Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hisy Intsony ny Heloka Bevava

Tsy Hisy Intsony ny Heloka Bevava

Tsy Hisy Intsony ny Heloka Bevava

ALAO sary an-tsaina ange ny tontolo iray tsy misy heloka bevava e! Tsy hila polisy, na tranomaizina, na rafitra ara-pitsarana izay mandany vola be sy manahirana intsony, isika, raha izany no izy. Hanaja ny ain’ny hafa sy ny fananany ny tsirairay ao amin’io tontolo io. Toa tsara loatra ve izany ka tsy mampino? Izany angamba no hevitrao, kanefa izany fiovana mahatalanjona izany indrindra no ampanantenain’ny Baiboly. Nahoana raha mandinika izay lazain’izy io momba ny hoavy, mahakasika ny heloka bevava sy ny faharatsiana eto an-tany?

Izao no vakintsika ao amin’ny bokin’ny Salamo: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy; ary aza mialona ny mpanao meloka; fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:1, 2, 11) Tsy misy tokoa afaka manakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka izany fampanantenany izany sy ireo fampanantenany mampahery rehetra.

Hitondra ireo fitahiana ireo izy amin’ny alalan’ny Fanjakany. Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, ao amin’ilay Vavaka Modely, mba hangataka ny hahatongavan’io Fanjakana io sy mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra “etỳ an-tany . . . tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Hanapaka tsy ho ela io Fanjakana io, ka amin’izay dia tsy hisy intsony olona hanao heloka bevava noho ny fahantrana sy ny fampahoriana, na ny fitiavan-tena. Milaza toy izao kosa ny Tenin’Andriamanitra: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” (Salamo 72:16) Homen’i Jehovah Andriamanitra zava-tsoa tsy mety ritra ny olona rehetra eto an-tany. Ho lalim-paka ao amin’ny olombelona mihitsy aza ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy, ka tsy hanakorontana ity tany ity intsony ny heloka bevava.