Lavaka Famorian-drano Tsy Mahatana Rano
Lavaka Famorian-drano Tsy Mahatana Rano
TAMIN’NY andron’ny Baiboly, ny lavaka famorian-drano, dia lavaka namboarin’olombelona, ka rano no tena notehirizina tao anatiny. Izy ireny no hany fitaovana nahafahana nitahiry rano, nandritra ny vanim-potoana sasany, tany amin’ny Tany Nampanantenaina.
Nampiasain’i Jeremia mpaminany an’ohatra ny lavaka famorian-drano, rehefa nanoratra fanambarana avy amin’Andriamanitra izy. Hoy izy: “Zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.”—Jeremia 2:13.
Nahafoy ilay “loharanon’aina”, dia i Jehovah Andriamaniny, ny Israelita, ka nanao fifanekena ara-tafika tsy azo antoka tamin’ny firenena mpanompo sampy. Nivavaka tamin’andriamani-diso tsy nanan-kery koa izy ireo. Tsy nisy hafa tamin’ny lavaka famorian-drano triatra ireny firenena sy andriamanitra ireny, araka ny fanoharana nataon’i Jeremia, satria tsy nanana hery niarovana na namonjena.—Deoteronomia 28:20.
Misy lesona ho antsika amin’izao andro izao ve avy amin’io ohatra ara-tantara io? Toy ny tamin’ny andron’i Jeremia, dia mbola i Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay, ihany no hany manana ny rano manome fiainana. (Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11) Izy ihany no afaka manome fiainana mandrakizay ny olombelona, ka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany no hanaovany izany. (Jaona 4:14; 17:3) Mandà ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly anefa ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, toy ireo niara-belona tamin’i Jeremia, ary manambany azy io mihitsy aza. Mitoky amin’ny vahaolana feno fitiavan-tena aroson’ny mpanao politika kosa izy ireo, ary miantehitra amin’ny fisainan’olombelona tsy misy fotony sy ny filozofia tsy mahasoa, izay manala baraka an’Andriamanitra. (1 Korintianina 3:18-20; Kolosianina 2:8) Mazava àry hoe iza no tsara hametrahana fitokisana. Koa iza no hitokianao? Jehovah, ilay “loharanon’aina” ve, sa ireo ‘lavaka famorian-drano mitriatriatra tsy mahatan-drano’?
[Sary, pejy 32]
Sarivongana tanimanga mampiseho andriamanibavy reny, hita tany amina fasana israelita
[Sary nahazoan-dalana]
Photograph taken by courtesy of the British Museum