Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Takatry ny Saina ny Fahalehibeazan’i Jehovah

Tsy Takatry ny Saina ny Fahalehibeazan’i Jehovah

Tsy Takatry ny Saina ny Fahalehibeazan’i Jehovah

“Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.”​—SALAMO 145:3.

1, 2. Karazan’olona nanao ahoana i Davida, ary ahoana no niheverany ny tenany raha nohariny tamin’Andriamanitra?

IRAY amin’ireo olo-malaza teo amin’ny tantara, ny mpanoratra ny Salamo faha-145. Fony izy tovolahy, dia niady tamin’ny lehilahy iray goavam-be nirongo fiadiana izy, ka nahafaty azy. Naharesy fahavalo maro koa izy, rehefa lasa mpanjaka. Davida no anarany, ary izy no mpanjaka faharoa teo amin’ny Israely fahiny. Nalaza foana izy na dia taorian’ny nahafatesany aza, hany ka maro be no mbola mahalala zavatra momba azy mandraka androany.

2 Nanetry tena anefa izy, na dia nahavita zavatra niavaka aza. Nanao ity hira ity momba an’i Jehovah izy: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?” (Salamo 8:3, 4) Tsy nihevi-tena ho zavatra i Davida, fa niaiky hoe i Jehovah no nahavonjy azy tamin’ny fahavalony rehetra. Hoy izy momba an’Andriamanitra: “Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.” (2 Samoela 22:1, 2, 36) Maneho fahamoram-panahy na fanetren-tena i Jehovah, rehefa mamindra fo amin’ny mpanota. Ary nankasitraka ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa i Davida.

‘Hanandratra an’Andriamanitra Mpanjaka aho’

3. a) Ahoana no niheveran’i Davida ny fanjakana teo amin’ny Israely? b) Mandra-pahoviana no nanirian’i Davida hidera an’i Jehovah?

3 Na dia notendren’Andriamanitra ho mpanjaka aza i Davida, dia niaiky fa i Jehovah no tena Mpanjakan’ny Israely. Hoy izy: “Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra.” (1 Tantara 29:11) Nanaja an’Andriamanitra amin’ny maha Mpitondra azy tokoa i Davida! Nihira izy hoe: “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” (Salamo 145:1, 2) Nirin’i Davida ny hidera an’i Jehovah Andriamanitra mandritra ny andro manontolo sy ho mandrakizay.

4. Inona no fiampangana diso ahariharin’ny Salamo faha-145?

4 Tena mampiaiky ny valin-teny omen’ny Salamo faha-145 an’ilay fiampangan’i Satana hoe mpitondra tia tena sy mpanao jadona Andriamanitra. (Genesisy 3:1-5) Ahariharin’io salamo io koa ny laingan’i Satana, hoe ny fitadiavana tombontsoa fotsiny no mahatonga ny olona hankatò an’Andriamanitra, fa tsy ny fitiavany azy. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Toa an’i Davida, dia porofoin’ny tena Kristianina ankehitriny fa tsy marina ny fanendrikendrehan’ny Devoly. Mankamamy ny fanantenany hiaina mandrakizay eo ambanin’ny fitondran’ilay Fanjakana izy ireo, satria maniry hidera an’i Jehovah mandrakizay. Olona an-tapitrisa no efa nanomboka nanao izany, satria mino ny sorom-panavotan’i Jesosy, manolo-tena, atao batisa, ary mankatò an’i Jehovah, noho ny fitiavana azy.​—Romanina 5:8; 1 Jaona 5:3.

5, 6. Ahoana avy no azontsika iderana sy ankalazana an’i Jehovah?

5 Imbetsaka isika mpanompon’i Jehovah no afaka midera sy mankalaza azy. Afaka midera azy amin’ny vavaka isika, rehefa manohina lalina ny fontsika ny zavatra vakintsika ao amin’ny Baiboly. Afaka midera sy misaotra azy koa isika, rehefa manohina ny fontsika ny fomba itondrany ny vahoakany, na mientam-po isika noho ny fahitana ny zavaboariny mahagaga. Mankalaza an’i Jehovah Andriamanitra koa isika, rehefa miresaka momba ny fikasany amin’ny mpiray finoana amintsika any amin’ny fivoriana kristianina, na amin’ny fotoana hafa. Raha ny marina, dia fiderana an’i Jehovah daholo ny “asa tsara” atao anohanana ny Fanjakany.​—Matio 5:16.

6 Anisan’izany asa tsara izany ny fanorenan’ny vahoakan’i Jehovah toeram-pivavahana maro be any amin’ny tany mahantra. Ny vola omen’ny mpiray finoana tany an-tany hafa no ahavitana ny ankabeazan’izany. Misy koa Kristianina manolo-tena hankany amin’ireny toerana ireny, mba hanampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Fa ny asa tsara lehibe indrindra, dia ny fiderana an’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Asehon’ny andinin-teny manaraka ao amin’ny Salamo faha-145, fa nankasitraka ny fomba fitondran’Andriamanitra i Davida, ary nankalaza ny fanjakany. (Salamo 145:11, 12) Mankasitraka ny fitondrana feno fitiavan’Andriamanitra koa ve ianao? Ary moa ve ianao miresaka tsy tapaka momba ny Fanjakany?

Ohatra ny amin’ny fahalehibeazan’Andriamanitra

7. Milazà antony lehibe iray iderana an’i Jehovah.

7 Manome antony lehibe iderana an’i Jehovah ny Salamo 145:3. Nihira i Davida hoe: “Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.” Tsy misy fetrany ny fahalehibeazan’i Jehovah. Tsy ho azon’ny olombelona mazava tsara mihitsy hoe manao ahoana ny fahalehibeazany. Handray soa anefa isika izao rehefa handinika ny ohatra sasany ny amin’ny fahalehibeazan’i Jehovah, izay tsy takatry ny saina.

8. Inona no asehon’izao rehetra izao momba ny fahalehibeazan’i Jehovah sy ny heriny?

8 Efa nandinika ny lanitra tsy semban-drahona angamba ianao indray alina. Tsy talanjona ve ianao nahita ireo kintana tsy tambo isaina tao anatin’ny haizina? Tsy voatosika hidera an’i Jehovah ve ianao tamin’izay, satria lehibe tokoa izy matoa nahavita namorona ireny kintana rehetra ireny? Santionany fotsiny amin’ireo kintana maro be mahaforona ny vahindanitra misy ny tany anefa no hitanao tamin’izay. Mbola misy vahindanitra maherin’ny iray hetsy tapitrisa ankoatra an’ireo, ary ny telo amin’ireo vahindanitra ireo monja no hitan’ny masontsika. Ireo kintana sy vahindanitra tsy hita isa, dia tena manaporofo fa manana hery hamoronana i Jehovah, ary tsy takatry ny saina tokoa ny fahalehibeazany.​—Isaia 40:26.

9, 10. a) Inona avy ireo zavatra mahakasika an’i Jesosy Kristy, ka mampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah? b) Inona no tokony ho vokatry ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny maty eo amin’ny finoantsika?

9 Mampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah koa ny lafin-javatra sasany mahakasika an’i Jesosy Kristy. Hita izany rehefa namorona ny Zanany izy sy nampiasa azy ho “mpità-marika” na Mpiasa Kinga, nandritra ny ela be. (Ohabolana 8:22-31) Niharihary koa ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah, rehefa nanome ny Zanany lahitokana ho sorona izy, hanavotana ny olombelona. (Matio 20:28; Jaona 3:16; 1 Jaona 2:1, 2) Ary tena tsy ho azontsika sary an-tsaina mihitsy ny vatana ara-panahy tsy mety maty sy be voninahitra nomen’i Jehovah an’i Jesosy, rehefa natsangany tamin’ny maty izy.​—1 Petera 3:18.

10 Mampiaiky ny fananganany an’i Jesosy tamin’ny maty, ary manasongadina lafiny maro amin’ny fahalehibeazany. Tsy isalasalana fa nataon’Andriamanitra nitamberina tao an-tsain’i Jesosy ny famoronana ny zavatra hita maso sy tsy hita maso. (Kolosianina 1:15, 16) Anisan’izany ny anjely, izao rehetra izao, ny tany, ary ny zavamananaina rehetra. Nampahatsiahivin’i Jehovah an-janany ny zava-drehetra nitranga tany an-danitra sy tetỳ an-tany, fony izy io mbola tsy olombelona. Nataony nitamberina tao an-tsainy koa ny fiainany tamin’izy olombelona lavorary. Asehon’ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny maty fa tsy takatry ny saina tokoa ny fahalehibeazan’i Jehovah. Manome antoka antsika izany asa lehibe izany fa azo atao ny manangana olona amin’ny maty. Manamafy ny finoantsika koa izany fa Andriamanitra dia afaka mamelona indray ireo maty an-tapitrisa, izay ao amin’ny fitadidiany tonga lafatra.​—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 17:31.

Asa lehibe sy mahagaga

11. Inona no asa lehibe natombok’i Jehovah tamin’ny Pentekosta taona 33?

11 Nanao asa lehibe sy mahagaga maro i Jehovah, taorian’ny nananganany an’i Jesosy tamin’ny maty. (Salamo 40:5) Namorona firenena vaovao atao hoe “Israelin’Andriamanitra” izy tamin’ny Pentekosta taona 33, ary mpianatr’i Kristy voahosotry ny fanahy masina no mahaforona azy io. (Galatianina 6:16) Niparitaka be io firenena ara-panahy vaovao io tamin’izany andro izany. Nanao asa mahagaga foana i Jehovah hanatanterahana ny fikasany, na dia teo aza ny fivadiham-pinoana izay nahatonga ny fiforonan’ny Kristianisma Anarana, taorian’ny nahafatesan’ny apostolin’i Jesosy.

12. Manaporofo inona ny fisian’ny Baiboly amin’ny fiteny maro fampiasan’ny olona?

12 Voatsimbina sy voadika amin’ny fiteny maro fampiasa ankehitriny, ohatra, ny Baiboly manontolo. Matetika no tao anaty toe-javatra sarotra no nandikana azy io, ary nandrahona ny mpandika azy io ho faty ny olona nampiasain’i Satana. Azo antoka fa tsy ho voadika amin’ny fiteny maherin’ny 2 000 ny Baiboly, raha tsy noho ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra, izay tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!

13. Hazavao fa mampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah ny fikasany momba ny Fanjakany, nanomboka tamin’ny 1914.

13 Mampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah koa ny fikasany momba ny Fanjakany. Nataony Mpanjaka tany an-danitra, ohatra, i Jesosy Kristy Zanany, tamin’ny 1914. Niady tamin’i Satana sy ny demonia i Jesosy taoriana kelin’izay. Noroahina avy tany an-danitra izy ireo, ka nazera tetỳ amin’ny manodidina ny tany, ary miandry ny handefasana azy ireo ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. (Apokalypsy 12:9-12; 20:1-3) Nitombo hatrany ny fanenjehana ny voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy nanomboka teo. Nanampy azy ireo anefa i Jehovah mandritra izao fanatrehan’i Kristy tsy hita maso izao.​—Matio 24:3; Apokalypsy 12:17.

14. Inona no asa mahagaga nataon’i Jehovah tamin’ny 1919, ary inona no vokatr’izany?

14 Nanao asa mahagaga hafa hampisehoana ny fahalehibeazany i Jehovah tamin’ny 1919. Novelomina indray ny voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy, izay toy ny maty satria zara raha nitory. (Apokalypsy 11:3-11) Nanomboka teo, dia nazoto nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana niorina tany an-danitra izy ireo. Nisy voahosotra hafa koa nangonina hamenoana ny isa 144 000. (Apokalypsy 14:1-3) Tamin’ny alalan’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy ireo i Jehovah, no nanomboka namorona ny “tany vaovao”, na fitambaran’ny olo-marina. (Apokalypsy 21:1) Inona anefa no hitranga amin’ilay “tany vaovao”, rehefa ho lasa any an-danitra daholo ny voahosotra mahatoky?

15. Inona no asa tarihin’ny Kristianina voahosotra, ary inona no vokatr’izany?

15 Nisy lahatsoratra momba ny “vahoaka be” resahina ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra sy 15 Aogositra 1935. Nanomboka nitady sy nanangona ny mpiara-mivavaka taminy avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, ny Kristianina voahosotra be zotom-po. Ho voavonjy amin’ilay “fahoriana lehibe” mananontanona io “vahoaka be” io. Manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izy ireo, ary ho anisan’ilay “tany vaovao” foana. (Apokalypsy 7:9-14) Noho ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra tarihin’ny Kristianina voahosotra, dia maherin’ny enina tapitrisa izao ny olona manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. Iza no mendri-koderaina noho izany fitomboana izany, na dia teo aza ny fanoheran’i Satana sy ny tontolo ratsiny? (1 Jaona 5:19) I Jehovah irery ihany no mahavita izany rehetra izany, amin’ny alalan’ny fanahiny masina.​—Isaia 60:22; Zakaria 4:6.

Ny famirapiratan’ny haja amam-boninahitr’i Jehovah

16. Nahoana ny olombelona no tsy afaka mahita ny ‘famirapiratan’ny haja amam-boninahitr’i Jehovah’?

16 Tsy hohadinoina na oviana na oviana ny ‘asa mahagaga’ sy ‘asa lehibe’ ataon’i Jehovah, na inona izany na inona. Hoy i Davida: “Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao [na ‘ny famirapiratan’ny haja amam-boninahitrao’, TV] sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona; ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.” (Salamo 145:4-6) Ahoana anefa no nahafantaran’i Davida ny famirapiratan’ny voninahitr’i Jehovah, nefa “Andriamanitra dia Fanahy”, ka tsy hitan’ny mason’ny olombelona?​—Jaona 1:18; 4:24.

17, 18. Ahoana no nahatonga an’i Davida hahatsapa bebe kokoa ‘ny famirapiratan’ny haja amam-boninahitr’i Jehovah’?

17 Marina fa tsy afaka nahita an’i Jehovah i Davida, nefa nisy fomba nahatsapany bebe kokoa fa mendri-kaja izy. Azo inoana fa novakiny tao amin’ny Soratra Masina hoe nanao asa lehibe Andriamanitra, toy ny fandringanana ny ratsy fanahy tamin’ny alalan’ny Safodrano naneran-tany. Azo inoana koa fa nianaran’i Davida hoe naetry ireo andriamani-dison’i Ejipta, rehefa nanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina Andriamanitra. Porofoin’ireny fisehoan-javatra ireny fa mendri-kaja sy lehibe tokoa i Jehovah.

18 Tsy isalasalana fa tsapan’i Davida bebe kokoa hoe mendri-kaja Andriamanitra, rehefa nisaintsaina ny Soratra Masina izy, fa tsy namaky azy io fotsiny akory. Mety ho nisaintsaina ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nanomezan’i Jehovah ny Lalàna ho an’ny Israely izy, ohatra. Nisy kotroka sy tselatra ary rahona matevina sy feon’anjomara mafy be tamin’izay, ary nihovotrovotra sy nivoaka setroka ny Tendrombohitra Sinay. Nivory teo am-pototr’ilay tendrombohitra ny Israelita, ary nandre an’i Jehovah nanambara “ny Didy Folo” tamin’ny alalan’ny anjely, tao anaty afo sy rahona. (Deoteronomia 4:32-36; 5:19-21; 10:4; Eksodosy 19:16-20; Asan’ny Apostoly 7:38, 53) Tena mampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah tokoa izany! Rehefa misaintsaina ireny tantara ireny ny olona tia ny Tenin’i Jehovah, dia manohina ny fony ‘ny famirapiratan’ny haja amam-boninahiny.’ Manana ny Baiboly manontolo kosa isika ankehitriny. Mirakitra fahitana maromaro momba ny voninahitr’i Jehovah izy io, ka mahatonga antsika hiaiky ny fahalehibeazany.​—Ezekiela 1:26-28; Daniela 7:9, 10; Apokalypsy toko faha-4.

19. Inona no hahatonga antsika hahatsapa bebe kokoa fa mendri-kaja i Jehovah?

19 Ny fandinihana ny lalàna nomena ny Israelita koa dia mety ho nahatonga an’i Davida hiaiky fa mendri-kaja Andriamanitra. (Deoteronomia 17:18-20; Salamo 19:7-11) Lasa mendri-kaja ny firenen’ny Israely sady niavaka tamin’ny firenen-kafa rehetra, rehefa nankatò ny lalàn’i Jehovah. (Deoteronomia 4:6-8) Toa an’i Davida àry, dia ho tsapantsika bebe kokoa fa mendri-kaja i Jehovah, rehefa mamaky tsy tapaka ny Soratra Masina isika, sady misaintsaina tsara sy mazoto mianatra azy io.

Tena miavaka ny toetra tsaran’Andriamanitra!

20, 21. a) Inona avy ireo toetra resahin’ny Salamo 145:7-9, ka manantitrantitra ny fahalehibeazan’i Jehovah? b) Inona no vokatr’ireo toetran’Andriamanitra resahina eto eo amin’izay rehetra tia azy?

20 Manome antony tokony hiderana an’i Jehovah ny andininy enina voalohany amin’ny Salamo faha-145, satria mampiseho fa tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany. Manantitrantitra ny fahalehibeazany koa ny andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-9, rehefa mampiseho ny toetra tsarany. Nihira i Davida hoe: “Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy sy hihoby ny fahamarinanao. Mamindra fo sy miantra Jehovah; mahari-po sady be famindrampo Izy. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.”

21 Manasongadina ny fahatsaran’i Jehovah sy ny fahamarinany aloha i Davida. Nahatonga ny olona hisalasala i Satana Devoly raha tena manana ireo toetra ireo tokoa Andriamanitra na tsia. Inona no vokatry ny fahatsarana sy ny fahamarinan’i Jehovah eo amin’izay rehetra tia azy sy manaiky hofeheziny? Tena mahafaly ny mpanompony izany, hany ka tsy mitsahatra midera azy izy ireo. Manao ny tsara amin’ny “rehetra” mihitsy aza i Jehovah. Koa enga anie izany hitarika olona bebe kokoa hibebaka sy ho tonga mpanompon’ilay Andriamanitra marina, dieny mbola tsy tara loatra.​—Asan’ny Apostoly 14:15-17.

22. Ahoana no fomba itondran’i Jehovah ny mpanompony?

22 Nankamamin’i Davida koa ireo toetra nasongadin’Andriamanitra, tamin’izy ‘nandalo teo anatrehan’i [Mosesy] ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.’ (Eksodosy 34:6) Afaka niteny àry izy hoe: “Mamindra fo sy miantra Jehovah; mahari-po sady be famindrampo izy.” Na dia tsy takatry ny saina aza ny fahalehibeazan’i Jehovah, dia manome haja ny mpanompony izy, rehefa mamindra fo aminy. Miantra izy, ka vonona hamela ny heloky ny mpanota mibebaka, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Mahari-po koa i Jehovah, satria avelany ny mpanompony hiezaka handresy ny fahalemena, izay mety hisakana azy ireo tsy ho ao amin’ny tontolony vaovao hanjakan’ny fahamarinana.​—2 Petera 3:9, 13, 14.

23. Inona no toetra sarobidy hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

23 Nankalaza ny famindram-pon’Andriamanitra na ny fitiavany sy hatsaram-panahiny i Davida. Mampiseho ny fomba anehoan’i Jehovah izany toetra izany ny tapany farany amin’ny Salamo faha-145. Hitantsika ao koa ny ataon’ny mpanompony mahatoky ho setrin’izany fitiavany sy hatsaram-panahiny izany. Ireo hevitra ireo no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana avy no fomba azontsika iderana an’i Jehovah “isan’andro”?

• Manomeza ohatra mampiseho fa tsy takatry ny saina ny fahalehibeazan’i Jehovah.

• Inona no azontsika atao mba hahatsapana bebe kokoa fa mendri-kaja i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Manaporofo ny fahalehibeazan’i Jehovah ny vahindanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin

[Sary, pejy 12]

Inona avy ireo zavatra mahakasika an’i Jesosy Kristy, ka mampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah?

[Sary, pejy 13]

Nahita ny haja amam-boninahitr’i Jehovah ny Israelita, rehefa nomena ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay