Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Azo Inoana ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany

Tena Azo Inoana ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany

Tena Azo Inoana ny Hisian’ny Paradisa eto An-tany

HATRAMIN’IZAY dia maro ny olona no mino fa handao ny tany izy ireo, ary hiakatra ho any an-danitra. Misy mieritreritra fa tsy fikasan’ny Mpamorona mihitsy ny honenantsika maharitra eto an-tany. Mihevitra mihitsy aza ny sasany fa ratsy ny tany sy izay rehetra azo tsapain-tanana, satria misakana ny olona tsy hihavana amin’Andriamanitra.

Tsy mahalala izay lazain’Andriamanitra momba ny paradisa an-tany ny olona mihevitra toy izany, na minia tsy miraharaha izay lazainy. Maro ankehitriny no tsy maniry handinika izay nampanoratin’Andriamanitra momba izany ao amin’ny Teniny, na ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy fahendrena anefa ve ny mitoky amin’ny Tenin’Andriamanitra, toy izay amin’ny hevitr’olombelona? (Romanina 3:4) Tena mila manao izany isika, satria mampitandrina ny Baiboly fa manajamba ny olona sy “mamitaka ny tany rehetra misy mponina”, ny zavaboary iray ratsy fanahy sy tena mahery, nefa tsy hita maso.​—Apokalypsy 12:9; 2 Korintianina 4:4.

Nahoana no misy ny fisafotofotoana?

Mampisafotofoto ny sain’ny olona ireo hevitra mifanohitra momba ny fiainana sy ny fahafatesana, hany ka tsy azony tsara ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Maro no mino fa manana fanahy tsy mety maty isika, izany hoe misy zavatra misaraka amin’ny vatana, ary mbola miaina aorian’ny fahafatesana. Misy mino fa efa nisy ny fanahy talohan’ny namoronana ny vatan’olombelona. Araka ny boky iray, dia nihevitra ilay filozofa grika antsoina hoe Platon fa “nanota” io tapany tsy hita maso amin’ny olona io “fony tany an-danitra, ka nogadraina tao amin’ny vatana mba hanasaziana azy.” Izany koa no hevitr’i Origène, teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo. Nilaza izy fa nanota ilay tapany tsy hita maso tamin’ny olona, fony tany an-danitra sy talohan’ny nanakambanana azy tamin’ny vatana iray. Nogadraina tao amin’io vatana io tetỳ an-tany, hono, izy io mba hanasaziana azy. An-tapitrisa koa no mino fa karazana toeram-pitsapana fotsiny ny tany, alohan’ny hankanesana any an-danitra.

Misy hevitra maro samihafa koa momba izay mitranga rehefa maty ny olona. Nino, ohatra, ny Ejipsianina fa “midina any amin’ny tontolon’ireo maty ny olona aorian’ny fahafatesana”, araka ilay boky hoe Tantaran’ny Filozofian’ny Tany Tandrefana (anglisy). Nilaza kosa ireo filozofa tatỳ aoriana fa miakatra any amin’ny faritra tsy hita maso ny maty, fa tsy midina any amin’ny tontolo maizimaizina misy ireo maty akory. Ilay filozofa grika atao hoe Socrate indray, hono, nino fa “mankany amin’ny faritra tsy hita maso” ny olona rehefa maty, “ary lasa miara-miaina amin’ireo andriamanitra.”

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy milaza mihitsy ny Tenin’Andriamanitra hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Vakio ange ny Genesisy 2:7 e! Izao no voalaza ao: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.” Mazava sy mora azo izany. Rehefa namorona an’ilay olombelona voalohany atao hoe Adama Andriamanitra, dia tsy nametraka zavatra tsy hita maso tao amin’ny vatany, ka hoe mbola hiaina izy ireo aorian’ny fahafatesan’i Adama.

Tsy fikasan’i Jehovah mihitsy ny hahafatesan’ny olombelona, fony izy namorona azy ireo sy ny tany. Ny hiainan’izy ireo mandrakizay tao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa no fikasany. Noho i Adama tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra fotsiny no nahafaty azy. (Genesisy 2:8, 15-17; 3:1-6; Isaia 45:18) Nankany amin’ny faritra tsy hita maso ve izy rehefa maty? Tsia! Niverina ho amin’ny vovoka, izay namoronana azy, i Adama.​—Genesisy 3:17-19.

Samy nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama razambentsika isika rehetra. (Romanina 5:12) Tsy misy intsony isika rehefa maty, toa an’i Adama ihany. (Salamo 146:3, 4) Raha ny marina, dia tsy milaza mihitsy ireo boky 66 mahaforona ny Baiboly, fa misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olombelona, ka mbola velona aorian’ny fahafatesana. Milaza mazava kosa ny Soratra Masina fa mifarana tanteraka ny fiainan’ny olona rehefa maty izy.​—Mpitoriteny 9:5, 10.

Voatery ho ratsy ve ny zavatra azo tsapain-tanana?

Ahoana ny amin’ilay fiheverana hoe ratsy ny zavatra azo tsapain-tanana, anisan’izany ny tany? Nihevitra toy izany ireo mpanara-dia an’i Mani, izay nanorina antokom-pivavahana iray tany Persia, nandritra ny taonjato fahatelo. Milaza ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) fa “ny fahoriana tsy misaraka amin’ny fiainan’ny olombelona” no nahatonga an’io antokom-pivavahana io hiforona. Nino i Mani fa tsy tokony ho noforonina ho olombelona isika, satria “tsy zakan’ny aina izany ary tena ratsy.” Nihevitra koa izy fa tsy ho afaka izany “fahoriana” izany, raha tsy miala amin’ny vatan’ny olombelona ilay zavatra tsy hita maso ao aminy, ary mandao ny tany ka manohy miaina any amin’ny tontolo ara-panahy.

Ny Baiboly kosa anefa milaza fa “tsara indrindra” ny fahitan’Andriamanitra “izay rehetra nataony”, rehefa namorona ny tany sy ny olombelona izy. (Genesisy 1:31) Tsy voasakantsakana ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Adama sy Eva, toa an’i Jesosy Kristy, izay nifandray akaiky tamin’ny Rainy tany an-danitra, fony izy olombelona lavorary.​—Matio 3:17.

Raha tsy nanota i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia ho nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra, foana izy ireo teto amin’ny tany paradisa. Tao amin’ny Paradisa izy mivady no nanomboka ny fiainany, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: “Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.” (Genesisy 2:8) Tao amin’io saha miendrika paradisa io, i Eva no noforonina. Raha tsy nanota i Adama sy Eva, dia ho faly izy ireo niara-niasa tamin’ny taranany lavorary, mandra-pahatongan’ny tany manontolo ho paradisa. (Genesisy 2:21; 3:23, 24) Ho niaina mandrakizay tao amin’ilay Paradisa an-tany ny olombelona.

Nahoana no misy mankany an-danitra?

Hilaza angamba ianao hoe: ‘Fa angaha moa ny Baiboly tsy milaza fa hisy olona hankany an-danitra?’ Marina izany. Nikasa hanorina Fanjakana any an-danitra i Jehovah, rehefa nanota i Adama, ary “ho mpanjaka hitondra ny tany” miaraka amin’i Jesosy Kristy ny sasany amin’ny taranany. (Apokalypsy 5:10; Romanina 8:17) Hatsangana ho any an-danitra izy ireo, ary tsy ho faty intsony. Miisa 144 000 izy ireo amin’ny fitambarany, ary ny voalohany amin’izany ireo mpianatr’i Jesosy nahatoky tamin’ny taonjato voalohany.​—Lioka 12:32; 1 Korintianina 15:42-44; Apokalypsy 14:1-5.

Tsy fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany anefa ny handaozan’ny olo-marina ny tany, ary hankanesany any an-danitra. Nilaza mantsy i Jesosy fony tetỳ an-tany hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy tany, dia ny Zanak’olona.” (Jaona 3:13) Nanolotra ny “Zanak’olona”, na i Jesosy Kristy ho sorona Andriamanitra mba hahafahan’izay mino azy io hahazo ny fiainana mandrakizay. (Romanina 5:8) Aiza anefa ireo olona maro be ireo no hiaina mandrakizay?

Ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany

Marina fa fikasan’Andriamanitra ny haka olona hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Tsy midika anefa izany fa ho any an-danitra daholo ny olona tsara rehetra. Namorona ny tany mba ho Paradisa honenan’ny olona i Jehovah. Kely sisa dia hotanterahiny izany fikasany tany am-boalohany izany.​—Matio 6:9, 10.

Hanjaka haneran-tany ny fiadanana sy ny fahasambarana, rehefa i Jesosy Kristy sy ny mpiara-manjaka aminy no hitondra. (Salamo 37:9-11) Hatsangana amin’ny maty ireo olona ao anaty fitadidian’Andriamanitra, ary hanana fahasalamana lavorary. (Asan’ny Apostoly 24:15) Homena izay verin’ny ray aman-drenintsika voalohany ny olombelona mpankatò, noho izy ireo nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra. Tsy inona izany fa ny fiainana mandrakizay sy ny fahalavorariana ao amin’ny paradisa an-tany.​—Apokalypsy 21:3, 4.

Tanterahin’i Jehovah Andriamanitra foana izay kasainy hatao. Hoy izy, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana,​—dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”​—Isaia 55:10, 11.

Manome santionany amin’ny fiainana ao amin’ilay Paradisa an-tany ny bokin’Isaia. Tsy hisy amin’ny mponina ao amin’ny Paradisa hilaza hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) Tsy hampidi-doza intsony ny biby. (Isaia 11:6-9) Hanorina trano tsara tarehy hipetrahany ny olona, ary hamboly sy hanaram-po amin’ny sakafo. (Isaia 65:21-25) Hofoanan’Andriamanitra “tsy hisy mandrakizay [koa] ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.”​—Isaia 25:8.

Madiva ho sambatra toy izany ny olombelona mpankatò. ‘Hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana’ izy ireo, “ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romanina 8:21) Tena hahafinaritra mihitsy ny hiaina mandrakizay ao amin’ilay Paradisa an-tany nampanantenaina! (Lioka 23:43) Hiaina ao amin’izy io ianao raha mampihatra ny fahalalana marina tsara avy ao amin’ny Soratra Masina, ary mino an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Tena afaka matoky ianao, fa hisy indray ny paradisa an-tany.

[Sary, pejy 5]

Natao hiaina mandrakizay eto amin’ny tany paradisa i Adama sy Eva

[Sary, pejy 7]

Ao amin’ilay tany Paradisa ny olona, dia . . .

hanorina trano

hamboly voaloboka

hotahin’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./NASA