Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana I

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana I

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy​—Fizarana I

NY HOE “Genesisy” dia midika hoe “fiandohana” na “fahaterahana.” Mety tsara amin’ilay boky io anarana io satria resahina ao ny niandohan’izao rehetra izao, ny nanomanana ny tany mba ho fonenan’ny olona, ary ny nampisy ny olona teto an-tany. Nosoratan’i Mosesy tany an’efitr’i Sinay ilay boky, ary angamba vitany tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy.

Resahin’ny bokin’ny Genesisy amintsika ny amin’ilay tontolo talohan’ny Safodrano sy ny zava-nitranga taorian’izany, ary ny fomba nifandraisan’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa. Hiresaka hevitra misongadina avy ao amin’ny Genesisy 1:1–11:9 ity lahatsoratra ity, izany hoe talohan’ny fotoana nifandraisan’i Jehovah tamin’i Abrahama.

ILAY TONTOLO TALOHAN’NY SAFODRANO

(Genesisy 1:1–7:24)

Tonga hatrany amin’ny arivo tapitrisa taona lasa ny teny fampidirana ny Genesisy hoe “tamin’ny voalohany.” Lazalazaina, toy ny mety ho nahitan’ny mpitazana olombelona azy, ny zava-nitranga nandritra ireo enina “andro” famoronana na fanaovana asa miavaka. Namorona ny olombelona Andriamanitra, teo amin’ny faran’ny andro fahenina. Tsy ela dia namoy ny paradisa izy ireo, satria tsy nankatò. Nanome fanantenana ho an’ny olombelona anefa i Jehovah. Niresaka momba ilay “taranaka”, izay hanafoana ny vokatry ny ota sy hanorotoro ny lohan’i Satana, ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly.

Voasarik’i Satana tsy hanompo an’Andriamanitra ny olona rehetra, nandritra ireo 1 600 taona nanaraka, afa-tsy ny olo-nahatoky vitsivitsy, toa an’i Abela sy Enoka ary Noa. Novonoin’i Kaina, ohatra, i Abela rahalahiny, izay olo-marina. Tamin’izany ny olona no nanomboka naniratsira rehefa ‘niantso ny anaran’i Jehovah.’ Ahitana taratry ny herisetra tamin’izany, ilay tononkalo noforonin’i Lameka. Nolazainy fa namono tovolahy iray izy, mba hiarovany ny tenany, hono. Niharatsy ny fiainana, satria naka vehivavy ho vadiny ny anjely tsy nankatò, ary niteraka olona goavam-be sy nahery setra nantsoina hoe Nefilima. Nanamboatra sambo fiara anefa i Noa, ary nampitandrina ny olona momba ilay Safodrano nananontanona. Tafavoaka velona tamin’ilay fandravana, izy sy ny fianakaviany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:16—Ahoana no nanomezan’Andriamanitra fahazavana tamin’ny andro voalohany, raha tamin’ny andro fahefatra izy vao nanao ny fanazavana? Tsy ilay teny hebreo nadika hoe “nahary” eo amin’ny Genesisy toko 1, andininy 1, 21, ary 27 no teny hebreo nadika hoe “nanao”, eo amin’ny andininy 16. Efa noforonina ela be talohan’ny nanombohan’ny “andro voalohany”, “ny lanitra” misy ireo fanazavana. Mbola tsy tody teto an-tany anefa ny fahazavan’izy ireny. “Nisy mazava” tamin’ny andro voalohany, satria namakivaky ny rahona ilay tara-pahazavana, ary nanjary tazana teto an-tany. Mihodina ny tany, ka nanomboka nisy ny andro sy ny alina. (Genesisy 1:1-3, 5) Mbola tsy tazana avy tetỳ an-tany kosa ny loharanon’ireny hazavana ireny. Nisy fiovana lehibe anefa nandritra ilay fe-potoana fahefatra tamin’ny famoronana. Nataon’Andriamanitra “hanazava eny ambonin’ny tany” ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. (Genesisy 1:17) ‘Nataony’ izay hahatazanana azy ireny avy eto an-tany.

3:8—Niresaka mivantana tamin’i Adama ve i Jehovah Andriamanitra? Resahin’ny Baiboly fa nampiasa anjely Andriamanitra matetika, rehefa niresaka tamin’ny olona. (Genesisy 16:7-11; 18:1-3, 22-26; 19:1; Mpitsara 2:1-4; 6:11-16, 22; 13:15-22) Ny Zanany lahitokana, antsoina hoe “ny Teny”, no mpitondra teniny lehibe indrindra. (Jaona 1:1) Azo inoana àry fa nampiasa “ny Teny” Andriamanitra, rehefa niresaka tamin’i Adama sy Eva.​—Genesisy 1:26-28; 2:16; 3:8-13.

3:17—Inona no dikan’ny hoe voaozona ny tany, ary naharitra hafiriana izany? Ilay fanozonana ny tany dia nidika hoe ho sarotra ny hamboly eo amin’izy io. Tsapan’ny taranak’i Adama ny vokatr’ilay ozona, mbamin’ny tsilo sy ny ahidratsy misy tsilo teo amin’ny tany. Izany no nahatonga an’i Lameka, rain’i Noa, hiresaka ny amin’ny “fisasaran’ny tànantsika noho ny tany izay voaozon’i Jehovah.” (Genesisy 5:29) Nitso-drano an’i Noa sy ny zanany lahy anefa i Jehovah taorian’ny Safodrano, ka nilaza ny fikasany hamenoan’izy ireo ny tany. (Genesisy 9:1) Toa foana tamin’izay àry ilay fanozonan’Andriamanitra ny tany.​—Genesisy 13:10.

4:15—Ahoana no ‘nanaovan’i Jehovah famantarana ho an’i Kaina’? Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nasiana famantarana na marika teo amin’ny vatan’i Kaina. Azo inoana kosa fa didy hentitra izy io. Fantatra sy notandreman’ny olon-kafa ilay didy, ka nisakana azy ireo tsy hamono an’i Kaina noho ny valy faty.

4:17—Taiza i Kaina no nahita ny vadiny? “Niteraka zazalahy sy zazavavy” maro i Adama. (Genesisy 5:4) Nanambady ny anabaviny na angamba ny iray tamin’ireo zanakavavin’ny iray tam-po taminy àry i Kaina. Tsy namela ny mpianadahy iray tam-po hifanambady anefa ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely tatỳ aoriana.​—Levitikosy 18:9.

5:24—Inona no dikan’ilay hoe ‘nentin’Andriamanitra’ i Enoka? Toa nisy nitady hamono i Enoka. Tsy navelan’Andriamanitra hampijalin’ny fahavalony anefa izy. Hoy i Paoly: ‘Nafindra toerana i Enoka mba tsy hahita fahafatesana.’ (Hebreo 11:5) Tsy midika akory izany hoe nalain’Andriamanitra ho any an-danitra izy, ary mbola velona tany. I Jesosy no voalohany niakatra ho any an-danitra. (Jaona 3:13; Hebreo 6:19, 20) Izao àry no mety ho dikan’ilay hoe ‘nafindra toerana i Enoka mba tsy hahita fahafatesana’: Nataon’Andriamanitra izay hahavariana be azy tamin’ny fahitana ara-paminaniana iray, ka nofaranany tamin’izay ny ainy. Tsy nijaly na ‘nahita fahafatesana’ teo an-tanan’ny fahavalony izy.

6:6—Inona no dikan’ilay hoe “nanenina” noho ny nanaovany ny olona i Jehovah? Ny teny hebreo nadika hoe “nanenina” eto, dia mampiseho fiovan’ny fihetsika na fikasana. Lavorary i Jehovah, ka tsy nanao fahadisoana rehefa namorona ny olona. Niova anefa ny fiheverany an’ilay taranaka ratsy fanahy nisy talohan’ny Safodrano. Tsy faly noho ny haratsiam-panahin’ireo izy, ka niova ho mpandringana olona, fa tsy Mpamorona intsony. Izay nanjary ratsy fanahy ihany anefa no noringaniny, satria notsimbininy ny ain’ny olona sasany.​—2 Petera 2:5, 9.

7:2—Inona no fototra nanavahana ny biby ho madio na tsy madio? Noho ilay biby natao fanatitra ho an’i Jehovah no nanavahana azy ho madio, fa tsy noho ilay biby azo nohanina akory. Tsy nihinana nofom-biby ny olona, talohan’ny Safodrano. Rehefa nisy ny Lalàn’i Mosesy vao nisy fanondroana hoe “madio”, na “tsy madio” ka tsy azo nohanina. Nifarana anefa ireny fameperana ireny, rehefa nofoanana ny Lalàn’i Mosesy. (Asan’ny Apostoly 10:9-16; Efesianina 2:15) Toa fantatr’i Noa hoe inona no mety hatao fanatitra, rehefa mivavaka amin’i Jehovah. “Nanorina alitara ho an’i Jehovah” izy, raha vao niala tao amin’ny sambo fiara, “ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ny alitara.”​—Genesisy 8:20.

7:11—Avy taiza ny rano nahatonga ilay Safodrano naneran-tany? Nisy rano teo “ambanin’ny habakabaka” sy teo “ambonin’ny habakabaka”, rehefa noforonina ny ‘habakabaky’ ny tany na atmosfera, nandritra ilay fotoam-pamoronana, na “andro”, faharoa. (Genesisy 1:6, 7) Ny rano “ambanin’ny habakabaka”, dia ireo rano efa teto ambonin’ny tany. Ny rano “ambonin’ny habakabaka” kosa, dia ny hamandoana be nihandrona teny amin’ny lanitra, izay tonga “loharano rehetra amin’ny lalina lehibe.” Niraraka teto ambonin’ny tany ireny rano ireny, tamin’ny andron’i Noa.

Lesona ho antsika:

1:26. Afaka manome taratry ny toetran’Andriamanitra ny olombelona, satria noforonina araka ny endriny. Tena tokony hiezaka isika mba ho be fitiavana, hamindra fo, ho tsara fanahy, ary hanam-paharetana, ka hanahaka an’ilay Mpamorona antsika.

2:22-24Fandaharan’Andriamanitra ny fanambadiana. Fatorana maharitra sy masina izy io, ary ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana.

3:1-5, 16-23Tsy maintsy manaiky ny zon’i Jehovah hitondra isika, raha te ho sambatra.

3:18, 19; 5:5; 6:7; 7:23Tanteraka foana ny tenin’i Jehovah.

4:3-7Nahafaly an’i Jehovah ny fanatitr’i Abela satria lehilahy marina sy nanam-pinoana izy. (Hebreo 11:4) Tsy nanam-pinoana kosa i Kaina, araka ny nasehon’ireo zavatra nataony. Ratsy ny asany sady feno fialonana sy fankahalana ary vonoan’olona. (1 Jaona 3:12) Tsy nasiany fiheverana firy ny fanatiny, sady natolony tamim-pahazarana fotsiny. Tokony hanao sorona fiderana ho an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika, sady hanana fihetsika mety sy fitondran-tena mahitsy.

6:22. Nataon’i Noa izay nandidian’Andriamanitra azy, na dia taona maro aza vao vita ilay sambo fiara. Notsimbinina àry izy sy ny fianakaviany, nandritra ilay Safodrano. Miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah, ary manome toromarika antsika amin’ny alalan’ny fandaminany. Mandray soa isika raha mihaino sy mankatò izany.

7:21-24Tsy mandringana ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy i Jehovah.

NIDITRA TAMIN’NY VANIM-POTOANA VAOVAO NY OLOMBELONA

(Genesisy 8:1–11:9)

Niditra tamin’ny vanim-potoana vaovao ny olombelona, rehefa rava ilay tontolo talohan’ny Safodrano. Navela hihinan-kena ny olona, nefa nodidiana mba hifady ny ra. Navelan’i Jehovah hohelohina ho faty ny mpamono olona, ary naoriny ilay fifanekena ny amin’ny avana, ka nampanantena izy fa tsy hisy Safodrano intsony. Nanjary razamben’ny olombelona rehetra ireo zanak’i Noa telo lahy. Tonga “mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah” kosa i Nimroda zafiafiny. Tsy niely eran-tany ny olona, fa nanapa-kevitra hanorina ny tanàna antsoina hoe Babela kosa, sady nanao tilikambo hampahalaza ny anarany. Nandamòka anefa ny fikasany, rehefa nataon’i Jehovah izay tsy nifankahazoan’ny fiteniny, ka niely eran-tany izy ireo.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

8:11—Taiza no nahazoan’ilay voromahailala ravin’oliva, raha noravan’ny Safodrano ny hazo rehetra? Zavatra roa no mety ho nitranga. Hazo mafy ny oliva, ka nety ho mbola velona volana vitsivitsy tao ambany rano, nandritra ilay Safodrano. Nety ho namoaka ravina indray ilay hazo oliva, rehefa nihena ny rano ka tafavoaka indray izy io. Nety ho avy amin’ny solofon-kazo nitsiry taorian’ny fihenan’ny rano koa, ilay ravina nentin’ilay voromahailala teo amin’i Noa.

9:20-25—Nahoana i Noa no nanozona an’i Kanana? Azo inoana fa meloka noho ny fanao vetaveta tamin’i Noa raibeny i Kanana. Tsy nanandrana nisakana izany i Hama, rain’i Kanana, na dia nanatri-maso ilay zava-nitranga aza, fa vao mainka aza nanely an’ilay resaka. Nanao zavatra kosa ireo zanakalahin’i Noa hafa, dia i Sema sy Jafeta, ka nandrakotra lamba ny rainy. Nahazo tso-drano izy ireo noho izany, fa voaozona kosa i Kanana. Nijaly noho ny henatra nanjo ny taranany i Hama.

10:25—Nahoana no nolazaina fa ‘nozaraina’ tamin’ny andron’i Palega ny tany? Velona tamin’ny 2269 ka hatramin’ny 2030 Talohan’i Kristy, i Palega. “Tamin’ny androny” i Jehovah no nanao izay tsy ifankahazoan’ny fitenin’ireo mpanorina an’i Babela, sy nampiely azy ireo ho eny ambonin’ny tany rehetra. (Genesisy 11:9) Tamin’ny andron’i Palega àry no “nizarana ny tany [na ny mponin’ny tany].”

Lesona ho antsika:

9:1; 11:9. Tsy misy tetika na ezak’olombelona afaka hampandamòka ny fikasan’i Jehovah.

10:1-32Mampifandray ny taranak’olombelona amin’i Adama, lehilahy voalohany, ireo tetirazana roa hita ao amin’ny toko 5 sy 10. Ny zanak’i Noa telo mirahalahy kosa no mampitohy ny olona taloha sy taorian’ny Safodrano. Taranak’i Sema ny Asyrianina, Kaldeanina, Hebreo, Syrianina, ary ny foko arabo sasany. Taranak’i Hama ny Etiopianina, Ejipsianina, Kananita, ary ny foko arabo sy afrikanina sasany. Taranak’i Jafeta kosa ny Indo-Eoropeanina. Mpihavana daholo ny olombelona, ary vao teraka dia efa mitovy eo anatrehan’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:26) Tokony hisy heriny eo amin’ny fomba itondrantsika ny olona io fahamarinana io.

Mahery ny Tenin’Andriamanitra

Ny tapany voalohany amin’ny bokin’ny Genesisy no mirakitra ny hany tantara marina momba ny fiandohan’ny olombelona. Takatsika avy amin’izy ireo hoe inona no fikasan’Andriamanitra tamin’izy nametraka ny olona teto an-tany. Tena mampahery ny mahafantatra fa tsy misy ezak’olombelona, toy ny an’i Nimroda, hahavita hanakana ny fahatanterahan’izany fikasany izany!

Diniho izay voalaza eo ambanin’ilay hoe “Valin’ny fanontaniana ara-baiboly”, rehefa manomana ny famakiana Baiboly isan-kerinandro ianao, ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Hahatakatra ireo andinin-teny sarotra ianao, raha manao izany. Ny fanazavana eo ambanin’ilay hoe “Lesona ho antsika”, dia mampiseho aminao ny fomba andraisan-tsoa avy amin’ireo toko ao amin’ny Baiboly vakina amin’ilay herinandro. Azo resahina mandritra ny zavatra ilaina eo an-toerana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana koa izy ireo, rehefa mety ny hanaovana izany. Tena velona sy manan-kery eo amin’ny fiainantsika tokoa ny Tenin’i Jehovah.​—Hebreo 4:12.