Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no dikan’ilay hoe lasa “moana” i Ezekiela, nandritra ny fahirano sy ny fandravana an’i Jerosalema?

Midika izany, raha ny marina, fa tsy nanana teny holazaina izy, afa-tsy ny hafatra ara-paminaniana avy tamin’i Jehovah, izay efa nampitainy.

Nanomboka ny asany tamin’ny naha mpitily ho an’ny Israelita babo tany Babylona i Ezekiela mpaminany, tamin’ny “taona fahadimy taorian’ny namaboana an’i Joiakina mpanjaka”, izany hoe, tamin’ny 613 Talohan’i Kristy (T.K.). (Ezekiela 1:2, 3) Nampahafantarina an’i Ezekiela, tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ny fanombohan’ny fahirano nataon’ny Babylonianina tamin’i Jerosalema, tamin’ny 609 T.K., tamin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafolo, araka ny fihodinan’ny volana. (Ezekiela 24:1, 2) Inona no ho vokatr’ilay fahirano? Ho afaka amin’izany ve i Jerosalema sy ireo mponiny tsy nanam-pinoana? Efa nampitain’i Ezekiela, tamin’ny naha mpitily azy, ny hafatra momba ilay loza avy tamin’i Jehovah, ka tsy nila nilaza teny hafa intsony izy, mba hahatonga ilay hafatra hampiaiky kokoa ny olona. Lasa moana àry i Ezekiela, ka tsy nilaza teny hafa momba ilay fahirano nanjo an’i Jerosalema intsony.​—Ezekiela 24:25-27.

Enim-bolana teo ho eo taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, tanàna masina, tamin’ny 607 T.K., dia nisy olona afa-nandositra nitondra vaovao ho an’i Ezekiela tany Babylona. Nosokafan’i Jehovah ny vavan’i Ezekiela ny hariva talohan’ny nahatongavan’io olona io, ka “tsy moana intsony [izy].” (Ezekiela 33:22)

Moana ara-bakiteny ve i Ezekiela nandritra izany fotoana izany? Tsia, satria naminany izy na dia nandritra ny naha “moana” azy aza. Ireo tany manodidina, izay nifaly tamin’ny fianjeran’i Jerosalema, no tena nifantohan’ny faminaniany. (Ezekiela toko 25-32) Hoy i Jehovah tamin’i Ezekiela, tany am-piandohan’ny asany tamin’ny naha mpaminany sy mpitily azy: “Hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana hianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy. Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao.” (Ezekiela 3:26, 27) Moana, na tsy niteny tamin’ny Israely, i Ezekiela, rehefa tsy nisy hafatra ho an’io firenena io avy tamin’i Jehovah. Izay nasain’i Jehovah nolazain’i Ezekiela ihany no nolazainy, tamin’ny fotoana notondroin’i Jehovah anaovana izany. Ny hoe lasa moana àry i Ezekiela, dia midika hoe tsy nilaza faminaniana ho an’ny Israelita intsony izy.

Efa nampitandrina ny amin’ny loza hanjo ny Kristianisma Anarana, izay mifanitsy amin’i Jerosalema fahiny koa, ny mpitily ankehitriny. Hamely sy handrava an’i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso rehetra, ny “fahoriana lehibe.” Tsy hilaza na inona na inona intsony momba ny Kristianisma Anarana, izay tapany lehibe amin’i Babylona Lehibe, ireo voahosotra mifanitsy amin’i Ezekiela.​—Matio 24:21; Apokalypsy 17:1, 2, 5.

Ho avy tokoa ny andro izay hahamoana ny sisa voahosotra sy ny namany, ka tsy hisy teny holazainy amin’ny Kristianisma Anarana intsony. Hiseho izany, rehefa handroba sy hampitanjaka an’i Babylona Lehibe ny “tandroka folo” sy ilay “bibidia.” (Apokalypsy 17:16) Mazava ho azy fa tsy midika izany hoe ho moana ara-bakiteny ny Kristianina. Hidera an’i Jehovah toy ny efa ataony ankehitriny izy ireo, ary hiresaka momba azy isan’andro sy “hatramin’ny taranaka fara mandimby.”​—Salamo 45:17; 145:2.