Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Fitiavana sy Hatsaram-panahy i Jehovah

Be Fitiavana sy Hatsaram-panahy i Jehovah

Be Fitiavana sy Hatsaram-panahy i Jehovah

‘Be famindrampo [na fitiavana sy hatsaram-panahy, “TV”] i Jehovah.’​—SALAMO 145:8.

1. Manao ahoana ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra?

“ANDRIAMANITRA dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Porofoin’izany teny manohina ny fo izany, fa maneho fitiavana foana i Jehovah eo amin’ny fomba itondrany ny olombelona. Na dia ireo tsy mankatò azy aza, dia mandray soa avy amin’ny masoandro sy ny orana, izay omeny amim-pitiavana! (Matio 5:44, 45) Tia an’izao tontolo izao koa izy, ka na dia ny fahavalony aza afaka mibebaka sy miverina aminy ary mahazo ny fiainana. (Jaona 3:16) Madiva handringana ny ratsy fanahy tsy mety miova anefa i Jehovah, mba ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao hisian’ny fahamarinana ny olona tia azy.​—Salamo 37:9-11, 29; 2 Petera 3:13.

2. Karazana fitiavana manao ahoana no asehon’i Jehovah amin’ireo nanolo-tena ho azy?

2 Maharitra ny fitiavan’i Jehovah ny tena mpanompony, ary sarobidy amin’izy ireo izany. Ny teny hebreo adika hoe “fitiavana sy hatsaram-panahy” no ilazana io fitiavana maharitra io. Nankasitraka fatratra an’io fitiavan’Andriamanitra io i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny. Ny zavatra niainany sy ny fisaintsainany momba ny fomba itondran’Andriamanitra ny olona, dia nahatonga azy hatoky hoe: ‘Be famindrampo [na fitiavana sy hatsaram-panahy, TV] i Jehovah.’​—Salamo 145:8.

Ahoana no amantarana ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra?

3, 4. a) Ahoana no amantarana ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, araka ny Salamo faha-145? b) Ahoana no ‘isaoran’ny’ olombelona tsy mivadika an’Andriamanitra?

3 Hoy i Hana, renin’i Samoela mpaminany, momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Ny tongotry ny olo-masiny [‘tsy mivadika’, TV] dia tandremany.” (1 Samoela 2:9) Iza ireo ‘olona tsy mivadika’ ireo? Mamaly izany i Davida Mpanjaka. Rehefa avy nidera ny toetra mahatalanjon’i Jehovah izy, dia nilaza hoe: ‘Misaotra Anao ny olonao masina [“tsy mivadika”, TV].’ (Salamo 145:10) Ahoana no isaoran’ny olombelona an’Andriamanitra? Manao izany izy ireo, voalohany indrindra, rehefa midera na manome voninahitra azy.

4 Ny fomba amantarana ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, dia ny fanomezany voninahitra azy amin’ny teny ataony. Inona no tena resahin’izy ireo matetika, rehefa miara-mikorana na any amin’ny fivoriana kristianina? Tsy inona fa ny Fanjakan’i Jehovah! Toy ny hita ao amin’ny hiran’i Davida, dia maniry ‘hilaza ny voninahitry ny fanjakan’i Jehovah sy hiresaka ny heriny’ ny mpanompony tsy mivadika.​—Salamo 145:11.

5. Ahoana no ahalalantsika fa mihaino i Jehovah, rehefa manome voninahitra azy ny olona tsy mivadika aminy?

5 Mihaino ve i Jehovah rehefa midera azy ny olona tsy mivadika aminy? Mihaino izay lazain’izy ireo tokoa izy. Naminany toy izao i Malakia mahakasika ny fivavahana marina amin’ny androntsika: “Tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16) Faly be i Jehovah, rehefa manome voninahitra azy sy mahatsiaro azy ireo tsy mivadika aminy.

6. Inona no asa amantarana an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra?

6 Misy fomba hafa koa amantarana ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Misikina herim-po izy ireo, ary mitady fomba hitoriana amin’ny olona tsy mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina. ‘Mampahafantatra ny heriny sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakany amin’ny zanak’olombelona’ izy ireo. (Salamo 145:12) Moa ve ianao manararaotra miresaka momba ny fanjakan’i Jehovah isaky ny afaka manao izany, na mitady fomba hanaovana izany? Haharitra mandrakizay ny fanjakany, fa tsy toy ny fanjakan’olombelona, izay hanjavona rehefa afaka kelikely. (1 Timoty 1:17) Tena ilaina maika ny hahafantaran’ny olona ny fanjakan’i Jehovah, sy ny hiandanian’izy ireo amin’izy io. Nihira i Davida hoe: “Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.”​—Salamo 145:13.

7, 8. Inona no nitranga tamin’ny 1914, ary inona no manaporofo fa manjaka amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Zanany izao Andriamanitra?

7 Misy antony hafa tokony hiresahana momba ny fanjakan’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1914. Nanorina ny Fanjakan’ny Mesia tany an-danitra Andriamanitra tamin’io taona io, ary i Jesosy Kristy, Zanak’i Davida, no nataony Mpanjakany. Nanatanteraka ny fampanantenany àry i Jehovah, hoe hampitoeriny ho mandrakizay ny fanjakan’i Davida.​—2 Samoela 7:12, 13; Lioka 1:32, 33.

8 Efa manjaka amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izao i Jehovah, ary manaporofo izany ny fahatanterahan’ny famantarana ny fanatrehan’io Zanany io. Ny lafiny miavaka indrindra amin’io famantarana io, dia ilay asa nolazain’i Jesosy fa hotanterahin’izay rehetra tsy mivadika amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3-14) Mazoto manatanteraka io faminaniana io ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra, hany ka lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny enina tapitrisa izao no mandray anjara amin’io asa lehibe io, izay tsy hiverina intsony. Tsy ho ela dia horinganina izay rehetra manohitra ny Fanjakan’i Jehovah.​—Apokalypsy 11:15, 18.

Soa entin’ny fitondran’i Jehovah

9, 10. Inona no maha samy hafa an’i Jehovah sy ny mpitondra olombelona?

9 Raha Kristianina vita fanoloran-tena isika, dia mitondra soa maro be ho antsika ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony. (Salamo 71:5; 116:12) Mahazo sitraka aminy sy akaiky azy isika, ohatra, satria matahotra azy sy manao ny marina. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Jakoba 4:8) Tsy mba toa an’i Jehovah anefa ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity. Matetika izy ireo no hita miaraka amin’ny olona ambony, toy ny manamboninahitry ny tafika, na mpandraharaha manan-karena, na olo-malaza eo amin’ny fanatanjahan-tena sy ny zavakanto. Araka ny gazety afrikanina Sowetan, dia niteny toy izao momba ny faritra mahantra ao amin’ny taniny ny manam-pahefana iray: “Azoko tsara hoe nahoana ny ankamaroantsika no tsy te ho any amin’ireny toerana ireny. Ny antony dia satria fotsiny hoe tiantsika hohadinoina ny fisian’ny toe-javatra toy ireny. Manenjika antsika ny eritreritsika ary sadaikatra isika, satria lafo be ny [fiara] entintsika.”

10 Marina aloha fa tena miahy izay hahasoa ny vahoakany ny mpitondra sasany. Tsy mahafantatra tsara ny tsirairay amin’ny vahoakany anefa, na dia ny tsara fikasa indrindra amin’izy ireo aza. Tsara àry raha manontany tena isika hoe: Mba misy ve mpitondra miahy fatratra ny vahoakany rehetra, ka tonga avy hatrany manampy ny tsirairay avy aminy rehefa misy olana? Tena misy tokoa. Hoy i Davida: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.”​—Salamo 145:14.

11. Inona no fisedrana mahazo an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra, ary inona no fanampiana azon’izy ireo?

11 Betsaka ny fisedrana sy fahoriana mianjady amin’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, noho izy ireo tsy lavorary sy miaina eo anivon’ny tontolo fehezin’i Satana, “ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19; Salamo 34:19) Enjehina ny Kristianina sasany. Misy mijaly noho ny aretina mitaiza, na ny fahafatesan’ny havan-tiany. Mety ‘hitanondrika’ noho ny hakiviana koa indraindray ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, satria nanao fahadisoana. Vonona hampionona sy hampahery azy ireo foana anefa i Jehovah, na inona na inona fisedrana mahazo azy. Miahy amim-pitiavana ny vahoakany tsy mivadika koa i Jesosy Kristy Mpanjaka.​—Salamo 72:12-14.

Sakafo mahafa-po amin’ny fotoany

12, 13. Ahoana no anomezan’i Jehovah izay ilain’ny “zava-miaina rehetra”?

12 Noho ny halehiben’ny fitiavany sy hatsaram-panahiny, dia manome izay rehetra ilain’ny mpanompony i Jehovah. Manome azy ireo sakafo mahavelona izy, ohatra. Hoy i Davida Mpanjaka: “Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao [Jehovah], ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany. Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:15, 16) Vitan’i Jehovah ny manao izay hahazoan’ireo tsy mivadika aminy, ny ‘hanina ilainy’ isan’andro, na dia rehefa misy loza aza.​—Lioka 11:3; 12:29, 30.

13 Nilaza i Davida fa voky soa ny “zava-miaina rehetra”, anisan’izany ny biby. Raha tsy tondraka ny zavamaniry teto an-tany sy tany anaty ranomasina, dia tsy ho nahazo oksizenina hofohina, na sakafo hohanina ny biby an-dranomasina sy ny vorona ary ny biby hafa. (Salamo 104:14) Ataon’i Jehovah anefa izay hahazoan’izy ireo izay rehetra ilainy.

14, 15. Amin’ny fomba ahoana no anomezana sakafo ara-panahy ankehitriny?

14 Tsy toy ny biby ny olombelona, fa mila an’Andriamanitra. (Matio 5:3) Ary tena mahavariana mihitsy ny fomba anampian’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika mba hanatona azy! Nampanantena i Jesosy, talohan’ny nahafatesany, fa hisy “mpanompo mahatoky sy malina” hanome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety’ ho an’ny mpanara-dia azy. (Matio 24:45) Ny sisa amin’ireo voahosotra 144 000 no mahaforona an’io mpanompo io ankehitriny. Tena manome sakafo ara-panahy tondraka tokoa i Jehovah, amin’ny alalan’izy ireo.

15 Manana fandikan-tenin’ny Baiboly vaovao sy marina tsara amin’ny fiteniny, ohatra, ny ankamaroan’ny vahoakany ankehitriny. Fitahiana lehibe tokoa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao! Misy boky fianarana Baiboly an-tapitrisa koa mivoaka tsy tapaka amin’ny fiteny 300 mahery. Fitahiana ho an’ny tena mpivavaka eran-tany tokoa izany sakafo ara-panahy rehetra izany. Iza no mendri-koderaina noho izany? I Jehovah Andriamanitra. Noho ny halehiben’ny fitiavany sy hatsaram-panahiny, dia ataony izay ahafahan’ilay mpanompo hanome ‘hanina amin’ny fotoana.’ ‘Voky soa àry ny zava-miaina rehetra’ ao amin’ilay paradisa ara-panahy ankehitriny. Ary tena mahafaly ny mpanompon’i Jehovah ny fanantenana fa kely sisa dia ho lasa paradisa ara-bakiteny ny tany!​—Lioka 23:42, 43.

16, 17. a) Milazà sakafo ara-panahy tonga tamin’ny fotoany. b) Araka ny Salamo faha-145, ahoana no fiheveran’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra an’ilay fanendrikendrehan’i Satana?

16 Nisy sakafo ara-panahy tonga tamin’ny fotoany tokoa, rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II tany Eoropa tamin’ny 1939. Nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Tsy momba ny Atsy na ny Aroa”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra tamin’io taona io. Noho ny fanazavana tsara nomena tao amin’izy io, dia azon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany fa tsy tokony hitsabaka mihitsy amin’ny raharahan’ireo firenena miady izy ireo. Noho izany, dia nampihatra ny fahatezerany tamin’izy ireo ny fitondram-panjakana tamin’ny andaniny roa tamin’io ady naharitra enin-taona io. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana anefa ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra, na dia norarana sy nenjehina aza. Nahatalanjona ny vokatr’izany, satria nitombo avo roa heny mahery ny isan’izy ireo teo anelanelan’ny 1939 sy 1946. Niavaka koa ny tsy fivadihan’izy ireo nandritra ny ady, ary mbola manampy ny olona hamantatra ny fivavahana marina izany hatramin’izao.​—Isaia 2:2-4.

17 Tsy vitan’ny hoe tonga amin’ny fotoany fotsiny ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah, fa tena mahafa-po koa. Raha mbola revo tanteraka tamin’ny ady ireo firenena nandritra ny Ady Lehibe II, ny vahoakan’i Jehovah kosa dia nampiana hifantoka tamin’ny zava-dehibe kokoa noho ny famonjena ny ain’izy ireo. Nampian’i Jehovah izy ireo, mba hazava tsara aminy fa ny fanamarinana ny zony ho mpitondra no tena zava-dehibe, ary voakasik’izany ny rehetra. Mahafa-po tokoa ny mahafantatra fa rehefa tsy mivadika ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay, dia mandray anjara kely amin’izany fanamarinana izany sy ny fanaporofoana fa mpandainga i Satana! (Ohabolana 27:11) Tsy manendrikendrika an’i Jehovah sy manakiana ny fomba fitondrany toa an’i Satana, ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, fa manambara hatrany ampahibemaso hoe: “Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra.”​—Salamo 145:17.

18. Milazà sakafo ara-panahy azontsika vao haingana, izay tonga amin’ny fotoany sady tena mahafa-po.

18 Sakafo ara-panahy tonga amin’ny fotoany sy mahafa-po koa ilay boky Manatòna An’i Jehovah. Avy tamin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izy io, ary nivoaka tamin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra nitondra ny lohateny hoe “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”, tamin’ny 2002. Ny toetra mahatalanjon’i Jehovah Andriamanitra no votoatin’io boky io, anisan’izany ireo toetrany resahin’ny Salamo faha-145. Azo antoka fa hanampy an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra, mba hanatona azy bebe kokoa, io boky tena tsara io.

Fotoana hanatonana kokoa an’i Jehovah izao

19. Fotoan-dehibe inona no efa akaiky, ary inona no hanampy antsika hiatrika izany?

19 Efa ho avy izao ny fotoana handaminana tanteraka ilay adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra. Kely sisa dia hanao ny asan’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” i Satana, araka ny voalaza ao amin’ny Ezekiela toko faha-38. Midika izany fa hotafihina ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Hanao araka izay fara heriny i Satana mba hahatonga azy ireo hivadika amin’Andriamanitra. Vao mainka hila hiantso mafy an’i Jehovah ny mpanompony amin’io fotoan-dehibe io, ary hila hitaraina, na hitalaho fanampiana aminy mihitsy aza. Ho very maina ve ny fahatahorany sy ny fitiavany an’Andriamanitra? Tsy izany velively, satria hoy ny Salamo faha-145: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.”​—Salamo 145:18-20.

20. Ahoana no hahatanterahan’ny Salamo 145:18-20 amin’ny hoavy?

20 Hientam-po tokoa isika hahatsapa fa tena akaiky antsika i Jehovah sady manan-kery hamonjy antsika, rehefa horinganiny ny ratsy fanahy rehetra! ‘Izay miantso marina’ an’i Jehovah ihany no hohenoiny amin’io fotoan-dehibe efa tena mananontanona io. Tsy hihaino ny mpihatsaravelatsihy mihitsy izy. Asehon’ny Teniny mazava tsara fa very maina foana ny fiantsoan’ny ratsy fanahy ny anarany, raha efa miandry ny minitra farany izy vao manao izany.​—Ohabolana 1:28, 29; Mika 3:4; Lioka 13:24, 25.

21. Ahoana no ampisehoan’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah fa mahafaly azy ireo ny mampiasa ny anarany?

21 Vao mainka mila ‘miantso an’i Jehovah marina tokoa’ ny olona matahotra azy ankehitriny. Faly mampiasa ny anarany ireo tsy mivadika aminy, rehefa mivavaka sy manome valin-teny any am-pivoriana. Mampiasa ny anarany koa izy ireo amin’ny resaka hafa ataony. Ary sahy manambara ny anaran’i Jehovah koa izy ireo mandritra ny fanompoana ataony ho an’ny besinimaro.​—Romanina 10:10, 13-15.

22. Nahoana isika no mila miady hatrany mba tsy hanaraka ny toe-tsain’ity tontolo ity sy ny faniriany?

22 Raha te hifandray tsara foana amin’i Jehovah Andriamanitra koa isika, dia mila miezaka mafy mba tsy ho matimatin-karena sy hanalavitra ny fialam-boly tsy mendrika. Mila mitandrina mafy koa isika sao dia mitady tsy hamela heloka, na tsy hiraika amin’ny fahantran’ny hafa. Manimba ny fihavanana amin’i Jehovah mantsy izany rehetra izany. (1 Jaona 2:15-17; 3:15-17) Raha tsy miala amin’izany fomba fiaina sy toetra izany isika, dia mety ho voatarika hanao fahotana lehibe, ka hanjary tsy hahazo sitraka aminy intsony. (1 Jaona 2:1, 2; 3:6) Fahendrena ny mitadidy fa rehefa tsy mivadika amin’i Jehovah ihany isika, vao hanehoany fitiavana sy hatsaram-panahy hatrany.​—2 Samoela 22:26.

23. Inona no hoavy mahatalanjona miandry an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra?

23 Aoka àry isika hibanjina ilay hoavy mahatalanjona miandry an’izay rehetra tsy mivadika amin’i Jehovah. Raha manao izany isika, dia afaka manantena ny ho anisan’ireo hanandratra sy hankalaza ary hidera an’i Jehovah “isan’andro”, ary ho “mandrakizay doria” mihitsy aza. (Salamo 145:1, 2) Enga anie àry isika ka ‘hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, sady hitsinjo ny fiainana mandrakizay.’ (Joda 20, 21) Maneho toetra faran’izay tsara amintsika ilay Raintsika any an-danitra, anisan’izany ny fitiavany sy hatsaram-panahiny amin’izay tia azy. Koa enga anie isika hanaraka hatrany izay voalazan’i Davida ao amin’ny famaranany ny Salamo faha-145. Hoy izy: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako; ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.”

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no amantarana ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra, araka ny Salamo faha-145?

• Ahoana no ataon’i Jehovah mba ‘hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’?

• Nahoana isika no mila miezaka hanatona kokoa an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Mahafaly an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra ny miresaka momba ny asany lehibe

[Sary, pejy 17]

Misikina herim-po ny mpanompon’i Jehovah, ka manampy ny olona hahafantatra ny voninahitry ny fanjakany

[Sary, pejy 18]

Manome sakafo ho an’ny “zava-miaina rehetra” i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana]

Biby: Parque de la Naturaleza de Cabárceno

[Sary, pejy 19]

Omen’i Jehovah hery sy tari-dalana ireo tsy mivadika aminy, rehefa mangataka fanampiana aminy