Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hazavao Amin’ny Fomba Marina Tsara ny Tenin’Andriamanitra’

‘Hazavao Amin’ny Fomba Marina Tsara ny Tenin’Andriamanitra’

‘Hazavao Amin’ny Fomba Marina Tsara ny Tenin’Andriamanitra’

“Ataovy izay rehetra azonao atao mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.”​—2 TIMOTY 2:15.

1, 2. a) Nahoana no mila fitaovana ny mpiasa? b) Inona no asa ataon’ny Kristianina, ary ahoana no ampisehoan’izy ireo fa ilay Fanjakana no katsahiny aloha?

MILA fitaovana ny mpiasa hanaovany ny asany, kanefa tsy ny fitaovana rehetra no mety. Mila fitaovana mifanentana amin’ny asany izy, ary tsy maintsy mahay mampiasa izany. Aoka hatao hoe hanamboatra trano heva ianao, ary te hanambatra hazo fisaka roa. Tsy ho ampy ny fananana marotoa sy fantsika. Tsy maintsy hainao koa ny mandentika ilay fantsika ao anatin’ilay hazo, nefa tsy hampibilaka ilay izy. Ho sarotra be, ary hahakivy mihitsy, ny hanandrana handentika fantsika ao anaty hazo, raha tsy mahay mampiasa marotoa ianao. Hahavitana asa mahafa-po kosa anefa ny fitaovana, rehefa hay ny mampiasa azy.

2 Manana asa koa isika Kristianina, ary tena lehibe izy io. Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy hoe: ‘Katsaho hatrany aloha ny fanjakana.’ (Matio 6:33) Ahoana no hanaovantsika izany? Tokony hazoto hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra isika. Tokony hifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny fanompoantsika. Ary tokony ho tsara fitondran-tena isika. (Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 8:25; 1 Petera 2:12) Mila fitaovana mifanentana amin’io asa nanendrena antsika io isika Kristianina, sady mila mahay mampiasa izany, mba hahitana vokatra sy fifaliana. Niasa mafy sy namela ohatra miavaka ny apostoly Paoly tamin’io lafiny io, ary nampirisihiny hanahaka azy ny mpiray finoana taminy. (1 Korintianina 11:1; 15:10) Inona àry no ianarantsika avy amin’i Paoly, izay mpiara-miasa amintsika?

Nazoto nitory ilay Fanjakana i Paoly

3. Nahoana no azo lazaina fa nazoto nitory ilay Fanjakana ny apostoly Paoly?

3 Mpiasa nanao ahoana i Paoly? Be zotom-po tokoa izy. Nikely aina izy, nampiely ny vaovao tsara tamin’ny faritra nidadasika nanodidina an’i Mediterane. Nanazava ny antony nahatonga azy hazoto hanambara ilay Fanjakana io apostoly tsy nety sasatra io. Hoy izy: “Koa raha mitory ny vaovao tsara aho, dia tsy misy antony ireharehako, fa tsy maintsy manao izany aho. Lozako tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” (1 Korintianina 9:16) Ny hamonjy ny ainy ihany ve no notadiavin’i Paoly? Tsia. Tsy tia tena izy. Niriny handray soa avy tamin’ny vaovao tsara koa ny olon-kafa. Nanoratra izy hoe: “Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.”​—1 Korintianina 9:23.

4. Inona no fitaovana sarobidy indrindra amin’ny Kristianina?

4 Mpiasa nanetry tena ny apostoly Paoly, ka niaiky fa tsy afaka niankina tamin’ny fahaizany fotsiny izy. Toy ny mpandrafitra mila marotoa, dia nila fitaovana nety tsara koa i Paoly, mba handentehana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ao am-pon’izay nihaino azy. Inona no fitaovana tena nampiasainy? Ny Tenin’Andriamanitra na ny Soratra Masina. Ny Baiboly manontolo koa no tena ampiasaintsika hanaovana mpianatra.

5. Ankoatra ny fakana teny ao amin’ny Baiboly, inona no ilaintsika hatao, mba hahitana vokatra eo amin’ny fanompoana?

5 Mpiasa nanetry tena i Paoly, ary fantany fa tsy ampy ny maka teny ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanazavana azy io amin’ny fomba marina tsara. “Nandresy lahatra” koa izy. (Asan’ny Apostoly 28:23) Ahoana no nataony? Nahay nampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy, mba haneken’ny olona maro ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Nampisaintsaina azy ireo izy. “Nandaha-teny sy nandresy lahatra ny olona ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra” nandritra ny telo volana izy, tao amin’ny synagoga iray tany Efesosy. ‘Nanamafy ny fony ihany ny sasany sady tsy nino’, fa ny hafa kosa nihaino azy. “Koa nahery àry ny fitomboan’ny tenin’i Jehovah sy ny fandreseny”, noho ny fanompoan’i Paoly tany Efesosy.​—Asan’ny Apostoly 19:8, 9, 20.

6, 7. Ahoana no nankalazan’i Paoly ny fanompoany, ary ahoana no hanahafantsika azy?

6 Nazoto nitory ilay Fanjakana i Paoly, ka ‘nankalaza ny fanompoany.’ (Romanina 11:13) Tamin’ny fomba ahoana? Tsy nitady laza izy, ary tsy nahamenatra azy ny ho fantatr’olona hoe mpiara-miasa amin’Andriamanitra izy. Nihevitra kosa izy fa tsy misy voninahitra lehibe noho ny manompo an’Andriamanitra. Nahay nampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy, ary nahita vokatra. Nandrisika ny olon-kafa izany, ka voatosika hanao ny fanompoany tamin’ny fomba feno kokoa izy ireo. Tamin’izany fomba izany koa no nankalazana ny fanompoan’i Paoly.

7 Afaka mankalaza ny fanompoantsika toa an’i Paoly isika, raha mampiasa matetika ny Tenin’Andriamanitra, sy mahay mampiasa azy io. Ny hampita hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina amin’ny olona betsaka araka izay azo atao no tokony ho tanjontsika, na inona na inona lafiny amin’ny fanompoana andraisantsika anjara. Ahoana no handresentsika lahatra ny olona rehefa manao izany isika? Misy fomba telo lehibe tsara hodinihina ireto: 1) Sariho ho amin’ny Tenin’Andriamanitra ny sainy, ary ataovy izay hahatonga azy hanaja azy io. 2) Hazavao izay voalazan’ny Baiboly sy ny fifandraisan’izany amin’ny hevitra arosonao, ary mahaiza mandanjalanja. 3) Mahaiza mampisaintsaina sy mandresy lahatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina.

8. Inona no fitaovana ananantsika ankehitriny mba hitoriana ilay Fanjakana, ary ahoana no ampiasanao azy ireny?

8 Manana fitaovana mbola tsy nisy tamin’ny andron’i Paoly ny mpitory ilay Fanjakana ankehitriny. Anisan’izany ny boky, gazety, bokikely, taratasy fanasana, trakta, kasety, ary kasety video. Nampiasa karatra fitoriana, grafofaonina, fiara misy fanamafisam-peo, ary radio koa izy ireo, tany am-piandohan’ireo taona 1900. Mazava ho azy fa ny Baiboly no fitaovana tsara indrindra ananantsika sy tena ilaintsika. Mila mampiasa azy io matetika isika, sady mila mahay mampiasa azy io.

Tsy maintsy mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanompoantsika

9, 10. Ahoana no tokony hampiasantsika ny Tenin’Andriamanitra, araka ilay torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty?

9 Ahoana no hampiasantsika ny Tenin’Andriamanitra mba hahitana vokatra? Mila manaraka ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy isika. Hoy izy: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Timoty 2:15) Inona no tafiditra amin’ny hoe “manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara”?

10 Raha ara-bakiteny, ilay teny grika nadika hoe ‘manazava amin’ny fomba marina tsara’, dia midika hoe “manapaka mahitsy” na “manao sori-dalana mahitsy.” Tsy hita afa-tsy ao amin’ilay fampirisihan’i Paoly ho an’i Timoty io teny io, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Azo ilazana ny fanaovana soritr’asa mahitsy eny an-tsaha koa io teny io. Ho afa-baraka tokoa ny mpamboly za-draharaha iray, raha mivilana ny soritr’asa nohadiny. Nampahatsiahivina i Timoty fa tsy mahazo mivaona amin’ny fampianarana marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, raha te ho “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.” Tsy nahazo nampianatra ny heviny izy. Tsy maintsy nifototra tanteraka tamin’ny Soratra Masina ny fitoriany sy ny fampianarany. (2 Timoty 4:2-4) Hampirisihina hanana ny sain’i Jehovah ny olona tso-po amin’izay, fa tsy hanaraka ny filozofian’ity tontolo ity. (Kolosianina 2:4, 8) Izany koa no ataontsika amin’izao andro izao.

Tsy maintsy tsara ny fitondran-tenantsika

11, 12. Nahoana no zava-dehibe ny fitondran-tenantsika, mba hanazavana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara?

11 Tsy ampy ny manambara ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanazavana azy io amin’ny fomba marina tsara. Tsy maintsy mifanaraka amin’izy io koa ny fitondran-tenantsika. “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika, ka tsy tokony hihatsaravelatsihy velively. (1 Korintianina 3:9) Hoy ny Teniny: “Raha izany àry, ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao? Ianao izay mitory hoe: ‘Aza mangalatra’, mba mangalatra ve ianao? Ianao izay milaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady’, mba manitsakitsa-bady ve ianao? Ianao izay mampiseho fankahalana ny sampy, mba mandroba tempoly ve ianao?” (Romanina 2:21, 22) Mba hanazavana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara àry, dia mila manaraka izao fampirisihana izao isika mpiasany: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”​—Ohabolana 3:5, 6.

12 Inona no vokatra azontsika antenaina, raha manazava ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara isika? Misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona tso-po izy io, araka ny hodinihintsika amin’ireo ohatra manaraka.

Manan-kery hanova ny olona ny Tenin’Andriamanitra

13. Inona no vokany, rehefa mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray?

13 Rehefa mino ny Tenin’Andriamanitra ny olona, dia manan-kery eo aminy ny hafatra raketiny, ka manampy azy hanao fiovana miavaka eo amin’ny fiainany. Nahita ny fiasan’ny tenin’Andriamanitra i Paoly, sady nahita ny vokany tsara teo amin’ireo olona lasa Kristianina tany Tesalonika fahiny. Noho izany, dia hoy izy tamin’izy ireo: ‘Isaoranay mandrakariva koa Andriamanitra, satria fony nandray ny tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra, izay miasa koa ao anatinareo mpino.’ (1 Tesalonianina 2:13) Niaiky ireo Kristianina ireo, toy izay rehetra manara-dia an’i Kristy, fa ambony lavitra noho ny fihevitr’olombelona, ny fahendrena fara tampony ananan’Andriamanitra. (Isaia 55:9) “Nandray ny teny tao anatin’ny fahoriana be sy fifaliana avy tamin’ny fanahy masina” ireo Tesalonianina, ary lasa modely ho an’ny mpino hafa.​—1 Tesalonianina 1:5-7.

14, 15. Manao ahoana ny herin’ny hafatra raketin’ny Tenin’Andriamanitra, ary nahoana?

14 Manan-kery toa an’i Jehovah ny Teniny. Avy amin’ilay “Andriamanitra velona”, izay ‘nanao ny lanitra’ izy io, ary ‘ambinina amin’izay ampandehanany azy’ foana. (Hebreo 3:12; Salamo 33:6; Isaia 55:11) Nilaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly fa tsy mandà ny Teniny mihitsy Andriamanitra, na mandà ny andraikiny hanatanteraka azy io. Tsy teny tsy misy vokany àry izy io, satria tenin’ilay Andriamanitra velona.

15 Manao ahoana ny herin’ny hafatra raketin’ny Tenin’Andriamanitra? Lehibe dia lehibe tokoa ny herin’izy io. Mety tsara àry ny nanoratan’i Paoly hoe: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.”​—Hebreo 4:12.

16. Manao ahoana ny halalin’ny fiovana entin’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny olona iray?

16 “Maranitra noho ny sabatra roa lela” ny hafatra raketin’ny Tenin’Andriamanitra. Lehibe dia lehibe ny herin’izy io, hany ka azo lazaina hoe tsara lavitra noho ny fitaovana vitan’ny olombelona. Mampiharihary ny tena ao am-pon’ny olona sy ny eritreriny lalina ny Tenin’Andriamanitra, ary afaka manova ny toetrany. Misy akony eo amin’ny fomba fisainany sy ny zavatra tiany izany, ary mahatonga azy ho mpiasa ankasitrahan’Andriamanitra. Tena fitaovana mahery mihitsy izy io!

17. Hazavao fa manan-kery hanova ny olona ny Tenin’Andriamanitra.

17 Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiharihary ny tena maha izy ny olona, raha oharina amin’izay heveriny momba ny tenany, na izay asehony amin’ny olon-kafa. (1 Samoela 16:7) Manafina ny maha izy azy ny olon-dratsy indraindray, ka miseho ho tsara fanahy na mpivavaka be. Misy mihatsaravelatsihy noho ny antony ratsy. Mody manetry tena ny mpiavonavona, nefa maniry mafy ny hohindrahindraina. Mampiharihary izay tena ao am-po kosa anefa ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, dia tena afaka mitarika ny olona manetry tena izy io, mba hiala amin’ny toetrany taloha, ary “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.” (Efesianina 4:22-24) Afaka manova ny olona saro-kenatra koa ny fampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hahatonga azy ho Vavolombelon’i Jehovah be herim-po sy mazoto mitory ilay Fanjakana.​—Jeremia 1:6-9.

18, 19. Asehoy fa afaka manova ny toe-tsain’ny olona ny fahamarinana ara-baiboly, araka ilay ohatra omena eto, na izay zavatra hitanao teny amin’ny fanompoana.

18 Misy vokany tsara eo amin’ny olona hatraiza hatraiza ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Nitory indroa isam-bolana tany amin’ny faritanin’i Kompong Cham, ohatra, ny mpitory ilay Fanjakana avy any Phnom Penh, any Kambodja. Nisy pasitera nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah tao. Rehefa nandre izany ny pasitera vehivavy iray, dia nangataka hihaona tamin’ny Vavolombelona rehefa hiverina izy ireo. Nametrahany fanontaniana be dia be momba ny fety izy ireo. Nihaino tsara izy, rehefa nampiasa ny Soratra Masina ireo Vavolombelona mba hampisaintsainana azy. Nilaza izy avy eo hoe: “Fantatro izao fa tsy marina ny tenin’ireo pasitera namako momba anareo! Lazainy fa tsy mampiasa Baiboly, hono, ianareo, nefa tsy nanao afa-tsy izany ianareo androany maraina!”

19 Niara-nidinika ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona foana io ramatoa io, na dia norahonana hesorina tsy ho pasitera intsony aza. Noresahiny tamin’ny namany izany dinidinika ara-baiboly izany, ka nanjary nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona io namany io. Lasa nafana fo be ilay namany noho ny zavatra nianarany, ka nilaza izy nandritra ny toriteny iray nataony hoe: “Andao isika hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah!” Niala tamin’ilay fiangonana izy tsy ela taorian’izay. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay pasitera taloha sy ilay namany ary ny olon-kafa.

20. Ahoana no ahitana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tantaran’ilay ramatoa tany Ghana?

20 Ahitana taratry ny herin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny tantaran’i Paulina, ramatoa mipetraka any Ghana. Nisy mpitory ilay Fanjakana manontolo andro nampianatra Baiboly azy, tamin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Nanambady maro ny vadin’i Paulina, ary fantatr’i Paulina fa misy fiovana tsy maintsy ataony. Nanohitra azy mafy anefa ny vadiny sy ny havany rehetra. Nandika vilana ny Matio 19:4-6 mihitsy ny raibeny, mba hampiova hevitra azy. Toy ny hoe nitombina ny tenin’ilay raibeny, izay mpitsara any amin’ny fitsarana avo, sady anisan’ny lohan’ny fiangonana. Takatr’i Paulina avy hatrany anefa fa toy ny nataon’i Satana izany. Nandika vilana ny Soratra Masina koa izy, rehefa naka fanahy an’i Jesosy Kristy. (Matio 4:5-7) Tadidiny ny teny nazava tsara nataon’i Jesosy momba ny fanambadiana, dia ilay hoe lahy sy vavy no namoronan’Andriamanitra ny olombelona, ary ho nofo iray ihany izy roa, fa tsy izy telo akory. Nitana ilay fanapahan-kevitra noraisiny àry i Paulina, ary nahazo lalana hisaraka tamin’ilay vadiny ihany. Taoriana kelin’izay, dia lasa mpitory vita batisa izy ary sambatra tokoa.

Hazavao amin’ny fomba marina tsara hatrany ny Tenin’Andriamanitra

21, 22. a) Tapa-kevitra hanao inona isika mpitory ilay Fanjakana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Fitaovana mahery tokoa ny Tenin’Andriamanitra, mba hanampiantsika ny olona hiova, ka hanatona an’i Jehovah. (Jakoba 4:8) Toy ny mpiasa kinga mampiasa fitaovana mba hahazoana vokatra tsara, dia enga anie isika ho tapa-kevitra ny hiezaka mafy, mba hahay hampiasa ny Tenin’Andriamanitra eo am-panaovana ilay asa nankininy tamintsika, dia ny fitoriana ilay Fanjakana.

22 Ahoana no hahaizantsika hampiasa tsara kokoa ny Soratra Masina rehefa manao mpianatra? Mila miezaka ny ho mpampianatra mahay mandresy lahatra kokoa isika. Diniho ny lahatsoratra manaraka, izay ahitana fomba maromaro hampianarana sy hanampiana ny olona hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no fitaovana ananan’ny mpitory ilay Fanjakana?

• Inona avy no antony ilazana fa mpiasa fakan-tahaka i Paoly?

• Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manazava ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara?

• Manao ahoana ny herin’ny Tenin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Fitaovana sasantsasany ampiasain’ny Kristianina rehefa mitory ilay Fanjakana