Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Maro Be no Mandeha Miangona?

Nahoana no Maro Be no Mandeha Miangona?

Nahoana no Maro Be no Mandeha Miangona?

“AVO efatra heny noho ny any Etazonia ny mpanaraka ny fivavahana presbyterianina, any amin’ny Repoblikan’i Korea ankehitriny.” Maro angamba no gaga, rehefa namaky an’io fehezanteny io tao amin’ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy). Heverina mantsy fa Konfiosianista sy Bodista ny ankamaroan’ny mpivavaka any Korea. Ahitana eglizy lazaina fa kristianina be dia be anefa any ankehitriny, ary mazàna lakroa misy jiro mena no amantarana azy ireny. Mahazatra ny mahita olona mivimbina Baiboly, mandeha tsiroaroa na tsitelotelo mankany am-piangonana, isaky ny alahady. Nasehon’ny fanadihadiana iray tamin’ny 1998, fa efa ho ny 30 isan-jaton’ny Koreanina no miangona any amin’ny eglizy katolika na protestanta. Betsaka kokoa noho ny Bodista izy ireo.

Mahagaga ihany raha amin’izao androntsika izao no ahitana olona be dia be toy izany mandeha miangona tsy tapaka. Tsy any Korea ihany anefa no ahitana izany, fa any amin’ny firenena hafa any Azia sy Afrika ary Amerika Latinina koa. Nahoana àry no mbola maro no milaza fa mino an’Andriamanitra, nefa tsy miraika amin’ny fivavahana ny ankabeazan’ny mponina eran-tany? Nahoana izy ireo no mandeha miangona?

Hita tamin’ny fitsapan-kevitra Gallup, fa ny antsasany mahery amin’ny mpiangona any Korea no mitady fiadanan-tsaina. Manantena fiainana mandrakizay aorian’ny fahafatesana ny ampahatelony eo ho eo amin’izy ireo. Mikatsaka fahasalamana sy harena ary fahombiazana kosa ny ampahafolony.

Maro no mirohotra mankany am-piangonana any Chine, satria manantena hahazo fanampiana mba hihavana amin’Andriamanitra. Tsapany ho toa misy banga mantsy ny fiainany, noho izy niala tsikelikely tamin’ny Kominisma, ary revo nikatsaka harena, rehefa nanaraka ny Kapitalisma. Baiboly an-tapitrisa no atao pirinty sy zaraina any Chine isan-taona. Toa mazoto mamaky azy io ny olona, toy ny faharisihany namaky ilay boky menan’i Mao, filohan’izy ireo taloha.

Tsy afa-po amin’ny fanantenana fahasambarana amin’ny hoavy ny Katolika sasany any Brezila, indrindra fa ny tanora. Tian’izy ireo ho tanteraka dieny izao izany. Manambara ny gazety Tudo hoe ny tolona nataon’ny eglizy ho an’ny mahantra no nahatonga ny olona hazoto hiangona tamin’ireo taona 1970, fa ny vola aman-karena kosa izao no mibahana ao an-tsain’izy ireo. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny mpiangona any Grande-Bretagne, fa maro amin’izy ireo no mandeha mivavaka mba hifaneraserana amin’ny olon-kafa fotsiny.

Asehon’izany rehetra izany fa mbola maro tokoa ny olona mino an’Andriamanitra. Tsy mieritreritra loatra momba ny hoavy, na momba an’Andriamanitra akory aza anefa ny ankamaroany, fa mifantoka amin’izay mety ho azony dieny izao. Inona àry, araka ny hevitrao, no tena antony tokony hinoana an’Andriamanitra? Inona no ambaran’ny Baiboly momba izany? Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny.