Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hifarana ny Ady

Hifarana ny Ady

Hifarana ny Ady

‘Vao 12 taona monja izahay, ary tsy afaka manova ny politika na mampitsahatra ny ady, nefa te ho velona! Manantena fiadanana izahay. Hahita an’izany ve izahay indray andro any?’​—Ankizy iray kilasy ao amin’ny T5

‘Tsy te hitebiteby izahay sao hisy haka an-keriny, rehefa mandeha mianatra sy mamangy ny namanay ary ny fianakavianay. Enga anie ka hihaino anay ny fanjakana. Fiainana tsara kokoa sy fiadanana no tadiavinay.’​—Alhaji, 14 taona

ASEHON’IREO teny mampihetsi-po ireo ny fanirian’ny tanora nijaly nandritra ny taona maro noho ny ady an-trano. Mba te hiaina toy ny olon-drehetra fotsiny izy ireo, nefa tsy mora ny manatanteraka ny faniriany. Hitsahatra àry ve ny ady indray andro any?

Tato ho ato, dia nisy firenena niezaka handamina ny ady an-trano tany an-tany hafa, ka nanery ny andaniny sy ny ankilany hanao sonia fifanekem-pihavanana. Nisy nandefa tafika mpampandry tany, mba hampanan-kery ireny fifanekena ireny. Vitsy anefa ny firenena vonona hanara-maso hoe tena hajaina ny fifanekena toy izany any an-tany lavitra, ary vitsy ny manam-bola amin’izany. Matetika koa no lalim-paka ny fifankahalana sy ny fiahiahiana eo amin’ireo antokon’olona miady, ka mora rava ny fifanekena. Mazàna no mipoaka indray ny ady, herinandro na volana vitsivitsy monja aorian’ny nanaovana sonia ny fifanekena hampitsahatra izany. “Sarotra ny hisian’ny fiadanana, rehefa te hanohy ny ady ny mpifanandrina, sady afaka manao izany”, hoy ny fikambanana iray any Stockholm, izay mikatsaka fandriampahalemana eran-tany.

Etsy an-danin’izany, dia mampahatsiahy ny Kristianina ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly ireny ady tsy mety voalamina ireny. Voalaza ao amin’ny Apokalypsy fa hisy mpitaingin-tsoavaly “hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany”, mandritra ny fotoan-dehibe iray eo amin’ny tantaran’ny olombelona. (Apokalypsy 6:4) Fanoharana milaza mialoha ny hisian’ny ady tsy an-kijanona izany, ary anisan’ny famantarana fa miaina amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” isika ankehitriny. * (2 Timoty 3:1) Manome toky antsika anefa ny Tenin’Andriamanitra fa hisy fiadanana aorian’izao andro farany izao.

Hazavaina ao amin’ny Salamo 46:9 fa mba hisian’ny tena fiadanana, dia tokony hitsahatra ny ady eran-tany, fa tsy ny any amin’ny faritra iray fotsiny. Voalaza ao amin’io salamo io koa fa hopotehina ny fiadiana tamin’ny andron’ny Baiboly, izany hoe ny tsipìka sy ny lefona. Tsy maintsy hopotehina koa ireo fiadiana izay mitombo be ankehitriny, mba hiainan’ny olombelona amim-piadanana.

Tsy ny bala sy ny basy anefa no tena mampitohy ny ady, fa ny fankahalana sy ny fitiavam-bola. Ny fitiavam-bola no fototry ny ady, ary mazàna no miteraka herisetra ny fankahalana. Mila manova ny fomba fisainany ny olona, mba hialana tanteraka amin’ireo toetra ratsy ireo. Mila ampianarina hihavana izy ireo. Izany no nahatonga an’i Isaia mpaminany hilaza fa rehefa ‘tsy mianatra ady intsony’ ny olona, vao hitsahatra ny ady.​—Isaia 2:4.

Tsy ampianarina hankamamy ny fiadanana anefa ny olon-dehibe sy ny ankizy eto amin’ity tontolo ity, fa ampianarina hanindrahindra ny ady kosa. Mampalahelo fa na dia ny ankizy aza dia ampiofanina hamono olona.

Nianatra namono olona izy ireo

Voaroaka tsy ho miaramila i Alhaji tamin’izy 14 taona. Folo taona monja izy rehefa nosamborin’ny tafika mpikomy sy nampiofanin’izy ireo hampiasa basy Kalachnikov. Nangalatra sakafo sy nandoro tranon’olona izy, rehefa avy noterena hanao miaramila. Namono olona sy nanapaka ny rantsambatan’izy ireo koa izy. Sarotra aminy ny manadino ny ady sy ny miaina toy ny olon-drehetra ankehitriny. Nianatra namono olona koa i Abraham, ankizy miaramila. Tsy nety namerina ny fiadiany izy, ary niteny hoe: “Tsy ho hitako izay hatao, na izay fomba hamelomako ny tenako, raha roahin-dry zareo aho, sady alainy ny basiko.”

Ankizilahy sy ankizivavy 300 000 mahery no mbola mandray anjara sy mamoy ny ainy amin’ireo ady an-trano tsy misy farany, izay mandrotidrotika ny tanintsika. Nisy lehiben’ny mpikomy nilaza hoe: “Mankatò ny baiko omena azy ny ankizy miaramila. Tsy manambady izy, ka tsy mieritreritra ny hody any amin’ny vadiny na any amin’ny fianakaviany. Tsy saro-tahotra koa izy.” Maniry hanana fiainana tsara kokoa anefa ireny ankizy ireny, ary mendrika an’izany.

Mety ho sarotra amin’ny olona any amin’ny tany mandroso ny mieritreritra ny toe-piainana mampahonena misy an’ireny ankizy miaramila ireny. Maro anefa ny ankizy any amin’ireny tany mandroso ireny no mianatra ady, ao an-tranony ihany. Amin’ny fomba ahoana?

Tovolahy tia manao an’itony karazana karate itony, ohatra, i José, avy any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Espaina. Nomen’ny dadany sabatra japoney lava be izy indray mandeha, tamin’ny Krismasy, ary tiany be izy io. Tena nahafinaritra azy koa ny lalao video, indrindra fa ireo misy herisetra. Namerina ny fanafihana nataon’ilay olona tena tiany ao amin’ny lalao video izy, tamin’ny 1 Aprily 2000. Novonoiny tamin’ny fomba tsy mifaditrovana ny ray aman-dreniny sy ny anabaviny, ary ilay sabatra nomen’ny dadany azy ihany no nahavitany izany. Nanazava tamin’ny polisy izy hoe: “Tsy te hiara-miaina amin’iza na iza aho, ary tsy tiako hanara-maso ahy ny ray aman-dreniko.”

Nanazava ny vokatry ny fialam-boly misy herisetra i Dave Grossman, mpanoratra sy manam-pahefana ao amin’ny tafika. Hoy izy: “Tsy mihontsina intsony isika izao, ka lasa mampiala voly antsika ny fampijaliana sy fampahoriana. Tsy maharikoriko antsika izany, fa vao mainka aza isika finaritra maka sary an-tsaina ny tenantsika mandray anjara amin’ilay izy. Mianatra mamono olona isika, ary mihatia an’izany.”

Samy nianatra namono olona i Alhaji sy José. Tsy nisy naniry izany izy roa lahy, fa ny karazana fiofanana azony no nanolana ny fomba fisainany. Izany fiofanana izany no mitarika ny olona hahery setra sy hiady, na mbola kely izy na efa lehibe.

Mianatra mihavana, fa tsy mianatra miady

Tsy hisy fiadanana maharitra, raha mbola mianatra mamono ny mpiara-belona aminy ny olona. Hoy i Isaia mpaminany, taonjato maro lasa izay: ‘Toy izay anie hianao mba nihaino ny didin’Andriamanitra! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao.’ (Isaia 48:17, 18) Lasa maharikoriko ny olona ny herisetra sy ny ady, rehefa mandray ny fahalalana marina tsara momba ny Tenin’Andriamanitra izy, sady mianatra ny ho tia ny lalàny. Azon’ny ray aman-dreny atao ny manara-maso ny kilalaon-janany, mba hahazoana antoka fa tsy mampirisika azy ireo hahery setra izany. Afaka mianatra mandresy ny fankahalana sy ny fitiavam-bola koa ny olon-dehibe. Maro ny porofo hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe manan-kery hanova ny toetran’ny olona ny Tenin’Andriamanitra.​—Hebreo 4:12.

Mbola tovolahy, ohatra, i Hortêncio, rehefa noterena hanao miaramila. Nohazavainy fa ‘ny fampiofanana miaramila dia natao hamolavolana azy ireo, mba haniry hamono olona sy tsy hatahotra hanao izany.’ Nandray anjara tamin’ny ady an-trano naharitra tatsy Afrika izy, ary niaiky fa ‘nanova ny toetrany ny ady.’ “Mbola tadidiko foana ny zavatra rehetra nataoko”, hoy izy, “ary anenenako mafy ny zavatra nanerena ahy hataoko.”

Nisy miaramila namany niresaka taminy momba ny Baiboly, ary nanohina ny fony izany. Gaga izy rehefa namaky tao amin’ny Salamo 46:9 hoe mampanantena hampitsahatra ny karazana ady rehetra Andriamanitra. Arakaraka ny nianarany Baiboly no nampihena ny faniriany hiady. Voaroaka tsy ho miaramila intsony izy sy ny namany roa lahy taoriana kelin’izay, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. “Nanampy ahy ho tia ny fahavaloko ny fahamarinana ara-baiboly”, hoy i Hortêncio. “Nazava tamiko fa nanota tamin’i Jehovah aho rehefa nandray anjara tamin’ny ady, satria milaza izy fa tsy tokony hamono ny mpiara-belona amintsika isika. Mba hanehoana izany fitiavana izany, dia tsy maintsy nanova ny fomba fisainako aho, fa tsy hihevitra ny olona ho fahavaloko.”

Asehon’ireo zava-nitranga ireo fa mitarika ho amin’ny fiadanana ny fianarana Baiboly, ary tsy mahagaga izany. Nilaza mantsy i Isaia mpaminany fa mifandray akaiky ny fampianarana avy amin’Andriamanitra sy ny fiadanana. Hoy izy: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13) Naminany koa izy fa hirohotra hankany amin’ny fivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra, mba hianatra ny lalany. Inona no ho vokany? “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”​—Isaia 2:2-4.

Araka an’io faminaniana io, dia manao fandaharam-pampianarana eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka efa nanampy olona an-tapitrisa handresy ny fankahalana, izay fototry ny ady.

Azo antoka ny hisian’ny fiadanana eran-tany

Ankoatra ny fampianarana, dia nanorina ‘fanjakana’ izay hahavita hitondra fiadanana eran-tany Andriamanitra. Tsara homarihina fa antsoin’ny Baiboly hoe “Andrian’ny fiadanana” ilay mpitondra nofidiny, dia i Jesosy Kristy. Manome toky antsika koa ny Baiboly fa ‘tsy hanam-pahataperana ny fanapahany sy ny fiadanana.’​—Isaia 9:5, 6.

Ahoana no ahazoantsika antoka fa tena hahavita hampitsahatra ny karazana ady rehetra ny fitondran’i Kristy? Hoy i Isaia mpaminany: “Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” (Isaia 9:6) Midika izany fa maniry hampanjaka ny fiadanana maharitra Andriamanitra, no sady afaka manao izany. Matoky tanteraka an’izany fampanantenana izany i Jesosy. Izany no nahatonga azy hampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany. (Matio 6:9, 10) Tsy ho rotidrotiky ny ady intsony ny tany, rehefa ho voavaly izany vavaka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Raha tianao ny hahita ny porofo fa andro farany izao iainantsika izao, dia jereo ny toko faha-11 amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 7]

Mitarika ho amin’ny fiadanana ny fianarana Baiboly