Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Mitoetra ao Amin’ny Tempoly Nataon-tanana Andriamanitra’

‘Tsy Mitoetra ao Amin’ny Tempoly Nataon-tanana Andriamanitra’

‘Tsy Mitoetra ao Amin’ny Tempoly Nataon-tanana Andriamanitra’

AZO antoka fa fantatry ny apostoly Paoly tsara ny tempolin’i Athéna, satria nisy azy ireny ny ankamaroan’ny tanàna notsidihiny nandritra ny dia misionerany. Araka ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), dia tsy andriamanibavin’ny ady sy ny fahendrena fotsiny i Athéna, fa andriamanibavin’ny “asa tanana sy taozavatra hafa mandritra ny fotoam-pilaminana” koa.

Ny Parthénon no tempolin’i Athéna nalaza indrindra. Tao amin’ny tanàna nampitondraina ny anarany (Atena) izy io no naorina. Lazaina ho iray amin’ireo tempoly lehibe indrindra fahiny ny Parthénon, satria nisy ilay tsangambaton’i Athéna vita tamin’ny volamena sy ivoara, izay mirefy 12 metatra. Efa nampiavaka ny tanànan’i Atena nandritra ny 500 taona io tempoly vita amin’ny marbra fotsy io, tamin’ny fotoana nitsidihan’i Paoly tany.

Teo akaikin’ny Parthénon i Paoly no nitory tamin’ny Atenianina vitsivitsy momba ilay ‘Andriamanitra tsy mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana.’ (Asan’ny Apostoly 17:23, 24) Ny hakanton’ny tempolin’i Athéna sy ny sariny nijoalajoala, izay sampy, no toa nanintona kokoa ny mpihaino an’i Paoly, fa tsy ilay Andriamanitra tsy hita maso sy tsy fantany. Araka ny noresahin’i Paoly anefa, dia tsy tokony hoheverina ho “tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny . . . olombelona”, ny Mpamorona.​—Asan’ny Apostoly 17:29.

Ny tempoliny sy ny tsangambatony no nampahalaza ireo andriamanitra sy andriamanibavy toa an’i Athéna. Tsy naharitra ela anefa izy ireny. Nanjavona teo amin’ny Parthénon ny tsangambaton’i Athéna tamin’ny taonjato fahadimy, ary sisan-javatra rava vitsivitsy avy tamin’ny tempoliny sisa no misy any ankehitriny. Iza amin’izao andro izao no mba mitady fahendrena sy tari-dalana any amin’i Athéna?

Tsy mba toy izany i Jehovah, “ilay Andriamanitra mandrakizay”, izay mbola tsy nisy nahita mihitsy. (Romanina 16:26; 1 Jaona 4:12) Nanoratra toy izao ny zanak’i Kora: “Izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; izy no hitarika antsika.” (Salamo 48:14) Mahazo tari-dalana avy amin’i Jehovah Andriamanitra isika, raha mianatra ny Teniny, dia ny Baiboly, ka mampihatra azy io eo amin’ny fiainantsika.