Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”

“Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”

“Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”

‘Aoka ny fiadanan’i Kristy hanjaka ao am-ponareo. Ary asehoy fa mahay misaotra ianareo.’​—KOLOSIANINA 3:15.

1. Inona no tsy mampitovy ny fiangonana kristianina sy ny tontolo fehezin’i Satana?

HITA eo anivon’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 94 600 eran-tany, ny fahaiza-mankasitraka. Manomboka sy mifarana amin’ny vavaka misy fisaorana an’i Jehovah ny fivoriana tsirairay. Matetika no re miteny hoe “misaotra”, “tsy misy fisaorana”, na teny mitovitovy amin’izany ny antitra sy ny tanora, ny vaovao sy ny Vavolombelona efa hatry ny ela, rehefa miara-mivory sy miara-mikorana. (Salamo 133:1) Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fitiavan-tena manjaka eo amin’ny olona maro ‘tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mankatò ny vaovao tsara’! (2 Tesalonianina 1:8) Miaina eo anivon’ny tontolo tsy mahay mankasitraka isika. Tsy mahagaga izany, satria i Satana Devoly no andriamanitr’ity tontolo ity. Izy no tena mpampirisika ny olona ho tia tena, ary miavonavona sy mikomy toa azy ny olona hatraiza hatraiza!​—Jaona 8:44; 2 Korintianina 4:4; 1 Jaona 5:19.

2. Inona no fampitandremana tokony harahintsika, ary inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Mila mitandrina isika mba tsy hifindran’ny toe-tsaina ratsin’ny tontolon’i Satana manodidina antsika. Nampahatsiahy ny Kristianina tany Efesosy ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany hoe: ‘Tao amin’izany no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana. Eny, teo amin’ireny no nitondrantsika rehetra tena taloha, araka ny fanirian’ny nofontsika, ka nanaovantsika izay tian’ny nofo sy ny saina. Ary zanaky ny fahatezerana toy ny hafa rehetra isika tamin’izany.’ (Efesianina 2:2, 3) Maro koa no toy izany ankehitriny. Ahoana àry no hahaizantsika mankasitraka foana? Inona no fanampiana omen’i Jehovah antsika? Ahoana no fomba ampisehoantsika fa tena mahay mankasitraka isika?

Nahoana isika no tokony ho velom-pisaorana?

3. Inona avy no antony tokony hisaorantsika an’i Jehovah?

3 I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona sy Mpanome aina antsika, no tena tokony hanehoantsika fankasitrahana, indrindra rehefa heverina ny fanomezana maro nataony ho antsika. (Jakoba 1:17) Misaotra azy isika isan’andro, noho isika mbola velona. (Salamo 36:9) Mahita porofo sesehena ny amin’ny asa tanany isika manodidina antsika, toy ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Misy mineraly be dia be miantoka ny aina, ao anaty tany. Ao koa ny atmosfera izay voaforona gaza tena ilaina sy amin’ny fetra antonony tsara, ary ireo tsingerina samihafa eo amin’ny natiora. Porofoin’izany rehetra izany fa tena tokony hankasitraka an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika. Nihira i Davida Mpanjaka hoe: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô​—tsy misy azo ampitahaina aminao—​raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.”​—Salamo 40:5.

4. Nahoana isika no tokony hisaotra an’i Jehovah noho ny fifaliana hitantsika eo anivon’ny fiangonana?

4 Mankafy paradisa ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, na dia tsy miaina ao amin’ny paradisa ara-bakiteny aza. Maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ireo mpiray finoana amintsika, any amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ireo fivoriambe. Miresaka momba izay voalazan’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatianina ny Vavolombelona sasany, rehefa mitory amin’ny olona tsy mpivavaka na zara raha mivavaka. Misarika ny sain’ny olona itoriany ho amin’ny “asan’ny nofo” aloha izy ireo, ary avy eo manontany azy ny zavatra hitany. (Galatianina 5:19-23) Manaiky ny ankamaroany fa fahita eo amin’ny fiaraha-monina ireo “asan’ny nofo” ireo. Rehefa aseho azy ny atao hoe vokatry ny fanahin’Andriamanitra, ary asaina ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izy hahita maso ny fanehoana an’ireo toetra ireo, dia maro no miaiky avy hatrany hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.” (1 Korintianina 14:25) Ary tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana eo amin’ny misy anao ihany no ahitana izany. Na aiza na aiza alehanao, ka mifanena amin’ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny enina tapitrisa ianao, dia ho hitanao fa falifaly koa izy rehetra. Tena mendrika ny hisaorana tokoa àry i Jehovah noho izy manome ny fanahiny, ka mahatonga izany fifaneraserana mampahery izany.​—Zefania 3:9; Efesianina 3:20, 21.

5, 6. Ahoana no anehoantsika fankasitrahana an’ilay fanomezana lehibe indrindra nataon’Andriamanitra, dia ny vidim-panavotana?

5 I Jesosy Zanany no fanomezana lehibe indrindra sy tonga lafatra indrindra nataon’i Jehovah. Nomeny ho sorom-panavotana ho antsika izy. Hoy ny apostoly Jaona: “Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia kosa isika.” (1 Jaona 4:11) Asehontsika fa mankasitraka ilay vidim-panavotana isika rehefa tia sy mankasitraka an’i Jehovah, ary tia ny olon-kafa koa.​—Matio 22:37-39.

6 Mampianatra antsika bebe kokoa haneho fankasitrahana, ny fandinihana ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely fahiny. Nampianariny zavatra maro ny vahoakany, rehefa nanome azy ireo ny Lalàna, tamin’ny alalan’i Mosesy izy. Afaka mianatra zavatra betsaka isika rehefa mandinika ny “rafitry ny fahalalana sy ny fahamarinana ao amin’ny Lalàna.” Hanampy antsika izany hanaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Asehoy fa mahay misaotra ianareo.”​—Romanina 2:20; Kolosianina 3:15.

Lesona telo avy amin’ny Lalàn’i Mosesy

7. Asehoy fa nanampy ny Israelita haneho ny fankasitrahany an’i Jehovah ny ampahafolon-karena.

7 Nisy fomba telo nasain’i Jehovah narahin’ny Israelita tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, mba hampisehoana fa tena mankasitraka ny hatsaram-pony izy ireo. Voalohany, ny ampahafolon-karena. Ho “masina ho an’i Jehovah” ny ampahafolon’ny vokatry ny tany, sy ny “ampahafolon’ny omby, na ny ondry, na ny osy.” (Levitikosy 27:30-32) Nahazo fitahiana be dia be avy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa nankatò azy. “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.”​—Malakia 3:10.

8. Inona no tsy nampitovy ny ampahafolon-karena sy ny fanomezana an-tsitrapo?

8 Faharoa, nasain’i Jehovah nanao fanomezana an-tsitrapo koa ny Israelita, ankoatra ny ampahafolon-karena. Nandidy an’i Mosesy izy hilaza tamin’izy ireo hoe: “Raha tonga any amin’ny tany izay itondrako anareo hianareo ka hihinana mofo avy amin’ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’i Jehovah.” Hatramin’ny taranaka fara mandimby, dia tokony ‘hanomezany ho an’i Jehovah ny voalohan’ny kobany voafetafeta.’ Mariho fa tsy nisy fatrany voafaritra tsara notakina taminy. (Nomery 15:18-21) Azo antoka anefa fa notahin’i Jehovah ireo Israelita, rehefa nanao fanomezana ho fisaorana azy. Nisy fandaharana toy izany koa tao amin’ny tempoly voaresaka ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Izao no vakintsika: “Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.”​—Ezekiela 44:30.

9. Inona no nampianarin’i Jehovah, rehefa nanome toromarika momba ny fanangonam-bokatra izy?

9 Fahatelo, nanome toromarika momba ny fanangonam-bokatra koa i Jehovah. Hoy izy: “Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo hianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao. Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ny sahanao; fa avelao ho an’ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Levitikosy 19:9, 10) Tsy voafaritra indray koa eto ny habetsahan’ny vokatra tokony havela ho an’ny mahantra. Anjaran’ny Israelita tsirairay ny nanapa-kevitra ny amin’izany. Nanazava tsara izany toy izao i Solomona, mpanjaka hendry: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17) Nampianatra azy ireo hangoraka sy hihevitra ny sahirana ara-pivelomana àry i Jehovah.

10. Inona no nanjo ny Israelita rehefa tsy nahay nankasitraka izy ireo?

10 Notahin’i Jehovah ny Israelita rehefa nankatò azy, ka nanome ny ampahafolon-karena, sy nanao fanomezana an-tsitrapo, ary nanampy ny mahantra. Tsy nahazo sitraka taminy intsony anefa izy ireo, rehefa tsy nahay nankasitraka. Nitera-doza ho azy ireo izany, ary natao sesitany izy tamin’ny farany. (2 Tantara 36:17-21) Inona àry no ianarantsika avy amin’izany?

Ny fomba anehoantsika fankasitrahana

11. Inona no fomba lehibe indrindra azontsika anehoana fankasitrahana an’i Jehovah?

11 Ny fanaovana “fanatitra” koa no fomba lehibe indrindra iderantsika an’i Jehovah sy anehoantsika fankasitrahana. Marina fa tsy didiana hanao fanatitra biby na vokatra isika Kristianina, satria tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony. (Kolosianina 2:14) Nampirisika ny Kristianina hebreo anefa ny apostoly Paoly hoe: “Aoka foana isika hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra . . ., dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.” (Hebreo 13:15) Manolotra fisaorana vokatry ny fo ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, rehefa mampiasa ny fahaizantsika sy ny fananantsika mba hanaovana sorona fiderana ho azy, eny amin’ny fanompoana sy eo anivon’ny ‘fiangonana’ kristianina. (Salamo 26:12) Inona àry no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nampisehoan’ny Israelita ny fankasitrahany an’i Jehovah?

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny fitakiana ny ampahafolon-karena, raha ny mahakasika ny andraikitsika kristianina?

12 Voalohany indrindra aloha, araka ny efa hitantsika teo, dia tsy hoe afaka nifidy ny hanome na tsy hanome ny ampahafolon-karena ny Israelita. Adidin’ny tsirairay izany. Andraikitsika Kristianina koa ny manao fanompoana sy manatrika fivoriana kristianina. Tsy afaka mifidy isika hoe hanao izany na tsia. Hoy i Jesosy rehefa naminany momba ny andro farany: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14; 28:19, 20) Raha mahakasika ny fivoriana indray, dia izao no nampanoratin’Andriamanitra ny apostoly Paoly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa mainka satria hitanareo fa manakaiky ny andro.’ (Hebreo 10:24, 25) Asehontsika amin’i Jehovah fa mahay mankasitraka isika, rehefa faly miantsoroka ny andraikitsika hitory sy hampianatra, ary hiara-mivory tsy tapaka amin’ireo rahalahintsika. Mihevitra izany ho tombontsoa sy voninahitra isika.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny fanaovana fanomezana an-tsitrapo sy ny fanangonam-bokatra?

13 Mahasoa antsika koa ny mandinika ny fomba roa hafa nanehoan’ny Israelita ny fankasitrahany, dia ny fanomezana an-tsitrapo sy ny fanangonam-bokatra. Tsy voafaritra tsara toy ny ampahafolon-karena, ny habetsahan’ny fanomezana an-tsitrapo sy ny fanangonam-bokatra. Ny halalin’ny fankasitrahana tsapan’ilay mpanompon’i Jehovah kosa no nanosika azy hanao zavatra. Takatsika koa fa andraikitra lehibe tokony hefain’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay ny mandeha manompo sy manatrika ny fivoriana kristianina. Manao izany amin’ny fo manontolo sy an-tsitrapo anefa ve isika? Moa ve isika mihevitra azy ireny ho toy ny fomba anehoana fankasitrahana izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika? Mazoto mandray anjara amin’izy ireo ve isika, arakaraka ny toe-javatra misy antsika? Sa mihevitra izany ho adidy tsy maintsy efaina fotsiny? Mazava ho azy fa isika tsirairay no tsy maintsy mamaly ireo fanontaniana ireo. Nilaza izany toy izao ny apostoly Paoly: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’​—Galatianina 6:4.

14. Fanompoana manao ahoana no takin’i Jehovah amintsika?

14 Mahafantatra tsara ny toe-javatra misy antsika i Jehovah Andriamanitra. Fantany ny fetran’ny mety ho vitantsika. Sarobidy aminy ny fanatitra atolotry ny mpanompony an-tsitrapo, na kely izany na lehibe. Tsy manantena izy hoe hitovy ny habetsahan’ny fanomezana hataontsika, sady tsy vitantsika koa izany. Rehefa niresaka momba ny fanomezana ny apostoly Paoly, dia hoy izy tamin’ny Kristianina tany Korinto: “Raha misy aloha ny fahavononana, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.” (2 Korintianina 8:12) Mihatra amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah Andriamanitra koa io toro lalana io. Tsy ny habetsahan’ny fanompoantsika azy no mamaritra raha ekeny izy io na tsia, fa ny fomba anaovantsika azy: amim-pifaliana sy amin’ny fo manontolo.​—Salamo 100:1-5; Kolosianina 3:23.

Miezaha foana hanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana

15, 16. a) Inona no ifandraisan’ny asan’ny mpisava lalana sy ny fankasitrahana? b) Ahoana no anehoan’ny olona ny toe-tsain’ny mpisava lalana, na dia tsy afaka manao izany aza izy?

15 Fomba iray hafa ampisehoana amin’i Jehovah ny fankasitrahantsika ny fanaovana ny fanompoana manontolo andro, ary tena mahafa-po izany. Maro ny mpanompony vita fanoloran-tena no nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany, mba hanompoana azy bebe kokoa. Nanao izany izy ireo, satria tia an’i Jehovah ary mankasitraka ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Misy, ohatra, afaka manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra, izany hoe manokana 70 ora isam-bolana eo ho eo mba hitoriana ny vaovao tsara sy hampianarana ny fahamarinana. Mety ho voafetra ny vitan’ny hafa, ka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy ireo indraindray, izany hoe manokana 50 ora isam-bolana mba hitoriana.

16 Ahoana kosa anefa ny amin’ireo mpanompon’i Jehovah maro be, izay tsy afaka ny ho mpisava lalana maharitra na mpanampy? Afaka mampiseho ny fankasitrahany izy ireo, rehefa miezaka foana hanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana. Amin’ny fomba ahoana? Azony atao ny mampahery izay afaka ny ho mpisava lalana, na mampirisika ny zanany hanao ny fanompoana manontolo andro, na mazoto mitory araka izay azony atao. Miankina betsaka amin’ny halalin’ny fankasitrahantsika an’izay nataon’i Jehovah, sy ataony, ary mbola hataony ho antsika, ny fanompoana ataontsika.

Mampiseho ny fankasitrahantsika amin’ny ‘fananantsika’

17, 18. a) Ahoana no azontsika ampiasana ny ‘fananantsika’, mba hanehoana fankasitrahana? b) Inona no nolazain’i Jesosy mahakasika ny fanomezan’ilay mpitondratena, ary nahoana?

17 Hoy ny Ohabolana 3:9: “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.” Tsy takina amin’ny mpanompon’i Jehovah intsony ny ampahafolon-karena. Nanoratra ho an’ny fiangonana tany Korinto kosa i Paoly hoe: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Asehontsika fa mahay mankasitraka koa isika rehefa manao fanomezana an-tsitrapo, mba hanohanana ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany. Manosika antsika hanao izany tsy tapaka ny fankasitrahana avy amin’ny fo. Azontsika atao, ohatra, ny manokana vola ho amin’izany isan-kerinandro, toy ny nataon’ny Kristianina voalohany.​—1 Korintianina 16:1, 2.

18 Tsy ny habetsahan’izay omentsika no ahitana taratry ny fankasitrahantsika an’i Jehovah, fa ny toe-tsaintsika. Voamarik’i Jesosy izany rehefa nandinika ny olona nandatsaka ny fanomezany tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly izy. Rehefa nahita vehivavy mpitondratena nahantra nandatsaka “vola madinika roa faran’izay kely vidy” izy, dia nilaza hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena io no nandatsaka betsaka kokoa noho izy rehetra na dia mahantra aza. Fa izy rehetra nandatsaka fanomezana avy tamin’ny ambim-bavany, fa izy kosa, na mahantra aza, dia nandatsaka ny fivelomany rehetra.”​—Lioka 21:1-4.

19. Nahoana no tsara ny mandinika indray ny fomba anehoantsika fankasitrahana?

19 Enga anie ity fianarana ity hanosika antsika handinika indray ny fomba anehoantsika fankasitrahana. Mety ho azontsika ampitomboina ve ny sorona fiderana omentsika an’i Jehovah, sy ny fanohanantsika ara-bola ny asa maneran-tany? Afaka matoky isika fa ho faly i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana sy malala-tanana, rehefa maneho fankasitrahana araka izay azontsika atao isika.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony ho velom-pisaorana an’i Jehovah?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny ampahafolon-karena, sy ny fanomezana an-tsitrapo, ary ny fanangonam-bokatra?

• Ahoana no hananantsika ny toe-tsain’ny mpisava lalana?

• Ahoana no azontsika ampiasana ny ‘fananantsika’ mba hisaorana an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

“Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra”

[Sary, pejy 16]

Inona no zavatra telo nianarantsika avy tamin’ny Lalàna, hitantsika eto?

[Sary, pejy 18]

Inona no fanatitra azontsika atao?