Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Voky ny Hazon’i Jehovah”

“Voky ny Hazon’i Jehovah”

Ny Hakanton’ny Zavaboarin’i Jehovah

“Voky ny Hazon’i Jehovah”

EFA mba tany anaty ala ve ianao, ka nahita ny tara-masoandro niditra teny anelanelan’ireo hazo mijoalajoala? Nandre feo nikasaotsaoka ve ianao rehefa notsofin’ny rivotra malefaka ny ravin’izy ireo?​—Isaia 7:2.

Any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, dia mivadika ho mena, na volondaoranjy, na mavo, na loko hafa ny ravin’ny hazo maro, mandritra ny vanim-potoana sasany ao anatin’ny taona. Toy ny hoe mirehitra mihitsy izy ireo! Mifanaraka tsara amin’ity andinin-teny ity izany: “Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary hianao, ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao.”​—Isaia 44:23. *

Efa ho ny ampahatelon’ny planeta Tany no rakotry ny ala. Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamolavola sy Mpamorona azy, ny ala mijoalajoala sy ny zavamananaina maro be ao aminy. Nihira ny mpanao salamo hoe: ‘Miderà an’i Jehovah ianareo hazo fihinam-boa sy sedera rehetra.’​—Salamo 148:7-9.

“Tena ilain’ny olombelona ny hazo satria manampy azy eo amin’ny fiainana sady mitondra fahafinaretana ho azy”, hoy ny boky Ny Hazo Manodidina Antsika (anglisy). Miaro sy manadio ny tahirin-drano ilain’ny olombelona ny ala, ary manao izay hampisy azy io foana. Manadio ny rivotra koa ny hazo. Ovan’ny selan’ny ravinkazo ho sakafo sy oksizenina mantsy ny gaza karbonika, rano, mineraly, ary ny hazavana avy amin’ny masoandro. Amin’ny alalan’ny fôtôsentezy no anaovany izany, ary tena mahavariana izy io.

Anisan’ny zavaboary miavaka sy tsara tarehy ny ala. Ireo hazo mijoalajoala matetika, no tena mahavariana. Misy ampanga, volon-kazo, zavamaniry mandady, hazo madinika, ary bozaka tsy hita isa, miara-maniry amin’izy ireo. Miankina amin’ny hazo ireo zavamaniry ireo, satria mila ny alokalony sy ny hamandoana avy aminy, mba hitomboana.

Mihintsan-dravina ny hazo sasany any an’ala, amin’ny faramparan’ny taona, ka mety hahatratra 25 tapitrisa isaky ny hektara ny ravinkazo mihintsana. Inona no hiafaran’ireny ravina ireny? Manova azy ireny ho zezika izay tena ilaina mba hahavokatra ny tany, ny bibikely sy ny holatra ary ny kankana, na ny zavamiaina hafa. Tsy misy zavatra very mihitsy àry, rehefa karakarain’izy ireo ny tany, mba hahafahan’izy io hamokatra indray.

Feno zavamananaina maro be ao ambanin’ireny ravinkazo mihintsana ireny. Milaza ny boky Ny Ala (anglisy) hoe ‘mety hahatratra 1 350 ny zavamananaina ao anatin’ny tany 2,5 santimetatra ny halaliny, sy mirefy 30 santimetatra tora-droa ny velarany. Na dia ao anatin’ny tany eran’ny tanana aza, dia mbola misy zavamiaina bitika dia bitika an’arivo tapitrisa, ankoatra an’ireo.’ Feno biby mandady, vorona, bibikely, ary biby mampinono koa ao anaty ala. Iza no tokony homena voninahitra noho ireny zavaboary kanto sy maro samihafa ireny? Izao indrindra no nambaran’ny Mpamorona azy ireo: “Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.”​—Salamo 50:10.

Noforonina hanana fahaizana miavaka ny biby sasany. Matory, ohatra, izy ireny mandritra ny ririnina, mba ho velona aorian’ny hatsiaka mamirifiry sy ny vanin-taona lava be tsy isian’ny sakafo. Tsy ny biby rehetra anefa no matory mandritra ny ririnina. Mety hahita andiana serfa mitsambikimbikina eny an-tsaha ianao, na dia amin’ny ririnina be aza. Tsy matory sady tsy manangona sakafo izy ireny. Araka ny hitanao eo amin’io sary avy any Alemaina io, dia mandehandeha mitady rantsankazo malemilemy na ravina vao mitsimoka ny serfa, ka izany no hohaniny.

Miresaka matetika momba ny zavamaniry ny Soratra Masina. Araka ny fanisana natao, dia zavamaniry efa ho 130 samy hafa no tononin’ny Baiboly, ka hazo ny 30 eo ho eo amin’ireo. Hoy i Michael Zohary, manam-pahaizana momba ny zavamaniry, rehefa nanazava ny anton’izany: “Na dia ny boky tsotra aza, dia tsy mampifandray imbetsaka ny zavamaniry amin’ny lafiny samihafa amin’ny fiainana, toy ny ataon’ny Baiboly.”

Fanomezana tena tsara avy amin’ilay Mpamorona be fitiavana ny hazo sy ny ala. Azo antoka fa manaiky ity tenin’ny mpanao salamo ity isika, raha efa nitsangantsangana tany anaty ala: “Voky ny hazon’i Jehovah, dia ny sederan’i Libanona, izay namboleny; izay anaovan’ny voron-kely ny akaniny.”​—Salamo 104:16, 17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, Janoary/Febroary.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Iray amin’ireo hazo fihinam-boa miavaka indrindra any Moyen-Orient ny hazo amandie. Anisan’ny hazo mamelana voalohany indrindra aorian’ny ririnina izy io. Izany no antony niantsoan’ny Hebreo fahiny azy io hoe hazo mifoha. Toy ny hoe mifoha tokoa no fijery azy, noho izy mamelana mavokely tanora na fotsy.​—Mpitoriteny 12:5.

Tokony ho 9 000 ny karazam-borona fantatra, ka mpihira ny 5 000 eo ho eo amin’izy ireo. Manapaka ny fahanginana ao anaty ala ny hiran’izy ireo. (Salamo 104:12) Tena mahay mihira, ohatra, ny karazana tsintsina sasany. Tena mahay mihira koa io karazana fitatra hitantsika eo amin’ny sary io. Manaitra ny maso ny lokony volondavenona sy mavo ary maitso tanora.​—Salamo 148:1, 10.

[Sary, pejy 9]

Ala any Normandia, Frantsa