Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nidera An’Andriamanitra Izy Noho ny Fandaharana Hitany tao Amin’ny Televiziona

Nidera An’Andriamanitra Izy Noho ny Fandaharana Hitany tao Amin’ny Televiziona

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Nidera An’Andriamanitra Izy Noho ny Fandaharana Hitany tao Amin’ny Televiziona

NOLAZAIN’NY apostoly Paoly “fa fialonana sy fifandrafiana no antony itorian’ny sasany an’i Kristy, fa fahatsoram-po kosa ny an’ny sasany.” (Filipianina 1:15) Tsy ampoizin’ireo mitady hanala baraka ny vahoakan’i Jehovah, fa mety hisarika ny olona tso-po ho amin’ny fahamarinana ny zavatra ataony indraindray.

Niseho tamin’ny fandaharana iray tao amin’ny televizionam-pirenena frantsay ny sarin’ny Betela, na tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Louviers, any Frantsa, tamin’ny Novambra 1998. Nisy vokany tsara tsy nampoizina ilay fandaharana, na dia samihafa aza ny fomba nandraisan’ny olona azy.

Anisan’ny nijery ilay fandaharana i Anna-Paula, izay manan-janaka roa ary nisara-panambadiana. Enimpolo kilaometatra monja miala ny Betela no misy azy, ary nitady asa izy tamin’izay. Nitelefaonina tany amin’ny Betela àry izy ny ampitso maraina, mba hanontany raha misy asa ho azy ao. Hoy izy: “Nahafinaritra ny fahitako an’ilay toerana, ary mahasoa ny asa atao any.” Tena gaga izy rehefa nahafantatra fa miasa an-tsitrapo ny olona rehetra ao amin’ny Betela! Nanaiky hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa avy nohazavaina vetivety taminy ny asan’izy ireo.

Nitsidika azy i Léna, mpanompo manontolo andro avy tamin’ny fiangonana teo an-toerana. Naharitra ny resak’izy ireo, ary nandray ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay * i Anna-Paula. Efa voavakiny hatramin’ny farany ilay boky, rehefa tonga nitsidika azy indray i Léna. Nanana fanontaniana be dia be koa izy, ary tsy nisalasala fa nanaiky hampianarina Baiboly. Hoy izy: “Izany no fomba nahafantarako ny Tenin’Andriamanitra. Mbola tsy nanana Baiboly mihitsy aho taloha.”

Nitsidika ny Betela i Anna-Paula tamin’ny Janoary 1999, ary nanatrika voalohany ny fivoriana kristianina izy, herinandro taorian’izay. Nanomboka nampianatra Baiboly ny zanany sy nitory tamin’ny namany izy, taoriana kelin’izay. Hoy izy: “Tsy afaka nihazona ho ahy irery izay nianarako aho. Te hizara amin’ny olona ny fahamarinana ara-baiboly sy hampionona azy ireo aho.” Nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka izy, rehefa avy niezaka mafy hamaha ny olana maromaro nahazo azy. Nandroso haingana izy ary natao batisa tamin’ny 5 Mey 2002.

Nanomboka nianatra Baiboly koa ny renin’i Anna-Paula, noho ny ohatra tsara nomeny, ary tsy ela dia natao batisa. “Tsy hitako izay teny hilazana ny fifaliako”, hoy i Anna-Paula. “Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho noho ny famelany ahy hahafantatra sy hanompo azy, sy noho ireo fitahiana rehetra nomeny ahy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 8]

Ambony: Anna-Paula

Ambany: Fidirana ao amin’ny biraon’ny sampan’i Frantsa