Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana avy Amin’ny Fianakavian’i Jesosy

Fianarana avy Amin’ny Fianakavian’i Jesosy

Fianarana avy Amin’ny Fianakavian’i Jesosy

INONA no fantatrao momba ny fianakavian’i Jesosy, dia ireo niara-niaina taminy tetỳ an-tany nandritra ny 30 taona, talohan’ny batisany? Inona no voalaza ao amin’ny Filazantsara, ary inona no ianarantsika avy amin’izy ireo? Hitondra soa ho anao ny fahafantarana ny valin’izany.

Nanan-karena ve ny fianakavian’i Jesosy? Mpandrafitra i Josefa, rainy nitaiza azy. Asa nilana herim-batana izany, satria mazàna no tsy maintsy nokapaina aloha ny hazo. Nankany Jerosalema mba hanao fanatitra, araka ny notakin’ny Lalàna, ny ray aman-drenin’i Jesosy, 40 andro taorian’ny nahaterahany. Nanome zanak’ondry sy voromahailala na domohina ve izy ireo, araka ny notakin’ny Lalàna? Tsia. Toa tsy takatry ny volan’izy ireo izany. Nisy fandaharana nitsinjovana ny mahantra anefa tao amin’ny Lalàna. Noho izany, dia “domohina roa na zana-boromailala roa” no nomen’i Josefa sy Maria. Nahantra tokoa izy ireo, matoa ny biby mora vidy indrindra no nofidiny.​—Lioka 2:22-24; Levitikosy 12:6, 8.

Teraka tao amin’ny fianakaviana tsotsotra, izay tsy maintsy niasa mafy mba hivelomana, i Jesosy Kristy, ilay ho Filohan’ny olombelona rehetra. Lasa mpandrafitra toa an’ilay rainy nitaiza azy izy, rehefa nihalehibe. (Matio 13:55; Marka 6:3) “Na dia nanankarena aza” i Jesosy fony izy fanahy nahery tany an-danitra, dia milaza ny Baiboly fa “tonga nahantra” izy noho ny amintsika. Nanetry tena ho olombelona izy, ary nihalehibe teo anivon’ny fianakaviana tsotsotra. (2 Korintianina 8:9; Filipianina 2:5-9; Hebreo 2:9) Tsy teraka teo anivon’ny fianakaviana nanan-karena i Jesosy, ka izany angamba no nahatonga ny olona sasany tsy ho sadaikatra niaraka taminy. Tsy nifantoka tamin’izay saranga niaviany ny olona, fa nankasitraka azy kosa noho ny fampianarany, sy ny toetrany nahafinaritra, ary ny fahagagana nataony. (Matio 7:28, 29; 9:19-33; 11:28, 29) Mampiseho ny fahendren’i Jehovah Andriamanitra tokoa ny namelany an’i Jesosy ho teraka teo anivon’ny fianakaviana tsotsotra.

Handinika ny mpianakavin’i Jesosy isika izao, ary hijery hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo.

Josefa: Lehilahy marina

Azo antoka fa very hevitra i Josefa, rehefa fantany fa bevohoka ny fofombadiny, nefa “mbola tsy niray trano izy ireo.” Tiany i Maria, nefa naharikoriko azy ny nieritreritra hoe nety ho naloto fitondran-tena izy. Toy ny hoe voahitsakitsaka ny zony amin’ny maha fofombadin’i Maria azy. Sahala amin’ny hoe vady mantsy no niheverana ny fofombady tamin’izany fotoana izany. Rehefa avy nieritreritra tsara àry i Josefa, dia nanapa-kevitra ny hisaraka mangingina tamin’i Maria, mba tsy hitorahana vato azy toy ny mpanitsakitsa-bady.​—Matio 1:18; Deoteronomia 22:23, 24.

Niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy ny anjely iray avy eo, ka nilaza hoe: “Aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa avy tamin’ny fanahy masina ny zaza ao an-kibony. Hiteraka zazalahy izy, ary tsy maintsy ataonao hoe Jesosy no anarany, fa izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotany.” Nanaraka izany toromarika avy amin’Andriamanitra izany i Josefa, ka nitondra an’i Maria tao an-tranony.​—Matio 1:20-24.

Noho izany, io lehilahy marina sy nahatoky io, dia anisan’ny nanatanteraka izao teny nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany izao: “Indro, hanan-anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataony hoe Imanoela.” (Isaia 7:14) Azo antoka fa tia zavatra ara-panahy i Josefa, ary nankasitraka ny voninahitra hitaiza ny Mesia izy, na dia tsy naterany aza io lahimatoan’i Maria io.

Nifehy tena tsy hanao firaisana tamin’i Maria i Josefa, mandra-pahaterak’i Jesosy. (Matio 1:25) Azo inoana fa tsy mora tamin’io mpivady vao io izany, nefa tian’izy ireo hazava tsara hoe iza no Rain’ilay zaza. Fakan-tahaka tokoa ny fifehezan-tenany! Zava-dehibe kokoa tamin’i Josefa ny zavatra ara-panahy, noho ny faniriany voajanahary.

Inefatra i Josefa no nahazo toromarika avy tamin’ny anjely, momba ny fomba hitaizana ilay zanany lahy. Mahakasika ny toerana hitaizana azy ny telo tamin’ireo. Nila nankatò avy hatrany izy mba hiarovana ny ain’ilay zaza. Nanao zavatra avy hatrany foana i Josefa tamin’ireo toe-javatra rehetra ireo, ka nitondra an’ilay zaza tany Ejipta aloha, ary niverina tany Israely indray avy eo. Voaro àry ny ain’i Jesosy rehefa nandripaka zaza maro be i Heroda. Nanatanteraka ny faminaniana mahakasika ny Mesia koa ny fankatoavan’i Josefa.​—Matio 2:13-23.

Nampianatra asa an’i Jesosy i Josefa, mba hahafahany hamelon-tena. Izany no niantsoana azy hoe “mpandrafitra”, fa tsy “zanaky ny mpandrafitra” fotsiny. (Matio 13:55; Marka 6:3) Nilaza ny apostoly Paoly fa “notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika” i Jesosy. Anisan’izany fitsapana izany ny fanaovana asa mafy mba hamelomana ny fianakaviana.​—Hebreo 4:15.

Tena mpivavaka be fandavan-tena koa i Josefa, rehefa jerena ny tantara farany momba azy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nitondra ny fianakaviany hankalaza ny Paska tany Jerosalema izy tamin’izay. Ny lehilahy ihany no notakina ho any, nefa fahazaran’i Josefa ny nitondra ny fianakaviany nankany Jerosalema “isan-taona.” Be fandavan-tena tokoa izy, satria tsy maintsy nandeha an-tongotra 100 kilaometatra teo ho eo, avy eo Nazareta nankany Jerosalema. Tsy tafaraka tamin’ny fianakaviany anefa i Jesosy indray mandeha, araka ny voatantara ao amin’ny Soratra Masina. Hita tao amin’ny tempoly izy, nihaino sy nanontany ny mpampianatra Lalàna. Vao 12 taona izy, nefa nanam-pahendrena be sy nahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra. Hitantsika avy amin’izany àry, fa tsy maintsy ho nampianatra azy tsara ny ray aman-dreniny, mba hahatongavany ho zazalahy tia zavatra ara-panahy. (Lioka 2:41-50) Maty angamba i Josefa fotoana fohy taorian’izay, satria tsy misy firesahana azy intsony ao amin’ny Soratra Masina.

Lehilahy marina tokoa i Josefa, ary nikarakara tsara ny fianakaviany izy, teo amin’ny ara-nofo sy ny ara-panahy. Toa an’i Josefa, moa ve ny zavatra ara-panahy no loha laharana eo amin’ny fiainanao, rehefa takatrao hoe inona no sitrapon’Andriamanitra ankehitriny? (1 Timoty 2:4, 5) Mankatò avy hatrany izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ve ianao, tsy misy hafa amin’ny nataon’i Josefa? Mampianatra ny zanakao ve ianao, mba hahafahany hiresaka zavatra ara-panahy amin’ny olona?

Maria: Mpanompon’Andriamanitra tsy tia tena

Mpanompon’Andriamanitra nahafatra-po i Maria, renin’i Jesosy. Gaga izy, rehefa nilaza taminy ny anjely Gabriela fa hitoe-jaza izy. Virjiny mantsy izy, izany hoe mbola “tsy nanao firaisana tamin-dehilahy.” Rehefa fantany fa bevohoka noho ny herin’ny fanahy masina izy, dia nanaiky tamim-panetren-tena hoe: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao.” (Lioka 1:30-38) Sarobidy taminy aoka izany io tombontsoa io, hany ka vonona hiaritra izay zava-tsarotra ateraky ny fanapahan-keviny izy.

Niova tanteraka ny fiainany, noho izy nanaiky izany andraikitra nankinina taminy izany. Rehefa nandeha nidio tany Jerosalema izy, dia nilaza toy izao taminy i Simona, lahiantitra iray natahotra an’Andriamanitra: “Ny ainao aza ho gorobaky ny sabatra.” (Lioka 2:25-35) Azo inoana fa ny tiany holazaina teo dia ny fihetseham-pon’i Maria rehefa hahita an’i Jesosy holavin’ny maro sy hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.

Nitadidy izay nitranga nandritra ny fotoana nitomboan’i Jesosy i Maria, ka “nanatsoaka hevitra tao am-pony.” (Lioka 2:19, 51) Tia zavatra ara-panahy toa an’i Josefa izy, ary sarobidy taminy ireo fisehoan-javatra sy teny nanatanteraka ny faminaniana. Azo antoka fa tsy afaka tao an-tsainy ny tenin’ny anjely Gabriela hoe: “Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Zava-dehibe taminy tokoa izany hoe voatendry ho renin’ny Mesia izany.

Niharihary indray ny fitiavan’i Maria zavatra ara-panahy, rehefa nihaona izy sy Elizabeta havany, izay bevohoka tamin’ny fomba nahagaga koa. Raha vao nahita azy i Maria, dia nidera an’i Jehovah Andriamanitra, sady nampiseho fa tena tia ny Teniny. Namerina ny hevitra sasany tao amin’ny vavak’i Hana ao amin’ny 1 Samoela toko faha-2 izy, ary nanonona hevitra tao amin’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo koa. Asehon’izany fahalalany ny Soratra Masina izany, fa afaka ny ho reny be fandavan-tena sy matahotra an’Andriamanitra izy. Niara-niasa tamin’i Josefa izy, tamin’ny fampianarana an-janany ny momba an’Andriamanitra sy ny lalany.​—Genesisy 30:13; 1 Samoela 2:1-10; Malakia 3:12; Lioka 1:46-55.

Nino mafy i Maria fa ny zanany no Mesia, ary tsy nihena izany finoany izany na dia rehefa maty aza i Jesosy. Anisan’ireo mpianatra nahatoky niara-nivavaka tamin’ny apostoly izy, taoriana kelin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 1:13, 14) Nahatoky foana izy, na dia ory mafy aza nahita ny zanany malala novonoina teo amin’ny hazo fijaliana.

Inona no soa raisinao avy amin’ny fandinihana ny fiainan’i Maria? Ekenao ve fa voninahitra ny manompo an’Andriamanitra, na dia misy zavatra tsy maintsy afoy aza? Zava-dehibe aminao ve io fanompoana io ankehitriny? Mitadidy izay nolazain’i Jesosy mialoha ve ianao, ary mampitaha izany amin’izay mitranga ankehitriny, ka ‘manatsoaka hevitra ao am-ponao’? (Matio, toko 24 sy 25; Marka, toko 13; Lioka, toko 21) Miezaka ny hahafantatra tsara ny Tenin’Andriamanitra toa an’i Maria ve ianao, ary mampiasa azy io matetika rehefa miresaka? Hino an’i Jesosy foana ve ianao, na dia mety hiaritra fahoriana aza ianao satria manaraka ny diany?

Ny rahalahin’i Jesosy: Azo atao ny miova

Toa tsy nino an’i Jesosy ny rahalahiny raha tsy rehefa maty izy. Izany angamba no tsy naha teo azy ireo tamin’izy maty teo amin’ny hazo fijaliana, ka voatery nankininy tamin’ny apostoly Jaona ny fikarakarana an-dreniny. Tsy nanaja an’i Jesosy ny havany, ary nilaza mihitsy aza izy ireo fa “voa ny sainy.” (Marka 3:21) Araka izany, dia nisy tsy mpino ny fianakavian’i Jesosy. Afaka matoky àry ireo manana mpianakavy tsy mitovy finoana aminy ankehitriny, fa takatr’i Jesosy ny manjo azy ireo rehefa maneso azy ireo noho ny finoany ny havany.

Toa nanomboka nino an’i Jesosy anefa ny rahalahiny, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Anisan’ireo olona nivory tany Jerosalema sy nivavaka mafy niaraka tamin’ny apostoly izy ireo, talohan’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 1:14) Niova ny toe-pon’izy ireo rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka lasa mpianany izy ireo. Tsy tokony hanary toky mihitsy àry isika, na dia tsy mitovy finoana amintsika aza ny havantsika.

Voalazan’ny Soratra Masina fa nanana anjara asa lehibe teo anivon’ny fiangonana kristianina i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy sy nisehoany nivantana. Nasain’Andriamanitra nanoratra taratasy ho an’ny Kristianina hafa i Jakoba, mba hampirisihana azy ireo hitana ny finoany. (Asan’ny Apostoly 15:6-29; 1 Korintianina 15:7; Galatianina 1:18, 19; 2:9; Jakoba 1:1) Nasain’Andriamanitra nanoratra taratasy koa i Joda, izay rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, mba hampirisihana ny mpiray finoana taminy hiady mafy ho an’ny finoana. (Joda 1) Tsara homarihina fa na i Jakoba, na i Joda, dia samy tsy nisy niresaka ny amin’ny fatoram-pihavanany tamin’i Jesosy, mba hampiekena ny Kristianina hafa. Ohatra ho antsika tokoa ny fanetren-tenany!

Inona àry no ianarantsika avy amin’ny fianakavian’i Jesosy? Azo antoka fa nianatra an’ireto fomba anehoana fandavan-tena ireto isika: 1) Araho tsara ny sitrapon’Andriamanitra ary atreho ny fisedrana rehetra aterak’izany. 2) Ataovy loha laharana foana ny zavatra ara-panahy, na dia mety hamoizana zavatra sasany aza izany. 3) Tezao araka ny Soratra Masina ny zanakao. 4) Aza manary toky, raha tsy mitovy finoana aminao ny mpianakavinao. 5) Raha manana fifandraisana amin’ireo mitana andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana kristianina ianao, dia aza mirehareha momba izany. Rehefa avy nianatra momba ny fianakavian’i Jesosy àry isika, dia lasa akaiky azy kokoa, ary mankasitraka kokoa ny nataon’i Jehovah, dia ny nifidianany fianakaviana tsotsotra mba hitaiza an’i Jesosy.

[Sary, pejy 4, 5]

Naka an’i Maria ho vadiny i Josefa, ka nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny faminaniana momba ny Mesia

[Sary, pejy 6]

Nampianarin’i Josefa sy Maria an-janany fa zava-dehibe ny zavatra ara-panahy sy ny asa

[Sary, pejy 7]

Tsy nino an’i Jesosy ny rahalahiny raha tsy rehefa maty izy, na dia mpivavaka aza ny fianakavian’izy ireo

[Sary, pejy 8]

Nampahery ny Kristianina hafa i Jakoba sy Joda, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy