Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitoria mba Hanao Mpianatra

Mitoria mba Hanao Mpianatra

Mitoria mba Hanao Mpianatra

“Rehefa nandre [an’i Apolosy] i Prisila sy Akoila, dia nitondra azy niaraka taminy. Ary nohazavain’izy ireo marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.”​—ASAN’NY APOSTOLY 18:26.

1. a) Inona no tsy ampy tamin’i Apolosy, na dia “narehitry ny fanahy” aza izy? b) Inona no nilain’i Apolosy mba ho ampy tsara ny fahalalany?

NANDINIKA an’i Apolosy nandaha-teny tao amin’ny synagoga iray tany Efesosy i Prisila sy Akoila, mpivady kristianina niaina tamin’ny taonjato voalohany. Nahay nandaha-teny sy nandresy lahatra i Apolosy, ka nisarika ny sain’ny mpihaino azy. “Narehitry ny fanahy” izy ary ‘marina ny fampianarany momba an’i Jesosy.’ Niharihary anefa fa “ny batisan’i Jaona ihany no fantany.” Marina ny zavatra notoriny momba an’i Kristy, saingy tsy ampy ny fahalalany momba azy. Nila nianatra bebe kokoa momba ny anjara asan’i Jesosy Kristy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah i Apolosy.​—Asan’ny Apostoly 18:24-26.

2. Inona no asa sarotra neken’i Prisila sy Akoila hatao?

2 Tsy nisalasala i Prisila sy Akoila tamin’izay, fa nanolo-tena hanampy an’i Apolosy hitandrina “izay rehetra” nandidian’i Kristy. (Matio 28:19, 20) Voalazan’ilay fitantarana fa ‘nentin’izy ireo niaraka taminy’ i Apolosy, “ary nohazavain’izy ireo marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.” Nety ho tsy te hampianatra an’i Apolosy anefa ny Kristianina sasany, noho ny zavatra sasany nahakasika azy. Inona moa izany? Ary inona no ianarantsika avy amin’ny fiezahan’i Prisila sy Akoila nandinika ny Soratra Masina niaraka taminy? Nahoana ny fandinihana an’io fitantarana io no hanampy antsika hifantoka amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly?

Diniho tsara izay ilain’ny olona

3. Nahoana no tsy nisakana an’i Prisila sy Akoila tsy hampianatra an’i Apolosy ny zavatra fantany momba azy?

3 Jiosy i Apolosy, ary toa tany Aleksandria no nahalehibe azy. Renivohitr’i Ejipta i Aleksandria tamin’izany andro izany, ary toerana fanaovana fianarana ambony, izay nalaza noho ilay tranombokiny lehibe. Betsaka ny Jiosy tany, ary manam-pahaizana ny sasany. Noho izany, dia tany no nanoratana ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, na ny Soratra Hebreo nadika ho teny grika. Tsy nahagaga àry raha “tena nahay Soratra Masina” i Apolosy! I Akoila sy Prisila kosa mpanamboatra lay. Tsy sahy nampianatra an’i Apolosy àry ve izy ireo, satria nahay nandaha-teny izy io? Tsia. Nanam-pitiavana izy ireo, ka nijery ny maha izy an’i Apolosy sy izay nilainy, ary nitady fomba hanampiana azy.

4. Taiza no nahazoan’i Apolosy ny fanampiana nilainy, ary ahoana no nahazoany izany?

4 Nila nampianarina i Apolosy, na dia nahay nandaha-teny toy inona aza. Tsy tany amin’ny oniversite no nahazoany izany fanampiana izany, fa avy tamin’ny Kristianina hafa teo anivon’ny fiangonana. Misy hevitra mahasoa hampitaina aminy, mba hahazoany fahalalana marina kokoa momba ny fomba hamonjen’Andriamanitra ny olona. “Nitondra azy niaraka taminy” àry i Prisila sy Akoila, “ary nohazavain’izy ireo marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.”

5. Inona no azonao lazaina momba ny finoan’i Prisila sy Akoila?

5 Niorina tsara sy natanjaka tamin’ny finoana i Prisila sy Akoila. Tsy isalasalana fa ‘vonona foana izy ireo hilaza ny fiarovan-tenany teo anatrehan’izay nanontany ny anton’ny fanantenany’, na mpanankarena izany, na mahantra, na manam-pahaizana, na andevo. (1 Petera 3:15) Nahay ‘nanazava ny tenin’ny fahamarinana tamin’ny fomba marina tsara’ i Akoila mivady. (2 Timoty 2:15) Azo inoana fa nazoto nianatra ny Soratra Masina izy ireo. Nisy vokany lalina teo amin’i Apolosy ilay fampianarana niorina tamin’ny ‘tenin’Andriamanitra, izay velona sy mahery’, ary manohina ny fo.​—Hebreo 4:12.

6. Ahoana no ahafantarantsika fa nankasitraka ny fanampiana nomena azy i Apolosy?

6 Nankasitraka ny ohatra navelan’ireo mpampianatra azy i Apolosy, ary vao mainka nihanahay nanao mpianatra. Nampiasa tsara ny fahalalany izy, rehefa nanambara ny vaovao tsara, indrindra fa tamin’ny Jiosy. Niavaka mihitsy koa ny fahaizany nandresy lahatra ny Jiosy mba hino an’i Kristy. “Nahery tamin’ny Soratra Masina” izy, ka afaka nanaporofo fa niandry ny hahatongavan’i Kristy ny mpaminany rehetra fahiny. (Asan’ny Apostoly 18:24, Fandikan-teny Protestanta) Voalazan’ilay fitantarana koa fa nankany Akaia i Apolosy taorian’izay. Tany izy dia “tena nanampy an’izay tonga mpino noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra. Fa tamin-kery no nanaporofoany mazava ampahibemaso fa diso ny Jiosy, rehefa nasehony tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa i Jesosy no Kristy.”​—Asan’ny Apostoly 18:27, 28.

Mianara amin’ny mpampianatra hafa

7. Ahoana no nahatonga an’i Akoila sy Prisila ho mpampianatra za-draharaha?

7 Ahoana no nahatonga an’i Akoila sy Prisila ho za-draharaha tamin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra? Nazoto nianatra samirery sy nanatrika fivoriana izy ireo. Azo antoka anefa fa nanampy be dia be azy ireo koa ny fiarahana akaiky tamin’ny apostoly Paoly. Niara-nipetraka tamin’izy mivady nandritra ny herintaona sy tapany tany Korinto i Paoly. Nanao lay no anton’asan’izy telo mianadahy. (Asan’ny Apostoly 18:2, 3) Tsy maintsy ho nanao resaka lalina momba ny Soratra Masina izy ireo. Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’izy ireo ny fifaneraserany tamin’i Paoly! “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry”, hoy ny Ohabolana 13:20. Nisy vokany tsara teo amin’ny fahazaran’izy mivady nanao zavatra ara-panahy ny fiarahany tamin’ny namana tsara.​—1 Korintianina 15:33.

8. Inona no nianaran’i Prisila sy Akoila, rehefa nandinika an’i Paoly nanao fanompoana izy ireo?

8 Rehefa nandinika an’i Paoly nitory ilay Fanjakana i Prisila sy Akoila, dia nahita fa mpampianatra fakan-tahaka izy. Voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa ‘nandaha-teny tao amin’ny synagoga [tany Korinto] isan-tsabata’ i Paoly, “sady nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika.” Rehefa niaraka taminy i Silasy sy Timoty tatỳ aoriana, dia ‘nifantoka tanteraka tamin’ny fitorian-teny izy, ka nanaporofo tamin’ny Jiosy fa i Jesosy no Kristy.’ Tsikaritr’i Prisila sy Akoila fa rehefa hita hoe tsy liana ny olona tao amin’ilay synagoga, dia lasa i Paoly nitory tany amin’ny toerana nisy olona vonona kokoa ny hihaino azy, tao amin’ilay trano nifanila tamin’ilay synagoga. Afaka nanampy an’i Krispo, “mpitantana an’ilay synagoga”, ho tonga mpianatra izy tao. Azo inoana fa voamarik’i Prisila sy Akoila hoe nisy vokany tsara be dia be teo amin’ilay faritany ny nahatongavan’i Krispo ho mpianatra. Voalazan’ilay fitantarana hoe: “Nanjary nino ny Tompo . . . i Krispo, . . . mbamin’ny ankohonany rehetra. Ary tonga mpino ny ankamaroan’ny Korintianina izay nandre, ka natao batisa.”​—Asan’ny Apostoly 18:4-8.

9. Inona no nataon’i Prisila sy Akoila, rehefa nahita ny ohatra navelan’i Paoly izy ireo?

9 Nanaraka ny ohatra navelan’i Paoly teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha koa ny mpitory hafa. Nampirisika ny Kristianina hafa io apostoly io hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintianina 11:1) Nanahaka azy i Prisila sy Akoila, ka nanampy an’i Apolosy hahazo tsara kokoa ny fampianarana kristianina. I Apolosy indray kosa nanampy olon-kafa. Tsy isalasalana fa nanao mpianatra tany Roma sy Korinto ary Efesosy i Prisila sy Akoila.​—Asan’ny Apostoly 18:1, 2, 18, 19; Romanina 16:3-5.

10. Inona no nianaranao avy tamin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-18, ka hanampy anao hanao mpianatra?

10 Inona no ianarantsika avy tamin’ny fandinihana ny Asan’ny Apostoly toko faha-18? Azo inoana fa niana-javatra tamin’i Paoly i Akoila sy Prisila. Afaka manatsara ny fahaizantsika mampianatra koa àry isika, rehefa manahaka ny olona mahay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Afaka miaraka amin’ny olona izay ‘mifantoka tanteraka amin’ny fitorian-teny’ isika. (Asan’ny Apostoly 18:5) Azontsika dinihina ny fomba fandreseny lahatra ny olona ampianariny, mba hanohinana ny fon’izy ireo. Hanampy antsika hanao mpianatra ny fahaizana manao izany. Azontsika ampirisihina ny olona ampianarintsika Baiboly, mba hanasa ny mpianakaviny na ny mpifanila trano aminy hiara-mianatra amintsika koa. Na azontsika anontaniana izy, raha mahalala olona mety hianatra Baiboly.​—Asan’ny Apostoly 18:6-8.

Mitadiava fomba hanaovana mpianatra

11. Aiza avy no ahitana mpianatra vaovao?

11 Nitady fomba hanaovana mpianatra i Paoly sy ny Kristianina hafa, ka nitory isan-trano, teny an-tsena, nandritra ny dia nataony, ary azo lazaina hoe hatraiza hatraiza mihitsy. Azo inoana fa mazoto mitory ilay Fanjakana ianao, ary miezaka hanao mpianatra. Koa moa ve ianao afaka manitatra ny fanompoanao? Misy fomba azonao hararaotina ve, mba hitadiavana ny olona mendrika sy hitoriana aminy? Ahoana avy no fomba nahitan’ny mpitory sasany mpianatra? Ny fitoriana an-telefaonina aloha no hodinihintsika.

12-14. Tantarao ny zavatra hitanao na ny ohatra omena eo amin’ny fehintsoratra, mba hampisehoana fa ahitam-bokatra ny fitoriana an-telefaonina.

12 Rehefa nitory isan-trano tany Brezila ny Kristianina iray hantsointsika hoe Maria, dia nomeny taratasy mivalona ny tovovavy iray nivoaka ny trano. Ny lohatenin’ilay taratasy mivalona no nataon’i Maria fampidiran-dresaka, ka nanontany izy hoe: “Tianao ve ny hahafantatra tsara ny Baiboly?” Namaly ilay tovovavy hoe: “Tena tiako izany, nefa izao no olana: Mpampianatra aho, ary lany amin’ny fampianarana ny fotoanako rehetra.” Nohazavain’i Maria fa afaka mandinika foto-kevitra ara-baiboly amin’ny telefaonina izy ireo. Nomen’ilay tovovavy azy àry ny nomeraony. Ny harivan’iny ihany, dia nanomboka nampianatra azy tamin’ny telefaonina i Maria, ary nampiasa ilay bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? *

13 Nitory an-telefaonina tamin’ny rangahy iray ny mpitory manontolo andro iray any Etiopia. Taitra izy rehefa nandre tabataba teo am-piresahana taminy. Nasain’ilay rangahy niverina niantso izy. Rehefa niantso indray izy tatỳ aoriana, dia niala tsiny ilay rangahy, ary nilaza fa nifamaly mafy izy mivady, tamin’ilay anabavy niantso voalohany. Nanararaotra izany teniny izany ilay anabavy, ka nanasongadina ny tari-dalana feno fahendrena omen’ny Baiboly, mba handaminana ny olana ao an-tokantrano. Nolazainy taminy fa nanampy fianakaviana maro ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Nanaterana an’io boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io ilay rangahy, ary niantso azy indray ilay anabavy, andro vitsivitsy taorian’izay. Nilaza izy tamin’izay hoe: “Nanavotra ny tokantranonay ilay boky!” Novoriny mihitsy ny fianakaviany mba hampitany izay hevitra tsara hitany tao amin’ilay boky. Nanomboka nianatra Baiboly izy, ary tsy ela dia nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina.

14 Nanomboka fampianarana Baiboly koa ny anabavy iray any Danemark, rehefa nitory an-telefaonina. Hoy izy: “Nampirisihin’ny mpiandraikitra ny fanompoana hitory an-telefaonina aho. Nisalasala aho tamin’ny voalohany, ary nilaza hoe: ‘Tsy azoazoko loatra io fomba fitoriana io.’ Nisikina herim-po anefa aho indray andro, ary nanomboka niantso olona tamin’ny telefaonina. Ramatoa atao hoe Sonja no namaly. Nanaiky handray boky ara-baiboly izy, rehefa avy niresaka vetivety izahay. Niresaka momba ny famoronana izahay indray hariva, ary nilaza izy fa naniry hamaky ilay boky hoe Ny Fiainana​Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay). * Nolazaiko taminy fa tena tsara raha mihaona izahay mba hiresaka momba izany. Nanaiky i Sonja, ary efa vonona hianatra izy, rehefa tonga tany aminy aho. Nianatra isan-kerinandro izahay nanomboka tamin’izay.” Farany, dia hoy io anabavintsika kristianina io: “Efa aman-taonany aho no nivavaka mba hahazo fampianarana Baiboly, nefa tsy nampoiziko mihitsy hoe ny fitoriana an-telefaonina no hahazoako izany.”

15, 16. Inona no azonao tantaraina, mba hampisehoana fa mila mailaka isika mitady fomba hanombohana fampianarana Baiboly?

15 Maro no mahita vokatra, satria nanaraka ilay torohevitra mba hitory amin’ny olona na aiza na aiza misy azy. Nanajanona ny fiarany teo akaikin’ny kamiao iray tao amin’ny parking ny vehivavy kristianina iray tany Etazonia. Rehefa hitan’ilay ramatoa tao anaty kamiao izy, dia nohazavainy taminy ny asa fampianarana Baiboly ataontsika. Nihaino ilay ramatoa, ary nivoaka avy tao anatin’ilay kamiao, ka nanatona ny fiaran’ilay anabavy. Hoy izy: “Tena faly aho fa nijanona hiresaka amiko ianao. Efa ela be aho no tsy nahazo ny bokinareo intsony, sady te hianatra Baiboly indray aho. Afaka hampianatra ahy ve ianao?” Hitantsika avy amin’izany fa nataon’ilay anabavy izay hahafahany hampita ny vaovao tsara.

16 Izao no zava-nitranga rehefa nitsidika trano fitaizana ny be antitra ny anabavy iray any Etazonia: Nanatona ny iray tamin’ny mpiandraikitra ireny trano ireny izy indray mandeha, ary nilaza taminy fa maniry hitondra fanampiana ara-panahy ho an’ny olona karakaraina ao. Nambarany koa fa ho faly hampianatra Baiboly maimaim-poana isan-kerinandro izy, raha misy maniry izany. Navelan’ilay mpiandraikitra hitsidika efitrano maromaro izy. Tsy ela dia nisy olona 26 nampianariny Baiboly intelo isan-kerinandro tao. Manatrika fivoriana tsy tapaka ny iray amin’izy ireo.

17. Inona matetika no fomba hafa ahafahana manomboka fampianarana Baiboly?

17 Ny mpitory sasany indray mahita vokatra tsara, rehefa manolotra fampianarana Baiboly avy hatrany. Nanao ezaka manokana ny fiangonana misy mpitory 105 indray maraina, ka nasainy hianatra Baiboly ny olona tsirairay niresahany. Mpitory 86 no nandray anjara, ary fampianarana Baiboly 15, fara fahakeliny, no natomboka rehefa avy nitory adiny roa izy ireo.

Tadiavo hatrany ireo olona mendrika

18, 19. Inona no baiko lehibe nomen’i Jesosy ka tokony hotadidintsika, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika mba hahavitana izany?

18 Amin’ny maha mpitory ilay Fanjakana anao, dia tsara raha handramanao ny hevitra nomena tato amin’ity lahatsoratra ity. Mazava ho azy fa tokony hampifanarahina amin’izay fanao eo an-toerana ny fomba fitoriana. Tena tokony hotadidintsika koa ilay baikon’i Jesosy hoe: Tadiavo ireo olona mendrika, ary ampio izy ireny ho tonga mpianatra.​—Matio 10:11; 28:19.

19 Mba hahavitana izany, dia enga anie isika ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ Afaka manao izany isika, rehefa miezaka handresy lahatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Hanohina ny fon’ny olona vonon-kandray izany, ary hanosika azy ireo hanao zavatra. Afaka manampy ny olona sasany ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy isika, raha mivavaka sy miantehitra amin’i Jehovah. Asa tena mahafa-po mihitsy izany! Koa aoka àry isika ‘hanao izay rehetra azo atao mba hiseho eo anatrehan’i Jehovah ho olona ankasitrahana’, ary hanome voninahitra azy foana, ka hazoto hitory ilay Fanjakana mba hanaovana mpianatra.​—2 Timoty 2:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no nilaina nohazavaina marina kokoa tamin’i Apolosy ny lalan’Andriamanitra?

• Inona avy no zavatra nianaran’i Prisila sy Akoila tamin’ny apostoly Paoly?

• Inona no nianaranao momba ny fanaovana mpianatra, rehefa nandinika ny Asan’ny Apostoly toko faha-18 ianao?

• Inona no azonao atao mba hahafahanao hanao mpianatra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

‘Nohazavain’i Prisila sy Akoila marina kokoa [tamin’i Apolosy] ny lalan’Andriamanitra’

[Sary, pejy 20]

Nihanahay nanao mpianatra i Apolosy

[Sary, pejy 21]

Nitory foana i Paoly na taiza na taiza nalehany

[Sary, pejy 23]

Mitadiava fomba hitoriana