Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana II

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana II

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy​—Fizarana II

VOATANTARA ao amin’ny Genesisy ny momba ireo 2 369 taona teo amin’ny tantaran’ny olombelona, nanomboka tamin’ny namoronana an’i Adama ka hatramin’ny nahafatesan’i Josefa, zanak’i Jakoba. Noresahina tao amin’ny nomerao teo aloha, ny toko 1 ka hatramin’ny toko 11 andininy 9, izay mitantara momba ny famoronana ka hatreo amin’ny tilikambon’i Babela. * Ity lahatsoratra ity kosa, dia miresaka hevitra misongadina avy ao amin’ireo toko sisa amin’ny bokin’ny Genesisy, dia ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa.

LASA SAKAIZAN’ANDRIAMANITRA I ABRAHAMA

(Genesisy 11:10–23:20)

Lasa mpinamana akaiky tamin’Andriamanitra ny lehilahy iray, teraka 350 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano, ary anisan’ny taranak’i Sema, zanak’i Noa. Abrama no anarany, izay novana hoe Abrahama tatỳ aoriana. Nasain’Andriamanitra niala teo amin’ny tanànan’i Ora tany Kaldea izy, ka nipetraka tanaty lay tany amin’ny tany nampanantenain’i Jehovah homena azy sy ny taranany. Nanjary nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah” izy, noho ny finoany sy ny fankatoavany.​—Jakoba 2:23.

Nandringana ny ratsy fanahy tany Sodoma sy ny tanàna nanodidina azy i Jehovah, ary nitsimbina ny ain’i Lota sy ny an’ireo zanany vavy. Nanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra, ka niteraka an’i Isaka i Abrahama. Nosedraina ny finoan’i Abrahama, rehefa nasain’i Jehovah nanome ny zanany hatao fanatitra izy, taona maro tatỳ aoriana. Vonona ny hankatò i Abrahama, saingy nisy anjely nisakana azy. Azo antoka fa tena nanam-pinoana i Abrahama, ary nahazo fampanantenana izy hoe ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra. Nalahelo mafy i Abrahama, rehefa maty i Saraha vady malalany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

12:1-3​—Oviana no nanomboka nanan-kery ny fanekena natao tamin’i Abrahama, ary naharitra hafiriana izany? Nanao fifanekena tamin’i Abrama i Jehovah hoe: “[Amin’i Abrama] no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Azo inoana fa nanomboka nanan-kery io fifanekena io, rehefa niampita ny ony Eofrata hankany Kanana i Abrama. Tsy maintsy ho tamin’ny 14 Nisana 1943 T.K. izany no nitranga, izany hoe 430 taona talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (Eksodosy 12:2, 6, 7, 40, 41) “Fanekena mandrakizay” ny fifanekena natao tamin’i Abrahama. Manan-kery foana izy io mandra-pahatanterak’ilay fampanantenana hoe hahazo fitahiana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany, ary ho ringana ny fahavalon’Andriamanitra rehetra.​—Genesisy 17:7; 1 Korintianina 15:23-26.

15:13​—Oviana no tanteraka ilay faminaniana momba ny fampahoriana ny taranak’i Abrama mandritra ny 400 taona? Nanomboka tamin’ny 1913 T.K. io fotoana fampahoriana io, rehefa nosarahi-nono i Isaka tamin’izy 5 taona teo ho eo, ka “nihomehy” azy i Isimaela, 19 taona, rahalahiny iray ray taminy. (Genesisy 21:8-14; Galatianina 4:29) Nifarana ilay fampahoriana, rehefa nafahana tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina ny Israelita, tamin’ny 1513 T.K.

16:2​—Nety ve ny nataon’i Saray tamin’izy nanome an’i Hagara mpanompony ho vadin’i Abrama? Ny fomban-tany tamin’izany andro izany no narahin’i Saray. Tsy maintsy nampanambadian’ny vehivavy ny vadiny mantsy ny mpanompovaviny, mba hahazoana taranaka handova azy, raha tsy niteraka izy. Tamin’ny andron’i Kaina no nisy fampirafesana voalohany. Nanjary fanaon’ny olona izany, ka nanao toy izany koa ny mpivavaka tamin’i Jehovah sasany. (Genesisy 4:17-19; 16:1-3; 29:21-28) Tsy nofoanan’i Jehovah mihitsy anefa ny lalàny momba ny fananana vady tokana. (Genesisy 2:21, 22) Naverina tamin’i Noa sy ny zanany ilay didy hoe: ‘Maroa fara ary mamenoa ny tany.’ Samy nanambady tokana anefa izy ireo. (Genesisy 7:7; 9:1; 2 Petera 2:5) Naverin’i Jesosy koa io fitsipika momba ny fananana vady tokana io.​—Matio 19:4-8; 1 Timoty 3:2, 12.

19:8​—Tsy ratsy ve ny nanoloran’i Lota ny zanany vavy tamin’ny Sodomita? Andraikitry ny tompon-trano ny miaro ny vahiny ao an-tranony, araka ny fomba tatsinanana, na dia hanaovany sorona ny ainy aza. Vonona ny hanao izany i Lota. Sahy nivoaka ny tranony izy, ary nakatony ny varavarana, ka izy irery no nifanatrika tamin’ireo olona romotra teo ivelany. Angamba efa fantany fa iraka avy tamin’Andriamanitra ny vahininy, tamin’ny fotoana nanolorany an’ireo zanany vavy. Mety ho nieritreritra izy fa afaka niaro ny zanany Andriamanitra, toy ny niarovany an’i Saraha nenitoany tany Ejipta. (Genesisy 12:17-20) Tsy niharan-doza mihitsy tokoa i Lota sy ny zanany vavy tamin’iny fisehoan-javatra iny.

19:30-38​—Noleferin’i Jehovah ve ny fahamamoan’i Lota sy ny niterahany zazalahy avy tamin’ ireo zanany vavy? Tsy milefitra amin’ny firaisana amin’olom-pady, na ny fahamamoana, i Jehovah. (Levitikosy 18:6, 7, 29; 1 Korintianina 6:9, 10) Ory dia ory tamin’ireo zavatra “tsy ara-dalàna” nataon’ny mponin’i Sodoma i Lota. (2 Petera 2:6-8) Nataon’ireo zanany vavy izay hahamamo an’i Lota. Midika izany fa fantatr’izy ireo hoe tsy hanaiky hanao firaisana aminy izy raha tsy mamo. Vahiny tao amin’ilay tany izy ireo, ka io ihany, araka ny hevitr’ireo zanak’i Lota, no tsy hahalany tamingana ny fianakavian’i Lota. Ao amin’ny Baiboly io tantara io, satria tiana haseho fa mpihavana ny Israelita (taranak’i Abrahama), sy ny Moabita (avy amin’i Moaba), ary ny Amonita (avy amin’ny Benamy).

Lesona ho antsika:

13:8, 9. Tena ohatra tsara momba ny fandaminana disadisa i Abrahama! Tsy tokony havelantsika hanimba ny fihavanantsika ny fitadiavam-bola, na izay zavatra tiantsika, na ny avonavona.

15:5, 6. Noresahin’i Abrahama tamin’Andriamanitra hoe nihantitra izy, nefa mbola tsy nanan-janaka ihany. Nanome toky azy àry i Jehovah. Inona no vokany? “Nino an’i Jehovah” izy. Hihamafy ny finoantsika an’i Jehovah, raha manokatra ny fontsika isika ka mivavaka aminy, ary manaiky ny toky omeny ao amin’ny Baiboly sy mankatò azy.

15:16. Tsy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny Amorita (na, Kananita) Andriamanitra, nandritra ny taranaka efatra nisesy. Nahoana? Satria Andriamanitra manam-paharetana izy. Nandrasany ihany aloha, sao mbola hiova izy ireo. Tokony hanana faharetana toa an’i Jehovah koa isika.

18:23-33. Tsy mandringana ny olona tsy an-kanavaka i Jehovah. Arovany ny marina.

19:16. “Nitaredretra” i Lota, rehefa hitondra azy hivoaka an’i Sodoma ireo anjely, ka efa saika notaritin’izy ireo handao ilay tanàna mihitsy izy sy ny ankohonany. Tokony hotadidintsika foana fa efa akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity.

19:26. Hadalana tokoa raha manaiky ho variana, na manembona indray an’ireo zavatra efa nilaozantsika tany amin’izao tontolo izao isika!

NAHAZO ZANAKALAHY 12 I JAKOBA

(Genesisy 24:1–36:43)

Nataon’i Abrahama izay hanambadian’i Isaka zanany an’i Rebeka, vehivavy nanam-pinoana. Niteraka an’i Esao sy Jakoba kambana izy. Nanamavo ny zony amin’ny maha zokiny azy i Esao, ka nivarotra izany tamin’i Jakoba. Nahazo tso-drano avy tamin-drainy i Jakoba, tatỳ aoriana. Nandositra ho any Padana-arama izy, ary tany izy no nanambady an’i Lea sy Rahely. Niala tany izy sy ny ankohonany, rehefa avy niandry ny ondrin’ny rafozan-dahiny, nandritra ny 20 taona. Nahazo zanakalahy 12 sy vavy iray tamin’i Lea sy Rahely ary ny mpanompovavin’izy ireo i Jakoba. Nitolona tamin’ny anjely i Jakoba, ka nahazo ny tsodranony, ary novana ho Israely ny anarany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

28:12, 13​—Inona no hevitr’ilay nofin’i Jakoba misy resaka “tohatra”? Io tohatra io, izay nety ho tohatoha-bato, dia midika fa misy fifandraisana eo amin’ny tany sy ny lanitra. Nidina sy niakatra teo amin’ilay tohatra ny anjelin’Andriamanitra, ka midika izany fa toa mitana toerana lehibe amin’ny fifandraisan’i Jehovah sy ny olona ankasitrahany ny anjely.​—Jaona 1:51.

30:14, 15​—Nahoana no neken’i Rahely ny hamoy ilay fahafahany hanao firaisana tamin’ny vadiny ho takalon’ny dodaima (na angividia) vitsivitsy? Nampiasaina ho fanafody mahadomelina ny voan’io hazo io fahiny, na nampiasaina mba hanasitranana hozatra mikainkona, na hisorohana izany. Heverina koa fa afaka manaitaitra ny faniriana hanao firaisana ilay voankazo, sady manampy ny olona ho bevohoka. (Tonon-kiran’i Solomona 7:13) Na dia tsy lazain’ny Baiboly aza ny antony nahatonga an-dRahely hanao ilay fifanakalozana, dia mety ho nieritreritra izy fa hanampy azy hitoe-jaza ny angividia, ka hamarana ilay laza ratsiny hoe tsy niteraka. Taona maro tatỳ aoriana anefa vao “nampanan-anaka azy” i Jehovah.​—Genesisy 30:22-24.

Lesona ho antsika:

25:23. Afaka mamantatra ny fototarazon’ny zaza ao am-bohoka i Jehovah, ka mampiasa an’io fahaizany io izy, mba hifantenana izay nofidiny hanatanteraka ny fikasany. Tsy faritany mialoha anefa ny hoavin’ny olona.​—Hosea 12:3; Romanina 9:10-12.

25:32, 33; 32:25-30. Sarobidy tamin’i Jakoba ny zava-masina, satria nataony izay hahazoana ny zo ho zokiny, sady nitolona tamin’ny anjely nandritra ny alina izy mba hahazoana tsodrano. Nanankinan’i Jehovah zava-masina maromaro isika, toy ny fifandraisantsika aminy sy ny fandaminany, ny vidim-panavotana, ny Baiboly, ary ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana. Enga anie isika hanaporofo ny fankasitrahantsika azy ireny, toa an’i Jakoba.

34:1, 30. Ninamana tamin’ny olona tsy tia an’i Jehovah i Dina, ka izany no nampisy ilay korontana “nahatonga loza” tamin’i Jakoba. Tokony hifidy tsara ny namantsika isika.

NOTAHIN’I JEHOVAH I JOSEFA TANY EJIPTA

(Genesisy 37:1–50:26)

Namidin’ireo zanakalahin’i Jakoba ho andevo i Josefa rahalahiny, noho ny fialonan’izy ireo azy. Nampidirina am-ponja izy tany Ejipta, satria sahy nanaraka hatrany ny fitsipik’Andriamanitra. Navoaka ny fonja izy tamin’ny farany, mba hilaza ny hevitry ny nofin’i Farao. Nilaza mialoha momba ny fito taona tondraka sy fito taona hisian’ny mosary ilay nofy. Natao mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta àry i Josefa. Tonga mba hitady sakafo tany Ejipta ny rahalahiny, noho ilay mosary. Tafaray indray ilay fianakaviana, ary nonina tao amin’ny tany lonak’i Gosena. Nitso-drano an’ireo zanany lahy i Jakoba, taloha kelin’ny nahafatesany, ary nanonona faminaniana misy fanantenana azo antoka, momba ny fitahiana tondraka amin’ireo taonjato ho avy. Nentina mba halevina tany Kanana ny fatin’i Jakoba. Maty teo amin’ny faha-110 taonany i Josefa. Nohosorana zava-manitra ny fatiny, ary nentina nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, tatỳ aoriana.​—Eksodosy 13:19.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

43:32​—Nahoana no naharikoriko ny Ejipsianina ny niara-nisakafo tamin’ny Hebreo? Nety ho vokatry ny fankahalana ny fivavahan’ny Hebreo, na ny fiheveran-tena ho avo razana no tena nahatonga izany. Fahavetavetana tamin’ny Ejipsianina koa ny mpiandry ondry. (Genesisy 46:34) Nahoana? Satria fotsiny angamba karazan’olona ambany teo amin’ny ejipsianina ny mpiandry ondry. Na koa, satria voafetra ny tany azo novolena, ka halan’ny Ejipsianina izay nitady kijana tao.

44:5​—Tena nampiasa kaopy mba hamantarany ny zava-miafina ve i Josefa? Miharihary fa tetika fotsiny iny kaopy volafotsy iny, sy izay nolazaina momba azy. Mpanompon’i Jehovah mahatoky i Josefa. Tsy nangalarin’i Benjamina ilay kaopy, ary tsy nampiasa azy io mba hamantarany ny zava-miafina i Josefa.

49:10​—Inona no dikan’ireo “tehim-panjakana” sy “tehina fanapahana”? Ny tehim-panjakana dia tehina entin’ny mpanjaka, mba hampisehoany ny fahefany amin’ny maha mpanjaka azy. Ny tehina fanapahana kosa dia tehina mampiseho ny fahefany hibaiko. Nanonona azy ireny i Jakoba, mba hilazana fa hisy fahefana sy hery lehibe hankinina amin’ny fokon’i Joda, mandra-pahatongan’i Silo. I Jesosy Kristy io taranak’i Joda io. Izy no ilay nanankinan’i Jehovah ny fanjakana any an-danitra. Nomena fahefana ho mpanjaka sy fahefana hibaiko i Jesosy Kristy.​—Salamo 2:8, 9; Isaia 55:4; Daniela 7:13, 14.

Lesona ho antsika:

38:26. Tsy nety ny fomba nitondran’i Joda an’i Tamara vinantovaviny, izay vehivavy maty vady. Nanetry tena anefa izy, ka nanaiky ny fahadisoany, rehefa naseho azy, fa izy no nahabevohoka an’i Tamara. Tokony ho mailaka hanaiky ny fahadisoantsika koa isika.

39:9. Nasehon’ny valin-tenin’i Josefa tamin’ny vadin’i Potifara, fa nifanaraka tamin’ny an’Andriamanitra ny heviny momba ny fitsipi-pitondran-tena, ary notarihin’ny toro lalan’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretany. Tokony hiezaka koa isika, mba hifanaraka amin’ny an’Andriamanitra ny fomba fisainantsika.

41:14-16, 39, 40. Vitan’i Jehovah ny mampitsimbadika ny tarehin-javatra misy ny olona matahotra azy. Tokony hametraka ny fitokisantsika amin’i Jehovah isika, ary tsy hivadika aminy mihitsy rehefa iharam-pisedrana.

Nanam-pinoana matanjaka izy ireo

Lehilahy natahotra an’Andriamanitra sady nanam-pinoana i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa. Tena manatanjaka ny finoantsika ny tantaram-piainan’izy ireo hita ao amin’ny bokin’ny Genesisy, sady mampianatra antsika lesona sarobidy.

Afaka mandray soa avy amin’io fitantarana io ianao, rehefa asaina manao famakiana Baiboly isan-kerinandro, ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ho velombelona ilay fitantarana, raha mandinika izay voalaza etsy aloha ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Velona ny Tenin’i Jehovah​—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy​—Fizarana I”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2004.

[Sary, pejy 26]

Lehilahy nanam-pinoana i Abrahama

[Sary, pejy 26]

Notahin’i Jehovah i Josefa

[Sary, pejy 26]

Notsimbinina ny ain’i Lota sy ny an’ireo zanany vavy

[Sary, pejy 29]

Sarobidy tamin’i Jakoba ny zava-masina. Ary aminao?