Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nivoaka Eran-tany ny Feony”

“Nivoaka Eran-tany ny Feony”

“Nivoaka Eran-tany ny Feony”

“Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.”—MATIO 28:19.

1, 2. a) Inona no asa nanirahan’i Jesosy ny mpianany? b) Nahoana no nahavita asa be toy izany ny Kristianina voalohany?

NISY asa nanirahan’i Jesosy ny mpianany, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.” (Matio 28:19) Asa be tokoa izany!

2 Eritrereto ange e! Nisy mpianatra 120 teo ho eo nilatsahan’ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nanomboka ilay asa izy ireo tamin’izay, ka nitory fa i Jesosy no ilay Mesia nantenaina hatry ny ela, sy hitondra famonjena. (Asan’ny Apostoly 2:1-36) Ahoana no hahafahan’ireo olom-bitsy ireo hanatratra “ny olona any amin’ny firenena rehetra”? Tsy hahavita izany raha ny olombelona, nefa “hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Matio 19:26) Nampian’ny fanahy masin’i Jehovah ny Kristianina voalohany, ary dodona izy ireo nanao ilay asa nankinina taminy. (Zakaria 4:6; 2 Timoty 4:2) Am-polo taona monja tatỳ aoriana àry, dia afaka nilaza ny apostoly Paoly fa notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara.​—Kolosianina 1:23.

3. Inona no nanakona ny “vary” na ny tena Kristianina?

3 Niely hatrany ny fivavahana marina, nandritra ny ampahany lehibe tamin’ny taonjato voalohany. Naminany anefa i Jesosy fa hamafy “tsimparifary” i Satana, ka ho takona ny “vary” na ny tena Kristianina, mandritra ny taonjato maro, mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Tanteraka izany rehefa maty ny apostoly.​—Matio 13:24-39.

Fitomboana haingana ankehitriny

4, 5. Inona no asa natomboky ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919, ary nahoana izany no tena asa sarotra?

4 Tonga ny fotoana hanasarahana ny tena Kristianina na ny vary, tamin’ny tsimparifary, tamin’ny 1919. Fantatry ny Kristianina voahosotra fa mbola tokony hotontosaina ilay asa lehibe nanirahan’i Jesosy azy. Nino mafy izy ireo fa miaina amin’ny “andro farany”, ary takany ilay faminanian’i Jesosy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (2 Timoty 3:1; Matio 24:14) Fantatr’izy ireo tsara tokoa fa mbola betsaka ny tokony hatao.

5 Toy ny tamin’ny taona 33 anefa, dia nisy zava-tsarotra lehibe niandry ny Kristianina voahosotra. An’arivo monja izy ireo, sady tany amin’ny tany vitsivitsy monja. Ahoana no hitorian’izy ireo ny vaovao tsara “manerana ny tany onenana”? Tsarovy fa 300 tapitrisa angamba ny isan’ny mponina naneran-tany tamin’ny andron’ireo Kaisara, nefa nahatratra efa ho 2 000 tapitrisa izany taorian’ny Ady Lehibe I. Nitombo haingana foana io isa io, nandritra ny taonjato faha-20.

6. Nanao ahoana ny fielezan’ny vaovao tsara, tany amin’ireo taona 1930?

6 Nino tanteraka an’i Jehovah sy nahazo ny fanahiny, toy ny rahalahin’izy ireo tamin’ny taonjato voalohany, anefa ireo voahosotra mpanompon’i Jehovah, rehefa nanomboka ilay asa. Nisy 56 000 teo ho eo no nitory ny fahamarinana ara-baiboly tany amin’ny tany 115, teo antenatenan’ireo taona 1930. Efa betsaka ny asa vita tamin’izay, nefa betsaka koa no mbola niandry.

7. a) Inona no zava-tsarotra hafa natrehin’ny Kristianina voahosotra? b) Nanao ahoana ny fandrosoan’ny asa fanangonana, noho ny fanampian’ny “ondry hafa”?

7 Nisy zava-tsarotra hafa nipoitra, rehefa nazava kokoa hoe iza ireo “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy 7:9. Nahavelom-panantenana an’ireo Kristianina niasa mafy ireo koa anefa izany, satria hahazo mpanampy izy. Tsy maintsy nangonina “avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra”, ny “ondry hafa” tsy hita isa izay manantena ny hiaina eto an-tany. (Jaona 10:16) ‘Hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah andro aman’alina’ izy ireo. (Apokalypsy 7:15) Midika izany fa hanampy amin’ny asa fitoriana sy fampianarana koa izy ireo. (Isaia 61:5) Tena nientam-po àry ny Kristianina voahosotra nahita ny isan’ny mpitory ny vaovao tsara nitombo an’alina, ary avy eo an-tapitrisa. Nisy 6 429 351 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 2003, ary anisan’ny vahoaka be ny ankabeazany. * Mankasitraka an’io fanampiana io ny Kristianina voahosotra, ary mankasitraka ny voninahitra hanampy ireo rahalahiny ireo ny ondry hafa.—Matio 25:34-40.

8. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa niharam-pahoriana mafy izy ireo nandritra ny Ady Lehibe II?

8 Rehefa niharihary indray ny vary na ny tena Kristianina, dia niady mafy tamin’izy ireo i Satana. (Apokalypsy 12:17) Nanao ahoana ny fihetsiny rehefa nanomboka nipoitra ny vahoaka be? Tena romotra izy! Tsy isalasalana fa izy no nahatonga ny fanafihana ny fivavahana marina eran-tany, nandritra ny Ady Lehibe II. Niharam-pahoriana mafy ny Kristianina tany amin’ireo firenena nifanandrina tamin’ilay ady. Maro ny rahalahy sy anabavy malalantsika no niaritra fitsapana nahatsiravina, ary maty noho ny finoany mihitsy ny sasany. Niombom-pihetseham-po tamin’ny mpanao salamo anefa izy ireo. Hoy izy: “Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny nofo amiko?” (Salamo 56:4; Matio 10:28) Niorina mafy ny Kristianina voahosotra sy ny ondry hafa, satria nohatanjahin’ny fanahin’i Jehovah. (2 Korintianina 4:7) ‘Tsy nitsahatra niroborobo àry ny tenin’Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 6:7) Kristianina nahatoky 72 475 no namerina tatitra tamin’ny 1939, rehefa nipoaka ny ady. Vavolombelona narisika 156 299 anefa no nampiely ny vaovao tsara rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945, na dia tsy feno aza ny tatitra voaray tamin’io taona io. Tena resy i Satana tamin’izay!

9. Inona ireo sekoly vaovao nambara fa hiforona, nandritra ny Ady Lehibe II?

9 Natoky ny mpanompon’i Jehovah fa ho tontosa ny asa fitoriana, na dia teo aza ny korontana tamin’ny Ady Lehibe II. Nambara fa hisy sekoly roa hiforona tamin’ny 1943, na dia mbola nangotraka aza ny ady. Ny Sekolin’ny Fanompoana ny iray. Nalamina teo anivon’ny fiangonana rehetra izy io, mba hampiofanana ny Vavolombelona tsirairay hahay hitory sy hanao mpianatra. Ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana kosa ny iray hafa. Natao hampiofanana ireo misionera handeha hitory any an-tany hafa indray izy io. Tena vonona hampitombo ny asany tokoa ny tena Kristianina, rehefa nifarana ny ady.

10. Asehoy fa tena be zotom-po ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 2003.

10 Mahatalanjona tokoa ny asa vitan’izy ireo! Nahazo fampiofanana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ny rehetra: ny tanora sy ny antitra, ny ray aman-dreny sy ny zanany, ary na ny osa aza. Noho izany, dia samy nandray anjara tamin’ilay asa lehibe nanirahan’i Jesosy izy ireo, ary mbola manao izany foana. (Salamo 148:12, 13; Joela 3:1, 2) Nisy 825 185 teo ho eo isam-bolana, no nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny fotoana fohy na naharitra kokoa tamin’ny 2003. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa tsapany hoe tena zava-dehibe ilay asa nanirahana azy. Tamin’io taona io ihany, dia nanokana 1 234 796 477 ora ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiresahana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Azo antoka fa mahafaly an’i Jehovah ny zotom-pon’ny vahoakany!

Fitoriana any an-tany hafa

11, 12. Manomeza ohatra ampisehoana ny zavatra tsara vitan’ireo misionera.

11 Mahavariana ny zava-bitan’ireo nahazo diplaoman’i Gileada, sy ireo nahazo diplaoman’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, nandritra ireo taona maro lasa. Latsaka ny 400, ohatra, ny mpitory tany Brezila, rehefa tonga ny misionera voalohany tamin’ny 1945. Niara-niasa mafy tamin’ireo rahalahiny brezilianina be zotom-po izy ireo, mbamin’ny misionera hafa tatỳ aoriana, ka tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataony. Mientam-po tokoa ny olona mahatsiaro ireny fotoana ireny, rehefa mahita fa nisy tampon’isa vaovao 607 362 tany Brezila, tamin’ny 2003!

12 Diniho koa ny mitranga any Japon. Zato teo ho eo ny mpitory ilay Fanjakana tany amin’io tany io, talohan’ny Ady Lehibe II. Nihena anefa ny isan’izy ireo nandritra ny ady, noho ny fanenjehana nahery vaika. Vavolombelona vitsivitsy sisa no mbola velona sy narisika nitory, rehefa nifarana ny ady. (Ohabolana 14:32) Azo antoka fa faly be ireo vitsivitsy nahatoky ireo nandray ny misionera 13 voalohany niofana tany Gileada. Ary tsy ela dia niraiki-po tamin’ireo rahalahiny japoney be zotom-po sy tia mandray vahiny, ireo misionera. Nahatratra 217 508 ny tampon’isan’ny mpitory tany Japon tamin’ny 2003, maherin’ny 50 taona tatỳ aoriana! Tena nitahy ny vahoakany tany amin’io tany io tokoa i Jehovah. Misy tatitra toy izany koa avy any an-tany hafa. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara tokoa ireo afaka mitory any an-tany hafa, hany ka re tany amin’ny tany sy nosy ary faritany 235 izy io, tamin’ny 2003. Tena avy amin’ny ‘firenena rehetra’ tokoa ilay vahoaka be.

‘Avy amin’ny foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’

13, 14. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa ilaina ny mitory ny vaovao tsara amin’ny “fiteny rehetra”?

13 Nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra tamin’ny Pentekosta taona 33. Niteny tamin’ny fiteny hafa tamin’ny olona tafavory tamin’izay izy ireo, ary izany no fahagagana voalohany nataony. Mety ho nahay ny teny grika, izay fampiasa tany amin’ny firenena maro, ny olona rehetra nandre azy ireo. Azo inoana koa fa azon’ireo “olona natahotra an’Andriamanitra” ireo, ny fotoam-pivavahana natao tamin’ny teny hebreo tao amin’ny tempoly. Tena nanongilan-tsofina anefa izy ireo, rehefa nahare ny vaovao tsara tamin’ny fitenin-drazany.​—Asan’ny Apostoly 2:5, 7-12.

14 Atao amin’ny fiteny maro be koa ny asa fitoriana ankehitriny. Voalaza mialoha fa tsy avy amin’ny firenena rehetra fotsiny no iavian’ny vahoaka be, fa avy ‘amin’ny foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.’ Mifanaraka amin’izany ny faminaniana nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Zakaria hoe: “Hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Marina fa tsy mahazo ny herin’ny fanahy masina mba hiteny amin’ny fiteny hafa intsony ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa fantany fa ilaina ny mampianatra ny olona amin’ny fiteniny.

15, 16. Inona no nataon’ny misionera sy ny olon-kafa mba hitoriana tamin’ny fiteny teo an-toerana, na dia sarotra aza izany?

15 Marina fa misy fiteny vitsivitsy tena be mpampiasa ankehitriny, toy ny teny anglisy, frantsay ary espaniola. Miezaka mianatra ny fitenin’ny mponina ao amin’ilay tany anompoany anefa ireo mpitory avy any an-tany hafa, mba ho mora kokoa amin’ireo ‘manana toe-po tsara hahazoana fiainana mandrakizay’ ny hahatakatra ny vaovao tsara. (Asan’ny Apostoly 13:48) Mety ho sarotra izany. Nila boky sy gazety tamin’ny fiteniny, ohatra, ny rahalahy tany Tuvalu, any Pasifika Atsimo. Nataon’ny misionera iray tanjona àry ny hanome azy ireo izany. Tsy nisy diksionera tamin’ny teny tuvalu anefa, ka nataony lisitra ny teny tuvalu miaraka amin’ny dikany. Voadika tamin’ny teny tuvalu àry tamin’ny farany ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. * Tsy nisy boky ara-baiboly na diksionera tamin’ny teny papiamento koa tany Curaçao, rehefa tonga tany ny misionera. Io no fiteny fampiasa any, ary nisy tsy fifanarahana ny amin’ny fomba tokony hanoratana azy. Na izany aza, dia voadika tamin’ny teny papiamento ny taratasy mivalona ara-baiboly voalohany, roa taona taorian’ny nahatongavan’ireo misionera voalohany. Vita amin’ny fiteny 133 izao Ny Tilikambo Fiambenana miara-mivoaka amin’ny an’ny teny anglisy, ary anisan’izany ny teny papiamento.

16 Tany Namibia indray, dia tsy nahita Vavolombelona namibianina hanampy azy ireo handika teny ny misionera voalohany tonga tany. Ary ny teny nama fitenin’ny olona any, dia tsy ahitana teny mahadika ireo hevitra fahita ao anaty gazetintsika, toy ny hoe “lavorary.” Hoy ny misionera iray: “Mpampianatra nianatra ny Baiboly no tena nanampy ahy nandika teny. Zara raha nahafantatra ny fahamarinana anefa izy ireo, ka tsy maintsy niara-niasa akaiky taminy aho, mba hahazoana antoka fa marina ny fehezanteny tsirairay.” Voadika tamin’ny fitenim-paritra efatra any Namibia ihany anefa ny taratasy mivalona Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao. Mivoaka tsy tapaka amin’ny teny kwanyama sy ndonga izao Ny Tilikambo Fiambenana.

17, 18. Inona avy no zava-tsarotra natrehina tany Meksika sy tany an-tany hafa?

17 Ny teny espaniola no tena ampiasaina any Meksika. Nisy fiteny maro be anefa nampiasaina tany talohan’ny nahatongavan’ny Espaniola, ary mbola misy mampiasa ny sasany aminy. Noho izany, dia adika amin’ny fitenim-paritra fito sy amin’ny Baiko Moana Meksikanina ankehitriny ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’ny teny maya, no voalohany tamin’ireo zavatra vita pirinty nivoaka tsy tapaka tamin’ny fitenin’ny Indianina any Amerika. Amin’ireo mpitory ilay Fanjakana 572 530 any Meksika, dia an’arivo no avy amin’ny foko maya sy azteky ary foko hafa.

18 Tato ho ato, dia maro be ny mpitsoa-ponenana nandositra tany an-tany hafa, na nifindra monina mba hitady fivelomana. Firenena maro àry ankehitriny no lasa manana faritany midadasika, misy olona miteny vahiny. Niatrika izany zava-tsarotra izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy fiangonana sy antoko-mpitory mampiasa fiteny 22, ankoatra ny teny italianina, ohatra, any Italia. Nisy kilasy nalamina vao haingana, mba hanampiana ireo rahalahy hitory amin’ny vahiny. Fiteny 16 no nampianarina, ka anisan’izany ny Baiko Moana Italianina. Miezaka toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro hafa, mba hitoriana amin’ireo vahiny maro be mifindra monina any aminy. Tena avy amin’ny fiteny maro be tokoa no iavian’ny vahoaka be, noho ny fanampian’i Jehovah.

“Eran-tany”

19, 20. Inona no tenin’i Paoly tanteraka amin’ny fomba miavaka ankehitriny? Hazavao.

19 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany: “Sao tsy nahare izy ireo? Raha ny marina, dia ‘efa nivoaka eran-tany ny feony, ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany onenana ny teny nolazainy.’” (Romanina 10:18) Tanteraka izany tamin’ny taonjato voalohany, ary vao mainka marina ankehitriny! Maro be, ary mihoatra noho ny hatramin’izay mihitsy aza angamba, no milaza hoe: “Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.”​—Salamo 34:1.

20 Tsy lasa miadana kokoa akory ny asa, ary mitombo hatrany ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Mihabetsaka ny fotoana atokana hitoriana. An-tapitrisa ny fiverenana mitsidika, ana hetsy ny fampianarana Baiboly, ary mbola misy olona vaovao liana foana. Nahatratra tampon’isa vaovao 16 097 622 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny taon-dasa. Mazava àry fa mbola asa be no miandry antsika. Enga àry anie isika tsy hivadika toy ireo rahalahintsika niaritra fanenjehana nivaivay. Ary enga anie isika ho be zotom-po toy ny rahalahintsika rehetra, izay nahafoy tena nanompo an’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1919. Aoka ny rehetra hiara-manandra-peo amin’ilay mpanao salamo, ka hanao hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia.”​—Salamo 150:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ny tatitra isan-taona eo amin’ny pejy faha-18-21 amin’ity gazety ity.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no asa natombok’ireo rahalahy tamin’ny 1919, ary nahoana izany no sarotra?

• Iza no nangonina mba hanampy amin’ny asa fitoriana?

• Inona avy no zava-bitan’ireo misionera sy mpitory manompo any an-tany hafa?

• Manomeza porofo ampisehoana fa mitahy ny asa ataon’ny vahoakany i Jehovah ankehitriny.

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 18-21]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH TAOM-PANOMPOANA 2003

(Jereo ny gazety)

[Sary, pejy 14, 15]

Natoky ny Kristianina fa ho voambara ny vaovao tsara, na dia teo aza ny korontana tamin’ny Ady Lehibe II

[Sary nahazoan-dalana]

Fipoahana: U.S. Navy photo; hafa: U.S. Coast Guard photo

[Sary, pejy 16, 17]

Avy amin’ny foko sy fiteny rehetra ny vahoaka be