Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miomàna ho Amin’ny Andron’i Jehovah

Miomàna ho Amin’ny Andron’i Jehovah

Miomàna ho Amin’ny Andron’i Jehovah

‘Miomàna ianareo, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.’​—MATIO 24:44.

1. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny andron’i Jehovah?

HO ANDRON’NY ady sy fahatezerana izany andro izany, andro fahalahelovana sy fahoriana, andro maizina sy fandravana. Toy ny Safodrano izay nandringana ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa, dia azo antoka fa ho avy handringana ity tontolo ratsy ity io andron’i Jehovah io, “izay sady lehibe no mahatsiravina.” Tsy ho azo ialana izy io. Kanefa “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra.” (Joela 3:3-5; Amosa 5:18-20) Handringana ny fahavalony Andriamanitra, ary hamonjy ny vahoakany. Dodona i Zefania mpaminany nanambara hoe: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.” (Zefania 1:14) Rahoviana anefa io didim-pitsaran’Andriamanitra io no hihatra?

2, 3. Nahoana isika no mila miomana ho amin’ny andron’i Jehovah?

2 Hoy i Jesosy: “Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36) Koa satria tsy fantatsika hoe rahoviana marina no hahatongavan’izany, dia ilaintsika ny manaraka ny andinin-teny ho an’ny taona 2004, hoe: “Miambena hatrany . . . Miomàna.”​—Matio 24:42, 44.

3 Nasehon’i Jesosy fa amin’ny fotoana tsy ampoizina, dia hovorina sy harovana ny olona efa vonona, fa ny hafa kosa hafoy. Hoy izy: “Hisy roa lahy any an-tsaha: Ny iray hoentina ary ny iray havela. Hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary: Ny iray hoentina ary ny iray havela.” (Matio 24:40, 41) Hanao ahoana isika tsirairay amin’io fotoan-dehibe io? Ho vonona ve isika, sa hanampoka antsika io andro io? Miankina be dia be amin’ny zavatra ataontsika ankehitriny izany. Mba hiomanantsika ho amin’ny andron’i Jehovah, dia misy toe-tsaina fahita ankehitriny izay tokony hohalavirintsika. Tokony hiady amin’ny faharendremana ara-panahy koa isika, ary hanalavitra fomba fiaina sasany.

Mitandrema sao lasa tsy miraika

4. Nanao ahoana ny toe-tsain’ny olona tamin’ny andron’i Noa?

4 Eritrereto ny andron’i Noa. Hoy ny Baiboly: “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambo fiara hamonjena ny ankohonany.” (Hebreo 11:7) Hafakely ilay sambo fiara sady mora tazana. “Mpitory ny fahamarinana” koa i Noa. (2 Petera 2:5) Tsy nampiova ny mpiara-belona taminy anefa na ny fanamboarany ilay sambo fiara, na ny fitoriany. Nahoana? Satria “nihinana sy nisotro” izy ireo, ary “nampaka-bady sy navoaka hampakarina.” Variana be tamin’ny fiainany sy ny fahafinaretana ny olona nitorian’i Noa, ka ‘tsy niraharaha mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.’​—Matio 24:38, 39.

5. Nanao ahoana ny toe-tsain’ny mponina tany Sodoma tamin’ny andron’i Lota?

5 Toy izany koa ny tamin’ny andron’i Lota. Hoy ny Soratra Masina: “Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly ary nanorina trano. Fa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.” (Lioka 17:28, 29) Nambaran’i Lota tamin’ny vinantolahiny ny zavatra hitranga, rehefa avy nampitandrina azy ny anjely fa efa mananontanona ny fandringanana. “Tahaka ny mpanao vazivazy” anefa no niheveran’izy ireo azy.​—Genesisy 19:14.

6. Inona no toe-tsaina tsy maintsy halavirintsika?

6 Ho toy ny tamin’ny andron’i Noa sy Lota “ny fanatrehan’ny Zanak’olona”, hoy i Jesosy. (Matio 24:39; Lioka 17:30) Tsy miraika koa ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hifindran’izany toe-tsaina izany. Tsy misy maha ratsy ny mihinana sakafo matsiro sy ny misotro zava-pisotro misy alkaola amim-pahalalana onony. Andriamanitra mihitsy koa no nanao ny fanambadiana. Kanefa tena vonona ho amin’ny androny mahatahotra ve isika, raha ireo zavatra ireo no lasa mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika, ka lasa an-tsirambina ny zavatra ara-panahy?

7. Inona no fanontaniana ilaintsika hoeritreretina, alohan’ny hanaovan-javatra, ary nahoana?

7 “Efa kely sisa ny fotoana tavela”, hoy ny apostoly Paoly, ka “manomboka izao, dia aoka izay manambady ho toy ny tsy manana.” (1 Korintianina 7:29-31) Tsy manana afa-tsy fotoana kely sisa isika hamitana ny asa fitoriana, izay nankinin’Andriamanitra tamintsika. (Matio 24:14) Nananatra ny mpivady mihitsy aza i Paoly mba tsy ho variana loatra amin’ny vadiny, ka ho lasa ambanin-javatra ilay Fanjakana. Nampirisika antsika hanao zavatra mifanohitra amin’izany kosa izy. Hoy i Jesosy: ‘Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakana sy ny fahamarinan’[Andriamanitra].’ (Matio 6:33) Na inona na inona fanapahan-kevitra horaisintsika, na zavatra kasaintsika hatao, dia mila manontany tena isika hoe: ‘Mbola ho loha laharana eo amin’ny fiainako foana ve ilay Fanjakana, raha manao izany aho?’

8. Inona no tokony hataontsika, raha lasa variana amin’ny fiainana andavanandro isika?

8 Ahoana kosa raha tsapantsika fa efa revo amin’ny fiainana andavanandro isika izao, ka manadino tanteraka ny zavatra ara-panahy? Zara raha misy fahasamihafany ve ny fomba fiainantsika sy ny fomba fiainan’ny mpiara-belona amintsika, izay tsy manana ny fahalalana marina tsara ny Soratra Masina, sady tsy mpitory ilay Fanjakana? Raha izany no izy, dia mila ataontsika antom-bavaka izany. Afaka manampy antsika hanana ny toe-tsaina mety i Jehovah. (Romanina 15:5; Filipianina 3:15) Afaka manampy antsika izy hanao ilay Fanjakana ho loha laharana foana eo amin’ny fiainantsika, sy hanao ny tsara, ary hanefa ny adidintsika aminy.​—Romanina 12:2; 2 Korintianina 13:7.

Miadia amin’ny faharendremana ara-panahy

9. Nahoana isika no mila miady amin’ny faharendremana ara-panahy, araka ny Apokalypsy 16:14-16?

9 Mety hisy tsy hiambina, araka ny voalazan’ilay faminaniana momba ny Hara-magedona na ny ‘adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay manana ny Hery Fara Tampony.’ “Indro, avy toy ny mpangalatra aho”, hoy i Jesosy Kristy Tompo. “Sambatra izay miambina hatrany ka mbola eny aminy ihany ny akanjony ivelany, mba tsy handeha mitanjaka izy ka ho hitan’ny olona ny fahamenarany.” (Apokalypsy 16:14-16) Ny famantarana antsika ho Kristianina sady Vavolombelon’i Jehovah no atao hoe akanjo ivelany eto. Tafiditra amin’izany ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy ny fitondran-tena tsarantsika. Mety tsy ho hita intsony izay amantarana antsika ho Kristianina, raha tsy mandray anjara amin’ny fanompoana isika. Mahamenatra sy mety hampidi-doza izany. Tsy maintsy miady amin’ny faharendremana na ny fahalainana ara-panahy àry isika. Inona anefa no hanampy antsika?

10. Nahoana ny famakiana Baiboly isan’andro no hahatonga antsika ho mailo eo amin’ny lafiny ara-panahy?

10 Imbetsaka ny Baiboly no manantitrantitra fa ilaina ny miambina sy misaina tsara hatrany. Mampahatsiahy antsika, ohatra, ny Filazantsara hoe: “Miambena hatrany” (Matio 24:42; 25:13; Marka 13:35, 37), ‘miomàna ianareo’ (Matio 24:44), “mitandrema hatrany sy miambena hatrany” (Marka 13:33), ary ‘aoka ho vonona lalandava’ (Lioka 12:40). Rehefa avy nilaza i Paoly fa ho avy tampoka eto amin’ity tontolo ity ny andron’i Jehovah, dia nampirisika ny mpiray finoana taminy izy hoe: ‘Aoka isika tsy hatory toy ny hafa, fa aoka kosa hifoha hatrany ary hisaina tsara.’ (1 Tesalonianina 5:6) Ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, dia antitranterin’i Kristy Jesosy nomem-boninahitra, fa ho avy tampoka izy. Hoy izy: “Ho avy haingana aho.” (Apokalypsy 3:11; 22:7, 12, 20) Maro ny mpaminany hebreo nilazalaza ny amin’ny andro fitsaran’i Jehovah, sady nanome fampitandremana momba izany. (Isaia 2:12, 17; Jeremia 30:7; Joela 2:11; Zefania 3:8) Tena ho mailo eo amin’ny lafiny ara-panahy foana isika, rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro sy misaintsaina izay vakintsika.

11. Nahoana isika no mila mianatra samirery ny Baiboly, raha te hifoha eo amin’ny lafiny ara-panahy?

11 Tena hampifoha antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fahazotoana mianatra samirery ny Soratra Masina, amin’ny alalan’ny boky ara-baiboly omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”! (Matio 24:45-47) Tsy handray soa avy amin’ny fianarana samirery anefa isika, raha tsy manao fandrosoana sy mianatra tsy tapaka. (Hebreo 5:14–6:3) Tsy maintsy mihinana ventin-kanina ara-panahy tsy tapaka isika. Mety ho sarotra ny hahita fotoana hanaovana izany amin’izao andro izao. (Efesianina 5:15, 16) Tsy ampy anefa raha amin’ny fotoana mety amintsika ihany isika vao mamaky Baiboly sy boky ara-baiboly. Ilaintsika ny mianatra samirery tsy tapaka, mba “hatanjaka amin’ny finoana”, sy hiambina hatrany.​—Titosy 1:13.

12. Nahoana ny fivoriana sy ny fivoriambe kristianina no manampy antsika hiady amin’ny faharendremana ara-panahy?

12 Manampy antsika hiady amin’ny faharendremana ara-panahy koa ny fivoriana sy ny fivoriambe kristianina. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny fampianarana raisintsika any. Moa ve tsy ampahatsiahivina antsika matetika mandritra ireny fivoriana ireny, fa efa akaiky ny andron’i Jehovah? Afaka ‘mifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’ koa isika mandritra ny fivoriana atao isan-kerinandro. Mampifoha antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy izany fandrisihana izany. Tsy mahagaga àry raha didiana hivory tsy tapaka isika, satria ‘hitantsika fa manakaiky ny andro.’​—Hebreo 10:24, 25.

13. Nahoana ny fanompoana no manampy antsika hifoha hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy?

13 Mampifoha antsika hatrany koa ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana amin’ny fo manontolo. Tsy ny firesahana momba ny famantarana ny fotoana voatondro sy ny heviny ve no fomba tsara indrindra hitadidiana izany? Ary rehefa mandroso ny olona ampianarintsika Baiboly, sady manomboka mampihatra ny zavatra ianarany, dia vao mainka isika miaiky fa efa akaiky ny farany. Hoy ny apostoly Petera: “Hatanjaho hiatrika asa ny sainareo, ary aoka ho mailo tsara foana ianareo.” (1 Petera 1:13) Tsy ho renoka eo amin’ny lafiny ara-panahy isika, raha “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.”​—1 Korintianina 15:58.

Halaviro ny fomba fiaina manimba ny fihavanana amin’Andriamanitra

14. Fomba fiaina manao ahoana no nasain’i Jesosy halavirintsika, araka ny Lioka 21:34-36?

14 Nanome fampitandremana iray hafa i Jesosy, rehefa nilaza ilay faminaniana lehibe momba ny fanatrehany. Hoy izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) Mahalaza tsara ny fomba fiainan’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny ireo tenin’i Jesosy ireo: manaram-po amin’ny sakafo sy mimamo izy ireo, ary manana fomba fiaina miteraka fanahiana.

15. Nahoana isika no tsy tokony hanaram-po amin’ny sakafo sy ny fisotroana?

15 Mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fihinanana sy ny fisotroana tafahoatra, ka tokony hohalavirina. Hoy ny Baiboly: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena.” (Ohabolana 23:20) Tsy voatery ho tonga amin’izany anefa ny fihinanana sy ny fisotroana, vao hampidi-doza. Mety haharendremana sy hahakamo izany, na dia mbola tsy tafahoatra aza. Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Ny fanahin’ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo.” (Ohabolana 13:4) Mety haniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona toy izany, nefa tsy mahavita, satria manao an-tsirambina.

16. Inona no tokony hataontsika, mba tsy hovesaran’ny fanahiana momba ny fianakaviantsika isika?

16 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe fanahiana eo amin’ny fiainana? Tafiditra amin’izany ny famelomana ny fianakaviana sy ny zavatra hafa mety hampanahy antsika. Tsy fahendrena mihitsy ny hamela ireo zavatra ireo hanavesatra antsika! Nanontany i Jesosy hoe: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?” Nananatra ny mpihaino azy izy hoe: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” Raha ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainantsika ilay Fanjakana, sady matoky isika fa hanome izay ilaintsika i Jehovah, dia tsy hanahy be loatra isika, ary ho afaka hiambina hatrany.​—Matio 6:25-34.

17. Nahoana ny fitadiavam-bola tafahoatra no mety hiteraka fanahiana?

17 Mety hiteraka fanahiana koa ny fitadiavam-bola tafahoatra. Manasarotra ny fiainany, ohatra, ny sasany, rehefa mividy zavatra tsy takatry ny volany. Misy koa ny voasariky ny fomba hahazoam-bola be haingana, sy ny raharaham-barotra tsy azo antoka. Voafandrika ny hafa, rehefa nanao fianarana ambony mba ho tafita eo amin’ny fiainana. Marina fa misy fari-pahaizana ilaina mba hahitana asa. Kanefa nanimba ny fihavanany tamin’Andriamanitra ny sasany, rehefa nanao fianarana ambony, izay naka fotoana be. Tena mety hampidi-doza izany, satria efa akaiky ny andron’i Jehovah! Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.”​—1 Timoty 6:9.

18. Tsy maintsy miezaka hahay hanao inona isika, mba tsy ho variana mitady vola?

18 Mba tsy ho variana mitady vola, dia mila mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy isika rehefa hanapa-kevitra. Hahay hanao izany isika, raha mandray tsy tapaka ny ‘ventin-kanina ara-panahy, izay natao ho an’ny olona matotra’, sy ‘mizatra mampiasa ny fahaizantsika misaina.’ (Hebreo 5:13, 14) Tsy hanao safidy ratsy koa isika, raha mamantatra tsara “izay zava-dehibe kokoa”, rehefa mamaritra izay tokony hatao loha laharana.​—Filipianina 1:10.

19. Inona no tokony hatao, raha hitantsika fa zara raha manam-potoana hanaovana zavatra ara-panahy isika?

19 Mety hanajamba antsika ny fitadiavam-bola tafahoatra, ka ho zara raha hanam-potoana hanaovana zavatra ara-panahy isika, na tsy hanam-potoana amin’izany mihitsy aza. Inona no hanampy antsika handini-tena, sy hitandrina mba tsy ho tonga amin’izany? Ilaintsika ny mivavaka sy mandinika hoe ahoana no azontsika anatsorana ny fiainantsika, ary inona avy no azo tsorina. Hoy i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny: “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:11) Lany fotoana sy hery ve isika ikarakarana ny fananantsika sasany, izay tsy tena ilaina? Rehefa be mantsy ny fananantsika, dia vao mainka isika mila mikojakoja sy manao izay hiarovana azy ireny. Mety hahasoa antsika ve ny hanatsotra ny fiainantsika, ka tsy hitahiry ny entana sasany?

Tena mila miomana isika

20, 21. a) Inona no toky omen’ny apostoly Petera momba ny andron’i Jehovah? b) Inona no tsy maintsy ataontsika eo am-piomanana ho amin’ny andron’i Jehovah?

20 Nifarana ilay tontolo tamin’ny andron’i Noa, ary hifarana koa ity tontolo misy antsika ity. Manome toky antsika ny apostoly Petera hoe: ‘Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah. Amin’izany andro izany dia handalo haingana ny lanitra, ka ho toy ny sioka ny fandrenesana ny fandalovany. Fa ho levona ireo singan-javatra efa mahamay be, ary hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy.’ Noho ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra, dia ho ringana ny lanitra ara-panoharana, na ny fitondram-panjakana ratsy fanahy, ary koa ny tany ara-panoharana, dia ny olombelona tafasaraka amin’Andriamanitra. Manazava izay tokony hataontsika mba hiomanana ho amin’izany andro izany i Petera, rehefa nanontany hoe: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah?”​—2 Petera 3:10-12.

21 Anisan’ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana kristianina sy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Enga anie isika hanao izany amin’ny fo manontolo, eo am-piandrasana ny andro lehiben’i Jehovah. Aoka isika ‘hanao izay rehetra azontsika atao mba ho hitan’[Andriamanitra], amin’ny farany, fa tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana isika.’​—2 Petera 3:14.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony hiomana ho amin’ny andron’i Jehovah?

• Inona no tokony hataontsika, raha lasa revo amin’ny fiainana andavanandro isika?

• Inona no hanampy antsika hiady amin’ny faharendremana ara-panahy?

• Fomba fiaina manao ahoana no manimba ny fihavanana amin’Andriamanitra, ka tsy maintsy halavirintsika, ary ahoana no hanaovantsika izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20, 21]

Tsy niraharaha ilay fandringanana nananontanona ny olona tamin’ny andron’i Noa. Ary ianao?

[Sary, pejy 23]

Afaka manatsotra ny fiainanao ve ianao, mba hanananao fotoana bebe kokoa hanaovana zavatra ara-panahy?