Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Asa Fanorenana Anisan’ny Niavaka Indrindra”

“Asa Fanorenana Anisan’ny Niavaka Indrindra”

“Asa Fanorenana Anisan’ny Niavaka Indrindra”

NAORINA ny tempolin’i Jehovah, 3 000 taona lasa izay, nandritra ny fitondran’i Solomona Mpanjaka. Nisy fitoeran-drano tsara tarehy vita tamin’ny varahina, napetraka teo akaikin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly. Nilanja 30 taonina mahery ilay izy ary nahazaka rano 40 000 litatra teo ho eo. Tavin-drano an-idina no niantsoana io fitoeran-drano goavana io. (1 Mpanjaka 7:23-26) Nilaza toy izao tao amin’ny gazetiboky Arkeolojia Momba ny Baiboly (anglisy), i Albert Zuidhof: “Azo antoka fa asa fanorenana anisan’ny niavaka indrindra natao teo amin’ny firenena hebreo izy io.”

Ahoana no nanamboarana ilay tavin-drano? “Teo amin’ny tany amoron’i Jordana no nanaovan’ny mpanjaka an-idina [ny fitaovana varahina] tamin’ny tanimanga”, hoy ny Baiboly. (1 Mpanjaka 7:45, 46) Nilaza toy izao i Zuidhof: “Azo inoana fa ny fomba nanaovana ilay izy, dia mitovy amin’ny fomba fanamboaran’ny olona ankehitriny ny lakolosy be vita amin’ny halimo.” Nohazavainy hoe amboarina aloha ny lasitra tanimanga hamolavolana ny atin’ilay tavin-drano. Atao mihohoka io lasitra io, ary rehefa maina tsara, dia asiana savoka eo amboniny. Manamboatra lasitra tanimanga hafa atao eo ambonin’io savoka io ny mpandrendrika avy eo. Rehefa maina io lasitra io, dia empoina ilay savoka eo anelanelan’ireo lasitra roa, ary arotsaka eo amin’ny toerana nisy an’ilay savoka ilay metaly naempo.

Ngezabe sy mavesatra be ilay tavin-drano ka nitaky hakingana be ny fanamboarana azy. Tokony hahazaka ilay varahina aempo izay nilanja 30 taonina ilay lasitra anatiny sy ivelany. Tokony ho vita indray mandeha koa ny fandrotsahana ilay metaly naempo, mba tsy hisy tresaka na simba. Azo antoka fa nilaina tamin’izany ny fatana maromaro nampifandraisina, mba handrotsahana ilay metaly naempo tao amin’ilay lasitra. Tena asa be ilay izy!

Nanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra noho ny asa rehetra natao tao amin’ny tempoly i Solomona Mpanjaka, rehefa nivavaka tamin’ny fitokanana ny tempoly. Hoy izy: “Nolazain’ny vavanao izany, dia notanterahin’ny tànanao.”​—1 Mpanjaka 8:24.