Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampanantenan’iza no Azonao Itokisana?

Fampanantenan’iza no Azonao Itokisana?

Fampanantenan’iza no Azonao Itokisana?

“MAMPIAIKY volana toa azy ny fampanantenany, saingy tsinontsinona toa azy ankehitriny ihany, ny zava-bitany.”​—Mpanjaka Henry VIII, nosoratan’i William Shakespeare.

Ny fampanantenana mampiaiky volana nataon’ilay kardinaly anglisy atao hoe Thomas Wolsey, no noresahin’i Shakespeare eto. Nanana fahefana be teo amin’ny politika tany Angletera izy io, nandritra ny taonjato faha-16. Hisy hilaza fa toy io noresahin’i Shakespeare io ny ankamaroan’ny fampanantenana reny ankehitriny. Ampanantenaina zavatra betsaka ny olona matetika, nefa tsy tanteraka ny ankamaroany. Tsy mahagaga àry raha tsy atokisan’izy ireo loatra ny fampanantenana rehetra.

Maro no diso fanantenana

Nilaza, ohatra, ny Filan-kevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana fa “faritra tsy nampidi-doza” ny tanànan’i Srebrenica, any Bosnia, nandritra ny ady nahatsiravina tany amin’ireo tany Balkans, tamin’ireo taona 1990. Toa azo antoka erỳ io fampanantenan’ny Firenena Mikambana io. Natoky izany ireo mpitsoa-ponenana miozolimanina an’arivo tany Srebrenica. Resaka fotsiny anefa ilay fampanantenana hoe tsy mampidi-doza ilay toerana. (Salamo 146:3) Tsy niraharaha ny tafiky ny Firenena Mikambana ny mpanafika tamin’ny Jolay 1995, fa naka ilay tanàna an-keriny. Miozolimanina 6 000 mahery no tsy hita popòka, ary tsy latsaka ny 1 200 no novonoina.

Fahita amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ny fampanantenana poaka aty. Mahatsiaro ho voambaka ny olona noho ny “dokam-barotra maro be mamitaka” aseho azy ireo. Diso fanantenana izy ireo, noho ny “fampanantenana poaka aty ataon’ny mpanao politika maro be amin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra.” (Rakipahalalana Britannica Vaovao, anglisy, Boky faha-15, pejy 37) Manararaotra ny ondriny amin’ny fomba maharikoriko koa ny mpitondra fivavahana nitokisana, nefa nampanantena fa hikarakara azy ireo. Mamadika ny fitokisan’ny olona karakarainy sy manararaotra azy ireo ny mpanabe sy mpitsabo sasany, izay heverina fa tokony hangoraka sy hiahy ny olon-kafa. Misy aza mamono mahafaty ny olona karakarainy. Tsy mahagaga àry raha mampitandrina antsika ny Baiboly mba tsy hino ny teny rehetra!​—Ohabolana 14:15.

Fampanantenana tanteraka

Mazava ho azy fa maro ny olona mitana ny teny nataony, na dia sarotra aminy aza izany indraindray. (Salamo 15:4) Azo antoka ny teniny, ary tsy mivadika amin’izany izy. Misy koa ireo tena tsara fikasa, ka te hitana ny teny nataony. Te hanatanteraka izay nampanantenainy izy ary vonona ny hanao izany, saingy tsy vitany tsotra izao ilay izy. Na dia ny fikasana faran’izay tsara aza dia mety tsy ho tanteraka noho ny toe-javatra sasany.​—Mpitoriteny 9:11.

Na ahoana na ahoana, dia tena sarotra amin’ny olona maro ny mino izay ampanantenaina azy, na iza na iza mampanantena azy. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Misy fampanantenana azontsika itokisana ve? Eny. Afaka matoky ny fampanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Nahoana raha mandinika izay lazain’ny lahatsoratra manaraka momba izany? Mety hanatsoaka hevitra toy ny efa nataon’ny olona an-tapitrisa ianao, fa tena azo itokisana ny fampanantenan’Andriamanitra.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

AP Photo/Amel Emric