Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Tena Manova Olona ny Fitsipiky ny Baiboly

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Tena Manova Olona ny Fitsipiky ny Baiboly

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

Fiainana Taloha sy Ankehitriny​—Tena Manova Olona ny Fitsipiky ny Baiboly

MORA tezitra sady nahery setra be i Adrian, tamin’izy tanora. Nisotro toaka izy sady nifoka sigara, ary naloto fitondran-tena. Nalaza ho anisan’ireo andian-jatovo mpikomy izy, ary nasiany tombokavatsa aza ny tenany mba hampisehoany fa baranahiny ny fiainany. Hoy izy tatỳ aoriana: “Nataoko toy ny an’ny tanora mpikomy rehetra ny voloko, ary nasiako lakaoly be dia be mba hampitsangana azy tsara. Nolokoiko mena na loko hafa ilay izy, indraindray.” Nanao kavin’orona koa izy.

Nifindra tao amin’ny trano iray efa hirodana izy sy ny tanora mpikomy namany. Sady nisotro toaka izy ireo tao, no nidoroka zava-mahadomelina. Hoy izy: “Nitsindrona zava-mahadomelina aho, ary nafangaroko tamin’ny fanafody fampatoriana na izay zavatra hafa azoko izany. Lasantsy teny amin’ny fiaran’olona no nofohiko mba hahamamo ahy, rehefa tsy nahita rongony na lakaoly aho.” Lasa jiolahy teny an’arabe i Adrian, ary tena natahoran’ny olona, sady tena nahery setra. Tsy te hifandray taminy mihitsy ny olona. Nalaza ratsy koa anefa izy, ka nahazo naman-dratsy be dia be.

Takany tsikelikely, fa fitiavan-tena fotsiny no niarahan’ireo “namany” taminy. Fantany koa fa “tsy nahavitana na inona na inona ny hatezerana sy ny herisetra.” Nilaozany ny namany, satria nahatsiaro ho tsy nanan-java-kendrena sy kivy izy. Nahasarika azy ny hafatra noraketin’ny Tilikambo Fiambenana izay hitany tany amin’ny toeram-panorenana iray. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy noho izany. Maika erỳ izy ny hanaiky ilay fanasana hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Tsy ela àry, dia fantany fa mila mampihatra ny toro lalan’ny Soratra Masina izy.

Nitombo ny fahalalan’i Adrian ny Baiboly, ka nihanadio ny fieritreretany, ary niova ny fiainany. Nampiana izy hifehy tena sy tsy ho mora tezitra. Niova be ny toetrany, noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.​—Hebreo 4:12.

Inona anefa no mahatonga ny Baiboly hisy heriny lehibe toy izany? Manampy antsika “hitafy ny toetra vaovao” ny fahalalana ny Soratra Masina. (Efesianina 4:24) Miova tokoa ny toetrantsika, rehefa mampihatra ny fahalalana marina ao amin’ny Baiboly isika. Ahoana anefa no hanovan’io fahalalana io ny olona?

Lazain’ny Baiboly aloha hoe inona avy ireo toetra ratsy tokony hesorina. (Ohabolana 6:16-19) Ampirisihiny isika avy eo haneho toetra tsara, vokatry ny fanahin’Andriamanitra, toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.”​—Galatianina 5:22, 23.

Nanampy an’i Adrian handini-tena sy hahita ireo toetra tokony hananana sy tokony hesorina ny fahazoany tsara izay notakin’Andriamanitra. (Jakoba 1:22-25) Vao fanombohana ihany anefa izany. Nila nanana antony nahatonga azy hiova izy, ankoatra ny fahalalana.

Nianaran’i Adrian, fa volavolaina “araka ny endrik’Ilay namorona azy” ny toetra vaovao. (Kolosianina 3:10) Takany koa fa tokony hitovy amin’ny toetran’Andriamanitra ny toetran’ny Kristianina. (Efesianina 5:1) Nianarany tao amin’ny Baiboly ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny olona, ka hitany ny toetran’Andriamanitra toy ny fitiavana, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, famindram-po, ary fahitsiana. Nanjary tia an’Andriamanitra izy, rehefa nahazo izany fahalalana izany, ka niezaka ho tonga karazan’olona ankasitrahany.​—Matio 22:37.

Nahay nifehy tena tsikelikely i Adrian, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Miezaka mafy izy mivady manampy ny hafa hanova ny fiainany, amin’ny alalan’ny fahalalana ara-baiboly. Hoy i Adrian: “Maro ny namako no efa maty, fa izaho kosa velona sy manana fianakaviana sambatra!” Vavolombelona manaporofo ny herin’ny Baiboly hanova ny fiainana ho tsara kokoa izy.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Tsy nahavitana na inona na inona ny hatezerana sy ny herisetra”

[Efajoro, pejy 25]

Manan-kery ny Toro Lalan’ny Baiboly

Ireto misy toro lalan’ny Baiboly, nanampy olona mora tezitra sy nahery setra, ho lasa tia fihavanana:

“Mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra.” (Romanina 12:18, 19) Aoka Andriamanitra no hamaritra ny fotoana hamaliany sy izay olona hampiharany izany. Fantany tsara ny zava-misy, rehefa hanao izany izy, ary ho ara-drariny tanteraka ny famaliany.

“Tezera nefa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efesianina 4:26, 27) Mety ho tezitra ara-drariny ny olona iray. Tsy tokony ho ‘tezitra’ maharitra anefa izy. Nahoana? Satria hitarika azy hanao zavatra ratsy izany. Hanome “toerana ny Devoly” izy amin’izay, ka tsy hankasitraka azy, i Jehovah Andriamanitra.

“Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany.” (Salamo 37:8) Mety hanao zavatra tafahoatra ny olona tsy mahafehy fahatezerana. Mety hilaza na hanao zavatra hampalahelo ny olona izy amin’izay.