Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ny Rehetra Hitory ny Voninahitr’i Jehovah

Aoka ny Rehetra Hitory ny Voninahitr’i Jehovah

Aoka ny Rehetra Hitory ny Voninahitr’i Jehovah

“Manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany.”​—SALAMO 96:7, 8.

1, 2. Inona no midera an’i Jehovah, ary iza no ampirisihina hiara-manao izany aminy?

ANKIZILAHY mpiandry ondry teny amin’ny manodidina an’i Betlehema i Davida, zanak’i Jese. Azo antoka fa nibanjina matetika ny lanitra midadasika feno kintana izy, rehefa niandry ny ondrin-drainy tamin’ny alina mangina, tany amin’ireo kijana tsy nisy olona! Tsy maintsy ho nitamberina tao an-tsainy ny zavatra niavaka hitany tamin’izany, rehefa nahazo ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy, ka namorona sy nihira ireo teny kanto ao amin’ny Salamo faha-19. Hoy izy: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao.”​—Salamo 19:1, 4.

2 Mitory ny voninahitr’i Jehovah andro aman’alina ny lanitra mahatalanjona noforoniny, nefa tsy miteny na mamoaka feo. Tsy mitsahatra manambara ny voninahitr’Andriamanitra ny zavaboary. Ary mampanetry tena ny mandinika ny fanaovan’izy ireo izany “amin’ny tany rehetra” mba ho hitan’ny mponina rehetra. Tsy ampy anefa ny fanomezam-boninahitra ataon’ireo zavaboary tsy miteny. Ampirisihina koa ny olona mahatoky hiara-manao izany amin’izy ireo, amin’ny feo avo. Nasain’Andriamanitra nanoratra ireto teny ireto ho an’ny mpivavaka mahatoky, ny mpanao salamo tsy voalaza anarana: “Manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany.” (Salamo 96:7, 8) Tena faly mamaly izany antso izany ireo mifandray akaiky amin’i Jehovah. Inona anefa no dikan’ny hoe manome voninahitra an’Andriamanitra?

3. Nahoana ny olona no manome voninahitra an’Andriamanitra?

3 Tsy ampy fotsiny ny midera azy amin’ny teny. Nankalaza an’Andriamanitra an-tendro-molotra ny ankamaroan’ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia, fa tsy tamin’ny fony. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony.” (Isaia 29:13) Very maina ny fiderana nataon’izy ireo. Mba hampisy heviny ny teny fiderana, dia tsy maintsy vokatry ny fo feno fitiavana an’i Jehovah izy io, ary avy amin’ny fiekena amim-pahatsorana fa tsy manan-tsahala ny voninahiny. I Jehovah irery no Mpamorona. Izy no manana ny hery fara tampony, sy tena mpanao ny rariny. Mampiseho fitiavana amin’ny fomba lavorary koa izy. Avy aminy ny famonjena antsika, ary izy no manana ny zo ho Mpanjaka, ka tokony hankatoavin’ny zavamananaina rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. (Apokalypsy 4:11; 19:1) Aoka àry isika hanome voninahitra azy amin’ny fontsika manontolo, raha tena inoantsika izany rehetra izany.

4. Inona no natoron’i Jesosy ny amin’ny fomba anomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ary ahoana no anarahantsika ny teniny?

4 Natoron’i Jesosy Kristy antsika ny fomba anomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.” (Jaona 15:8) Inona no tokony hatao mba hamoazana be? Voalohany, tokony hitory ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” amin’ny fo manontolo isika, ary ‘hiara-manambara’ amin’ny zavaboary rehetra ny ‘toetran’Andriamanitra tsy hita maso.’ (Matio 24:14; Romanina 1:20) Rehefa manao izany isika, dia mandray anjara mivantana na tsy mivantana amin’ny fanaovana mpianatra, ka ho mafy kokoa ny hira fiderana ho an’i Jehovah Andriamanitra. Faharoa, tokony hiezaka haneho ny vokatry ny fanahy masina isika, ary hanahaka ny toetra tsara dia tsaran’i Jehovah Andriamanitra. (Galatianina 5:22, 23; Efesianina 5:1; Kolosianina 3:10) Vokatr’izany, dia hanome voninahitra azy ny fitondran-tenantsika isan’andro.

“Eran-tany”

5. Ahoana no nanasongadinan’i Paoly fa andraikitry ny Kristianina ny miresaka momba ny finoany, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra?

5 Nasongadin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, fa andraikitry ny Kristianina ny miresaka momba ny finoany, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Ny votoatin’ilay taratasy dia hoe ireo mino an’i Jesosy Kristy ihany no ho voavonjy. Nohazavain’i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-10, fa mbola nanaraka ny Lalàn’i Mosesy ihany ny Jiosy mba hahatongavana ho olo-marina, nefa “Kristy no faran’ny Lalàna.” Nilaza àry izy hoe: “Raha ambaranao ampahibemaso izany ‘teny eo am-bavanao’ izany ka lazainao fa Jesosy no Tompo, ary inoanao ao am-po fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.” Nanomboka hatreo, dia ‘tsy nisy fahasamihafana ny Jiosy sy ny Grika. Iray ihany mantsy ny Tompo izay ambonin’izy rehetra, sady manome be dia be ho an’izay rehetra miantso azy. Fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”’​—Romanina 10:4, 9-13.

6. Ahoana no nanazavan’i Paoly ny Salamo 19:4?

6 Nanontany i Paoly avy eo hoe: ‘Hataon’izy ireo ahoana no fiantso izay tsy inoany? Ary hataony ahoana no fino izay olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mitory?’ (Romanina 10:14) Hoy izy momba ny Israelita: “Tsy izy rehetra no nankatò ny vaovao tsara.” Fa nahoana? Satria tsy ampy finoana izy ireo, fa tsy hoe tsy nahare ny vaovao tsara akory. Nanaporofo izany i Paoly, rehefa naka teny tao amin’ny Salamo 19:4. Nasehony fa mahakasika ny fitoriana ataon’ny Kristianina ireo teny ireo, fa tsy ny fanomezam-boninahitra avy amin’ny zavaboary tsy miteny. Hoy izy: “Raha ny marina, dia ‘efa nivoaka eran-tany ny feony, ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany onenana ny teny nolazainy.’” (Romanina 10:16, 18) Toy ireo zavaboary tsy mananaina izay manome voninahitra an’i Jehovah, dia nitory ny vaovao tsaran’ny famonjena hatraiza hatraiza koa ny Kristianina voalohany, ka nidera an’Andriamanitra “eran-tany.” Niresaka ny amin’ny fielezan’ny vaovao tsara koa i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina. Nilaza izy fa notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” izy io.​—Kolosianina 1:23.

Vavolombelona nazoto

7. Inona no nolazain’i Jesosy fa andraikitry ny Kristianina?

7 Azo inoana fa 27 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, no nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Kolosianina. Ahoana no nielezan’ny fitoriana hatrany Kolosia, tao anatin’izany fotoana somary fohifohy izany? Satria nazoto ireo Kristianina voalohany, ka notahin’i Jehovah. Nilaza mialoha i Jesosy fa hazoto hitory ny mpanara-dia azy, rehefa niteny izy hoe: “Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10) Nanome izao didy izao koa izy, araka ny andininy farany amin’ny Filazantsaran’i Matio: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Nanomboka nanatanteraka ireo teny ireo ny mpanara-dia azy, taoriana kelin’ny niakarany tany an-danitra.

8, 9. Ahoana no nandraisan’ny Kristianina ny didin’i Jesosy, araka ny Asan’ny Apostoly?

8 Ny fitoriana no zavatra voalohany nataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy, taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Nandeha nilaza “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” tamin’ny vahoaka tao Jerosalema, ireo mpianatra nahatoky ireo. Tena nahomby ny asa fitorian’izy ireo, satria “tokony ho telo arivo” no natao batisa. Nazoto nidera an’Andriamanitra ampahibemaso hatrany ny mpianatra, ka nahazo vokatra tsara.​—Asan’ny Apostoly 2:4, 11, 41, 46, 47.

9 Tsy ela dia voamariky ny mpitondra fivavahana ny asan’ireo Kristianina ireo. Sosotra izy ireo nahita ny fahasahian’i Petera sy Jaona, ka nandrara azy tsy hitory. Namaly ireo apostoly ireo hoe: “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” Norahonana àry i Petera sy Jaona, ary nafahana avy eo. Niverina tany amin’ireo rahalahiny izy, ary niara-nivavaka izy rehetra. Nisikina herim-po izy ireo ary nangataka tamin’i Jehovah hoe: “Ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana.”​—Asan’ny Apostoly 4:13, 20, 29.

10. Inona no fanoherana nihatra tamin’ny tena Kristianina, nefa ahoana no nataon’izy ireo?

10 Hita tatỳ aoriana fa nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah io vavaka io. Nosamborina ireo apostoly, nefa nafahan’ny anjely tamin’ny fomba nahagaga. Hoy ilay anjely tamin’izy ireo: “Mandehana, ka mijoroa ao amin’ny tempoly, ary aza mitsahatra mitory amin’ny olona ny teny rehetra momba izany fiainana izany.” (Asan’ny Apostoly 5:18-20) Notahin’i Jehovah hatrany ireo apostoly, satria nankatò azy. Noho izany, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.” (Asan’ny Apostoly 5:42) Tena tsy nahasakana ny mpanara-dia an’i Jesosy tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra ampahibemaso, ny fanoherana mafy.

11. Ahoana no niheveran’ny Kristianina voalohany ny asa fitoriana?

11 Tsy ela dia nosamborina i Stefana ary notoraham-bato ho faty. Nampirongatra ny fanenjehana nivaivay tany Jerosalema izany, ka voatery niparitaka tany ivelan’ilay tanàna ny mpianatra rehetra, afa-tsy ny apostoly. Nahakivy azy ireo ve ilay fanenjehana? Tsia! Izao no vakintsika: “Izay niparitaka kosa dia namakivaky an’ilay faritra, ka nitory ny vaovao tsaran’ny teny masina.” (Asan’ny Apostoly 8:1, 4) Niharihary foana izany zotom-po tamin’ny fanambarana ny voninahitr’Andriamanitra izany. Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-9, fa nankany Damaskosy ilay Fariseo atao hoe Saoly avy any Tarsosy, mba hanenjika ny mpianatr’i Jesosy tany. Nahazo fahitana momba an’i Jesosy anefa izy teny an-dalana, ka lasa jamba. Nampahiratra azy tamin’ny fomba mahagaga i Ananiasy tany Damaskosy. Inona no zavatra voalohany nataon’i Saoly, izay nantsoina hoe apostoly Paoly tatỳ aoriana? Hoy ny fitantarana: ‘Avy hatrany dia nitory tany amin’ny synagoga izy ka nilaza fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra.’​—Asan’ny Apostoly 9:20.

Nitory avokoa ny rehetra

12, 13. a) Inona no nolazain’ny mpahay tantara momba ny Kristianina voalohany? b) Asehoy fa mifanaraka amin’ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly sy Paoly, ny tenin’ireo mpahay tantara ireo.

12 Eken’ny maro fa nitory daholo ny Kristianina voalohany. Izao no nosoratan’i Philip Schaff momba azy ireo: “Voalamina mba hanao ny asa misionera ny fiangonana rehetra, ary misionera ny Kristianina tsirairay.” (Tantaran’ny Fivavahana Kristianina, anglisy) Hoy i W. Williams: ‘Voamarina fa nitory ny filazantsara ny Kristianina rehetra teo anivon’ny Fiangonana voalohany, indrindra fa ireo nahazo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy.’ (Ny Fitoriana Be Voninahitry ny Mpivavaka Tsotra, anglisy) Manizingizina koa izy hoe: “Tsy natokan’i Jesosy Kristy mihitsy ho an’ny mpitondra fivavahana sasany fotsiny ny tombontsoa hitory.” Na i Celsus, izay nanohitra ny Kristianisma taloha aza, dia nanoratra hoe: “Nazoto nitory ny filazantsara ny mpanenona volonondry, mpanao kiraro, mpanao hoditra, ary ny olona faran’izay tsotra sy tsy nahita fianarana.”

13 Manamarina izany ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Nanambara ampahibemaso ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ny mpianatra rehetra, na lahy na vavy, taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Taorian’ny fanenjehana nanaraka ny famonoana an’i Stefana, dia nampiely ny vaovao tsara hatraiza hatraiza ny Kristianina rehetra izay niparitaka tany ivelan’i Jerosalema. Rehefa afaka 28 taona teo ho eo, dia ny Kristianina hebreo rehetra no nanoratan’i Paoly ireto teny ireto, fa tsy ny mpitondra fivavahana vitsivitsy ihany: “Aoka foana isika hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.” (Hebreo 13:15) Nilaza ny heviny momba ny asa fitoriana koa izy, nanao hoe: “Koa raha mitory ny vaovao tsara aho, dia tsy misy antony ireharehako, fa tsy maintsy manao izany aho. Lozako tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” (1 Korintianina 9:16) Niombon-kevitra taminy ny Kristianina voalohany nahatoky rehetra.

14. Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny fitoriana?

14 Tena tokony hitory àry ny tena Kristianina, satria mifamatotra tsy afa-misaraka amin’izany ny finoany. Hoy i Paoly: “Amin’ny fo no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.” (Romanina 10:10) Olom-bitsy toy ny mpitondra fivavahana ihany àry ve no manam-pinoana, ka manana andraikitra hitory? Mazava ho azy fa tsy izany no izy! Samy miezaka hanana finoana matanjaka an’i Jesosy Kristy Tompo daholo ny tena Kristianina, hany ka voatosika hanambara ampahibemaso ny finoany. Maty ny finoany raha tsy izany. (Jakoba 2:26) Koa satria nampiseho ny finoany tamin’izany fomba izany ny Kristianina voalohany nahatoky rehetra, dia nanakoako ny fiderana ny anaran’i Jehovah.

15, 16. Manomeza ohatra ampisehoana fa nandroso ny asa fitoriana, na dia nisy aza ny olana.

15 Notahin’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny taonjato voalohany, ka nisy ny fitomboana na dia nisy olana aza teo anivon’ny fiangonana sy tany ivelany. Voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-6, ohatra, fa tsy nifanaraka ny mpino niteny hebreo sy ny mpino niteny grika. Nalamin’ireo apostoly anefa ilay olana, hany ka “tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema, ary mpisorona maro be no nanjary nanaiky ny finoana.”​—Asan’ny Apostoly 6:7.

16 Tatỳ aoriana, dia nisy adilahy politika teo amin’i Heroda Agripa, Mpanjakan’i Jodia, sy ny mponin’i Tyro sy Sidona. Nandokadoka an’i Heroda ireo mponina ireo rehefa nangataka fihavanana taminy. Noho izany, dia nikabary tamin’ny vahoaka i Heroda, ka niantsoantso mafy ireo olona tafavory hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” Teo no ho eo ihany, dia namely an’i Heroda Agripa ny anjelin’i Jehovah ka maty izy, satria “tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 12:20-23) Ankona ireo nametraka ny fitokisany tamin’ny mpitondra olombelona! (Salamo 146:3, 4) Nanome voninahitra an’i Jehovah foana anefa ny Kristianina. ‘Nitombo sy niely hatrany àry ny tenin’i Jehovah’, na dia tsy nilamina aza ny toe-draharaha politika.​—Asan’ny Apostoly 12:24.

Taloha sy ankehitriny

17. Inona no nataon’ireo olona nanatevin-daharana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany?

17 Nazoto nidera an’i Jehovah Andriamanitra tokoa ny Kristianina naneran-tany tamin’ny taonjato voalohany. Nampiely ny vaovao tsara ny Kristianina nahatoky rehetra. Nisy tamin’izy ireo tojo olona nandray tsara, ka nampianatra azy ireo hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy. (Matio 28:19, 20) Nitombo àry ny fiangonana, ary nihabetsaka hatrany ireo olona nidera an’i Jehovah, sahala amin’i Davida Mpanjaka fahiny. Miombon-kevitra amin’ireto teny ireto izy rehetra: “Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. Fa lehibe ny famindramponao amiko.”​—Salamo 86:12, 13.

18. a) Inona no maha samy hafa ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy ny Kristianisma Anarana ankehitriny? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Koa mampieritreritra àry ny tenin’ilay mpampianatra teolojia atao hoe Allison Trites. Nampitaha ny Kristianisma Anarana ankehitriny sy ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany izy. Hoy izy: ‘Misy fitomboana eo amin’ireo fivavahana amin’izao andro izao, rehefa manaiky ny fivavahan’ny ray aman-dreniny ny ankizy, na misy mpivavaka mifindra avy any amin’ny faritra hafa. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly anefa, dia ny olona lasa Kristianina mihitsy no nampisy ny fitomboana, satria vao nanomboka ny asan’ny fiangonana tamin’izany.’ Midika ve izany fa tsy misy mpianatra vaovao intsony tonga manatevin-daharana ny tena Kristianina, araka ny nolazain’i Jesosy hoe tokony hitranga? Tsy izany velively! Mazoto midera an’Andriamanitra ampahibemaso ny tena Kristianina ankehitriny, tsy misy hafa amin’ny Kristianina voalohany ihany. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

Hainao Hazavaina Ve?

• Amin’ny fomba ahoana avy no anomezantsika voninahitra an’Andriamanitra?

• Ahoana no nanazavan’i Paoly ny Salamo 19:4?

• Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny fitoriana?

• Inona no tsara homarihina momba ny fiangonana kristianina voalohany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8, 9]

Manambara tsy tapaka ny voninahitr’i Jehovah ny lanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin

[Sary, pejy 10]

Mifandray akaiky ny asa fitoriana sy ny vavaka