Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no toe-javatra nahatonga an’i Joda hanao firaisana tamin’ny vehivavy iray noheveriny fa vehivavy janga, araka ny voalazan’ny Genesisy 38:15, 16?

Marina fa noheverin’i Joda ho mpivaro-tena ilay vehivavy nanaovany firaisana, nefa tsy izany no izy. Izao no nitranga, araka Genesisy toko faha-38:

“Ratsy fanahy teo imason’i Jehovah” i Era, lahimatoan’i Joda, ka novonoiny. Mbola tsy nanan-janaka tamin’i Tamara vadiny anefa izy tamin’izay. (Genesisy 38:7) Fanao tamin’izany fotoana izany ny fitondrana loloha, izany hoe raha maty tsy nisy mpandova ny lehilahy iray, dia adidin’ny rahalahiny ny manambady ilay vehivavy maty vady, mba hiterahany mpandova iray ho azy. Tsy nety nanatanteraka ny adidiny anefa i Onana, lahiaivon’i Joda ka novonoin’Andriamanitra. Nalefan’i Joda nody tany amin’ny rainy àry i Tamara vinantovaviny, mandra-pahalehiben’i Sela, zanany lahy fahatelo, ka hanambadiany azy. Tsy nomen’i Joda ho vadin’i Tamara anefa i Sela, rehefa nandeha ny fotoana. Koa rehefa maty àry ny vadin’i Joda, dia nanao tetika i Tamara hahazoana mpandova tamin’io rafozandahiny israelita io. Niakanjo toy ny mpivaro-tena izy, ary nipetraka teo amin’ny lalana, izay fantany fa handalovan’i Joda.

Tsy nahafantatra azy i Joda, ka nanao firaisana taminy. Nampiasa hafetsena i Tamara, ka nahazo zavatra hatao antoka, hoe hanome azy tambiny noho ny nanaovany firaisana taminy i Joda. Ireo antoka ireo no nanaporofoany tatỳ aoriana fa i Joda no nahabevohoka azy. Rehefa fantatra ny marina, dia tsy nanameloka azy i Joda fa nanetry tena kosa, ka niteny hoe: “Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Sela zanako.” Ary nifanaraka tamin’izany, dia “tsy nandry taminy intsony izy.”​—Genesisy 38:26.

Tsy nety ny nataon’i Joda satria tsy nomeny ho vadin’i Tamara i Sela zanany lahy, araka ny nampanantenainy. Nanao firaisana tamin’ny vehivavy iray noheveriny ho mpivaro-tena koa izy. Nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra izany, satria ny vadiny ihany no tokony hanaovan’ny lehilahy firaisana. (Genesisy 2:24) Tsy nanao firaisana tamin’ny mpivaro-tena anefa i Joda, raha ny marina. Naka tsy nahy ny toeran’i Sela zanany izy, ka nitondra loloha an’i Tamara. Noho izany, dia zanany ara-dalàna ny zaza naterak’i Tamara.

Tsy nijangajanga i Tamara rehefa nanao firaisana taminy. Tsy noheverina ho zanaky ny fijangajangana ny zanany kambana roa lahy. Rehefa nitondra loloha an’i Rota moabita i Boaza avy any Betlehema, dia nilaza zavatra tsara momba an’i Fareza zanak’i Tamara ny anti-panahin’i Betlehema, ka niteny tamin’i Boaza hoe: “Ho tahaka ny taranak’i Fareza, izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’i Jehovah anao amin’ity vehivavy ity.” (Rota 4:12) Tafiditra ao amin’ny lisitry ny razamben’i Jesosy Kristy koa i Fareza.​—Matio 1:1-3; Lioka 3:23-33.