Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Mahery Tokoa ny Tenin’Andriamanitra!”

“Tena Mahery Tokoa ny Tenin’Andriamanitra!”

“Tena Mahery Tokoa ny Tenin’Andriamanitra!”

“VELONA sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12) Ahitana tantaram-piainana enina, avy any amin’ny tany samy hafa ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2003. Porofoin’izy ireny fa tsy hay tohaina ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Asehon’ilay kalandrie eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fiainana Taloha sy Ankehitriny”, fa tena manampy ny olona ny asa fampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manampy azy ireo izy io hanatsara ny fitondran-tenany, hiala amin’ny fomba fiaina ratsy, hifandray kokoa amin’ny mpianakaviny, ary hanatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

Naharay taratasy fankasitrahana maromaro momba ny kalandrie 2003 izahay. Ireto no santionany:

“Ity kalandrie ity dia manaporofo amin’ny tena Kristianina fa misy olon-kafa toa azy ireo koa miady mafy hiarovana ny finoana. Afaka mijery ireo sary izy ireo, mba hahatsiarovana ny fiovana nataon’ny sasany.”​—Steven, Etazonia.

“Tena te hanoratra ireto teny vitsivitsy ireto aho mba hampahafantarana anareo fa tena nanohina ny foko ny kalandrie 2003. Mbola tsy nisy kalandrie nisy vokany toy izany mihitsy teo amiko. Ho anisan’ireo fitaovana hoentiko anaty kitapo fitondrako mitory io kalandrie misy tantaram-piainana io. Hasehoko amin’ny olona ny ohatra voalaza ao sy ireo porofo mampiaiky fa manan-kery eo amin’ny tsirairay ny Baiboly.”​—Marc, Belzika.

“Tena nanohina be ny foko ilay kalandrie. Nampihetsi-po be ahy ny namaky sy nahita ny fomba nanovan’i Jehovah ny fiainan’ireny olona ireny. Voatosika àry aho hanova hatrany ny fiainako. Izao aho vao tena mahatsapa kokoa ho anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy.”​—Mary, Etazonia.

“Nanohina ny fon’i Jesosy ny nahita fa nila fanampiana ara-panahy ny olona. Misaotra anareo nanahaka ny ohatr’i Kristy, ka namoaka ireo tantaram-piainana ao amin’ny kalandrientsika 2003. Mbola tsy nisy kalandrie nahalatsa-dranomaso ahy toy izany mihitsy hatramin’izay.”​—Cassandra, Etazonia.

“Nanomboka nifoka sigara aho, tamin’izaho 11 taona, ary avy eo dia nampiasa zava-mahadomelina. Matetika aho no nieritreritra ny hamono tena. Nampiana hiala tamin’ireo fahazarana ireo aho, rehefa nanjary nahafantatra an’i Jehovah. Tena sarobidy amiko io kalandrie io. Manatanjaka ahy ny ohatr’ireo anadahiko sy rahavaviko maneran-tany. Fantatro izao fa tsy izaho irery no manao io ady io, ary ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fanompoana azy amin’ny fo manontolo no tena zava-dehibe indrindra.”​—Margaret, Polonina.

“Tena mahery tokoa ny Tenin’Andriamanitra! Nifehy tena mafy aho mba tsy hitomany, rehefa naharay ilay kalandrie 2003. Tena manatanjaka ny finoana ireo fitantarana sy ireo sary.”​—Darlene, Etazonia.

“Tena nitovy tamin’ny fomba fiainako taloha ny an’ireo olona sasany ao amin’ilay kalandrie. Nanome hery ahy i Jehovah mba hialako amin’ireo fahazaran-dratsy izay toa tsy nety resy. Tena misaotra anareo aho noho ireny tantaram-piainana ireny.”​—William, Etazonia.