Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Inona no Havaliko An’i Jehovah?”

“Inona no Havaliko An’i Jehovah?”

Tantaram-piainana

“Inona no Havaliko An’i Jehovah?”

NOTANTARAIN’I MARIA KERASINIS

Nandiso fanantenana sy nahamenatra ny ray aman-dreniko aho, narian’ny havako, ary nihomehezan’ny mpiray tanàna tamiko, tamin’izaho 18 taona. Natao daholo na fitalahoana, na fanerena, na fandrahonana, mba hampivadika ahy tamin’Andriamanitra. Very maina foana anefa izany rehetra izany. Natoky aho fa homen’Andriamanitra valisoa raha mifikitra foana amin’ny fahamarinana ara-baiboly. Rehefa mandinika indray ireo 50 taona mahery nanompoako an’i Jehovah aho, dia manaiky ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?”​—Salamo 116:12.

TERAKA tamin’ny 1930 tany Aggelokastro aho, tanàna kely 20 kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny seranan’i Kenkrea. Any amin’ny ilany atsinanan’ny Andilan-tanin’i Korinto no misy azy io. Nisy fiangonan’ny Kristianina marina tany, tamin’ny taonjato voalohany.​—Asan’ny Apostoly 18:18; Romanina 16:1.

Nilamina ny fiainam-pianakaviako. Lehiben’ny fokontany i Dada, ary tena nohajain’ny olona. Niteraka dimy izy, ary izaho no fahatelo. Notezain’ny ray aman-dreninay ho lasa mpivavaka nafana fo tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika izahay. Namonjy Lamesa aho isaky ny alahady. Nanao asa fivalozana teo anoloan’ny sary masina aho, nandrehitra labozia tany amin’ny chapelles, ary nitandrina ny fifadian-kanina rehetra. Matetika aho no naniry hanao masera. Tatỳ aoriana anefa, dia izaho no voalohany nandiso fanantenana ny ray aman-dreniko tao amin’ny fianakavianay.

Tena faly noho ny fahamarinana ara-baiboly

Reko, tamin’izaho 18 taona teo ho eo, fa namaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Katina, anabavin’ny zaodahiko, izay nipetraka tany amin’ny tanàna tsy lavitra anay. Tsy niangona intsony àry izy. Tena nampanahy ahy izany, ka nanapa-kevitra aho fa hanampy azy hiverina tamin’izay noheveriko fa lalana marina. Rehefa tonga namangy anay àry izy, dia mody nasaiko niara-nandehandeha tamiko, nefa nentiko tany an-tranon’ny pretra. Nanomboka nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah aloha ilay pretra, ka niantso azy ireo hoe mpivadi-pinoana, izay namitaka an’i Katina. Nitohy nandritra ny telo alina nisesy ilay adihevitra. Noporofoin’i Katina fa diso ny fiampangany rehetra, ka nanome fanazavana ara-baiboly voaomana tsara izy tamin’izany. Niteny taminy ilay pretra tamin’ny farany hoe ankizivavy tsara tarehy sy mahira-tsaina izy, ka tokony hankafy ny fahatanorany, dieny mbola afaka nanao izany, ary rehefa antitra vao hieritreritra an’Andriamanitra.

Tsy nolazaiko tamin’ny ray aman-dreniko io adihevitra io, nefa tsy niangona aho ny alahadin’iny. Nankany am-pivarotanay avy hatrany àry ilay pretra ny antoandro. Mody nilaza taminy aho hoe tsy maintsy nijanona tao am-pivarotana nanampy an’i Dada.

“Tena marina ve izany, sa voataonan’ilay ankizivavy iny ianao?”, hoy ilay pretra tamiko.

“Marina kokoa noho ny antsika ny zavatra inoan-dry zareo”, hoy aho, tsy nisalasala namaly azy.

Nitodika tany amin’ny raiko izy, ary niteny hoe: “Roahy avy hatrany iny Katina iny, Atoa Economos, fa mampidi-doza ny fianakavianareo.”

Nanenjika ahy ny fianakaviako

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1940 izany no nitranga, rehefa nisy ady an-trano nahatsiravina nipoaka tampoka teto Gresy. Natahotra i Dada sao haka ahy an-keriny ny mpiady anaty akata, ka nataony izay handaozako ny tanàna, ary ho any amin’ny zokiko vavy, any amin’ny tanàna nisy an’i Katina. Nianatra ny fiheveran’ny Baiboly ny foto-pinoana maro aho, nandritra ireo roa volana nijanonako tany. Nalahelo aho rehefa nahita fa tsy araka ny Soratra Masina ny maro amin’ny foto-pinoan’ny Eglizy Ortodoksa. Nianarako fa tsy eken’Andriamanitra ny fivavahana amin’ny alalan’ny sary, ary tsy tao amin’ny fivavahana kristianina no niandohan’ny fanao ara-pivavahana maro, toy ny fankamasinana lakroa. Nianarako koa fa tsy maintsy mivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ny olona, raha te hampifaly azy. (Jaona 4:23; Eksodosy 20:4, 5) Ambonin’ny zava-drehetra, dia nianarako fa misy fampanantenana tsara ao amin’ny Baiboly hoe hisy fiainana mandrakizay eto an-tany! Ireo fahamarinana sarobidy ireo no anisan’ny soa voalohany azoko avy tamin’i Jehovah.

Tsikaritry ny zokiko vavy sy ny vadiny fa tsy nanao famantaran’ny hazofijaliana aho rehefa hisakafo, ary tsy nivavaka teo anoloan’ny sary masina. Niara-nikapoka ahy izy ireo indray alina. Nanapa-kevitra ny hiala tao amin’izy ireo aho ny ampitson’iny, ary nankany amin’ny nenitoako. Nampandre tany amin’ny raiko ilay zaodahiko. Tsy ela taorian’izay, dia tonga nitomany tany amiko i Dada, ary niezaka nampiova hevitra ahy. Nandohalika teo anoloako ilay zaodahiko mba hifona, ary nekeko ny fifonany. Mba handaminana ilay raharaha, dia niangavy ahy hiverina hiangona izy ireo, nefa tsy nety aho.

Nitohy ny fanenjehana ahy, rehefa niverina tany amin’i Dada aho. Tsy afaka nifandray tamin’i Katina aho, sady tsy nanana boky hovakina, na dia Baiboly aza. Faly be aho rehefa nisy zana-drahalahin’i Dada niezaka nanampy ahy. Nankany Korinto izy, ary nahita Vavolombelona, ka nitondrany ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” sy Baiboly Soratra Grika Kristianina aho. Nanomboka namaky azy ireo niafina aho.

Niova tampoka ny fiainako

Mbola nenjehina mafy nandritra ny telo taona aho. Tsy nifandray tamin’ny Vavolombelona mihitsy aho, sady tsy nahazo boky. Tsy fantatro anefa tamin’izay, fa hisy fiovana lehibe teo amin’ny fiainako, tsy ho ela.

Nilaza tamiko i Dada hoe tsy maintsy nankany amin’ny dadatoako tany Tesalonika aho. Nampanao pardesia tany amin’ny mpanjaitra iray tany Korinto aho, talohan’ny nandehanako. Gaga be aho fa hay niasa tao i Katina! Faly be izahay nifankahita indray taorian’izay fotoana lava be izay. Nihaona tamin’ny tovolahy iray tena nahafinaritra izahay mirahavavy, raha vao nivoaka avy tao amin’ilay mpanjaitra. Avy niasa ilay tovolahy, ary handeha hody tamin’ny bisikiletany. Charalambos no anarany. Tapa-kevitra izahay fa hivady, rehefa nifankahalala bebe kokoa. Tokony ho tamin’izay koa, izany hoe ny 9 Janoary 1952, no nampisehoako ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny batisa.

Efa vita batisa talohan’izay i Charalambos. Notoherin’ny fianakaviany koa izy. Tena be zotom-po izy. Mpikarakara lefitra ny fiangonana izy, ary nitarika fampianarana Baiboly maro. Tsy ela dia nanaiky ny fahamarinana ny rahalahiny hafa, ary manompo an’i Jehovah koa izao ny ankamaroan’ny fianakavian’izy ireo.

Tena tia an’i Charalambos i Dada, ka nekeny ny hivadianay. Tsy mora kosa ny nandresy lahatra an’i Neny. Na teo aza izany, dia natao ny mariazinay ny 29 Martsa 1952. Ny zokiko lahimatoa sy ny zana-drahalahin’i Dada iray ihany no tonga tamin’ilay mariazy. Tsy fantatro tamin’izany fa ho fitahiana tsy manam-paharoa, izany hoe tena fanomezana avy tamin’i Jehovah, i Charalambos! Afaka nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah aho, noho ny fiarahako taminy.

Nampahery an’ireo mpiara-manompo

Tapa-kevitra izahay sy Charalambos, tamin’ny 1953, fa hifindra teto Atena. Te hitory bebe kokoa izy, ka niala tamin’ny asa nataony niaraka tamin’ny fianakaviany, ary niasa tapa-potoana. Niara-nanao fanompoana kristianina izahay isaky ny tolakandro, ary nitarika fampianarana Baiboly maro.

Nila nahay nitady hevitra izahay, satria nisy fepetra napetraky ny fanjakana mahakasika ny fanompoantsika. Tapa-kevitra, ohatra, izahay fa hametraka gazety Ny Tilikambo Fiambenana teo amin’ny varavarankelin’ny trano heva niasan’ny vadiko, teto afovoan-tanànan’i Atena. Nisy manamboninahitra tao amin’ny polisy nilaza taminay fa voarara io gazety io. Te hanamarina izany izy, ka nangataka gazety iray hoentiny any amin’ny birao miantoka ny fiarovana. Nilaza taminy ny mpiasa tao amin’io birao io fa ara-dalàna ilay gazety, ka niverina izy mba hilaza izany taminay. Nanomboka nametraka gazety Ny Tilikambo Fiambenana teo amin’ny varavarankelin’ny trano hevany koa ny anadahy hafa, raha vao nahare izany. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana teo amin’ny trano hevanay ny lehilahy iray, ka lasa Vavolombelona, ary anti-panahy ankehitriny.

Faly koa izahay rehefa nianatra ny fahamarinana ny zandriko faralahy. Tonga teto Atena izy mba hianatra momba ny fitaterana an-dranomasina, ka nentinay niaraka taminay tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Natao niafina tany an’ala ny fivoriambenay. Tiany ny zavatra reny tany, nefa nanomboka nanao dia an-dranomasina izy, tsy ela taorian’izay. Niantsona tany amin’ny seranana iray tany Arzantina ny sambony, indray mandeha. Nisy misionera niakatra tao amin’ilay sambo mba hitory, ka nangataka ny gazetintsika ilay zandriko. Faly be izahay rehefa naharay taratasy avy aminy nilaza hoe: “Nahita ny fahamarinana aho. Mba ataovy izay hahazoako gazety tsy tapaka amin’ny alalan’ny paositra.” Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izao izy mianakavy.

Nasaina hanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ny vadiko tamin’ny 1958. Matetika ny mpiandraikitra mpitety faritany no nandeha irery, fa tsy niaraka tamin’ny vadiny, rehefa nitsidika fiangonana. Voarara mantsy ny asanay sady sarotra be ny nanao dia. Nanontanianay ny anadahy tompon’andraikitra tany amin’ny biraon’ny sampana, tamin’ny Oktobra 1959, raha afaka hiaraka tamin’ny vadiko aho. Nanaiky izy ireo. Nasaina nitsidika sy nampahery an’ireo fiangonana tany afovoany sy avaratr’i Gresy izahay.

Sarotra tokoa ny dianay tamin’izany, satria tena vitsy ny lalana vita rarivato. Tsy nanana fiara izahay, ka matetika no nandeha bisy na kamiaonety, niaraka tamin’ny akoho sy ny entam-barotra hafa. Nanao baoty izahay mba handehanana tamin’ny lalana feno fotaka. Nisy milisy isaky ny tanàna, ka tamin’ny alina izahay vao niditra tany an-tanàna, mba tsy ho tratran’ny famotopotorana.

Tena sarobidy tamin’ireo mpiara-manompo ireny fitsidihana ireny. Niasa mafy teny an-tsaha ny ankamaroan’izy ireo, nefa niezaka mafy hamonjy an’ireo fivoriana natao tamin’ny alina be tany amin’ny trano samihafa. Tena tia mandray vahiny koa izy ireo, ary nanome anay ny tsara indrindra nananany, na dia tena nahantra aza. Niara-natory tamin’ny fianakaviana manontolo tao amin’ny efitra iray izahay, indraindray. Anisan’ny soa lehibe azonay koa ny fahitana ny finoana sy ny fiaretana ary ny zotom-pon’ireny mpiara-manompo ireny.

Nanitatra ny fanompoana

Nanontaniana izahay raha naniry hiasa teto amin’ny Betelan’i Atena, tamin’izahay nitsidika azy ity, tamin’ny Febroary 1961. Namaly toa an’i Isaia izahay hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8) Nahazo taratasy nilaza taminay mba ho tonga teto amin’ny Betela haingana araka izay azo natao izahay, roa volana tatỳ aoriana. Nanomboka niasa teto àry izahay tamin’ny 27 Mey 1961.

Tianay io asanay vaovao io, ary tamana avy hatrany izahay. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana sy ny Famandrihana ny vadiko, ary efa anisan’ny Komitin’ny Sampana nandritra ny fotoana kelikely. Isan-karazany kosa ny asa nanendrena ahy. Nisy 18 ny mpianakavin’ny Betela tamin’izany. Nisy sekolin’ny anti-panahy anefa teto nandritra ny dimy taona latsaka, ka 40 teo ho eo indraindray, ny olona nipetraka tato. Nanasa vilia aho ny maraina, nanampy ny mpahandro, nampirina fandriana 12, ary nanomana ny latabatra mba hisakafoana antoandro. Nipasoka sy nanadio ny kabine sy ny efitrano fandriana aho, ny tolakandro. Niasa tao amin’ny efitra fanasan-damba koa aho, indray mandeha isan-kerinandro. Be dia be ny asa, nefa faly aho satria afaka nanao izay vitako.

Tena be zavatra natao foana izahay teto amin’ny Betela sy teny amin’ny fanompoana. Matetika no nahatratra fito ny fampianarana Baiboly notarihinay. Niaraka tamin’i Charalambos nanao lahateny tany amin’ny fiangonana samihafa aho, rehefa faran’ny herinandro. Tsy nifankafoy mihitsy izahay.

Niara-nianatra Baiboly tamina mpivady nafana fo tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika izahay. Naman’ny mpitondra fivavahana, izay nitarika ny fikarohana ny mpivadi-pinoana, izy ireo. Nisy efitra feno sary masina tao an-tranony. Nisy emboka manitra nodorana foana tao amin’io efitra io, ary nandrenesana hira ortodoksa nandritra ny andro. Nandritra ny fotoana kelikely, dia isaky ny alakamisy izahay no tonga nampianatra azy ireo Baiboly. Isaky ny zoma kosa ilay namany mpitondra fivavahana no tonga nitsidika azy ireo. Nanasa anay hankany aminy izy ireo indray andro, satria nisy zavatra hasehony anay. Ilay efitra no nasehony anay voalohany. Efa nesoriny daholo ireo sary masina, ary namboariny ilay efitra. Nanao fandrosoana bebe kokoa io mpivady io, ary natao batisa. Faly izahay nahita ny 50 teo ho eo tamin’ny olona nampianarinay Baiboly nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy natao batisa.

Nanana tombontsoa manokana nifanerasera tamin’ireo anadahy voahosotra koa aho. Tena nampahery ahy ny fitsidihan’ireo anadahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, toy ny Anadahy Knorr sy Franz ary Henschel. Mbola miaiky aho hatramin’izao fa voninahitra sy tombontsoa lehibe ny manompo eto amin’ny Betela, taorian’izay 40 taona mahery izay.

Niatrika aretina sy fahafatesana

Nanomboka voan’ny aretin’i Alzheimer ny vadiko tamin’ny 1982. Niharatsy ny fahasalamany tamin’ny 1990, ary nila fikarakarana tsy tapaka izy tatỳ aoriana. Tsy afaka niala teto amin’ny Betela mihitsy izahay, nandritra ireo valo taona farany niainany. Nanao fandaharana mba hanampiana anay ny maro tamin’ireo Betelita malalanay sy ireo anadahy tompon’andraikitra. Nanampy ahy izy ireo, sady tsara fanahy, nefa tsy maintsy nikarakara ny vadiko andro aman’alina aho. Tena narary be izy indraindray, ka mazàna aho no tsy nahita tory tamin’ny alina.

Maty ny vady malalako tamin’ny Jolay 1998. Tena malahelo azy aho, nefa mionona aho satria fantatro fa miahy azy i Jehovah, ary hahatsiaro azy miaraka amin’ny olona an-tapitrisa amin’ny fitsanganana amin’ny maty.​—Jaona 5:28, 29.

Velom-pankasitrahana noho ny soa nataon’i Jehovah

Tsy irery aho, na dia tsy eo intsony aza ny vadiko. Mbola manana tombontsoa manompo eto amin’ny Betela aho, ary tena mahafinaritra ahy ny fitiavana sy fikarakaran’ny fianakavian’ny Betela manontolo. Anisan’ny fianakaviako koa ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy manerana an’i Gresy. Efa 70 taona mahery aho izao, nefa mbola afaka miasa manontolo andro ao amin’ny lakozia sy ny efitrano fisakafoana.

Tanteraka ny nofinofiko tamin’ny 1999, rehefa nitsidika ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York aho. Tsy haiko ny milaza ny zavatra tsapako tamin’izay. Nampahery sy tsy hay hadinoina iny fitsidihana iny.

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia tena miaiky fa nampiasa ny fiainako tamin’ny fomba tsara indrindra. Ny fanompoana an’i Jehovah manontolo andro no asa tsara indrindra. Sahy miteny aho hoe mbola tsy ory na inona na inona mihitsy. Nikarakara anay mivady tamim-pitiavana i Jehovah, teo amin’ny ara-panahy sy ara-nofo. Rehefa mandinika ny zavatra niainako aho, dia takatro ny antony nanontanian’ny mpanao salamo hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?”​—Salamo 116:12.

[Sary, pejy 26]

Tsy nifankafoy mihitsy izahay sy Charalambos

[Sary, pejy 27]

Ny vadiko tao amin’ny biraony

[Sary, pejy 28]

Miaiky aho fa voninahitra lehibe ny manompo eto amin’ny Betela