Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampanantenana Azonao Itokisana

Fampanantenana Azonao Itokisana

Fampanantenana Azonao Itokisana

FANTATR’I Mika mpaminanin’Andriamanitra fa tsy voatery ho azo itokisana foana ny fampanantenana ataon’ny olona. Tamin’ny androny, dia nahina hivadika tamin’ny teniny na dia ny namana akaiky indrindra aza. Nampitandrina àry i Mika hoe: “Aza matoky namana hianareo, aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’izay andefimandrinao aza.”​—Mika 7:5.

Lasa tsy natoky ny fampanantenana rehetra ve i Mika noho izany toe-javatra nampalahelo izany? Tsia! Natoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah Andriamaniny izy. Hoy izy: “Izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.”​—Mika 7:7.

Nahoana i Mika no natoky an’i Jehovah? Satria fantany fa mitana ny teny nataony foana izy. Tanteraka daholo izay zavatra nianianany tamin’ny razamben’i Mika. (Mika 7:20) Natoky i Mika fa hitana ny teny hataony i Jehovah amin’ny hoavy, satria tsy nivadika tamin’ny teniny mihitsy izy taloha.

‘Tsy nisy latsaka na dia zavatra iray akory aza’

Fantatr’i Mika, ohatra, fa nanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta i Jehovah. (Mika 7:15) Nampirisika ny Israelita mba hino izay rehetra ampanantenain’Andriamanitra i Josoa, izay niara-nafahana tamin’izy ireo. Nahoana? Nampahatsiahy azy ireo izy hoe: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.”​—Josoa 23:14.

Fantatry ny Israelita tsara fa nanao zavatra mahatalanjona ho azy ireo i Jehovah. Notanterahiny ny fampanantenany tamin’i Abrahama razamben’izy ireo, hoe ho maro tahaka ny kintana ny taranany, sady hahazo ny tany Kanana. Nilaza tamin’io lehilahy natahotra azy io koa i Jehovah fa hijaly mandritra ny 400 taona ny taranany, nefa hiverina ho any Kanana izy amin’ny andron’ny ‘zafiafiny’, izany hoe aorian’ny taranaka efatra mifandimby. Tanteraka daholo izany.—Genesisy 15:5-16; Eksodosy 3:6-8.

Noraisina tsara ireo Israelita tamin’izy ireo tonga tany Ejipta, tamin’ny andron’i Josefa, zanak’i Jakoba. Nandevozin’ny Ejipsianina izy ireo tatỳ aoriana, sady nampijalijaliny. Araka ny nampanantenain’Andriamanitra anefa, dia nafahana ireo taranak’i Abrahama ireo taorian’ny taranaka efatra nifandimby, nanomboka tamin’ny fotoana nahatongavany tany Ejipta. *

Nandritra ny 40 taona nanaraka, dia nahita porofo fanampiny ny Israelita fa mitana ny teny nataony foana i Jehovah. Niady ho an’ny vahoakany sy niaro azy Andriamanitra, rehefa notafihin’ny Amalekita izy ireo. Nanome izay rehetra nilain’izy ireo koa izy nandritra ny 40 taona naha tany an’efitra azy ireo. Namponina azy ireo tany amin’ny Tany Nampanantenaina izy tatỳ aoriana. Rehefa avy nanao jery todika ny fomba nitondran’i Jehovah ny taranak’i Abrahama àry i Josoa, dia tsy nisalasala nilaza hoe: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.”​—Josoa 21:45.

Ahoana no ahafahanao matoky ny fampanantenan’Andriamanitra?

Inona no hanampy anao hatoky ny fampanantenan’i Jehovah, toa an’i Mika sy Josoa? Mazàna ianao no miezaka hahafantatra tsara ny olona iray, mba hatokisana azy, sa tsy izany? Diniho tsara, ohatra, raha miezaka mitana ny teny nataony foana izy, na tsia. Arakaraka ny hahafantaranao ilay olona, no hatokisanao azy. Afaka manao toy izany koa ianao, mba inoanao ny fampanantenan’Andriamanitra.

Azonao atao, ohatra, ny mandinika ny zavaboary sy ny lalàna mifehy azy. Matoky ireny lalàna ireny ny mpahay siansa, anisan’izany ireo lalàna mifehy ny selan’olombelona. Sela iray monja no mizara sy mitombo, ka mamokatra ireo sela an’arivo tapitrisa mahaforona ny vatantsika. Tsy maintsy ho avy amin’ny Mpanao lalàna azo itokisana tanteraka, ireny lalàna mifehy ny zavaboary ireny. Tena azonao atokisana ny fampanantenany, tsy misy hafa amin’ny atokisanao ireo lalàna mifehy ny zavatra noforoniny.​—Salamo 139:14-16; Isaia 40:26; Hebreo 3:4.

Nohazavain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia, mpiara-belona tamin’i Mika, fa azo itokisana ny teniny. Nampiasa ny fizaran-taona sy ny tsingerin’ny rano izy, mba hampisehoana izany. Avy isan-taona, ohatra, ny orana, ary tsy maintsy mamonto ny tany, ka afaka mamafy sy mijinja ny olona. Nampitovin’i Jehovah tamin’izany ny teniny, ka hoy izy: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana,—dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”​—Isaia 55:10, 11.

Azo antoka ny fampanantenana Paradisa

Mahatonga antsika hatoky ny Mpamorona ny fandinihana ny zavaboary. Nefa misy zavatra hafa ilaina hatao, mba hahafantarana ireo fampanantenany, izay anisan’ny ‘teny aloaky ny vavany.’ Mba hahalalanao ny fampanantenan’Andriamanitra, ka hatokisanao izany, dia mila mandinika ny Soratra Masina ianao, mba hahafantaranao ny fikasany momba ny tany sy ny fomba itondrany ny olombelona.​—2 Timoty 3:14-17.

Natoky ny fampanantenan’i Jehovah i Mika mpaminany. Efa manana ny Baiboly manontolo anefa isika izao, tsy toy ny tamin’ny androny. Rehefa mamaky sy misaintsaina azy io ianao, dia hanjary hino koa fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy mahakasika ny taranak’i Abrahama fotsiny mantsy izy ireny, fa ny olombelona rehetra mihitsy. Nampanantena an’io loham-pianakaviana natahotra azy io i Jehovah hoe: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,—satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:18) I Jesosy Kristy, ilay Mesia, no voalohany amin’ny ‘taranak’i’ Abrahama.​—Galatianina 3:16.

Manome antoka i Jehovah fa handrotsaka fitahiana ho an’ny olombelona mankatò amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy. Ary inona no nampanantenainy fa hataony ankehitriny? Mamaly izany ity faminaniana ao amin’ny Mika 4:1, 2 ity: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny firenena hitanjozotra hankany. Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.”

‘Manefy ny sabany ho fangady sy ny lefony ho fanetezam-boaloboka’, ireo ampianarin’i Jehovah. Tsy tia ady intsony izy ireo. Tsy ho ela dia ho feno olo-marina ny tany, ary tsy hisy hampatahotra azy ireo intsony. (Mika 4:3, 4) Mampanantena Andriamanitra ao amin’ny Teniny, fa hesoriny tsy hisy intsony ny mpampahory, mandritra ny fitondran’i Jesosy Kristy.​—Isaia 11:6-9; Daniela 2:44; Apokalypsy 11:18.

Na dia ireo nijaly sy maty noho ny fikomian’ny olombelona tamin’Andriamanitra aza, dia hatsangana amin’ny maty ary afaka ny hiaina mandrakizay eto an-tany. (Jaona 5:28, 29) Tsy ho eo intsony i Satana sy ny demoniany, izay fototry ny faharatsiana. Noho ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia hofoanana koa ny vokatry ny fahotan’i Adama. (Matio 20:28; Romanina 3:23, 24; 5:12; 6:23; Apokalypsy 20:1-3) Ary hanao ahoana ny olona mankatò? Hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa izy ireo, sady ho tonga lafatra ny fahasalamany!​—Salamo 37:10, 11; Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3-5.

Izany ka fampanantenana tena tsara! Azonao atokisana anefa ve izany? Izany tokoa. Andriamanitra mantsy no manome ireo fampanantenana ireo, fa tsy olombelona tsara fikasa, nefa tsy manana fahefana hanatanterahana ny fikasany. Andriamanitra no manana ny hery fara tampony, sy tsy mahay mandainga, ary ‘tsy mba ela raha ny amin’ny fampanantenany.’ (2 Petera 3:9; Hebreo 6:13-18) Afaka matoky tanteraka izay rehetra ampanantenain’ny Baiboly àry ianao, satria avy amin’i ‘Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana’ izy ireny.​—Salamo 31:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), boky 1, pejy 977, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.”​—JOSOA 23:14

[Sary, pejy 4, 5]

Nanatanteraka ny fampanantenany tamin’ny Israely i Jehovah, teo amin’ny Ranomasina Mena sy tany an’efitra

[Sary, pejy 7]

Nanatanteraka ny fampanantenany tamin’i Abrahama i Jehovah. Hitondra fitahiana ho an’ny olombelona i Jesosy Kristy, ilay Taranaka