Iza no Fianakavian’i Jesosy?
Iza no Fianakavian’i Jesosy?
ANY amin’ny firenena maro, rehefa volana Desambra, dia mahazatra ny mahita ny sarin’i Jesosy zazakely, karakarain’i Maria reniny sy Josefa rainy nitaiza azy. Mety ho voasarik’ireny sary ireny, na dia ireo tsy milaza tena ho Kristianina aza. I Jesosy no tena asongadina amin’ireny sary ireny, nefa inona kosa no lazain’ny Soratra Masina momba ny fianakaviany?
Tena mahaliana ny fianakaviana niavian’i Jesosy. Lasa olombelona izy rehefa nateraky ny virjiny iray atao hoe Maria. Milaza ny Baiboly fa nafindra avy tany an-danitra ho ao an-kibony i Jesosy, tamin’ny alalan’ny fanahy masina. (Lioka 1:30-35) Efa mpifamofo i Maria sy Josefa, talohan’ny nilazana tamin’i Maria fa ho bevohoka an’i Jesosy amin’ny fomba mahagaga izy.
Nanan-janaka hafa ankoatra an’i Jesosy i Josefa sy Maria, tatỳ aoriana. Mampiharihary izany ny fanontanian’ny mponina tany Nazareta, momba an’i Jesosy. Hoy izy ireo: “Tsy io ve ilay zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria ve no anaran-dreniny, ary tsy i Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy ve no rahalahiny? Ary ny anabaviny, tsy eto amintsika avokoa ve izy ireo?” (Matio 1:25; 13:55, 56; Marka 6:3) Ireto avy àry ny fianakavian’i Jesosy: ny ray aman-dreniny, ny rahalahiny efatra ary ny anabaviny roa, fara fahakeliny.
Misy anefa tsy mino ankehitriny hoe zanak’i Josefa sy Maria ny rahalahy sy anabavin’i Jesosy. Nahoana? Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Efa hatramin’ny voalohany ny Eglizy no nampianatra fa virjiny foana i Maria, ka azo antoka fa tsy nanan-janaka hafa mihitsy izy.” Milaza koa io boky io fa ny hoe “rahalahy” sy “anabavy” dia mety hanondro “mpiara-mivavaka na olona manana fifandraisana hafa”, na havana, angamba zanak’olo-mpiray tam-po.
Marina tokoa ve izany? Na dia ny teolojianina katolika sasany aza, izay tsy manaiky ny foto-pinoana mahazatra, dia manaiky fa nanana rahalahy sy anabavy iray tam-po taminy i Jesosy. Izao no nosoratan’i John Meier, prezidà taloha tao amin’ny Fikambanana Ara-baiboly Katolika any Amerika: ‘Rehefa tsy manana heviny ara-panoharana ilay teny grika hoe “rahalahy” ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa ilazana fatoram-pianakaviana, dia tsy maintsy olona mpiray tam-po, na olona iray reny na iray ray ihany no heviny.’ * Milaza tokoa ny Soratra Masina fa nanana rahalahy sy anabavy i Jesosy, ary zanak’i Josefa sy Maria koa izy ireo.
Miresaka momba ny havan’i Jesosy koa ireo Filazantsara. Andeha anefa hodinihintsika ny momba ny fianakaviany sy izay azontsika ianarana avy amin’izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 “Ny Rahalahy sy Anabavin’i Jesosy, Araka ny Fahitan’ny Fivavahana Iraisam-pinoana Azy”, nosoratan’i J. Meier, Gazety Katolika Mivoaka Isan-telo Volana (anglisy), Janoary 1992, pejy faha-21.