Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatalanjona Anao Foana ve ny Asan’i Jehovah?

Mahatalanjona Anao Foana ve ny Asan’i Jehovah?

Mahatalanjona Anao Foana ve ny Asan’i Jehovah?

VOAMARIKAO ve fa talanjona foana ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly, rehefa nahita ny asa sy ny toetran’Andriamanitra? “Mahatalanjona ny nanaovana ahy”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 139:14) Nanoratra i Isaia mpaminany hoe: “Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao.” (Isaia 25:1) Azo antoka fa talanjona sy nahatsapa tahotra miharo fanajana koa ny apostoly Paoly, rehefa niteny hoe: “Lalina tokoa ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”​—Romanina 11:33.

Ny hoe talanjona dia azo faritana hoe fihetseham-po vokatry ny zavatra tsy nampoizina, tsy fahita, na tsy hay hazavaina. Mety ho azo adika koa izy io hoe gaga rehefa mahita zavatra mahafinaritra na mahaliana.

Tsy mahafinaritra ve ny mijery ankizy kely talanjona, ka mihiratra be ny masony, satria mahita na mahatsapa na mandre zava-baovao? Mahatalanjona azy ilay zavatra, ka tiany ho fantatra bebe kokoa. Mampalahelo anefa fa mihena io fihetseham-po io, rehefa mandeha ny fotoana.

Lalim-paka sady naharitra tao amin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly voaresaka etsy ambony anefa izy io. Fa nahoana? Satria nisaintsaina sy nankasitraka ny asan’Andriamanitra izy ireo, ka nahatalanjona azy ireo foana izany. Nivavaka ny mpanao salamo hoe: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra; ny asan’ny tànanao no eritreretiko.”​—Salamo 143:5.

Tena mendri-piderana ny mpivavaka amin’Andriamanitra ankehitriny, satria talanjona amin’ny asany foana! Ary ianao? Mahatalanjona anao foana ve ny asan’i Jehovah?