​—Efesianina 4:22-24.

Misy anton-javatra tena lehibe koa tsara hodinihina. Mety hanontany tena toy izao ny Kristianina, rehefa manapa-kevitra hanao peratra misy vatosoa: ‘Ny hatsaran’ilay vatosoa fotsiny ve no manosika ahy hanao ilay peratra, sa noho izy io misy ilay vato mifandray amin’ny volana nahaterahako? Ary sao dia nisy heriny teo amiko kosa ny finoanoam-poanan’ny olona sasany mahakasika azy io?’

Tokony handinika ny fony ny Kristianina, ka hamantatra ny antony manosika azy hitondra ireny vatosoa ireny. “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina”, hoy ny Soratra Masina. (Ohabolana 4:23) Tsara ny handinihan’ny Kristianina tsirairay ny antony manosika azy hitondra ireny vatosoa ireny, sy ny hiheverany izay mety ho vokatr’izany eo aminy sy ny olon-kafa.​—Romanina 14:13.