Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omeo Voninahitra Andriamanitra fa Tsy Olona

Omeo Voninahitra Andriamanitra fa Tsy Olona

Omeo Voninahitra Andriamanitra fa Tsy Olona

OLONA maro tia ny fahamarinana no niara-nianatra ny fomba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra, nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, natao vao haingana. Andeha hiverenantsika kely ny fandaharam-pampianarana nomena tany.

Naharitra telo andro io fandaharana ara-baiboly io ho an’ny mpanatrika maro, fa efatra andro kosa ho an’ireo tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Nandre famelabelarana ara-baiboly maherin’ny 30 ireo nanatrika. Teo ireo lahateny izay nanampy mba hahatakarana sy hankasitrahana kokoa ny fahamarinana, fitantarana nanatanjaka ny finoana, fampisehoana nanasongadina fa mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly, ary fampisehoana tantara momba ny zava-tsarotra natrehin’ny Kristianina voalohany. Eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity, dia jereo indray ny fandraisana an-tsoratrao. Azonay antoka fa hotsaroanao ireo fampianarana tondraka sy mahasoa noraisina tany.

Andro Voalohany: ‘Ianao, Jehovah, no Mendrika Handray ny Voninahitra’

Taorian’ny hira sy vavaka fanokafana, dia niarahaba ny rehetra tonga soa ny mpandahateny voalohany. Nasongadiny tamin’ilay lahateny hoe “Tafavory mba Hanome Voninahitra An’Andriamanitra”, ny tena anton’ilay fivoriambe. Nampiasainy ny Apokalypsy 4:11, hanasongadinana ny loha hevitra ankapoben’ilay fivoriambe. Nohazavainy vetivety ny hevitry ny hoe manome voninahitra an’Andriamanitra. Nasongadiny tamin’ny fampiasana ny bokin’ny Salamo fa anisan’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny “fivavahana”, sy ny “fisaorana”, ary ny “fiderana.”​—Salamo 95:6; 100:4, 5; 111:1, 2.

Ny hoe “Mahazo Fitahiana Ireo Manome Voninahitra An’Andriamanitra” no anjara nanaraka. Nanasongadina hevitra mahaliana ilay mpandahateny tamin’io. Omem-boninahitra andro aman’alina i Jehovah, satria miparitaka any amin’ny tany 234, ireo Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery. (Apokalypsy 7:15) Tena nankafizina sy nanafana ny fo koa, ny fanadinadinana Kristianina vitsivitsy izay mpanompo manontolo andro.

Nanaraka izany ilay lahateny hoe “Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Zavatra Noforoniny.” Tsy miteny ny lanitra nefa midera ny fahalehibeazan’i Jehovah, sy manampy antsika hankasitraka kokoa ny fikarakarany feno fitiavana. Nohazavaina tamin’ny an-tsipiriany izany.​—Isaia 40:26.

Misedra ny Kristianina ny fanenjehana, fanoherana, fitaoman’ity tontolo ity, ary fironana hanota. Tena nahaliana àry ilay lahateny hoe “Aza Mivadika Mihitsy.” Novelabelarina isan’andininy mantsy ny Salamo faha-26, ary nisy fanadinadinana Vavolombelona roa mbola mpianatra. Tsara fitondran-tena foana ilay voalohany, ary ilay faharoa kosa nandany fotoana be loatra tamin’ny fialam-boly tsy mahasoa, nefa niezaka nandresy izany ihany.

Natao ny maraina koa ilay lahateny fototra hoe “Mandrisika Antsika ny Fahitana Momba ny Voninahitr’i Jesosy!” Noresahin’ilay mpandahateny ny ohatr’i Daniela mpaminany sy ny an’ny apostoly Jaona sy Petera. Nanatanjaka ny finoan’izy ireo mantsy ny fahitana be voninahitra azony momba ny Fanjakan’ny Mesia sy ny asa hataon’izy io. Hadinon’ny sasany, hoy ny mpandahateny, fa miaina amin’ny andro farany isika izao. Hoy àry izy: “Mino sy manantena izahay fa hataon’izy ireo ao an-tsainy indray hoe efa Mpanjaka be voninahitra i Kristy amin’izao andro iainantsika izao. Hatanjaka ara-panahy indray izy ireo, raha manao izany.”

Nanokatra ny fandaharana ny tolakandro ny lahateny hoe “Asehon’i Jehovah Amin’ny Manetry Tena ny Voninahiny.” Nasehon’ilay mpandahateny hoe nahoana no lazaina fa manetry tena i Jehovah, nefa izy no ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao. (Salamo 18:35) Mankasitraka an’ireo tena manetry tena i Jehovah, fa halany ireo mody manetry tena rehefa mifandray amin’ny olona mitovy aminy na ambony noho izy, nefa masiaka rehefa amin’ny olona eo ambany fiandraiketany.​—Salamo 138:6.

Faminaniana ara-baiboly kosa no noresahin’ilay lahateny mifampitohy, izay nanasongadina lafiny maro momba “Ny Hafatra Raketin’ny Faminanian’i Amosa ho An’ny Androntsika.” Noresahin’ny mpandahateny voalohany ny ohatr’i Amosa, ary nampahatsiahiviny fa andraikitsika ny mampitandrina ny olona, satria efa akaiky ny andro fitsaran’i Jehovah. Ny hoe “Sahia Mitory ny Tenin’Andriamanitra” no lohatenin’izy io. Avy eo dia nanontany ilay mpandahateny faharoa hoe: “Hofaranan’i Jehovah ve ny faharatsiana sy fahoriana?” Noresahiny tamin’ilay lahateny hoe “Ny Didim-pitsaran’Andriamanitra Amin’ny Ratsy Fanahy” kosa, fa ara-drariny foana ny didim-pitsaran’Andriamanitra, tsy azo ialana, ary tsy atao faobe. Ary ny hoe “Mandinika ny Fo i Jehovah”, no noresahin’ny mpandahateny farany tamin’io. Izay te hampifaly an’i Jehovah dia mankatò ny Amosa 5:15 hoe: “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.”

Natao hampifaly ny fo ny zava-pisotro misy alkaola toy ny divay, nefa lasa ampiasaina amin’ny fomba ratsy. Notanisain’ilay mpandahateny ny loza ara-batana sy ara-panahy entin’ny fisotroana tafahoatra, na dia tsy mimamo aza ilay olona. Izao no toro lalana nomeny: Tsy mitovy ny fatran’ny alkaola zakan’ny tsirairay, ka efa be loatra aminao ilay izy raha mihena ny ‘fahendrenao sy ny fahaizanao misaina.’​—Ohabolana 3:21, 22.

Nampahery ilay lahateny hoe “Jehovah no ‘Fiarovana Mafy ho Antsika Amin’ny Andro Fahoriana.’” Mandia fotoan-tsarotra mantsy isika, ka hanampy antsika ny vavaka sy ny fanahy masina ary ireo namantsika kristianina.

Tsy nampoizina ny nivoahan’ilay bokikely misy sarintany maro ao amin’ny Baiboly! Tamin’ilay lahateny farany hoe “‘Ilay Tany Soa’, Santatry ny Paradisa”, no navoaka io bokikely hoe Jereo Ilay Tany Soa io.

Andro Faharoa: ‘Ambarao any Amin’ny Firenena ny Voninahiny’

Narahina taorian’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro ilay lahateny mifampitohy faharoa hoe “Fanomezana Taratry ny Voninahitr’i Jehovah.” Noresahina tamin’ilay anjara voalohany ny momba ny “Fitoriana ny Vaovao Tsara Hatraiza Hatraiza”, ary nisy fampisehoana momba ny zavatra hita teny am-pitoriana. Nampiditra fampisehoana momba ny fitsidihana kosa ilay mpandahateny nanao ny anjara faharoa hoe “Ny Fampahiratana ny Jamba”, ary fanadinadinana mahaliana momba ny zavatra hita teny am-pitoriana, no nandravaka ilay anjara farany hoe “Ny Fanitarana ny Fanompoana.”

Nanaraka izany ilay anjara hoe “Ankahalaina Tsy Amin’ny Antony.” Nohatanjahin’Andriamanitra ireo nadinadinina tamin’io, ka tsy nivadika mihitsy na dia teo aza ny fanoherana.

Nandrasan’ny rehetra koa ny lahatenin’ny batisa sy ny fandrobohana an’ireo nahafeno fepetra. Manolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah ny olona atao batisa anaty rano. Tena nety tsara àry ilay anjara hoe “Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Fiainana Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenantsika.”

Nampirisika antsika handini-tena ilay lahateny nanokatra ny tapany voalohany tamin’ny tolakandro. Ny hoe “Manàna Fomba Fijerin’i Kristy Momba ny Fahamboniana” no foto-kevitr’izy io. Mahaliana ny hevitra nasongadin’ilay mpandahateny hoe: Ambony isika raha manetry tena toa an’i Kristy. Tsy tokony ho fanirian-daza àry no hanirian’ny Kristianina hitana andraikitra. Tokony hanontany tena izy hoe: ‘Vonona hanao asa tsy dia voamariky ny olona loatra ve aho?’

Reraka ve ianao indraindray? Mazava ho azy fa eny. Nankasitrahan’ny rehetra àry ilay lahateny hoe “Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy.” Hita tamin’ny fanadinadinana Vavolombelona efa hatramin’ny ela, fa afaka manatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah.​—Efesianina 3:16.

Ianarana ny ho malala-tanana fa tsy misy malala-tanana hatrany an-kibon-dreniny. Izany no nasehon’ilay anjara hoe “‘Mazotoa Manome sy Miantra.’” Nampisaintsaina ilay fanontaniana hoe: “Moa ve isika vonona hanokana minitra vitsy ao anatin’ny iray andro, mba hiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavy be taona, na marary, na ketraka, na manirery?”

Nahaliana ilay anjara hoe “Mitandrema Amin’ny ‘Feon’ny Vahiny.’” Noharina tamin’ny ondry, izay tsy mihaino afa-tsy ny feon’ny “mpiandry tena tsara”, ny mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy henoin’izy ireo ny ‘feon’ny vahiny’, izay aelin’ny Devoly amin’ny alalan’ny olombelona.​—Jaona 10:5, 14, 27.

Tsy maintsy miara-mihira ny antoko-mpihira, mba ho azon’ny olona ny hirany. Tsy maintsy tafaray koa ny mpivavaka marina, mba hiderana an’Andriamanitra. Nahasoa àry ilay lahateny hoe “Manomeza Voninahitra An’Andriamanitra Amin’ny ‘Vava Iray’ ”, satria natoro antsika ny fomba hitenenana amin’ny ‘fiteny madio’, sy hanompoana an’i Jehovah “amin’ny firaisan-kina.”​—Zefania 3:9.

Tena nahafaly an’ireo ray aman-dreny, indrindra fa ireo manan-janaka kely, ilay lahateny farany tamin’iny andro iny hoe “Lova Sarobidy ny Zanatsika.” Nahafaly sy tsy nampoizina ny nivoahan’ilay boky vaovao 256 pejy. Lova avy amin’Andriamanitra ny zanaka. Hanampy ny ray aman-dreny mba hanao zavatra ara-panahy miaraka amin’izy ireo, ny boky Mianara Aminilay Mpampianatra Lehibe. Hovalian-tsoa izy ireo noho izany.

Andro fahatelo: ‘Ataovy ho Voninahitr’Andriamanitra ny Zavatra Rehetra’

Natomboka tamin’ny resaka ara-panahy ny andro farany tamin’ilay fivoriambe, tamin’ny alalan’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro. Ny fianakaviana no tena noresahina tamin’ny tapany voalohany. Nanomana ny sain’ny mpihaino ilay lahateny voalohany hoe “Ry Ray Aman-dreny, Hatanjaho ny Fianakavianareo.” Andraikitry ny ray aman-dreny, hoy ilay mpandahateny, ny manome izay ilain’ny fianakaviany amin’ny ara-nofo. Nohazavainy anefa avy eo fa ny fanomezana izay ilain’ny zanany eo amin’ny ara-panahy no andraikitr’izy ireo voalohany indrindra.

Ny ankizy kosa no tena nitodihan’ny mpandahateny nanaraka, tamin’ilay hoe “Ahoana no Ideran’ny Tanora An’i Jehovah?” Nolazainy fa toy ny “ando” ny tanora, satria maro be izy ireo, ary mamelombelona koa ny hafanam-pony. Faly ny olon-dehibe manompo an’i Jehovah miaraka amin’izy ireo. (Salamo 110:3) Nisy fanadinadinana tanora fakan-tahaka tamin’io.

Fisehoan-javatra mampientam-po foana ny fampisehoana tantara, amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Tamin’ilay fampisehoana tantara hoe “Sahy Mitory na dia Misy Fanoherana Aza”, dia noresahina ny momba ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Nampiana-javatra izy io fa tsy fialam-boly fotsiny. Noresahina tamin’ilay lahateny hoe “‘Aza Mitsahatra’ Mitory ny Vaovao Tsara” avy eo, ireo hevitra niavaka nandritra ilay fampisehoana.

Nandrasan’ny rehetra ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Iza Ankehitriny no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?” Nampiavaka ny fandaharana ny alahady izy io. Nahariharin’ilay mpandahateny hoe nahoana no tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny mpahay siansa sy ny fivavahana. Mitory sy mampianatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah ny vahoaka mitondra ny anarany. Izy ireo ihany ankehitriny no tena manome voninahitra azy.

Avy eo dia nofintinina ny lesona tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izay tokony hianarana tamin’iny herinandro iny. Ny hoe “‘Mamoaza Be’ Hatrany ho Voninahitr’i Jehovah” kosa no lahateny farany. Nisy fanapahan-kevitra folo tamin’io, naroso holanin’ny mpanatrika. Nasehon’ireo fanapahan-kevitra ireo ny fomba samihafa hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ilay Mpamorona. Nanakoako tany amin’ireo fivoriambe eran-tany ny hoe “Eny.”

Nifantoka tamin’ilay foto-kevitra hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra” ny rehetra nony nifarana ilay fivoriambe. Enga àry anie isika hanome voninahitra an’Andriamanitra fa tsy ny olona. Hanampy antsika hanao izany ny fanahin’i Jehovah sy ny fandaminany hita maso.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Fivoriambe Iraisam-pirenena

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Afrika, Amerika Avaratra sy Atsimo, Aostralia, ary Eoropa. Nanasana Vavolombelona avy amin’ny faritra rehetra izy ireny. ‘Nifampahery’ àry ny vahiny sy ireo tany an-toerana. (Romanina 1:12) Nisy ireo nifankahita indray, ary teo koa ireo vao nifankahalala. Niavaka koa ny fivoriambe iraisam-pirenena, noho ilay fandaharana hoe “Tatitra avy any Amin’ny Tany Hafa.”

[Efajoro/Sary, pejy 25]

Boky Vaovao Manome Voninahitra An’Andriamanitra

Boky roa no navoaka nandritra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra.” Ahitana sarintany sy toerana ao amin’ny Baiboly ilay bokikely 36 pejy hoe Jereo Ilay Tany Soa. Miloko avokoa ny sary ao, ary hita ao koa ny sarintanin’ireo fanjakana asyrianina, babylonianina, medianina sy persanina, grika, ary romanina. Ao koa ny sarin’ireo tany nanaovan’i Jesosy ny fanompoany sy sary mampiseho ny fitaran’ny Kristianisma.

Misy sary 230 eo ho eo ilay boky 256 pejy hoe Mianara Aminilay Mpampianatra Lehibe. Hahafinaritra na dia ny hijery ireo sary ao amin’ilay boky sy hamaly ireo fanontaniana mampisaintsaina ao, miaraka amin’ny ankizy fotsiny aza. Tafihin’i Satana ny tanora sy ny ankizy, ary tiany ho ratsy fitondran-tena. Natao hanampiana azy ireo hanohitra izany io boky vaovao io.

[Sary, pejy 23]

Misionera miresaka momba ny zavatra niainany izay manatanjaka ny finoana

[Sary, pejy 24]

Zava-dehibe niavaka nandritra ny fivoriambe “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, ny batisa

[Sary, pejy 24]

Samy nankafy ny fampisehoana tantara na ny antitra na ny tanora